Créer un site internet
Tsy hodinganina ny maty
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
27 martsa 2021


Ombin-tsarety sy ny olona

Pôeta : Joséphine Ranirina
Loharano : Gazety Fandrosoam-baovao
Nanadihady : Tsikimilamina Rakotomavo
NY OMBIN-TSARETY SY NY OLONA
Pôetawebs

Vanimpotoana mbola ikatsahana ny fahafahana izao ankehitriny diavina izao noho ny fahitana taratra ny tsy fitoviana amin’ny endriny samihafa. Mbola miharihary sy iainana eo anivon’ny fiarahamonina izany araka ny ambaran’i Josephine Ranirina ao amin’ny tononkalony milohateny hoe: “Ny ombin-tsarety sy ny olona” izay nivoaka tao amin’ny gazety fandrosoam-baovao. Nisongadina tamin’izany fa manana ny lanjany eo amin’ny fiaraha-miaina ny fitadiavana ny fahafahana mba hampirindrana ny fifandraisan’ny olombelona samy olombelona. Ny antom-pisian’ny fitakiana fahafahana sy ny vokatra aterany àry no entina hanamarinana izany araka ny voambaran’ny pôeta. Marihina moa fa na dia sary an’ohatra aza no hanehoan’ny pôeta ny tononkalo dia mazava amin’ny mpamaky ny sokajin’olona oharina aminy, dia ny tompon’ny fahefana sy ny olona iadidiany.

*
*   *

Maro ireo antony mahatonga ny fikatsaham-pahafahana eo amin’ny tontolo ivelomana. Isan’izany ny tsy fitoviana na ara-bolon-koditra  na firazanana, na finoana na fahaizana na fari-pananana. Misongadina amin’ireny sehatra samihafa ireny ny tsindry izay mahatonga ny fanambaniana sy tsy fiheverana ny fisian’ny hafa. Manamafy izany ny filaza manamaivana  sy manao tsinontsinona manao hoe:

”Efa omby tsy manjary ilay Baka ratsy ‘ty”

Misy fifandonana goavana ateraky ny fahasamihafana. Koa na dia ho fifamenoana aza no tokony hivohitra anaty fifaneraserana dia zary fifanoherana eo amin’ny fomba fihevitra sy fijery no misongadina. Tsy mitovy mantsy ny hery ka ireo heverina ho manan-katao sy manam-pahefana antsoina hoe tremalahy hatrany no mihevi-tena ho ambonin’ny voahary rehetra. Ao anatin’izany tranga izany no hanehoany fa tsy fanomezana hasina na voninahitra azy ny fitarainana raha tojo ny manahirana ny olona eo ambany fiadidiany.  Hamarinin’ny ambarany ihany izy amin’ny hoe:

“Mianatra mamaly sy manabe kabary”

Mieritreritra ny ho to teny mandrakariva ny olona manana fahefana ary mazàna te hampihatra didy tsy azo lavina. Hany ka rehefa milaza  izay tranga

NY OMBIN-TSARETY SY NY OLONA

Aoka aloha re, Tompoko, mba haka aina kely.
Ny entana manindry tsy hita velively,
Tsy araky ny aina fa tsy hoe : hakamoana,
Ny vozona marary, ny kibo tena noana.

    Efa omby tsy manjary ilay Baka ratsy ‘ty:
    ‘Zay entan-kely io no mba entina ka mi…
    Tadiavin’ialahy ho very foana angaha
    Ny vilona omaly nalaiko teny an-tsaha…?

Tadidy, Tompoko, iny na dia tsy betsaka aza,
Ny voky kosa anefa dia tsy haiko ny milaza.
Satria ‘zahay roa lahy no niaraka namely,
K’izay anjaran-drery tsy ampy velively;
Ny alina aza mantsy saika tsy naraina,
Nangepahepa ery fa reraka ny aina.
Androany indray izao dia vao nangiran-dratsy
No niala an tanàna kanefa izay mba vatsy;
Mololo kely foana, mafiaka sady maina,
Ny andro anefa ity mangotraka migaina.

    Ny hakamoan’ialahy, ka reraka aho reraka!
     Lemanja anefa iroa mioitra sy manezaka.
    Mibaribary izao f’ialahy no tena kary,
    Mianatra mamaly sy manabe kabary.
       
        (…)

    Mameleza mafy raha tsy mamaly àry…
    Fa sao ialahy mahazo ny tena maharary:
    Isan’andro izao, na voky ialahy na noana
   Dia tsy mba manan-tsaina afa-tsy ny tokom-poana

        (…)           

    Tena hitako izao fa mendrika an’ialahy,
    Ny hamidy indray amin’olona mpamahy;
    Tsy izy intsony mantsy ka tokony ho hena,
    Tetehina, rasaina, hamidy eny an-tsena (…).

