Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny

Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

30 Mey 2015

 

 

"Nofy tena izy", tononkalon'i Drakidraky Misareky, nofakafakain-dRatsimbazafy Heriarilala

 

  NOFY TENA IZY

Eny ry Malala,
Ilay andro alarobia
Noheveriko ho adala
Izaho raha nankafy
Nitahiry an_diary
Ilay fotoana mamintsika
Resy ny elanelantany !
"Rendez_vous magique !"

Tamin'ny sivy angamba ny ora
Sy iraika amby efapolo
Ianao ilay sasa_niandry
Amin'ny maso efa folo
Indry ianao no tazako avy hatrany
Ka hatramin'ny famindrako aza
Toa tsy nandia tany

Tsisy fihafahafana,
Fa nanatonako mihitsy
Ianao koa tsy niala bala
Fa nitsena ahy tamin'ny tsiky!
"Mamikely" aloha,
Nifamihina amina'izay,
Tonga "tena izy",
Ireo nofintsika hatramin'izay.

Drakidraky Misareky
19-12-14 - 00:17
  Ny tiana no mamy indrindra ka satry foana hihaona aminy. Tsy mankaleo velively ny mahita azy na dia mandritra ny androm-piainana manontolo aza, ary izay indrindra àry no faniriana :  ho eo anilan'ny tiana mandrakizay. Na dia vao iray minitra monja tokoa aza mantsy ny mpifankatia no ninfandao rehefa samy hamonjy ny fodiany amin'ny takariva dia efa mifankamanina sahady. Mikasika izany hamamin'ny fihaonan'ny mpifankatia izany indrindra no resahin'ity tononkalon'i Drakidraky Misareky ity, izay nampitondrainy ny lohateny hoe "Nofy tena izy", nosoratana tamin'ny 19 desambra 2014 tamin'ny misasakalina mahery 17 minitra. Lazainy ato ny hafaliana tsy omby tratra rehefa hihaona amin'ny tiana : ny iray dodona, ny iray tsy mahandry. Ahoana indray ny nanehoan'ny Pôeta izany tamin'ny fomba kanto? Handeha aloha hodinihana ny firafitry ny tononkalo.  Manaraka izany ny voambolana nampiasain'ny mpanoratra ary farany ny sarin-teny.


RAFITRA

Mirafitra ho andininy aloha izy. Ahitana andininy telo mirakitra ny votoatin'ny tononkalo. Tsy inona izany fa ny fahatanterahan'ilay faniriana hatrizay dia ny hihaonana amin'ny tiana, izay ilay "nofy tena izy".  Ka na izy aza tsy nino mihitsy fa hoy izy hoe: "noheveriko ho adala izaho raha nankafy (...) ilay fotoana mamintsika".

Izy ity aloha dia tononkalo malala-drafitra satria tsy dia nataon'ny mpanoratra ho zava-dehibe loatra ny rima, eo amin'ny andininy voalohany ihany no hita mazava fa mifaningotra ny rima ABABDEDE. Ohatra:

 "Eny ry malala
 Ilay andro alarobia
 Noheveriko ho adala
 Izaho raha nankafy". andalana 1-4

Fa manomboka eo amin'ny andininy faharoa sy fahatelo dia mikorontana amin'izay ny rima. Indraindray misy, indraindray tsy misy. Izany fikorontanana izany angamba no natao mba hanehoana ny fisamboaravoaran'ny fon'ilay olona hihaona amin'ny ilay malalany.

Tsy mitovy ihany koa ny isan'ny vanin-teny isaky ny andalana tsirairay sy ny isan'ny andalana amin'ny andininy telo:  andalana valo eo amin'ny andininy voalohany sy farany nefa andalana fito eo amin'ny andininy faharoa. Ny anton'izany dia tsotra ihany, nientanentana loatra ny mpandray anjara, indraindray vitsy teny, indraindray dia be teny, vokatry ny hafaliany. Manaporofo izany ny andalana 12-14 manao hoe: "indry ianao tazako avy hatrany ka na ny famindrako aza toa tsy nandia tany". Faly tokoa izy, nisamboaravoara ery ary izany fisamboaravoara izany dia asehon'ny tsy fifandanjan'ny isan'ny andalana sy ny vanin-teny.

