Sorapiainan'i Esther Nirina
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
15 Jolay 2022

  17
Nôvambra 1932, nirobona aoka izany ny ravina amam-bony tao Ambohimifangitra, andro lohataona nahaterahan'i Esther Ranirinaharitafika. Esther Nirina no anarany eo amin'ny tontolon'ny pôezia... 72 taona taty aoriana, ny 19 jona 2004, ririnina ny andro, nanjombona ny tontolo, nihintsana ny ravina, nandao ny tany tao Ankadifotsy Antananarivo ilay pôeta tsy mitovy amin'ny pôeta hafa. Miavaka indrindra mantsy izy satria niorim-paka tamin'ny taniny sy tamin'ny kolony na dia nahafantatra tontolo maro tany ambadik'i Manangareza aza. Nivelatra tamin'ny vazantany efatra ny eritreriny hany ka zary lasa saham-pamoronany avokoa izay toerana nonenany. Mivaingana sy misavovona anefa ny sangan'asan'ity pôeta mirotsaka ity, hany ka tsy arakaraka ny halalin'ny asasorany ny fatran'ny fahafantarana azy. Noho izany indrindra no manosika ny Pôetawebs hivoy ny asa fandalinana sorapiainana pôeta toy izao.



1. PÔETA MIORIM-PAKA
  Toy izao no azo andikana ny voalazan'ny tranonkala "www.parents.fr" momba ny anarana ESTHER. Vehivavy maotina sy vitsy teny izy, tsy tia sehoseho kanefa mahasodoka, tombanana ho mihatakataka amin'ny manodidina azy kanefa tena tsotra sy feno hatsaram-panahy; tsy mpitankosina aman'olona kanefa misoka-tsaina tsara ho an'izay te hahafantatra azy. Mihaino olona izy, mpanoro hevitra ary liana amin'ny mozika sy ny haikanto. Tsy ahoany ny fitokanana sy ny fitsaran'ny hafa. Tony sy itokisana izy ary tsy mpila vaniny na ady amin'ny hafa. Reny manam-paharetana koa ny Esther ary mikajy ny hasarobidin'ny fitohizana aina.

Mahatalanjona fa taratra ao anatin'i Esther Nirina avokoa ireo toetra mendrika ireo. Hita ao amin'ny anarany mantsy fa "nirina" ho azo izy ary heverina ho nirina hanana an'izany fahamendrehana izany. Mbola ao amin'ny anarany koa ny "hary", mahadika ny vokatra voangona ary mety hifandraika amin'io faniriana io koa. Manampy ireo ny "tafika", anarana nolovainy tamin-drainy, midika hoe "fitambaran'ny miaramila enti-miady" hoy Rajemisa-Raolison (1985). Azo raisina ho fahavononana notafiana hery sy tetik'ady ampy hiatrehana ny misiterin'ny ho avy ny heviny, ny ho avy mifototra amin'ny loharano nipoirany.


   1.1. Ny loharano nipoirany

Kolontsaina roa no nanefy ny tontolom-piainan'i Esther Nirina : frantsay sy malagasy. Frantsay satria niaina tanteraka tao anatin'ny vanim-potoana faha-zanatany frantsay ny fahazazany. Natao tamin'ny teny frantsay, araka izany, ny fampianarana sy ny taratasim-panjakana. Miteny malagasy ranoiray anefa ny reniny na dia metisy frantsay aza. Mahafehy tsara ny teny malagasy koa i Esther Nirina na dia manana firazanana frantsay aza ary tombanana ho fotsy fihodirana. Malagasy mpiasam-panjakana avy ao Ambohimifangitra kosa Rabetafika rainy izay tratrantitra tokoa vao nodimandry. Anisan'ny havanana tamin'ny teny anglisy io rainy io satria niaina tamin'ny fotoana nahazoan'ny misionera anglisy vahana teto amin'ny Nosy ry Rabetafika 12 mianadahy mpiray tampo, izay nateraky ny ray avara-pianarana nahafehy izany teny izany. Fantatra tamin'ny fananganana fotodrafitrasa toy ny sekoly sy fiangonana ny misionera ary indrindra ny nahafahantsika nampiasa ny endri-tsoratra latina sy ny nandikana ny Baiboly tamin'ny teny malagasy. Voaray ho mpiasam-panjakana ny rainy nony tonga ny Frantsay. Nirona kokoa tamin'ny finoana Katôlika ny mpanjanaka teto kanefa nofikirin-drainy hatrany ny maha protestanta batista azy. Mpiangona tao amin'ny Batista Biblika Ankadivato izy. Anisan'ireo mpitoriteny tamin'ny teny malagasy mihitsy izy. Tsy nataony an-kambo ny fitaizana an'i Esther Nirina, zanany vavy tokana, ka anisany ny fampitana ny fahalalana voarakitra ao anatin'ny Baiboly. Nanovo fianarana tamin'ny tanàn-dehibe i Esther Nirina, izany hoe tamin'ny teny frantsay. Nahavantana azy kosa ny teny malagasy tamin'ny fifandraisana teo amin'ny fiarahamonina sy ny fianakaviana ary indrindra ny skoto. Nanambady an-dRabemananjara Guy izy ary nanapa-kevitra hanorim-ponenana tany Frantsa izy ireo ny taona 1950, izany hoe teo amin'ny faha-18 taonan'i Esther Nirina. Nahazo zanaka 3 izy mivady, lahy iray sy vavy anankiroa, ka toy izao ny filaharany ara-jokiny: Rabemananjara Nicole, Rabemananjara Franck, Rabemananjara Josiane. Ankoatra ireo zanaka nateraka dia nanabe sy nahatafita an-dRtoa Iarimanana Malalasoa Véronique.


   1.2. Ambohimifangitra

Ambohimifangitra, raha hiverenana kely, satria fototra niaingan'ny tantara, dia fokontany. Ambohimifangitra Andrefana no tena anarany, 350 tafo onenan'ny mponina miisa 1252 ary mifanila sy elanelanina tanimbary amin'ny fokontanin'Ambohimifangitra Atsinanana antsoina hoe Andafiatsinanana koa.

