Créer un site internet
poeta_malagasy
 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.
(T.Ràja)

27 jona 2018

F.J.K.M. sy MAMIO
Manandratra ny teny malagasy - Akademia
Raha mbola fanandratana sy fameloma-maso ny teny malagasy ihany no asiam-pandalinana dia manana anjara toerana lehibe ny fivavahana kristianina, niainga tamin'ny fidiran'ny Filazantsara teto amintsika ary ampoizina tsy hiato fa hametraka "mamy" ho an'ny taranaka mifandimby. Mamy hoy isika, MAMIO kosa hoy ny F.J.K.M., fanafohezana ny "MAlagasy MIombona" satria mampiombona tokoa ny teny ary mamy araka ny andalan-teny notsoahina avy tao amin'ny Baiboly, bokin'ny Ohabolana 16:24, manao hoe: “Tohotantely ny teny mahafinaritra, ka sady mamin’ny fanahy no mahatsara ny taolana”. Izany teny mamy izany no nifotorana tamin'ireo hetsika rehetra novoizin'ny MAMIO nandritra ity Iray volan'ny Teny Malagasy ity ka nahafahana nisalotra ny fifaninanana sy fanentanana tany amin'ireo sekoly F.J.K.M. hoe "TOHOTANTELY". Rehefa vita izany dia nirosoana nandritra ny andro vitsivitsy ireo velakevitra teny amin'ny kolejy teolojika Ivato, fiangonana Ambatonakanga ary izao nofaranana tetsy amin'ny lapan'ny Akademiam-pirenana tamin'ny 22 jona 2018 ity, hetsika iompanan'ity tatitry ny Poetawebs ity.

Namaky lay ny velakevitra ny Profesora RANJEVA Raymond, filohan'ny Akademiam-pirenana ka nanambarany fa manana ny toerany eo amin'ny teny malagasy ireo misionera. Nolazainy koa fa ato amin'ny Akademia dia misy mpitandrina mpikambana.


Nandimby azy ny filohan'ny F.J.K.M., ny Mpitandrina ANDRIAMAHAZOSOA Irako Ammi. Ny olona any amin'ny firenena izay vao nandehanany tsy ela, hoy izy, dia miteny amin'ny fiteniny amin'ny sehatra rehetra, eny fa na dia misy vahiny manatrika aza. Izay no isarihany ny rehetra mba hiteny malagasy amin'ny toerana sy fotoana rehetra.

Ny filohan'ny sokajy voalohany ao amin'ny Akademia, Ramatoa RANDRIAMAMONJY Esther, no nanazava kosa ny fandaharam-potoana ary nanolotra an'ireo mpanao velakevitra efatra mianadahy.  

 

  RANDRIAMAMPIONONA Alfred mpitandrina no nisantatra izany tamin'ny alalan'ny fanazavana ny toriteny sy ny teny malagasy.  Nolazainy fa anisan'ny fomba hikajiana ny teny malagasy ny toriteny.

  ANDRIANASOLO Hajaina indray dia nanazava ireo soatoavina amam-pahendrena efa kolontsain'ny Malagasy ka voasoratra ao amin'ny bokin'ny Ohabolana ao amin'ny Baiboly. Ny boky "Toho-tantely ny Tenindrazana", an'i André RAKOTONDRANAIVO, mirakitra fombam-pitenenana 1030, no nampiasainy tamin'ny fanadihadiana. Nomarihiny anefa fa tsy natao hihamboana ho hampilaharina na hampifanatrehana amin'ny Soratra Masina akory ny ohabolana malagasy. Ny lalantsain’i Anna Sörés no nampiasainy tamin'ny fampitahana ka nanehoany izany tamina fepetra roa dia ny fampitahana ara-haiteny sy ara-tantara ary ny fampitahana tandindona.

  RAKOTOMAVO Tsikimilamina indray no nanadihady ny haren-teny malagasy tovozina ao amin'ny tononkalo kristianina. Nampiasainy tamin'izany ny tononkalon-dRAKOTOMAVO Gilbert Mpitandrina tao amin’ny boky "Safatsiroa" - 2014, ny tononkalon’ANDRIAMAHAZOSOA Irako Ammi Mpitandrina tao amin’ny "Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara" - 2017, ary ny tononkalon’i Toetra Ràja tao amin’ny "Tiako-Tiako foana!" - 2017. Mamolaka ny teny malagasy ny mpanao tononkalo kristiana ary manasongadina ny hakanton'ny teny. Harena ny teny ary ifandovan’ny taranaka mifandimby, fampitan-kafatra, ifandraisana sy ampitana hevitra toy ny fampaherezana, fampitandremana, fanairana an'ireo varimbariana...