Raha hitantsika ary fa teo amin'ny rafitra malalaka no nanehoan'ny mpanoratra ny hevitra ventesina ao anatin'ny tononkalo dia ahoana indray kosa ny fanehoany izany teo amin'ny voambolana?

VOAMBOLANA

Raha ny eo amin'ny voambolana indray no jerena dia ahitana voambolana amin'ny teny frantsay ato, eo amin'ny andalana fahavalo no misy izany manao hoe: "rendez-vous magique". Tsy hoe tsy nahita teny malagasy hilazany azy io ny mpanoratra fa ny zava-misy mihitsy no nampivadi-dela azy, nientana loatra mantsy ny fony ka teny vahiny avy hatrany no tonga teo am-bavany. Hafakely tokoa io fotoana io raha izany!

Ahitana fitenin-jatovo ihany koa eto, eo amin'ny andalana faha 18 : "Tsy niala bala", tsy nody fanina no tiany hotenenina fa izay no nentiny nilazana azy. Inona indray no asehon'izany? Tsotra dia tsotra, mbola tanora vao herotrerony ilay olona mifanao fotoana amin'ny sakaizany eto. Eny, mbola tanora mpisakaiza tokoa matoa mbola ny alarobia,  andro fiatoan'ny mpianatra amin'ny ambaratonga ambany no ihaonana.

Amin'ny maha literatiora azy ity dia ahitana voambolana tsy fampiasa andavanandro ihany koa , eo amin'ny andalana faha 20 no misy izany manao hoe : "mamikely". Ny Malagasy ankehitriny dia efa betsaka no tsy mahalala intsony izany fa "oroka" no fiteniny, betsaka ary no efa manolo azy amin'ny voambolam-bazaha hoe "bisous". Teto dia io teny tsy mahazatra io no nampiasain'ny mpanoratra mba hanehoana fa hafa mihitsy ny andro tamin'io, fotoana miavaka, tsy toy ny isanandro.

Hitantsika ary izay fa ny fampiasana voambolana amin'ny teny vahiny, fitenin-jatovo, voambolana mihataka amin'ny andavanandro dia nanakanto ity pôezia ity. Dia inona indray ary no azo lazaina eo amin'ny sarin-teny?

SARIN-TENY

Eo amin'ny andalana fahenina aloha dia fanovana endri-javatra avy hatrany no hita : "Ilay fotoana mamintsika" hoy izy. Tsy zavatra azo hanina ny fotoana ka ahafahana mahatsapa ny tsiro mamy. Izany sarin-teny izany anefa no nampiasain'ny mpanoratra mba hanehoany ny hasarobidin'ilay fotoana nifaonaovany tamin'ny malalany.

Eo ihany koa ny filaza masaka "ka na ny famindrako aza toa tsy nandia tany", andalana 14-15. Entiny milaza fa tena faly izy, ka nientanentana ny tany anatiny. Feno dia feno mantsy ny fony ka tsy tsaroany intsony fa nandia tany izy, zary toy ny nitsingevaheva. Kanefa tsy misy velively izany mamindra tsy mandia tany sy mitsingevaheva izany. Tiany hasongadina fotsiny fa tamy nanatona avy hatrany sady haingana izy tamim-pifaliana ka toy ny nisidintsidina hanatona ny sakaiza tiany.

Raha fintinina izany dia tononkalo malala-drafitra no nanehoan'ny mpanoratra ny fihetseham-pony teto. Betsaka ihany koa ireo singa tamin'ny endrika ivelany naneho ny votoatin'ny tononkalo na teo amin'ny voambolana mihataka amin'ny andavanandro izany na teny voambolana vahiny sy ny fitenin-jatovo izay nahafahana namaritra fa vao tanora maitso volo ilay mitantara ny fihaonany tamin'ny olon-tiany teto. Fa ankoatra ny voambolana, dia teo ihany koa ny sarin-teny toy ny fanovana endri-javatra sy ny filaza masaka izay naneho ny hasarobidin'ilay ora nihaonan'izy roa ary ny fatran'ny hafaliany tamin'ny izany. Kanto tokoa ity tononkalo ity matoa nahafahantsika nanasinkasina ireo singa maromaro ireo.

Ratsimbazafy Heriarilala

 

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

 

 

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021

×