Ny poeta Pierre Randrianarisoa

Sorapiainana - 08/10/2023

Poetawebs - Sorapiainana Ny poeta Pierre Randrianarisoa

Raha ahitra izy maro voniny, mpanamasina ny taniny, ary tsy mba nokoboniny ireo lova tsy nindraminy. Izy ? Pierre Randrianarisoa, anarana tsy notakonany tao ambadiky ny penina fa nampiasaina na tamin’ny haisoratra na tamin’ny fiarahamonina na tamin’ny asa aman’andraikitra. Poeta izy, niavaka tamin’ny fandrindrana ny lanjan’ny literatiora sy ny fiainany manontolo.
Anisan’ny ahatarafana izany indrindra ny fijoroany (1) sy ny fitiavany ny tanindrazany (2).

 

‘Ry tany Malagasy
 Fitaratra ho ahy
 Mandray sy mamerina
 Ny vetson’ny fanahy‘‘

 

1. POETA MIJORO


Niaina tamin'ny taona 1932-2010 ny poeta Pierre Randrianarisoa, mpahaitantara sy diplaomaty ary fantatra fa mpisehatra politika ihany koa. Teraka tao Tsianaloka faritanin'i Toliara izy tamin'ny 29 Aogositra 1932 ary nodimandry tao Ambohijanaka faritanin'Antananarivo ny 22 Novambra 2010. Tombanana ho lehilahy matotra sy mitraka ary mijoro izy, toetra mifandraika amin’ireo olona nanankinana faneva. Niainga avy tamin’ny loharano nipoirana ny faneva ho an’ity poeta ity ary hainy ny nanovana izany tamin’ny fanitaram-pahalalana sy ny fanovozana andraikitra makadiry.


1.1. Mpitarika faneva


Faneva roa sosona no natsangan’i Pierre Randrianarisoa. Eo aloha ny nandovany ny anaran-drainy sy raibeny ; ambonin’izay ny maha taranaka mpitondra fanjakana azy.

Anarana

(...) Olom-banona, olom-bonona, olombelona teraka ho lohany hono ny Pierre, anarana nalaina tamin’ny teny grika ‘‘petros’‘ izay midika hoe vato. Mafy izy araka izany, mijoro amin’ny heviny sy amin’ny vinany, manao izay hahatanteraka izany toa an’i Md Piera nametrahan’i Kristy ny “fanalahidin’ny lanitra” sy nataony vatolampy fiorenan’ny Egliziny[1]. Miandraikitra sy miatrika ny Pierre ary vatrany hatrany aza ny mihoatra ny sakana manoloana azy. Tsy mpiamboho adidy izy ary miantsoroka fiainam-pianakaviana midadasika. Olon’ny fiarahamonina koa ny Pierre. Fahasambarany ny firesahana amin’ny olon-tsy fantatra. Tia asa izy ary mandray izany am-pahamatorana. Mpiatrika fanamby izy ary tsy mba miravoravo tanana, eny fa na dia manoloana olana goavana aza. Na dia karazan’olona mpitarika aza izy dia mahatandrina sy mora tohina, hantra olona, mpanampy ny manodidina ary sahy misotro ny rano tsy tiana ho an’ny fahasambaran’ny hafa. (...)

Taranaka mpanjaka

Nivoaka avy tamina fianakaviana avara-pianarana sy tompom-pahefana i Pierre Randrianarisoa. Na avy amin’ny lafin-drainy, Rapierre Daniel, na avy amin’ny lafin-dreniny, Ravaonirina Marie Christine, dia ahatarafana fiaviana mivantana avy amin’ny mpanjaka Andrianantara I tao Manandriana. Mbola taranaky ny Mpanjakan’ny Fisakàna antsoina hoe Rafivato Rivoekembahoaka I koa ny rainy.

Betsileo izy, avy any Fisakàna Sahamadio[2], iray amin'ireo kaominina mitambatra ao amin'ny fivondronan'i Fandriana, faritra Amoron'ny Mania, mpamoaka olom-banona maro.

Rapierre Daniel

Taha-dray tokoa raha i Pierre Randrianarisoa satria sady mpanoratra no poeta koa Rapierre Daniel rainy izay fantatra fa Inspecteur Principal du Trésor. Nandray anjara betsaka tamin'ny famerenana tamin'ny laoniny ny hasin'ny tantara sy ireo lovantsofina tao amin'ny tanàna nahaterahany Rapierre Daniel. Mety ho lefin'ny taona maro mifandimby anefa izany tantara izany raha tsy nisy namelo-maso. Isan'ireo komity mpanorina ny Fikambanana "Amicale des Natifs du Fisakàna" niaraka tamin-dry Dr Philémon Rajaonarivelo sy Ratsimba Rajaonary izy. Lasa lohandohany tao amin'io fikambanana io izy taorian'ny nifindrany monina tao Ambositra, ary nampitombo ny ambaindain'ny asa fanampiana ara-tsosialy, fanaovana asa soa teo ambany fanohanan'ny vadiny, Ravaonirina Marie Christine izay tsy iza fa renin'i Pierre Randrianarisoa.

1.2. Nanovo sy niandraikitra


Ny poeta Pierre RandrianarisoaTsy naningana tamin’ny loharano nipoirany i Pierre Randrianarisoa fa sady avara-pianarana no niandraikitra sehatra avo sy midadasika tamin’ny androm-piainany.