Ao anatin'ny kaominina Ambanivohitr'Ambanintsena izy ankehitriny (Carion no kaominina nisy azy teo aloha), distrikan'i Manjakandriana, faritr'Analamanga. 30km eo ho eo izy raha miala avy ao amin'ny garan'i Soarano Antananarivo, mandray ny RN2 miatsinanana mankany Toamasina; eo anelanelan'Ambanintsena sy Carion no mivily mianatsimo ka mandray sampanana miankavia rehefa afaka 50m. 2km latsaka miala avy eo no misy azy, eny fa na dia 3km aza no voalazan'ny takelaka manondro eo am-pandaozana ny RN2. Ety am-piaviana dia efa tazana manangasanga ny tilikambon'ny fiangonana FJKM amin'ny ilany havanan'ny lalana. Raha tohizina io lalana mianatsimo io dia tonga any Anjeva Gara.

Ambohimifangitra, 2km miala ny RN2

Vao miala kely ny RN2 no ahitana takelaka manondro fiangonana :
eo amin'ny ankavian'ny sampanana ny an'ny FJKM; ankavanana ny an'ny FPVM


50m avy eo, fanondroana indray
ny FJKM Ambohimifangitra Fitiavana
Hiditra ny tanànan’Ambohimifangitra, tazana manangasanga ny tilikambon'ny FJKM

Ny tontolon’i Esther Nirina tao Ambohimifangitra

Ny tena vavahady fidirana ao an-tanàna fahiny anefa dia amin'iny lalana iny ihany saingy tohizina mianatsimo, eo amin'ny 200m eo ho eo, ary manapaka ny hadivory miatsinanana. Mbola tazana ao ny vato fisaka boribory nakodia tamin'ny fotoan'androny ho fandrindrinana ny vavahady.

Tao Ambohimifangitra no nahalatsahan'ny tavonin'i Esther Nirina ary niainany ny fahazazana sy ny fahatanorana. Miorina eny an-kavoana io vohitra io tahaka ny fahita eny amin'iny faritra iny: manana ny lohasahany, miampy izato tanimbariny, tsy vitsy koa ny alaalany, kanto ery ny vatolampiny sy ny tanimboly aminy... Ankoatra izay dia ambohi-pihaonan'ny faritra manodidina ny tanàna hatry ny ela izy noho ny fiangonana protestanta (FJKM ankehitriny) ao aminy, naorina tamin'ny 1870 ary vao nankalazaina tamin'ny 2020 teo ny faha-150 taonany. Manana ny azy tao an-tanàna koa taty aoriana ny FPVM sy ny EKAR. Ahitana sekoly tranainy ao, naorina tamin'ny 1897 ary nandray mpianatra tamin'ny faritra manodidina toy ny tany Nandihizankely sy Ambatomalaza ary Ambohimifangitra Atsinanana. Heverina ho nandranto fianarana tao i Esther Nirina fony kely.

Nanangana ny azy koa ny tsimiankina antsoina hoe Ecole La Lumière, nosokafana tamin'ny 2010, miantsoroka ny fampianarana manomboka any amin'ny garabola ka hatrany amin'ny kilasy famaranana. Nanangana sekoly EPP tao ny FID taty aoriana ary navadika ho tranomboky ilay tranon-tsekoly tranainy.

Teto ny vavahady hany fidirana tao an-tanàna fahiny. Mbola voatahiry ny vato fisaka maneho izany

FJKM Ambohimifangitra Fitiavana

Midika hoe "faritra" ny teny hoe "fangitra" araka ny Rakibolana (Rajemisa-Raolison, 1985). Raha tsotsorina dia vohitra voafaritra i Ambohimifangitra. Voafaritry ny hadivory ny tanàna tany am-piandohany ary efa maromaro ireo trano tafavoaka an'izany faritra izany taty aoriana. Tsy dia misongadina loatra intsony io hadivory io fa misy ampahany maro voatototra sy voasaron'ny bararata sy lobolobo. Ankoatra izay dia voahodidina tanimbary koa ity vohitra ity. Voafaritra ny tanàna kanefa vatran'i Esther nihoarana lavitra. Nofihininy lalina tao anatiny anefa, hatrany amin'ny toerana rehetra nivezivezeny teto an-tany.

"Ka tsy ny fo ihany
 No henoina
 Fa ny eritreritro hamantatra
 Izay faritr'ho dinganina"
 Tsirim-pahazavana
 in Mivolana an-tsoratra (Oeuvres complètes, tak 128)

Nanao dingan-dava tokoa i Esther Nirina teo amin'ny androm-piainana satria niovaova ila bolan-tany, kaontinanta, ranomasimbe. Ary ny tena lalina dia tao amin'io vohitra nahalatsahan'ny tavoniny io ihany no misy ny tranony fakana aina nandritra ny 14 taona farany niainany teto an-tany.

Voalaza ho saro-piaro amin'ny taniny mantsy ny mponin'ny nosy iray ary anisany ny eto Madagasikara. Manampy izany koa ny fiaviana avy amin'ny toerana iray voafaritry ny singa voajanahary na noforonin'ny zanak'olombelona toy ny renirano, ala, tendrombohitra..., tamboho, hadivory... Heverina ho feno fatra ny tontolon'i Esther Nirina nampivelatra ny saina amam-panahiny ka nahatonga azy hahatsapa ny hasaropadin'ny fifandraisana eo amin'ny olombelona sy ny zavaboahary. Tsy mahagaga raha nanapa-kevitra hitodi-doha tao Ambohimifangitra i Esther Nirina sy ny vadiny teo amin'ny fisotroan-dronono tamin'ny 1990, rehefa nandao an'i Madagasikara nandritra ny 40 taona. Nohatsarainy sy nokolokoloiny ny tanànany, tsy amin'ny maha loharanony ihany fa noho izy teo anivon'ny zavaboahary maha te honina maharitra.



