Créer un site internet
Solo vava anao, tononkalon'i Zo-Maminirina, nohadihadian'i Tsiky Rakotomavo
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

27 aogositra 2020
Pôetawebs Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja
Pôetawebs
sary nindramina Solo vava anao

Mpanoratra :
Zo-Maminirina
Nanadihady : Tsikimilamina Rakotomavo

Pôetawebs
Zo-Maminirina
Tsikimilamina Rakotomavo

  Ambara ombieniombieny fa andry iankinan'ny haisoratra ny mpanoratra na ny pôeta ary heverina fa mpilaza na manambara izay tsy voatenin'ny isambatan'olona izy ireny. Mikasika ny pôeta indrindra ity tononkalon'i Zo-Maminirina izay nosoratany ny 09 mey 1999 ary nampitondrainy ny lohateny hoe: "solovava anao". Misongadina avy amin'izany fa manana ny anjara toerany eo amin'ny sehatry ny literatiora ny pôeta. Hanadihadiana akaiky izany àry dia hodinihina mialoha ny famaritana ny pôeta. Hobanjinina manaraka izany kosa ny andraikiny. Ezahina velabelarina mifanesy etsy ambany ireo fizarana roa voalaza teo ireo.
*
* *
    Hanombohana ny famelabelarana dia andeha havohitra ireo famaritana samihafa mikasika ny pôeta.
Voalohany indrindra amin'izany ny fahitana fa sokajin'olona miaritra ny mafy ny mpanoratra. Toa mizaka ny vokatry ny zavatra tsy nataony mantsy izy hany ka mijaly sy tsikaritra ho fadiranovana. Hoy ny andalana (1-2):

"izaho ilay mitangolika anaty mazàna
Mandrezatra izay tsy natelina akory"

    Manaraka izany dia tsikaritra fa olona mora mihetsi-po ny mpanoratra ka avy hatrany dia milaza ny fifaliana sy ny fahorian'ny manodidina azy. Avy amin'izany no ahatarafana fa manome fahafaham-po ny hafa ny pôeta.


 SOLO VAVA ANAO

Izaho ilay mitangolika anaty mazàna
Mandrezatra izay tsy natelina akory
Izaho ilay mpivetso mandrotsy tanàna
Ka mandray ny penina alohan'ny hatory!
POETA
Izaho mpitahiry ny lasa sy omaly
Mamorona izay mbola ts'isy ihany koa
Izaho ilay tomany no sady mifaly
Mora mibaby ny aretim-po
POETA!
Izaho ilay mpitrotro ny tianao rehetra
Mpampita ny nofy ho tonga any aminy
Izaho ilay miaina ny taon-tsy voafetra
Mikalo ny misy ny ngidy sy ny hamaminy
POETA!
Fa izaho ilay tsy mba jerenao mihitsy
Raha ampoka mamy tafita eny ianao!
Izaho koa mitady ny mari-mahitsy
Sy tsy mitongilana anaty birao
POETA!
Poetan'ny taniko

Zo-Maminirina (09-05-1999)

   Hamafisin'ny tononkalo izany manao hoe:

"izaho ilay tomany no sady mifaly
Mora mibaby ny aretim-po!"

  Fanampin'izay voambara dia azo lazaina fa sokajin'olona tsy dia raharahain'ny hafa ny pôeta. Hamaivanin'ny manodidina ary tsy mba omeny anjara toerana goavana toy ny olo-manga rehetra mantsy izy ireny, hany ka mihafy sy toa an-jorom-bala.

Hoy indrindra ny mpanoratra:

"Fa izaho ilay tsy mba jerenao mihitsy
Raha ampoka mamy tafita eny ianao !"

  Ireo famaritana ireo no ahitana  taratra fa mbola tsy omen'ny olona hasina ny pôeta.

  Raha nodinihina teo àry ny famaritana ny pôeta. Inona kosa ny andraikitra tandrify azy ?

  Manana andraikitra lehibe eo amin'ny tontolo manodidina azy ny pôeta. Anisan'izany ny fanoratany ho an'ny fiarahamonina. Miara-miaina amin'ny mpiara-belona aminy mantsy izy ireny koa rariny raha manasongadina ny tontolony indrindra fa ny fireneny. Hamafisin'ny tononkalo izany amin'ny hoe:

"Izaho ilay mpivetso mandrotsy tanàna
ka mandray ny penina alohan'ny hatory !"

  Ankoatra izay voalaza dia tsapa fa mpilaza ny zava-misy tena nitranga ny pôeta. Na ny zava-nitranga tamin'ny fotoana tany aloha na ny ankehitriny izay diavina dia asehony an-tsoratra avokoa. Hainy mihitsy ny maneho ireny rehetra ireny amin'ny fomba kanto. Hamarinin'ny andalana (13-14) izany manao hoe:

"Izaho ilay miaina ny taon-tsy voafetra
mikalo ny misy ny ngidy sy ny hamaminy"

  Na izany aza anefa dia hita fa mamolavola zava-baovao ny pôeta. Tsy mamerina izay zava-boalazan'ny teo aloha fotsiny izy ireny fa tena maneho zava-tsy fahita mihitsy. Manaporofo izany ny mpanoratra manao hoe:

"mamorona izay mbola ts'isy ihany koa"

  Manasongadina ny mampiavaka ny pôeta ireo asa voalaza teo ireo.
*
* *
   Raha aravona izay rehetra voambara dia tsapa fa manana ny maha izy azy eo amin'ny sehatry ny literatiora ny pôeta. Tsikaritra tamin'izany ny famaritana ny pôeta izay sokajiana ho toy ny olona tia manome fahafaham-po. Na izany aza anefa dia hita fa manana ny andraikiny izy ireny. Anisan'izany ny fanasongadinany ny fireneny. Raha ny tonokalon'i Zo-Maminirina no asian-teny dia hita tokoa fa kanto noho ny fampiasan'ny mpanoratra tamberin-teny amin'ny toerana tsy voafetra "pôeta".Manome vahana sy hasina hatrany ny pôeta ny tahaka izany, koa antenaina ny fahamaroan'ny lahatsoratra mampiroborobo ny literatiora malagasy toy izao.

Mpandrindra ny takelaka : Toetra Ràja
© poetawebs

Date de dernière mise à jour : 26/08/2020