Avara-pianarana

Tany atsimon’ny Nosy no nahaterahany ary tany amin’ny ilabolan-tany avaratra sy lavitra an’i Madagasikara no namaranany ny fianarany. Nifindrafindra tanàna sy firenena izy araka izany. Tany Mahajanga, tamin’ny sekolim-panjakana, no nisantarany ny dabilion-tsekoly. Nanohy izany izy tao amin’ny sekoly Benjamin Escande Ambositra izay nahazoany ny CEPE (Certificat d'Études Primaires Elémentaires) sy ny CESD (Certificat d'Études du Second Degré). Nipoiran’ny avara-pianarana maro io sekoly io, ka anisany ny poeta sy mpanoratra toa an-dry Eliza Freda, Bolespara, S. Bem.


Frantsa

Sekoly maro tany Frantsa no nanohizany ny fianarana nanomboka tamin’ny 1951. Nisantarany izany ny tao amin’ny sekolin’i Bagnères-de-Bigorre, any atsimo andrefana. “Nandray ny fitsipi-piarahamonin’ny firenena izy” araka ny fanazavan’i Pierre-Eric Randrianarisoa, eny fa na dia nisedra fifandonan’ny kolontsaina teo amin’ny fiantombohan’ny fivahiniany tany Frantsa aza :

Voaray tao amin’ny kilasimandrin’ny lysea Paul Valérie tany Sète, tanàna amoron’ny ranomasina Méditerranée, i Pierre Randrianarisoa raha vantany vao tonga tany Frantsa tamin’ny desambra 1951. Fotoana fohy tao aorian’izay anefa dia tsy maintsy nisintaka nankany an-tendrombohitr’i Pyrénées nanao “ski” izy sy ireo mpiray lakisaly taminy. Tropika miampita tany amin’ny ranomandry, tsy nisy tetezamita”.

Tao amin’io lysea Paul Valéry io no nahazoany ny bakalaoreà Maoderina sy Filôzôfia. Nitohy hatrany ny fifindrany tanàna noho ny fanovozam-pahalalana ka tany amin’ny anjerimanontolon’i Rennes, tanàna any avaratra andrefan’io firenena io, no nifantohany tamin’ny fianarana ambaratonga ambony. Nianatra lalàna sy haitoekarena izy ary nahazo ny mari-pahaizan’ny Institut des Hautes Études Administratives et Sociales (Mentions Droit public aérien et Économie d’Outre-mer) tamin’ny 1961. Niakatra tao Paris indray izy fa voaray tao amin’ny Institut des Hautes Etudes d'Outre-Mer (IHEOM), sampana diplaomasia ary nahazo mari-pahaizana mirona amin’ny andraikitra iraisam-pirenena tamin’ny desambra 1963. Nivezivezy hatrany tany Rennes izy nandritra io fiofanana tao Paris io, mandra-pahazoany ny ‘‘licence ès lettres’‘ tao amin’ny ‘‘Faculté des Lettres et des Sciences Humaines’‘ ny taona 1964. Namarana ny fianarany tao Paris izy tamin’ny 1966 tamin’ny alalan’ny fanohanana voka-pikarohana doctorat mitondra ny lohateny hoe : ‘‘La Diplomatie Malgache face à la Politique des Grandes Puissances (1882-1895)’‘. Natonta ho boky izany sanganasa izany ary nahavitana edisiona telo. Voalaza ho Malagasy voalohany nahazo io mari-pahaizana doctorat momba ny tantara io i Pierre Randrianarisoa.

Sehatra avo midadasika

Niantsoroka asa mifanaraka amin’ny voka-pianarany i Pierre Randrianarisoa. Mpahaitantara sy diplaomaty izy, nampianatra ny momba izany ary fantatra eo amin’ny tontolon’ny politika koa. Mbola nitetezany firenena maro koa izany, toy ny efa niainany tamin’ny fotoam-pianarany.

Mpahaitantara sy diplaomaty

Ny poeta Pierre Randrianarisoa

Fantatra tamin’ny fandalinana tantara ny fianakaviany. Mpanoratra nikoizana ny rainy sy ny rahalahin-drainy antsoina hoe Rakotomalala Rabarijaona na Palais Dactyl. Voatsikafonkafona ny tsiambaratelon’ny tantaran’ny faritr’i Fisakàna, tsy vahiny amin’izany ny dian-tanan’izy mirahalahy ireo noho ny fanadihadiana lalina sy ifotony.

Nanao ho antom-pivelomana ny fampianarana tantara kosa i Pierre Randrianarisoa teo anivon’ny oniversite sy sampan-draharaha teto an-toerana sy tany Frantsa. Teo ohatra ny naha mpikaroka azy tao amin'ny C.N.R.S. (Centre National de Recherche Scientifique) tao Paris, sampana « Histoire moderne et contemporaine », tamin’ny taona 1967-1968.

Madagasikara

Nitodi-doha teto an-tanindrazana izy tao aorian’izay ka nanofana mpampianatra tao amin'ny École Normale Le Myre de Villers Antananarivo tamin’ny 1968-1972. Tamin’izany no namoahany ny boky "L’Enfant et son éducation dans la civilisation malgache" (Ny zaza sy ny fanabeazany araky ny fomba malagasy nentim-paharazana) sy ny "L’art et l’artisanat malgache".

Anisan’ireo delegasiona malagasy nankany Parisy nanangana ny ACCT (Agence de Coopération Culturelle et Technique) izy tamin’ny 1970 (Marsa sy Avrily), sehatra namariparitana ny hoavin’ny OIF (Organisation Internationale de la Francophonie) ankehitriny.