   1.3. Ny zavaboahary nofikiriny

Amontana nambolen’i Esther Nirina eo afovoan’ny tokontanin-tsekoly (EPP)
Ny tranon’i Esther Nirina, miavaka amin’ny varavarakely miendrika tranomboromailala sy ny amontana namboleny

Mahazatra ny olombelona ny mampitoetra singan-javaboahary ao amin'ny tontolo akaikiny toy ny voninkazo an'efitrano, hazohazo an-jaridaina, ka anisany ny amontana an-tokontany nokaloin'ity pôeta ity:

"Arbre à fleur
 De mon village
 Ton fruit danse
 Dans ma gorge
 Et peuple les branches
 De mes veines"
"Hazo itoeram-boninkazon'
 ny tanànako
 Ny voankazonao mandihy
 Ao an-tendako
 Mameno ireo tahon'
 Ny ozadrako"
Lente et spirale, tak. 48
 (dikanteny malalaka, Tsikimilamina Rakotomavo)

Mahavariana tokoa ny fitiavan'i Esther Nirina ny amontana satria namboly izany izy teo an-tokontanin'ny tranony sy ny sekoly vaovao tao Ambohimifangitra. Marihina fa mbola velona ao mandrak'ankehitriny ireo singan-javaboahary ireo.

Manavasava ny tampon-tanety tamin'ny fotoan'androny ny ombin-tsarety fitaovam-pitanterana, ka nampiainga ny fanahin'ny mpanoratra:

"Le son des roues
 que rythme la marche des zébus
 répète la ligne de crètes
 d'autrefois
 d'ici
 et maintenant
"Ny feon'ireo kodiarana
 Mampigadona dian'omby
 Mamerina ny fari-tsoridranon’
 Ny fahiny
 Ny eto
 Sy ny ankehitriny"

 Lente et spirale, tak35
 (dikanteny malalaka, Tsikimilamina Rakotomavo)

Ao anatin'ny fototra iorenan'i Esther Nirina ny fandalany ny zavaboahary, ohariny amin'ny fakan-kazo miorim-paka ao anatin'ny nofon-tany, nofikiriny mandritra ny androm-piainany.


"Elle n'est pas à déterrer
 La racine
 Qu'elle immerge et circule...
 Dans le sol majeur
 Pour joindre les pages blanches
 Seul lieu
 Où tu défis la mort
 Et rencontres tes semblables"
"Tsy hongotana
 Ny fakany
 Izay anatsobohany sy ampivezivezeny...
 Anaty nofon-tany lehibe
 Mba hanohizana ireo pejy fotsy
 Toeran-tokana
 Izay ihantsianao ny faty
 Ary ihaonanao amin'ireo toa anao"
 Lente et spirale, tak 41
 (dikanteny malalaka, Tsikimilamina Rakotomavo)


   1.4. Kolony, taniny, teniny, olony

Maro ireo singa ahatsapana fa miorim-paka amin'ny azy i Esther Nirina. Hasongadina eto ny kolony nofikiriny ka nampivelatra ny eritreriny. Hainy noraketina tamin'ny andalan-teny izany eritreritra izany ary notanterahiny tamin'ny teny roa: frantsay sy malagasy. Mbola maneho "ny azy" koa ny akora sy endri-tsoratra nampiasainy. Nikajy ny lanjan'ny fitohizan'aina izy amin'ny maha renim-pianakaviana azy.


   . Hainteny

Nivoy ny hainteny tamin'ny asasorany i Esther Nirina, hainteny araka ny namaritan'ny Akademiam-pirenena malagasy (2005) azy: "lahabolana mirindra, feno ohatrohatra enti-mampita hevitra amin'ny fomba miolaka, ifamaliana ka ny tanora lahy sy vavy mifamboraka fitiavana no tena manao azy, ampiasaina hampitana anatra amam-pitsipi-pitondran-tena ihany koa". Taratra amin'ireo tononkalon'ity pôeta ity, anisany ireo nosoratana tamin'ny teny frantsay, ny fiorenam-pakany amin'ny hainteny ary novoiziny hatrany ampitan-dranomasina.


"Parle du pays
 Où il pleut
 Des pierres de topaze
 Rosées suspendues
 Sur toile d'araignée"

"Ambarao ny firenena
 Izay irotsahan’
 Ireo vaton'ny topaza
 Ireo ando mihantona
 Eo an-tranonkala

Lente et spirale, tak 63
 (dikanteny malalaka, Tsikimilamina Rakotomavo)


Tsy ambakan'izany koa ny endriny nosoratana avy hatrany amin'ny teny malagasy:

"Raha miteny tsy mankahala
 Raha mandre dia efa mahalala
 Ary afaka manala
 Ireo karazan-tapi-maso"
 Tsirim-pahazavana
 in Mivolana an-tsoratra (Oeuvres complètes tak 132)

Mampiavaka ny hainteniny koa ny fivolanana alahelo:

"Indro mantsy
 Tsinjoko

 Fa any anaty masonao
 Nisy ratra tsara fono
 Any anaty tsikiny any
 Nisy fery
 Mbola miotrika"
 Tsirim-pahazavana
 in Mivolana an-tsoratra (Oeuvres complètes tak 128)


  • Ankamantatra

Manampy an'izay hainteny izay koa ny endrika ankamantatra ao amin'ny tononkalon'i Esther Nirina izay samy nolovainy tamin'ny kolontsaina malagasy. "Filazan-javatra izay tiana hovinanin'ny hafa ka ny toetoetran'ilay zavatra hofantarina no lazaina amin' ny teny somary lavalava..." Rajemisa-Raolison (1985). Mety tsy ho takatra eo noho eo ny tian'ny mpanoratra holazaina fa miolaka. Fohy ny andalan-teniny, toa tsy mifampitohy, ka iverenana vakina vao tsapa ilay hevitra mafonja nokoboniny.