Efa resy mantsy ka dia miomana hijaly,
Mangotsoka eny foana, tsy afaka mamaly;
Nony mitaraina fa misy mba tsy toha,
Lazaina ho maditra sy efa mafy loha.
Ny rariny kanefa dia ela aoka izany,
Ka ny aina kely ity ho ritra ambony ihany!

    Joséphine RANIRINA
    Gazety Fandrosoam-baovao
mety ny hafa ankoatra azy dia ampangaina avy hatrany ho mpanohitra sy mpanakorontana izay foto-kevitra ijoroana. Tsy misy hataka andro ny famafana na fanesorana ny anaran’izay milaza ny tsy rariny ao anaty lisitry ny mpiara-miombona antoka. Hoy indrindra ny voalaza:

“Tena hitako izao fa mendrika an’ialahy
  Ny hamidy indray amin’olona mpamahy”

Hita araka ireo voambara ireo fa ny tsy fiheverana ny maha olona no antom-pisian’ny fitakiana fahafahana.  Voafaritra ao anatin’izany ny tsy fitsimbinana ny aina, ny tsy fahaiza-mankasitraka ny hafa ary indrindra ny fiheveran-tena ho zavatra. Marina fa tsy mitovy ny fihevitra sy ny fomba amam-panao ao anaty tsy fitoviana kanefa miteraka geja tsy hay vahana ireny fifandonana samihafa ireny.

*

Eo anatrehan’izany indrindra dia misy akony lehibe eo amin’ny sokajin’olona iantefany ireo fomba fifandraisana manivaiva ny hafa ireo. Fitakiana ny hialana amin’ny fangejana na ara-pitenenana na araka ny fomba fiasa no tanjon’ny olona izay tratry ny tsindry na ny tsy rariny. Rehefa tsy zaka intsony izany dia misy ny fitroarana mahery vaika ka mahatonga ny filazana hoe:

”tsy araky ny aina fa tsy hoe hakamoana
  Ny vozona marary, ny kibo tena noana”

Manana sata hanehoany maha olombelona mantsy ny tsirairay ary zara feno sahaza azy no ilainy hahalavorary ny fiainany. Anisan’ireny ny zo ho velona sy hizaka tena, ny zo haneho ny fihetseham-po ary zo hiaina am-pilaminana ao anaty asa fivelomana, hany ka miloa-bava hoe:

“Androany indray izao dia vao nangiran-dratsy
 No niala an-tanàna kanefa izay mba vatsy;
 Mololo kely foana, mafiaka sady maina,
 Ny andro anefa ity mangotraka migaina.”

Tsapa fa misy hatrany ny fanararaotam-pahefana ataon’ny matanjaka izay tsy ahafahan’ny madinika manoatra noho ny hery kely eo am-pelan-tanany. Lasa mitoetra ho mpanaraka izay tranga misy fotsiny izy ireo  hany ka manatontosa ny asa tsy amin’ny fo feno finiavana fa an-tery kosa. Ny hany masaka an-tsaina dia ny fiandrasana ny rariny izay heverina fa mbola ho saro-tadiavina.

“Ny rariny kanefa dia ela aoka izany,
  Ka ny aina kely ity ho ritra ambony ihany!”

*
*  *

Raha aravona izay rehetra voambara teo dia tsapa fa tadiavina fatratra eo amin'ny tontolom-pifandraisana ny fahafahana. Tsy manjaka ny fiombonana sy ny firaisankina raha tsy miorim-paka ny fitoviana.Miharihary mandraka ankehitriny anefa ny tsy fiheverana ny maha olona izay tokony hofongorana ifotony. Ity tononkalo ity dia mbola maneho ny zava-misy iainana  isan’andro hatrany na dia efa nosoratana tao anatin’ny vanimpotoana nampivaivay ny fitakiana fahafahana nandritra ny fanjanahantany aza. Hita soritra amin’izany fa mbola maro ny mpandroaka omby izay miendrika mpanjanatany na eo amin’ny fisainana na eo amin’ny fomba fitondrana ny mpiara-belona aminy. Miseho amin’ny endriny samihafa izy ireny izay tsy mbola lefin’ny fotoana. Tsy vitsy ihany koa ny ombin-tsarety na ireo izay tratry ny herisetra amin’ny lokony isan-karazany. Na izany aza anefa dia zava-dehibe ny hamosahana izao fanadihadiana izao mba hisian’ny fahatongavan-tsain’ny isam-batan’olona ka sady hihevitra ny mahasoa ny tena no hanohana ny hafa ihany koa.
Tsikimilamina Rakotomavo
Takelaka : Toetra Ràja
© Pôetawebs

Date de dernière mise à jour : 26/03/2021