Eoropa sy Frankôfônia

Niasa nandritra ny 17 taona tamin’ny sehatra iraisam-pirenena tany Eoropa (1973-1990) izy. Nisantarany izany ny nahavoaray azy ho mpiasam-panjakana iraisam-pirenena tany Frantsa (1973-1976) tao amin’ilay ACCT natsangany. Nandritra izany fotoana izany koa no nampianarany tany amin’ny École internationale Bordeaux-Talence. Nony nisintaka tamin’ny ACCT i Madagasikara dia natolotry ny Governemanta malagasy hiasa tao amin’ny Institut d’Histoire des Pays d’Outre-Mer tao amin’ny oniversite Aix-en-Provence izy nandritra ny 2 taona (1977-1979) ka nisahana asa fikarohana mahakasika an’i Madagasikara.

Voatendry ho Talen’ny sampandraharaha Eoropa teo anivon’ny Fitaleavan’ny fifandraisan’i Madagasikara sy Eoropa Atsinanana sy Andrefana izy tamin’ny 1980-1984. Rehefa izany dia voatendry ho Mpanolotsaina voalohany tao amin'ny Ambasady malagasy tany Bonn, Repoblika Federalin'i Alemana tamin’ny 1984-1990, izy sady mpiraki-draharaha a.i. teo anivon’ny firenena tan-dalàna toa an’i Soeda, Norvezy, Danemarka, Finlandy ary Vatican.


Pierre Ranrianarisoa sy Helmut Kohl tamin'ny 1986

  Pierre Ranrianarisoa niatrika am-panajana an'i Helmut Kohl tamin'ny 1986


Nody teto Madagasikara izy tamin’ny 1990 ary voatendry ho mpampianatra mpikaroka tao amin'ny anjerimanontolon’i Toamasina.


Tontolo politika


Ny poeta Pierre RandrianarisoaNoraisiny ho fanasoavana ny fiarahamonina ny firotsahana tamin’ny tontolo politika ka nananganany ny antoko  "Tsy miankina". Teo aloha ny fahombiazany tamin’ny naha Solombavambahoaka azy, teo koa ny nahafantarana ny anarany teo anivon’ny Governemanta.

Solombavambahoakan’i Madagasikara tamin’ny 1993-1998 i Pierre Randrianarisoa, voafidy tany Fandriana tanindrazany tamin’ny alalan’ny antokony antsoina hoe "Tsy miankina amin’Antoko". Izy ilay nantsoin’ny mpanao gazety hoe "Samaritana tsara fanahy" noho izy nanampy ny fiarahamonina sy nampiroborobo ny faritra niaviany tamin’ny alalan’ny fikolokoloana ny fifandraisana ara-diplaomasia.

(…)

Mariboninahitra

Toy izao no azo anazavana ny mari-boninahitra Ordre National Malgache azony.

• Nahazo ny Chevalier tamin'ny taona 1981, fotoana naha Talen’ny sampandraharaha Eoropa azy.
• Nahazo ny Officier tamin'ny taona 1986, efa tany Bonn (Alemana) izy tamin'izany ary nisahana ny toeran'ny Mpanolon-tsaina voalohany tao amin'ny Ambasady malagasy.
• Tafakatra Commandeur izy tamin'ny 1998 raha namarana ny fe-potoana naha Solombavambahoakan’i Madagasikara azy.
• Ny Grand Officier no mari-boninahitra avo indrindra azony tamin'ny 2003, teo amin'ny faha-71 taonany, izany hoe fotoana efa nianohany tanteraka ny fisotron-drononony.

2. POETAN'NY TANINDRAZANA

Niaina fitiavan-tanindrazana ny poeta Pierre Randrianarisoa, noporofoiny teo anivon’ny faritra niaviany, Fisakàna, ary nanaovany anton-draharaha teo amin’ny firenena.

”‘Lay Tany Ben’ny Razako
 Miloko jaky mena
 Manahaka ny rako
 Ho mari-panekena”

Efa tsapa tamin’ny fahatanorany ny fandalana an’izay mari-panekena izay ka nampivelatra azy tamin’ny sehatra sy tontolo midadasika. Raha nisafidy ny lalam-piofanana momba ny tantara izy, ary notovoziny fahalalana maro toy ny lalàna, ny haisoratra sy hailahabolana, ny diplaomasia, dia azo heverina ho andraikitra makadiry eo amin’ny firenena no nokatsahiny. Ambonin’izany ny fitondrana avo ny fiandrianam-pirenena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Efa tany am-piandohan’ny fianarany tany Frantsa aza no nivoizany ny hakanton’ny literatiora sy ny maha izy ny Malagasy nifotorany. Tsy voafehin’ny andraikiny izany fa nasehony an-kiharihary tamin’ny diam-penina ary nirobohany lalina tao anatin’ny fiarahamonina.


2.1. Poeta sady mpanoratra


Poeta sady mpanoratra i Pierre Randrianarisoa. Izany mihitsy aloha no nahafantarana azy mialoha ny nivelarany tamin'ny fampianarana sy ny politika ary ny diplaomasia.

Talenta vadim-piainana

Ny poeta Pierre RandrianarisoaAzo lazaina ho nifampitantana teo amin’ny fiainana i Pierre Randrianarisoa sy ny literatiora. Nanoratra boky maro izy ka ao anatiny ireo mahakasika ny kolontsaina, ny tantaran’i Madagasikara, ny fomba amam-panaon’ny Malagasy.

(…)

Nandritra ny fotoana nandrantoany fianarana ambony no nifohazan'ilay talenta tao anatiny ka notrandrahiny mba hanampy tosika azy teo amin'ny fianarana. Nampiasainy tamin’ny fitetezana sekoly, kolejy sy lisea, tany Frantsa ny bokiny tamin'ny maha poeta sady mpanoratra azy.