"Maso tsara ranitra
 No hanarao ny tantara
 Fijerin'olon'afaka
 No ento manambara"
 Tsirim-pahazavana
 in Mivolana an-tsoratra (Oeuvres complètes tak 132)

  • Taratasy antemoro

Mahavariana ny fomba nanontana ny boky "Lente spirale" satria ny 150 isa taminy dia vita tamin'ny taratasy antemoro. Miloko mena ny ranomainty nanaovana ny soratra. Namboarina sy nampiasaina tany amin'ny foko Antemoro, any atsimo atsinanan'ny Nosy, io taratasy io hatramin'ny taonjato faha-XVI ary mbola mitohy hatramin'izao. Tafiditra ao anatin'ny harem-bakoka malagasy izy araka izany. Ny hoditry ny hazo "havoha" no akora anamboarana ny koba entina hamolavolana azy. Voahaingo amin'ny ravim-boninkazo ny taratasy indraindray ary ampiasaina anoratana sy anaovana taozavatra.

Misy heviny manokana koa ny lokon'ny soratra mena izay mifandraika amin'ny lokon'ny tany mena mampiavaka ny faritra afovoan-tanin'i Madagasikara, anisany ny ao Ambohimifangitra. Marihina fa manambara hevitra tsy mivantana fa miolikolika izay itondran'i Esther Nirina ny mpamaky ny tononkalony ny lohatenin'ny boky "Lente spirale".
Takelaka ao amin’ny Lente spiralecmanondro ny isan’ny natonta tamin’ny taratasy antemoro sy ny taratasin’ny PAPMAD (Papeterie de Madagascar)

   • Sorabe

Nanaovana fanontana manokana tamin'ny sorabe ny boky "Mivolana an-tsoratra". Porofo fa mifikitra amin'ny kolontsainy i Esther Nirina ary mpikajy ny harem-bakoka malagasy. Nampiasaina tany amin'ny foko Antemoro ny sorabe, karazana soratra arabo amin'ny endrika lehibe, nanoratana bokim-pivavahana sy tantara ka tany amin'ny taonjato faha-XVII ny tranainy indrindra (Pela Ravalitera, 2019). Niparitaka eran'i Madagasikara ny fanoratana azy tamin'ny taonjato faha-XVIII. Ny mpanjaka Andrianampoinimerina aza dia niantso oloben'ny Antemoro mihitsy, nampianatra sorabe ny tao an-dapa. Nahay nanoratra sy namaky teny dieny fahakeliny, araka izany, Radama I. Nanoratana ny teny malagasy talohan'ny teny latina ny sorabe.


  • Teny malagasy

Mpanoratra nivelatra teo amin'ny frankôfônia i Esther Nirina kanefa nahafehy ny teny malagasy toa an-dRabearivelo. Tsy hary tafiditra tao amin'ny boky "Mivolana an-tsoratra" (2004) avokoa izy ireo(1), bokiny tokana sady farany nosoratana tamin'ny tenin-dreniny. Ao anaty rany lalina tokoa ny teny malagasy satria anisan'ny teny nanabeazana azy. Taty aoriana dia nilofo nandinika azy izy araka ny voalazany ao amin'ny tononkalony:

"Ry teny malagasiko
 Teny manan-jo

 Nandinika aho nisaina
 Nikaroka namantatra
 Dia tsaroako
 Fa ianao
 No tonga hery miara-miaina
 Ao anaty rako ao"
 Tsirim-pahazavana
 in Mivolana an-tsoratra (Oeuvres complètes tak 120)

Mbola ao amin'io tononkalo io ihany no nampahatsiahiviny ny fomba nitaizana azy tamin'ny alalan'ny teny malagasy:

"Mbola ra manako ao
 Ny lanjanao mahery
 Fony 'zaho zazakely
 Nandre ny feo tsy mety very
 Miantso hoe:
 "Avia aty ny zanako!"
 Tsirim-pahazavana
 in Mivolana an-tsoratra (Oeuvres complètes tak 120)

Amin'ny alalan'ny teniny no nahafahany nivelatra tamin'ny tontolo midadasika:

"Ny fananako anao
 Manafaka ahy handray
 Ny zava-tsoa avy eny ivelany

 Manjary mora ny manavaka
 Ny ahy sy ny azy
 Ka afak'izahay hiara-dalana
 Hatreo amin'izay hitako
 Fa tsara sady marina"
 Tsirim-pahazavana
 in Mivolana an-tsoratra (Oeuvres complètes tak120)

Anisan'ny anoratany ny eritreriny mitosaka ny teny malagasy, eritreritra manan-danja eo amin'ny fiainany:

"Saina mamony eritreritra
 Eritreritra
 Miteraka hevitra
 Hevitra milaro fanahy
 Izany no
 Fofombadin'ny foko
 Ary izay
 No maha-"Isika"
 Ny "Izaho"
 Tsirim-pahazavana
 in Mivolana an-tsoratra (Oeuvres complètes tak 128)


  • Fitohizana aina

Tsara aloha ny manamarika ary mialoha ny
hiresahana ny momba ny taranany fa olon'ny finoana i Esther Nirina. Protestanta toa an-drainy izy, navitrika tao amin'ny FPMA (Fiangonana Protestanta Malagasy aty An-dafy) tao Orléans. Nony tafody teto Madagasikara dia mpamangy ny fiangonan-drainy, Batista Biblika Ankadivato, ary niangona tao amin'ny Paroisse Internationale Andohalo.

Taratra amin'ny tononkalon'i Esther Nirina ny mahamamy ny naloaky ny kibo. Reny nampiana-janaka izy. Azony natao ny nitodi-doha taty Madagasikara tamin'ny 1960, taona nahazoana ny fahaleovantenam-pirenena, kanefa noho ny fianaran-janaka efa natomboka tany Frantsa dia nanapa-kevitra ny hitoetra tany ihany aloha izy sy ny ankohonany, fara faharatsiny mandra-pahavitan'ny fianaran'ny ankizy any amin'ny ambaratonga ambony.