  I HANITRINIAINA Lalaonirina Frédine kosa no namarana ny velakevitra tamin'ny fanazavana ireo soatoavina kristianina efa hita tao amin'ny angano malagasy. Ny fanadihadiana dia niainga tamin'ny boky "Anganon'ny Ntaolo" nosoratan'i Dahle tamin'ny 1877. Tsy mijanona ho fampilalaovana na natokana ho an’ny ankizy fotsiny, hoy izy, ny angano, fa tena mirakitra hevi-dalina tokoa. Nambarany koa fa tsy nanohitra izay efa nananan’ny Malagasy akory ny soatoavina kristiana.

Nisy ny takalo nifanaovana teo am-pamaranana ka anisany ny fanontanian-dRANJATOHERY Harilala tamin'i HANITRINIAINA Lalaonirina Frédine mikasika ny fomba hafa mety ho nahafahana nanangonana ny anganon'ny Ntaolo. Rtoa RAMAVONIRINA Oliva indray no nanontany an'ANDRIANASOLO Hajaina ny mahasamy hafa ny fomba amam-pitenenana sy ny ohabolana. Mbola izy ihany no niady hevitra tamin-dRAKOTOMAVO Tsikimilamina ny amin'ny tsy mahavery hasina ny teny malagasy. Voarangaranga tamin'ny petrakolana mantsy fa mihavery hasina ny teny malagasy raha zohina ireo manam-pahaizana sasany mahavatra manao tsinontsinona imasom-bahoaka ny teny malagasy mandritra ny lahateniny. Ankoatra izay dia nisy ny fanontanian'ny Profesora ANDRIANARISOA Ange momba ny toriteny sy ny teny malagasy, ny an'ny Profesora RAZAFIARIVONY Michel mahakasika ny finoana sy ny soatoavina.

Raha fehezina dia nohamafisin'ny F.J.K.M. ny toerany eo amin'ny fanandratana ny teny malagasy izay nanomboka tamin'ny fidiran'ny Filazantsara teto amintsika, ny fandikana amin'ny teny malagasy ny Baiboly Protestanta, ny famoronana hiram-pivavahana amin'ny teny malagasy, ny toriteny, ny fananganana sekoly sns. Tsy tao amin'ny sekoly Paul Minault aza ve no nanabeazana Poety sy mpanoratra sangany teto amin'ny Nosy toa an-dry DOX sy Jean NARIVONY? Mbola tao ihany koa no nahitana Poety na mpanoratra namolavola ireny mpianatra ireny toa an-dry ANDRIANAIVORAVELONA, RAVOAJANAHARY Charles sns. Fanamby lehibe no napetraky ny F.J.K.M. amin'ny alalan'ny fikambanana MAMIO ho fanavaozana sy fanohizana ny tolon'ireo zoky raiamandreny nialoha lalana. Naseho tamin'ny sehatra samihafa ity hetsika ity, nanomboka tany an-tsekoly, nandalo tany amin'ny kolejy teolojika sy fiangonana ary izao notohizana tany amin'ny Akademia izao izay nifarimbonan'ny Mpikaroka, Profesora, Mpitandrina ary ireo mpikirakira teny samihafa.
 
Tatitra: Toetra Ràja
Sary: Tsikimilamina Rakotomavo

 

Andramahazosoa Irako Ammi Mpitandrina Profesora Ranjeva Raymond, Filohan'ny Akademia
   

 
Randriamamonjy Esther, Filohan'ny Sokajy I Izy efatra mianadahy nanatontosa ny velakevitra.
Miankavanana: Andrianasolo Hajaina, Rakotomavo Tsikimilamina, Randriamampionona Alfred Mpitandrina, Hanitriniaina Lalaonirina Frédine
     

 
Tsikimilamina sy Hajaina ary André Rakotondranaivo, miaraka amin'i Rohy,
mpiasan'ny Ministeran'ny Kolontsaina sady ao amin'ny Foibe momba ny teny.
RANDRIAMAMPIONONA Alfred mpitandrina  
Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 27/06/2018