(…)


Boky nosoratany

  • "Madagascar et les Croyances et Coutumes Malgaches".  Caron et Cie, Caen - France no nanao ny fanontana tamin'ny 1959 ary fanontana fanintsiviny ny tamin'ny 1967. Niangaly ny Teny mialoha i Jean d'Esme, filohan'ny "association des écrivains de la mer et de l'outre-mer", mpikambana tao amin'ny "Académie des sciences de l'outre-mer."
  • "Aujourd’hui, comme chaque jour", edisiona Fanontam-bokim-pirenena – Antananarivo – 1970.
  • "Cris et chansons de toujours" (nadika hoe "Kiaka sy hirahira hatrizay"), bokin-tononkalo niarahany niasa tamin'i Eugène Mangalaza, natonta tamin'ny 1975 tany Bordeaux.
  • "Premiers visages" (nadika hoe "Endrika santatra"). Boky poezia natontan’ny Leo-Vire, Calvados - France tamin'ny 1960. Natonta fanindroany tamin'ny 1961.
  • Izy telo voalohany ireo dia natambatra tao anatin’ny boky “Amboaram-betsovetso”
  • "La diplomatie malgache face à la politique des Grandes Puissances (1882-1895)", voka-pikarohana doctorat natonta voalohany tany Paris tamin'ny 1970. Tao amin'ny FTM Antananarivo kosa ny fanontana fanindroany tamin'ny 1983, natonta fanitelony tamin'ny 1996…
  • "L'art et l'artisanat malgache", natonta voalohany tamin'ny 1974 (edisiona A. Samie Bordeaux), natonta fanindroany tamin'ny 2003 tao amin'ny trano piritin'ny Fiangonana Loterana Malagasy, Antananarivo.
  • "L'enfant et son éducation dans la civilisation traditionnelle malgache", natonta voalohany tamin'ny 1981 (edisiona SME), natonta fanindroany tamin’ny 2009 (edisiona Ny Amboara)
  • "Madagascar, d'une République à l'autre" (1958-1982). Niarahany niasa tamin'i Aimé Lalao Razafimahefa ny Tome I. Fanontana voalohany tamin'ny 1991, edisiona Harinivo, Antananarivo.
Marihina fa misy amin’ireo boky ireo no voakasiky ny fanontana vitsivitsy ary nisy natao tamin’ny tenim-pirenena ankoatra ny malagasy : frantsay, anglisy, alemana.
 Ny poeta Pierre Randrianarisoa



























Ny poeta Pierre Randrianarisoa
































Loka literera nisitrahany

• 1973. "Lauréat du grand Prix de Madagascar" tamin’ny boky "La diplomatie malgache face à la politique des Grandes Puissances", natolotry ny fikambanan'ny mpanoratra miteny Frantsay (ADELF) tamin'ny 1973 ho an’io loka io.
• 1961. "Lauréat du grand Prix International de Littérature" tamin’ny boky "Premiers visages".

Poetan’ny embona sy hanina

Tsy mahagaga ny maha poetan’ny embona sy hanina an’i Pierre Randrianarisoa noho ny fiovaovan’ny tanàna sy firenena nonenana nandritra ny androm-piainana. Manamarina izany ny tononkalo “Anio” notsongaina tao amin’ny “Kiaka sy hirahira hatrizay”[3], nosoratana tamin’ny taona 1968 tao anatin’ny ririnina, fotoana niverenany teto Madagasikara, roa taona tao aorian’ny nahavitan’ny fianarany.

(…)

“Anio, mbola toy ny isan’andro hatrany,

“Hamelon’indray, tsy hamela ho faty,
 Ny afom-pitiavan’ny foko mangina
 Izay voatahiry tsy mety ho sina!”

 And faha-7

Manan-danja loatra aminy ny faharetana ka hamafisiny amin’ny tamberin’andalana: “Anio, mbola toy ny isan’andro hatrany”. Tsy mianina amin’ny fankamamiana nofinofy anefa ny mpanoratra fa mitady ny fahatanterahana. Eny am-piandohan’ny tononkalo mantsy dia efa atsidiny sahady ny fahadodonana hiaina indray ilay afon’ny fitiavana:

Anio, mbola toy ny isan’andro hatrany,

Ka may aho hiaina indray sy hijery
Ny afon’ny fitiavana samy irery !

And faha-2

Lasa lavitra mihitsy aza izy satria dradrainy any am-paramparanana ny tononkalo ny herin’ny faharetana:

“Anio, mbola toy ny isan’andro hatrany,
 (…)
 Ho mandrakizay, mba tsy hisy tomika,
 ‘Lay trano tempolin’ny “Fitiavantsika”!”

Trano fihaonana sy fivavahana ny tempoly ka anehoan’ny mpanoratra endri-pitiavana iainany na nofisiny ny fitoniana manjaka ao anatiny. Azo heverina ho taratra ato anatin’ity “allégorie” ity koa ny halehibeazana sy ny fahamafisana orina ny finoana ao anatin’ny tempoly sy ny fitiavana. Ambonin’izay dia misy antony koa ny endrika “hyperbole” amin’ity “trano tempoly” ity. Trano mantsy ny tempoly, ankoatra ny heviny hafa, ara-pinoana ohatra, kanefa niniana tovanana teny hafa manamafy ny maha trano azy? Azo heverina ho filazan-javatra ilana fanamafisana ao amin’ny ny firedaredan’ny afom-pitiavana izany.

Tsy eto intsony anefa ny mpanoratra ka tsy afaka hizara ny tsiambaratelo momba ilay tempolin’ny fony? Nihira ny “lokomena imolotra” anefa izy tao amin’ny “Ianao, tanatin’alinalina” ary nilalaovany sarinteny manodidina singan-javaboahary maromaro.