Ho an'ny zanako Josiane sy ny hazavany, Philippe
Lente spirale, tak 71

Mahakasika ny zanany vavy ny ampahany lehibe sady namaranana io boky "Lente spirale" io, izany hoe ny tononkalo mitondra ny lohateny hoe "Teintes matinales du jour", tak 70, ahitana takila 12. Voaresaka matetika ao amin'izany ny hira, gitara sy mozika, ny naoty (do, la, sol), ny rantsantanana mitendry...

"Le jour
 Dans le temps
 Et le temps
 Dans tes mains"
  ---
"Ny andro
 Ao amin'ny fotoana
 Ary ny fotoana
 Am-pelan-tananao"
 Lente spirale, tak 78
 (dikanteny malalaka, Tsikimilamina Rakotomavo)
Lente spirale
bokiny natonta tamin’ny taratasy antemoro

Mbola hiverenantsika ny fifehezan'i Esther Nirina ny fotoana izay tiany hampitaina amin'io zanany vavy io. Josiane Rabemananjara no anarany, zanany faravavy, nandalina mozika indrindra fa ny gitara. Manam-pahaizana momba ny mozika tao amin'ny Conservatoire any Frantsa izy ary manana mari-pahaizana maromaro mifandraika amin’izany. Mpampianatra, mpamoaka boky momba ny mozika, nahazo loka maro teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, mpanao fampisehoana eran'ny vazantany efatra: Eraopa, Etazonia, Ranomasimbe Indiana... Azo lazaina ho tafitan'i Esther Nirina taminy ny hafatra: mozika, tanindrazana, fivelarana amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Toy ny mahita ny fivelaran'ny tenany izy mibanjina ny zanany:


"En quête
 De miroir
 Une fenêtre
 S'est donnée

 Là

 Comme
 Un puits
 Son fond si loin devant
 Affirme
 Le paysage de pluie
 Souvenir
 D'un printemps très ancien
 (...)
"Am-pikarohana
 Tandindona
 Varavarankely
 No azo

 Indro

 Toy
 Ny vovo iray
 Lalina ny fanambaniny
 Maneho
 Ny faritazan'ny orana
 Fahatsiarovana
 Ny lohataona fahiny
 (...)

Lente et spirale, tak74
 (dikanteny malalaka, Tsikimilamina Rakotomavo)

Ao anatin'izay hamamin'ny zanaka izay koa ny vesatry ny alahelo manoloana tranga mampitanondrika. Nahazoany aretim-po tsy azo nivalozana ny hetraketraka nihatra tamin'ny akaikiny noho ny raharaha pôlitika 2002(2) ary nitondra azy nankany amin'ny fahafatesana (Raharimanana J.-L., 2007). Nikorontana tokoa ny firenena tamin'io taona io ka nanenjehana tomponandraiki-panjakana maro ka anisany ny praiministra izay tsy iza fa vadin'i Nicole Rabemananjara zanak'i Esther Nirina.


   1.5. Ny saha fivelarany

Nanefy sady nampiroborobo ny seraseran'i Esther Nirina ny fipetrahany naharitra tany ivelan'i Madagasikara ary nivelarany teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Asongadina aloha ny tao Orléans, tanàna nipetrahany nanomboka tamin'ny 1950 ary fototry ny fahombiazany sy ny nahafantarany olona maro taty aoriana.


  • Ny tao Orléans

Tanàna ao amin'ny lemaka afovoan'i Frantsa i Orléans, vakivakin'i La Loire, renirano lava indrindra any amin'io firenena io. Lasa mpikirakira boky tao amin'ny tranombokin'ny tanàna izy tamin'ny 1953 ary naharitra 30 taona (1953-1983) tao. Tao Orléans no niatombohany nivelaratra teo amin'ny tontolon'ny soratra ka nahafantarana azy.

Niasa tao amin'io trano io koa ny pôeta Hélène Cadou, vady navelan'ny pôeta Réné-Guy Cadou tamin'izany, izay mahafantatra tsara ny tontolon'ny literatiora sy ny boky. Nahaliana azy ny asasoratr'i Esther Nirina ka nampirisihany hifantoka amin'izany. Nifampitankosina izy ireo ary azo lazaina ho kihon-dalana nampivoatra ny fiainany ara-literatiora izany fifaneraserana izany. Tsy vitan'ny hoe pôeta mantsy no niarahana niasa fa ilay tontolon'ny boky sy literatiora nisy azy ireo koa no nanamasaka ny lalam-pamoronany. Niainga avy tamin'izany rivo-baovao izany ny nahaterahan'ny bokiny roa voalohany, samy natonta tao Orléans, edisiona Sergent: Silencieuse respiration (1975) sy Simple voyelle (1980). Tsy niandry ela fa tamin'io taona 1980 io ihany no nahazoany ny lokan'ny pôezia "Madagascar" natolotry ny ADELF (Association des Ecrivains de Langues Française) tao Parisy. Namoaka tononkalo maro tao amin'ny revion'ny faritry Champagne "Cahiers bleus" izy tamin'ny 1984.


  • Nifanerasera tamin'ny olona maro

Toy ny mpanoratra maro dia nisy aloha ny fihaonana tamin'ny mpanoratra fanta-daza tamin'ny alalan'ny "fiondanana" ny bokiny. Mpandala ny tononkalon'ilay pôeta sady mpanao pôlitika silianina antsoina hoe Pablo Neruda(3) i Esther Nirina. Mpamaky ny asasoratry ny pôeta frantsay koa izy toa ny an-dry René Char(4) sy ny an'ilay mpanoratra sady filôzôfy George Bataille.

Oloben'ny literatiora hatrany no nanao ny sasin-tenin'ny bokiny. Tao ohatra ny filohan'ny Akademiam-pirenena malagasy anankiroa: Césaire Rabenoro ho an'ny "Multiple solitude" (1997) sy Rajaona Andriamananjara ho an'ny "Mivolana an-tsoratra" (2004). Ankoatra ireo dia pôeta sy mpanoratra fanta-daza eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena no nanao ny hafa toa ny "Rien que lune" niangalian'ilay Maorisianina Edouard J. Maunick. Nanao ny teny famaranana ny "Mivolana an-tsoratra" Ramarosoa Liliane, mpandalina amin'ny teny frantsay ny literatiora afrikanina sy malagasy(4). Niarahany niasa tamin'ny mpandika teny havanana, Bao Ralambomanana, io boky io ka nahafahana mankafy azy amin'ny teny frantsay.

