Créer un site internet
Sarotra ambara, tononkalon'i Ny Avana nohadihadian'i Faniry_Ezeckiel
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

27 mey 2020
Pôetawebs Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja
Pôetawebs
sary nindramina FANTARO

Mpanoratra : Ranoe
Loharano : Tovozin-tsy ritra boky 3 tak 30
Nanadihady : Tsikimilamina Rakotomavo


Ranoe
Tsikimilamina Rakotomavo

    Anisan'ny fototra iaingana eo amin'ny lafiny literatiora ny soratra noho izy manoro fahalalana sy fahitsiana eo amin'ny fiainana. Miresaka izany indrindra i RANOE ao amin'ny tononkalony izay nampitondrainy ny lohateny hoe: "Fantaro" ary notsoahina tao amin'ny "Tovozin-tsy ritra" boky 3  tak 30. Asehony amin'izany fa manana ny anjara toerany eo amin'ny sehatry ny literatiora ny soratra. Koa hamahavahana izany dia hodinihina mialoha ny famaritana ny soratra. Hobanjinina manaraka izany ny anjara asany. Hezahina velabelarina mifanesy ireo fizarana roa voalaza teo ireo.

    Ny zava-drehetra eo amin'ny fiainana dia misy azo amaritana azy avokoa. Tahaka izany ny soratra izay manana ny mampiavaka azy. Koa andeha hofaritana sahady ny mikasika izany.

    Voalohany indrindra dia azo asongadina fa tsy hadalana ny soratra. Heverin'ny tontolo manodidina fa vokatry ny tsy fahampian-tsaina ireny soratra miseho amin'ny boky aman-gazety ireny. Kanefa dia teraky ny aingam-panahy sy ny talentan'ny mpanoratra madiodio. Hoy ny andalana (1, 2):

        "fa ny soratro sakaiza
         Tsy hoe rediredin-tsaina".

    Manaraka izany dia hita fa tsy eritreritra misidina araka ny fihevitry ny maro azy akory ny soratra fa vokatry ny famoronan'ny mpanoratra izay teren'ny zava-misy ka maneho ireny amin'ny fomba kanto sy miavaka. Ambaran'ny tononkalo ny hoe:

FANTARO
Fa ny soratro sakaiza
Tsy hoe rediredin-tsaina
Te hanonofy volana
Ka tsy fantatra hoe ho aiza
Tsy hay izay tanisaina
Fa manodikodim-bolana

Fa ny soratro sakaiza
No mamohafoha ny saina
Manentana fanahy
Hanolokolo sy hitaiza
Hitsinjo anao maraina
Tsy ho velona ahiahy

Fa ny soratro sakaiza
No hirakitra tadidy
Ny lasa sy ny ankehitriny
Hiantso anao mahaiza
Miantsoroka ny adidy
Mba tsy hananan-tsiny

RANOE
Tovozin-tsy ritra
boky 3 tak 30


        "te hanonofy volana
         Ka tsy fantatra hoe ho aiza".

    Ankoatra izany dia azo ambara fa tsy miteniteny akory ny soratra satria milaza ny toe-javatra marim-pototra hita taratra eo amin'ny tontolo manodidina izy. Hamarinin'ny tononkalo izany manao hoe:

        "tsy hay izay tanisaina
         Fa manodikodim-bolana".

    Raha navohitra teo ny famaritana ny soratra dia andeha hasongadina kosa ny anjara asany.

    Zava-dehibe ho an'ny tontolon'ny fiainan'ny olona andavan'andro ny andraikitry ny soratra. Manabe mantsy izy ireny ary anisan'izany ny fanoroana fahendrena izay ataony mba tsy hivoahan'ny olona eo amin'ny valan'ny fiainana. Hoy indrindra RANOE:

        "Manentana fanahy
         hanolokolo sy hitaiza"

    Fanampin'izany dia tsikaritra fa mitari-dalana ny soratra. Anjara asa goavana izany satria izy no manilo ny dian'ny mpiara-belona mba tsy hanaotao foana ary indrindra mba handray andraikitra amin'izay rehetra atao. Manamafy izany ny tononkalo:

        "hitsinjo anao maraina
         tsy ho velona ahiahy"

    Ankoatra izany dia hita fa mitahiry ny zava-misy ny soratra. Ny soratra ihany tokoa no fitaovana ahafahana miaro ny tantara tsy ho very an-javona ary ahazoana mampahafantatra amin'ireo taranaka ny zava-misy. Hamarinin'ny andalana (13-14-15):

        "Fa ny soratro sakaiza
         no hirakitra tadidy
         ny lasa sy ankehitriny"

       Raha fintinina izay rehetra voambara teo dia tsapa fa manana ny anjara toerany eo amin'ny sehatry ny literatiora ny soratra. Nisongadina teo ny famaritana ny soratra izay nentina nanehoana fa tsy eritreritra misidina akory izy. Eo anatrehan'izany dia fantatra fa manana andraikitra lehibe ny soratra. Anisan'ireny ny fanabeazana izay ataony. Raha ny tononkalon-dRanoe kosa no asian-teny dia hita fa kanto noho ny fampiasany tamberinteny andohan'andalana "soratra". Manasongadina hatrany ny soratra izany ary azo itarafana ny lanjany eo anivon'ny haisoratra malagasy.


Mpandrindra ny takelaka : Toetra Ràja

© poetawebs

Date de dernière mise à jour : 28/05/2020

×