Olon’ny zavaboahary

Ny poeta Pierre RandrianarisoaHainy ery ny mampifandray ny hakanton’ny ravaky ny tokantrano sy ny hasoan’ny zavaboahary. Ohatra iray amin’izany ity filalaovana loko ao amin'ny "Ianao tanatin'ny alina" ity izay maneho ny endriky ny singan-javaboahary ary aninganana an’izay handrakotra sy handravaka ny aliny.

“Ny lokomena imolotra dia mahafinaritra ahy
 Ary koa ny fitomaratry ny vato maitso soa
 Ny volamenan-danitra mamohafoha tsiahy
 Mampanembona tsy nahy.
 Kanefa aleoko rendrika ao anaty mangan-drano
 Mangitsoka, mangano.”

Pierre Randrianarisoa

(…)

Marihina fa taratra amin’ny anaran-janany izany hasoan’ny zavaboahary izany: Veromalalanirainy sy Ny Maraina.

Ny taniny

Tsapa amin’ny asasoratr’i Pierre Randrianarisoa ny fifikirany amin’ny taniny toy ny tsikaritra ao amin’ny tononkalo “Tany mena” sy “Ilay vazaha mainty”. Mampifandray ny taniny amin’ny fo sy rany noho ny loko mena ny mpanoratra ao amin’ny “Tany mena”:

“Ny tongotro mihanjaka
 Ny foko kosa mena
 Toy ny tany nodiaviko”

Ny fahabangan’ny rakotra sy aro amin’ny tongotra mitehin-tany no vao mainka mampisondrotra ny ontam-pifandraisany amin’ny nofon-taniny. Nohamafisiny tamin’ireo tamberin’andalana “Ny tongotro mihanjaka” izany fiombonana izany satria miteraka loharanom-piainana mihitsy, manomboka amin’ny fahaterahana, ny fivelomana, ny asa aman’andraikitra, ny firazanana ary miafara amin’ny fahafatesana. Ambonin’izay ny endriky ny tongotra ankavia mifandraika amin’ny sarintanin’ny Nosy ka vao mainka manamafy ny fitiavana sy fitadiavana azy amin’ny toeran-davitra rehetra:

"Fa na aiza misy ahy
  Ny dian’ny tongotro an-kavia
  Mbola ao hampahatsiahy
  Anao mandrakizay doria."

Rariny loatra raha miteraka fahasarotam-piaro izany ary mampipololotra ny aingam-panahin’ny mpanoratra ao amin’ny “Ilay vazaha mainty”. Mpanindry paingotra an’ireo mpitsentsitra ny madinika izy ary maneho karazana fitroarana mihitsy:

"Ny kibony efa feno loatra
 Feno diso tafahoatra
 Hita be miharihary"

Roa sosona ny fanamafisana hevitra ao amin’ireo andalana telo ireo. Eo aloha  ny sarinteny “Epanadiplose” taratra amin’ny famerenana ao amin’ny andalana roa mifanesy ny “feno” izay fomba entin’ny mpanoratra hanamafisana ny hadirin’ny olana. Faharoa ny “hyperbole”, taratra amin’ny “tafahoatra” nanantitranterana ny mpamaritra matoanteny “loatra”. Mbola fitroarana no ao ambadik’ireo. Manankarena sarinteny ity tononkalo ity ary na ny lohateniny aza dia efa nosalorana “oxymore”. Fantatra mantsy fa fotsy ny vazaha kanefa notovanana mainty mba hanaitra sy hahatalanjona ny mpamaky noho ny fahafahafany. Raha heverina ho mpamoritra vahoaka mantsy ny Vazaha tamin’ny fanjanahan-tany dia te hiantso an’ireo Malagasy mpanao tsindrio fa lavo taty aoriana ho “Vazaha“ koa ity mpanoratra ity. Mikalo ho an’ny FITIAVANA, ny FANDRIAMPAHALEMANA ary ny FAHAFAHANA araka ny rangotsorany nialohavan’ny bokiny “Amboaram-betsovetso” ity poeta sokajina ho feno sy mpandala ny fiarahamonina ity.

2.2. Olon'ny fiarahamonina

Nanamarika i Pierre-Eric Randrianarisoa fa avarapianarana feno hamoram-po ny rainy ary olona mpiatrika adidy amin’ny fireneny. Tao anatin’ny fiainana marolafy no niatrehany ny andraikitra makadiry notanany teo amin’ny tontolo malagasy sy eraopeanina[4]. Nampiavaka azy teo amin’ny fiarahamonina izany ka tsara raha hanompanana toerana manokana ny maha olon’ny fiarahamonina azy izay nahafahany nivelatra tamin’ny literatiora sy tamin’ny adidy aman’andraikitra.

Olon’ny fo

Voasariky ny hakanton’ny vehivavy malagasy hatrany ny penin’i Pierre Randrianarisoa. Raha nihira ny ”Ny zatovovavy any aminay” izy dia mazava loatra fa tany ivelan’ny tanindrazany no niaingan’izany aingam-panahy izany:

”Ny zatovovavy any aminay
 Am’izay topi-maso manintona izay
 Dia toa menamenatra
 Toa hendratrendratra
 Mahafatifaty
 Toa satriko ihany
 Hioty hatrany
 ‘Lay tsiky atambolony
 Sy toa atolony
 An-tendron’ny molony
 (…)”

Zatovovavy avy amin’ny taniny tokoa no ambarany eto. Babo ny mpanoratra ka satriny hanaraka azy any amin’izay fahababoana izay koa ny mpamakiny:

“‘Lay tsiky atambolony
  Sy toa atolony
  An-tendron’ny molony”

Manamafy izany ny fahaizan’ny mpanoratra mifantina voanteny teraky ny taniny ary entiny mampiaina ny ontam-pony toy ny “manintona”, “mahafatifaty”, “hioty”... Ao amin’“Lay Nosin’ny Gasy”, andininy faharoa, no ahitana izany fanaperana izany.