Manamafy izay seraserany izay ny fitetezany toerana toa ny tany Vanuatu Melanezia sy ny tatsy La Réunion izay vao mainka nampivelatra ny sahan'ny angaliny. Ankoatra izay dia efa tany Etazonia i Esther Nirina tamin'ny 2003, fa nasaina tany amin'ny oniversite Iowa, tohin'ny nampidirana ny asasorany tao amin'ny amboaran-tononkalo "Voice of Madagascar".

  • Teny momba azy

Ahafahana mamariparitra ny lanjan'ny seraserany ny fanantsikafonana ny tenin'ireo nifampitankosenany teo amin'ny fiainany. Singanina manokana aloha ny an'ny iray tamin'ireo mpanonta ny bokiny ary notaterin'ny Dr Raymond Vergès(5), mahakasika ny toetra amam-panahiny:

"Iavahany amin'ny pôeta maro ny maha vehivavin'ny fanetren-tena azy, feno fahatsorana, lavitry ny fisehosehoana. Tsy be kabary izy ary manalavitra ny sehatra fiantsana tononkalo"
Jean-François Reverzy

Anisan'ny mampiavaka ny maha pôeta an'i Esther Nirina, araka ny fandinihan'ny pôeta iray tena mahafantatra azy(6), ny herin'ny fahalaviran-tany nampifikitra azy amin'ny tenin-drazany:
   
"Tsy niaina ny fahalaviran-tany ho toy ny sesitany mampangirifiry akory i Esther Nirina fa toy ny diam-paharetana mitondra mankany amin'ny teny malagasy, satria mihoatra noho ny fiverenana an-tanindrazana, miendrika fahatontosana pôetika sy filôzôfikan'ny tenin'ny razany, ny fitodihany tany Madagasikara ".
Jean-Luc Raharimanana

Toy izao ny fanambaran'ny mpandalina literatiora iray(7) momba ny halalin'ny tononkalon'i Esther Nirina:

"Fohy ny tononkalony. Antsaina ny teniny mba ho tsapa. Mora vakina ny asasorany na dia tsy takatra eny am-piandohana aza. Mahatalanjona ny hevitra fonosiny. Misy saintsainina hatrany ny andalana tsirairay".
Ranaivoson Dominique

Raha eo amin'ny endrika mahakanto azy indray dia niainga avy tamin'ny boky "Lente spirale" ny pôeta nanao ny sasin-teny(8):

"Nambabo sy nahasodoka ahy ny kalitao maningana ao amin'ny Lente spirale: ny fahatsapana ny feon'ny teny, ny fisosa sy ny harefon'ny fotoana mandrakotra sy mandresy antsika, kanefa tsy manao izay hahatsapantsika ny hamafin'ny tsindrona".
Jacques Rabemananjara

Voatanisan'i M Y R(9) kosa ireo lohahevitra fivoin'i Esther Nirina eo amin'ny asasoratra:

"Maneho ireo lohahevitra voizin'i Esther Nirina ny boky tsy tra-tompony "Mivolana an-tsoratra": ny fahafahana, ny fitiavana, ny fiainana, ny fahafatesana, ny hafaliana..."
M Y R

Mahatsikaritra fahanginana ao amin'ny ngadon'ny andalan-tenin'i Esther Nirina ny talen'ny Conservatoire tao Orléans:

"Mozika ny pôezian'i Esther Nirina. Maneho tsara ny foron-tononkalo fohy sy maontina ny fahanginana isa-drefy hita ao amin'ny 'Aurais-je tort...', redona feo efatra"
Claude-Henry Joubert

Raha zohina dia manana toera-miavaka eo amin'ny literatiora  malagasy i Esther Nirina araka ny fanazavan'ny ministra niara-niasa taminy akaiky:

"Tale kabinetrako tao amin'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny Serasera tamin'ny 1995-96 ny nenitoako Esther Nirina. Vehivavy faran'ny sarotiny i Esther Nirina, nahafolaka ny fanoratana sy ny hailahateny, na tamin'ny teny malagasy na tamin'ny teny frantsay. Nankafizin'ny mpanatrika ny lahateniny tao amin'ny Akademia malagasy, izay naha mpikambana mavitrika azy, sy tamin'ny raharaha ofisialy sy ara-pianakaviana. Tsy isalasalana fa anisan'ny lehibe indrindra eo amin'ny pôezia malagasy ny anarana Esther Nirina."
Rakotomalala Miray Mireille

Taratra tamin'ny fanazavan'ny taizany koa izay naha olon'ny fitenenana an'i Esther Nirina izay:

"Mifono hevi-dalina ny asa-sorany ary zarainy aminay mandrakariva miaraka amin'ny tsikitsiky hany ka tsy dia takatro firy fa ny mahafinaritra anay dia ny mankafy mihaino azy."
Iarimanana Mialisoa Véronique

Manana ny teniny koa i Esther Nirina ary manana fifandraisana manokana amin'ny pôeta: "Namako ny pôeta" hoy izy araka ity rangotsiaro soratanany tamin'ny 11 Nôvambra 1990 maneho izany ho an'ny pôeta R. One né Adeilnosty ity, pôeta frankôfôna anisan'ny nanatrika ny famelabelaran-kevitra nataony tao amin'ny Akademiam-pirenena.