Tao indrindra mantsy no nahafantarany an-dRahajarizafy Marie Marthe Gabrielle izay lasa vadiny tamin’ny 6 Septambra 1973 ary nahazoan’izy ireo an’i Ny Maraina tamin'ny 1984.

Ny poeta Pierre Randrianarisoa


















Pierre Randrianarisoa sy Rahajarizafy Marie Marthe Gabrielle

(…)

Talohan’izay anefa, tamin’ny taona 1958, no nanorenany tokantrano voalohany niaraka tamin’i Annie Lorgeou ka nahazoan’izy ireo tamin’io taona io an’i Pierre-Eric[5], lahimatoan’i Pierre Randrianarisoa. Tao anatin’ny fanomanany ny diplaoma Doctorat izy tamin’izany. Veromalalanirainy kosa no vavimatoany sady vavitokany, niarahany nioty tamin’i Claudine Auguste tamin'ny 1974. Mpiasam-panjakana iraisam-pirenena izy tamin’izany fotoana izany sady mpampianatra sy nonina tany Bordeaux.

Raim-pianakaviana namela mamy tokoa ho an’ny zanany izy araka ny fahatsiarovan’ny zanany azy. Efa hatramin’ny lahimatoany no nahatarafany izany araka ny fitantaran’i Pierre-Eric azy :

“Tia manampoka i Pierre : Nilaza fa tany am-panaovana fitsidiham-paritra izy ny volana desambra iray izay, ny alin’ny faha-24 anefa izy nigadona teo antokonam-baravarana nivesatra fanomezan’ny Noely maro”.

Indro kosa ny tenim-pahatsiarovan’i Veromalalanirainy tamin’ny andro nanamarihana ny tsingerintaona faha-89 nahaterahan’ity poeta ity :

Ankoatra ny maha olon’ny fiarahamonina azy dia nitosaham-pitiavana ny andriambavikeliny ny fony. Nomeny ahy ny fankafizany fiainana, ny fitiavana ny fiainana sy ny fitiavana ny hafa”.

Nandova izany “fitiavana ny hafa” izany tao anaty rany koa ny zanany izay mahatsapa ny halalin’izany fitiavana izany tao amin’ny rainy:

“Araka ny hevitro, misy karazana olona roa, ireo tia olona sy ireo tsy tia olona. Tsy misy izany hoe lasa tia olona izany. Tena manam-pitiavana an’ireo toa azy ny raiko. Heveriko fa avy amin’izany koa no nahatonga azy nahavita be teo amin’ny fanampiana ara-tsosialy”.


Tia olona

Ny poeta Pierre RandrianarisoaIzany hoe olon’ny fiarahamonina izany dia tsy isalasalana fa “olona tia olona”. Voalaza tany amin’ny famaritana ny anarana Pierre fa “fahasambarany ny firesahana amin’ny olon-tsy fantatra”. Manamafy izany ny famaritan’ny zanany vavy Veromalalanirainy hoe : “Izy dia olona tia fiainana, sakafo tsara ary ny olona”. Misy antony lehibe ny nametrahany ny “sakafo” eo anelanelan’ny fiainana sy ny olona. Zava-dehibe amin’ny fihavanana izany araka ny fomba fitenenana maro nolovana tamin’ny Ntaolo hoe: “Nofon-kena mitam-pihavanana”, “Izay iray vatsy iray aina”, “Aza manao ahy sy azy”… hany ka mamy hatrany ny fiarahana ary satry hihaona satria “Misy rony, miara-misotro, misy ventiny, miara-mitsako”, “Olon-drery tsy mba vahoaka”, “Ny andro iray ihaonana toy ny andro zato”, “Ny hevitra tsy azo tsy amin’olombelona”[6]. Tao amin-dry Pierre Randrianarisoa dia toy izao no nanazavan’i Veromalalanirainy azy:

Tia manasa olona ao an-trano izy. Vao tsy ela akory no nampahatsiahivin’ny zanak’olom-piray tampo amiko iray ahy ny fomba nandraisan’ny raiko azy nandritra ny fialasantsasatra tao an-trano tany Bonn. Kajina toy ny anakandriamaso ny vahiny, hajaina fatratra na inona na inona no toerany eo amin’ny fiarahamonina. Rehefa asaina dia raisina ho toy ny mpanjaka”.

Nifanerasera tamin’ny olona maro i Pierre Randrianarisoa teo amin’ny androm-piainany. Vavolombelon’izany ny zanany lahy Ny Maraina Randrianarisoa :

"Betsaka ny olona no nahalala azy ary maro ihany koa no niantso azy tamin’ny anaram-bosotra hoe : 'Pierre vaza' , 'Tonton Pierre' , 'Ikoto Vezo' , ' Le Pierre'".