Anisan'ny teny famerimberiny avohitra eto satria manan-danja loatra momba ny fiorenam-paka amin'ny taniny ity nampahatsiahivin'
ny taizany, Iarimanana Mialisoa Véronique, ity:

"Ny fakako eto dia eto"

I Esther Nirina tenany mihitsy no nanazava tamin'i René Ravoavison, ilay azo lazaina ho olona nifampitankosina taminy nandritra ny telo taona mialoha ny nahafatesany, ny fifandraisan'ity pôeta miavaka ity amin'ny tany:

"Mampiteny ny olona ny tany ary manosika azy hanoratra tononkalo"

Eo amin'ny fiainana andavanandro dia heverina ho mahafehy izany ny famaritana natolotry ny taizany (sary ankavia nalaina tao amin'ny Assurance Aro nandritra ny famoahana azy tamin'ny fianarany teny amin'ny anjerimanontolo):

"Tsotra, sariaka, tia tsikitsiky, mari-potoana amin'ny maha 'vazaha' azy..., tia mifandray amin'olona, manam-bahiny matetika na Malagasy na vahiny, na Jiosy koa aza."
Iarimanana Mialisoa Véronique

Nanam-bahiny matetika tokoa izy; nifanerasera tamin'ny pôeta Rado, nisakafo matetika tany aminy tao Ankadifotsy ary izy tany amin'i Rado teny Ivato. Efa nitsidika azy teny Ambohimifangitra koa i Rado. Teo koa ny fifandraisany akaiky tamin'ny profesora Ratsimamanga Albert izay nivahiny matetika tao an-tranony.

2. PÔETA MIROTSAKA

  Na dia nobeazina tamin'ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany aza i Esther Nirina ary nandray ny kolontsaina frantsay dia voafehiny tsara ny an'ny Malagasy izay hainy novoizina tamin'ny teny frantsay ho fampahafantarana izany teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy ambakan'izany koa ny firotsahany tamin'ny tontolon'ny literatiora nony tafody teto Madagasikara. Manana ny fombany manokana ifehezana ny fotoanany izy, indrindra eo amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra lehibe eo amin'ny fiainana. Anisan'izany ny fananganany asa mivaingana amin'ny maha pôeta mpanangana azy.


  
2.1. Sehatra iraisam-pirenena

Mpivoy ny hainteny i Esther Nirina kanefa nahay nandray ny kolontsain'ny hafa toa ny an-dry Pablo Neruda (silianina) sy Georges Bataille (frantsay). Voalaza ho nandova an-dry J.-J. Rabearivelo sy Jacques Rabemananjara izy. I Joubert J.-L. (2001), mpandalina ny literatioran'ny frankôfônia, aza nanambara fa mitovy torosy mihitsy izy ireo kanefa tsy arakaraka izay ny fahafantaran'ny olona ny toerana mendrika azy
(10). Nahamarika ny mety ho anton'izany i Jean-Luc Raharimanana raha mihevitra fa sarotra raisina avy hatrany ny bitsika ivan'i Esther Nirina izay iavahany amin'ny hafa. Teraky ny kolontsaina malagasy lalim-paka ao aminy ny asasorany ka nahafahany mivolana amin'ny alalan'ny tenin'ny hafa. Tsy amin'ny tsindrim-peo mahazatra anefa fa amin'ny fintin-teny saro-takarina kanefa mavesa-danja, toy ny taratra amin'ity faribolana ity:

"Cercle
 Qui enserre et s'enserre
 Quand soudain
 Se déroule
 La mémoire gonflée
 Du futur"
"Faribolana
 Izay mamehy sy fehezina
 Rehefa injay
 Fa tonga
 Ny tsiaro vonton'
 Ny ampitso"

 Lente et spirale, tak42
 (dikanteny malalaka, Tsikimilamina Rakotomavo)

Mampahatsiahy endrika hainteny ity andalan-teny ity noho izy maneho feo miolikolika amin'ny alalan'ny teny fohy izay mitaky fisainana lalina vao takatra. Nosoratana tamin'ny teny roa ny ankabeazan'ny tononkalony, toy izany koa ny boky: frantsay sy malagasy. Tao ireo niarahany niasa tamin'ny mpandika teny havanana ary nisy koa no niangaliany samirery. Nahavariana an'i Réné Ravoavison ny fahafehezany an'ireo teny roa ireo. Nanapariaka ny tononkalony tamin'ny bokiny manokana sy tamin'ny boky iraisana mpanoratra izy. Nanoratra tamin'ny revio iraisam-pirenena. Nohalalinin'ny mpanoratra vahiny ny asasorany sy ny momba azy. Nanaovan'ny pôeta malagasy Na Hassi asa fandalinana teny amin'ny Anjerimanontolo ny bokiny ary nahavitany velakevitra toy ny tao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy tamin'ny jona 2022. Nanaovana tapatapakahitra tamin'ny revio iraisam-pirenena amin'ny teny frantsay sy teny anglisy koa izy.


  
2.2. Asasoratra mirotsaka

Azo lazaina ho niharan'ny lalànan'ny sintom-besatry ny taniny i Esther Nirina nandritra ny fandaozany ny nosiny. Tsy navelan'ny taniny hiongo-paka izy fa nataony masoivoho mivoy ny hakanton'ny haisoratra malagasy any an-tany lavitra. Izany fisintahana izany no vao mainka nampiavaka ny feon'antsany ho tokana aman-tany. Tsy vitan'izay fa nampitombo ny hetahetany hirona any amin'ny fitrandrahana ny fakany izy ka nahalalany zavatra maro taratra amin'ny asasorany. Hoy indrindra mantsy izy momba ny fahakingan-janany amin'ny fitendrena gitara:


"Tes doigts dansent sur
 La vertèbre du chant
 De nos pays"
"Ireo rantsantananao mandihy
 Amim-banim-bohon-kiran'
 ny firenentsika"
 Lente et spirale, tak73
 (dikanteny malalaka, Tsikimilamina Rakotomavo)


Tsy tongatonga ho azy anefa izany hetaheta izany fa tineraky ny fitiavana mipololotra ilay nosiny ka vao mainka nahafahany nifikitra tamin'ny kolony sy ny taniny. Nanana faniriana efa nokobokoboniny ela i Esther Nirina dia ny fipodiana an-tanindrazana: Madagasikara... Ambohimifangitra.