Ny poeta Pierre RandrianarisoaTeo amin’ny literatiora aloha dia tsy irery izy fa niaraka niasa tamin’ny olon’ny soratra. Nambaran’i Pierre-Eric Randrianarisoa fa mpanoro hevitra azy teo amin’ny dian’ny mpanoratra Atoa Lorgeou, rafozany voalohany nampianatra tany Loiret Frantsa. Taratra tao anatin’ny fanomanany ny “doctorat” amin’ny tantara koa izay fihainoana ny mpanoro hevitra izay. Singanina koa ny fiarahany niasa akaiky tamin’ny Masoivoho malagasy tany Frantsa nandritra ny fitetezana sekoly sy lisea ho fampahafantarana ny tononkalony sy ny kolontsaina malagasy. Niaraka nisalahy tamin’ny olona maro izy tamin’ny fotoana namolavolany boky. Anisan’izany ny vadiny Randrianarisoa-Rahajarizafy Marie, sy Atoa Rakotonirina izay nandrindra tamin'ny teny malagasy ireo tononkalo voasoratra tamin'ny teny frantsay tao anatin'ny boky ”Cris et chansons de toujours”. Ny fandikana tamin’ny teny anglisy kosa dia niangalian-dRtoa Ranaivo-Razakandraina Lucille sy Rtoa Ravelomanantsoa Nirina. Niarahany nanoratra tamin’Atoa Mangalaza Eugène Régis ny boky, nialohavan’ny lahatsoratr’i Robert Escarpit, Profesora mpahaifiarahamonina ary mpanao gazetin’ny Le Monde ary niarahana niasa tamin'ilay olon'ny sarimihetsika Jacqueline Bastide (sary).

Na izy efa tafaverina taty Madagasikara aza dia mbola nitazona ny fifandraisany tamin’ny Frantsay ka anisany ny tamin’ny solombavambahoaka sady ben’ny tanànan’i Lyon ary Praiministra taloha antsoina hoe Raymond Barre. Tao anatin’izany ny fiaraha-miasa tamin’ny Antenimieram-pirenena malagasy sy io tanànan’i Lyon io.

Tsy vitsy koa ireo mpanakanto efa niarahany niasa. Na tao anatin’ny fifaneraserana fohy aza indraindray dia efa ampy ankamamian’ny olona ny toetrany toy ity fanamarihana nentin’ny poeta Lila Hanitra Ratsifandrihamanana ity:

“Nisy ny sehatra efa niarahanay niantsa tononkalo,  toy ny antso vonjy rano vaky tany Atsimo tamin’ny 1992. Nifandray tendro ny aingam-panahy na tsy mifanerasera loatra aza. Hita taratra amin’ny asasoratr’i Pierre Randrianarisoa, ny maha-olon’ny kanto azy, nefa koa olon’ny fo sy ny fitiavan-tanindrazana. Soatoavina iombonanay izany!”


Ny poeta Pierre Randrianarisoa
























  Pierre Randrianarisoa sy ny Pr Rakoto Ratsimamanga


Ny poeta Pierre Randrianarisoa







 


Nifanerasera tamin'i Jérôme Randria


Ny poeta Pierre Randrianarisoa












  Fotoana niarahany tamin-ndry Bessa sy Lola

Ny poeta Pierre Randrianarisoa

Nisy kosa ireo namany efa hatry ny ela. Anisan’ny tranainy tamin’izany i Jérôme Randria sy ry Bessa sy Lola samy tany amin’ny taompolo 70 tany. Nifanerasera tamin’i Dama Mahaleo koa izy hatramin’ny naha solombavambahoakan’i Madagasikara azy ireo tamin’ny 1993 - 1998. Toy izao ny fahatsiarovan’i Dama azy araka ny resadresaka nifanaovany tamin’i Tsikimilamina Rakotomavo :

“Ny nifankahalalanay dia tamin’izahay solombavambahoaka tamin’ny andron’i Zafy Albert. Zava-dehibe aminy ny sivilizasiona malagasy. Nanao boky mihitsy izy momba ny fahafantarany an’i Madagasikara. Ananako io boky io. Fa ny zavatra tsaroako dia anisan’ny olombelona saro-piaro amin’izay hoe maha izy antsika Malagasy izay izy. Anisan’ny zavatra nifampiresahanay foana ireny satria tamin’ireny fotoana ireny dia afaka mifanakalo hevitra tsara tao amin’ny Antenimieram-pirenena. Samy tao amin’ny vondrona tsy miankina izahay ka miresaka foana, rehefa vita ny fivoriana ohatra, momba an’i Madagasikara sy ny hoe ahoana no hahafahantsika manana an’izay hoe maha izy antsika izay, ao anatin’ity fanantoloana be ity”.

Tsy teny Tsimbazaza ihany no nihaonan’izy sy i Dama fa hatrany Sahamadio nisy ny trano fonenan’i Pierre Randrianarisoa ka niarahan’izy ireo nisakafo. Mpihira avokoa ireo mpifanerasera taminy sy voatanisa farany ireo ka azo eritreretina ny mety nisin’ny fiaraha-miasa ara-kanto tamin’ity poeta anaovana fandalinana ity.


Fahavitrihana amin’ny fikambanana

Nahafahany nisahana andraikitra teo anivon’ireo mpiray fiaviana taminy ny fiverenany tan-doharano indroa miatoana, 1968 sy 1990, ka nampiasany ny traikefa azony. Tsy vitan’ny hoe mpanao asa soa ihany i Pierre Randrianarisoa fa navitrika tamin’ny andraikitra anaty fikambanana. Anisan’ny nolovany tamin-drainy Rapierre Daniel izany tamin’ny alalan’ny ”Amicale des Natifs du Fisakàna”. Niroborobo tokoa ireo asa soa sy fampivoaram-piarahamonina ireo hatramin’ny nitantanany io fikambanana io, toy ny fanavaozana ny fiangonana protestanta, fanampiana ny Croix-Rouges… Voalazan’i Pierre-Eric Randrianarisoa fa nanangana fikambanana tany Sahamadio Fisakàna izy ho fampiroboroboana ny sehatry ny fanabeazana sy fahasalamana, mirona any amin’ny fisorohana ny fipariahan’ny aretina SIDA.

Hain’i Pierre Randrianarisoa koa ny mampifandrindra ny asa fanasoavana amin’ny hasin’ny literatiora sy ny fitiavan-tanindrazana. Nirotsaka tao amin'ny fikambanana lehibe momba ny literatiora izy toy ny ADELF (Association Des Ecrivains de Langue Française), SEROI (Société des Ecrivains de la Région de l'Océan Indien), SYNAEL (Synergie Nationale des Auteurs, Éditeurs et Libraires de Madagascar).

Tsy vahiny tamin’ny hetsika lehibe teto amin’ny firenena izy toy ny natao ho fanohanana ny mponina tany Atsimon'ny Nosy nokarakarain'ny "Alliance Française de Tananarive" tamin'ny 1992. Nanangonana vola ity hetsika nampitondraina ny anarana hoe "SOS SUD" ity. Nisy fampisehoana an-tsehatra teatraly, ara-mozika ary famakiana tononkalo tamin'izany ka anisan'ireo nandray anjara tamin'ny famakiana tononkalo i Pierre Randrianarisoa niaraka tamin'ireo namana mpanoratra hafa toa an-dry Elie Rajaonarison, Rado na Georges Andriamanantena, Lila Hanitra Ratsifandrihamanana.

Rehefa nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ho an'ny sarambabem-bahoaka indray ny Rovan'Antananarivo tamin'ny volana Aogostra 1997, dia nanolotra ny vidin'ny boky "La Diplomatie Malgache face à la politique des Grandes Puissances (1882-1895)” miisa 100 lafo voalohany izy. Nataony tamin'ny anaran'ireo teraky ny faritra Fisakàna izany ho fanohanana an’io harembakoka malagasy io. Amin’i Pierre-Eric Randrianarisoa manokana dia :

“Olon’ny fahamboniana i Pierre Randrianarisoa. Ahatsiarovana azy ny maha olombelona tsy manan-tsahala azy, mpanandratra ny filôzôfian’ny tsindrimandry sy ny filôzôfian’ny fampiombonana kaontinanta.”

Tsy tambo isaina ireo mamy navelan’ny poeta Pierre Randrianarisoa teo amin’ny fiarahamonina. Ampoizina ho mbola maro ireo azony tanterahina amin’ny maha olom-banona sy olom-bonona ary vatolampy lalim-paka mahavatra mihoatra ny sakana manoloana azy. Saingy nitsahatra ny harivan'ny 22 Septambra 2010 teo amin'ny faha-78 taonany tao an-tranony, tao Ambohijanaka Antananarivo, ny fikorisan’ny peniny. Nifanao dimy volana monja izy mivady satria nialoha lalana azy tamin'ny 04 Aprily 2010 Rtoa Rahajarizafy Marie Marthe Gabrielle, maty noho ny aretina nahazo azy. Ahatarafana ny mahamamy hoditra azy ny hamaroan’ireo mpisehatra politika sy mpanakanto nanotrona ny fanaovam-beloma azy farany, na tamin’ny fotoam-pivavahana tao amin'ny FLM Ambatovinaky izany na tamin’ny fandevenana tany Sahamadio.

*

*  *

Manamarika ny fiainan’ny poeta Pierre Randrianarisoa ny fivelarany teo amin’ny sehatra midadasika mihoatra lavitra an’i Fisakàna faritra nipoirany.  Na izany aza anefa dia hainy hatrany ny mandrindra ny fifikirana tamin’ny taniny, tany amin’ny toerana rehetra nianohany ny hazavan’ny masoandro, dia i Fisakàna sy i Madagasikara.


Fisaorana

  • Dama Mahaleo tamin’ny teny fahatsiarovana
  • Fidimanantsoa tamin’ny serasera
  • Lila Hanitra Ratsifandrihamanana tamin’ny teny fahatsiarovana
  • Ny Maraina Randrianarisoa, zanak’i Pierre Randrianarisoa, tamin’ny serasera, tahirin-kevitra sy sary ary resaka nifanaovana taminy
  • Pierre-Eric Randrianarisoa, mpanao gazety, lahimatoan’i Pierre Randrianarisoa, tamin’ny resaka nifanaovana taminy niampy lahatsoratra natolony ho an’ny Poetawebs.
  • Tantely Rakotorahalahy tamin’ny serasera
  • Tsikimilamina Rakotomavo tamin’ny serasera
  • Veromalalandrainy Randrianarisoa, zanak’i Pierre Randrianarisoa, tamin’ny resaka nifanaovana taminy.

Loharano nanovozan-kevitra

 
[1] Namoizany ny ainy izany araka ny fomba saro-tanterahina. Natsongoloka teny ambony hazo fijaliana mantsy izy tamin’ny taona 64, fotoana fitondran’ny amperora Néron. Mifanaraka tamin’ny sitrapony izany noho ny fanetren-tena tsy manam-paharoa nananany.
[2] Fisakàna dia faritra mifanaraka amin’ny distrikan’i Fandriana ankehitriny ary nitoeran’ny Fanjakan’i Fisakàna. Faritra izy araka izany ary ahitana ny tanànan’i Sahamadio izay novaina hoe Sahamadio-Fisakàna tamin’ny Repoblika voalohany.
[3] Cris et chansons de toujours
[4] Araka ny taratra tao amin’ny lahatsoratr’i Pierre-Eric Randrianarisoa zanany natolony ny Poetawebs
[5] Loharano : Pierre-Eric Randrianarisoa
[6] Houlder, J.A., Ohabolana ou Proverbes malgaches, 1960, Antananarivo, Trano Printy Loterana



Date de dernière mise à jour : 08/10/2023