Tsy voatery miendrika pôlitika ny firotsahan'i Esther Nirina fa tsapa tamin'ny tolona iadiany amin'ny tsy rariny sy ny tsy hitsiny:


"Quand je vois la femme
 A chaque pas
 Humiliée

 Quand je vois l'enfant
 Se débattre devant
 Une issue murée

 Le père au regard
 Sans orbites
 La mère muette
 A force d'hurler
 L'existence du jour

 Oserais-je encore
 Parler d'amour?"
"Rehefa tojo vehivavy
 Voarabiraby
 Matetika aho

 Rehefa mahita ankizy
 Mioitroitra manoloana
 Fivoahana voarindrina aho

 Ny fijerin-dray
 Tsy misy sori-dalana
 Ny reny zary moana
 Noho ny hiakan'
 Ny fisian'ny andro

 Ho sahiko indray
 Ny hamboraka fitiavana?"
 Lente et spirale, tak 58
 (dikanteny malalaka, Tsikimilamina Rakotomavo)


Misarika ny fiarahamonina hioitra i Esther Nirina manoloana ny lalan-davitra mbola miandry ny firenena:

"Maso tsara ranitra
 No hanarao ny tantara
 Fijerin'olon'afaka
 No ento manambara

 Mahaiza miarahaba
 Ny valin-tolona eto an-tanana
 Famindra vaovao
 No voatery ianaranao
 Fa lavitr'ezaka ny lalana"
 Tsirim-pahazavana
 in Mivolana an-tsoratra (Oeuvres complètes tak 132)

Nahazo sehatra haingana teo amin'ny kolontsaina sy ny literatiora i Esther Nirina nony tafaverina tanteraka teto Madagasikara ny taona 1990. Tamin'izany indrindra mantsy no nandraisana azy ho mpikambana tao amin'ny Akademiam-pirenena. Anisan'ny velakevitra nataony tao ny fanolorana ny Lente spirale. Nirotsaka tao amin'ny S.E.R.O.I. (Société des Ecrivains de l’Océan Indien) ihany koa izy ary lasa filoha nandimby an-dry Reine David Andriamiarisoa sy Charlotte-Arrisoa Rafenomanjato tamin'izany andraikitra iraisam-pirenena izany. Marihina fa tamin'ny 8 Marsa 1989 no natsangan'izy roa farany ireo ny S.E.R.O.I. izay ivondronan'ny mpanoratra aty amin'ny nosy atsimo andrefan'ny Oseana Indiana: Maorisy, La Réunion, Madagasikara.

Ankoatra izay dia voatendry ho Tale kabinetran'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny Serasera izy tamin'ny 1995-96, izany hoe tamin'ny naha ministra an-dRtoa Rakotomalala Mialy Mireille.


  
2.3. Ny asany sy ny aminy

Mampiavaka ny tononkalon'i Esther Nirina ny endrika fohy isan'andalana. Mety ho tsy azo eny am-boalohany ny anton'ny fidinana andalana ary heverina ho tsy mifampitohy koa aza ny hevitry ny voan-teny mifanarakaraka. Mila tomorina akaiky, araka izany, ny antony ka anisany ny hevitra mafonja sy saro-takarina ary miolikolika aza matetika. Malala-drafitra ny tononkalony ary takelaka maromaro anefa vao ampy handrakotra ny lohateny tsirairay.


Tsy misalasala mihitsy izy mametraka anarana teny malagasy ao anatin'ny tononkalo voasoratra amin'ny teny frantsay toy ny hita ao amin'ny Lente spirale: Vorompotsy (tak 29), Vorondreo (tak 44), Tsaratanàna (tak 34), "Tendrombohitra roambinifolo (tak 35), Amontana (tak 48)... Ny lohateny mihitsy aza dia efa maka izay endrika izay ao amin'io boky io: "Ballade de 'Madaman'i M'sé mbola ho avy'" (tak 22), "Dadamanga" (tak 23). Nadikany tamin'ny teny frantsay ireo lohateny ireo, toy ny fanaony amin'ny bokiny voasoratra amin'ny teny roa. Voaelanelana
Fizahan-takila tao amin’ny Mivolana an-tsoratra ahitana fa takila maromaro no anompanan’i Esther Nirina ny tononkalo tsirairay
lahatsoratra ny atin'ireo tononkalo roa ireo, hany ka manome azy ireo endrika sombintantara. Manana ny mampiavaka azy i Esther Nirina, manana ny forony ka aseho satria natorony:

"Natosiky ny nofy
 Hiainga avy amin'izay rehetra
 Harin-Janahary
 Ny fahasahiana hamorona
 Hanome anarana ny hita
 Sy ireo tsy hita maso"
 Volon'hosodoko
 in Mivolana an-tsoratra (Oeuvres complètes tak 144)

Hotanisaina manaraka eto kosa ny lisitry ny asasoratra sy ny momba azy, lisitra efa nipariaka eto amin'ny aterineto(11). Voalohany amin'izany ny bokiny manokana, ny boky sy revio manambatra mpanoratra maromaro. Mpanoratra sombintantara koa izy ary nanaovana tapatapakahitra. Tsy maha vahiny azy ny velakevitra sy ny ranty. Ao ihany koa ny tononkalony nadikan'ny mpanoratra tamin'ny teny vahiny. Manaraka izay "ny aminy", izany hoe ireo boky sy revio ahitana lahatsoratra fandalinana momba azy. Hamaranana ity tanisa ity ny loka sy mariboninahitra ara-literatiora azony ary ny fikambanana misy azy.

  • Boky tononkalo

- Silencieuse respiration. Orléans: J.J. Sergent, 1975, 10 tak
- Simple voyelle. Orléans: J.J. Sergent, 1980, 111 tak
- Lente spirale. Sasin-tenin'i Jacques Rabemananjara. Antananarivo: Revue de l’Océan Indien, 1990, 82 tak
- Multiple solitude. Sasin-tenin'i Césaire Rabenoro. Antananarivo: Tsipika, 1997.
- Rien que lune. Amboaran-tononkalo. Lahatsoratr'i Liminaris d’Edouard J. Maunick. Saint-Denis La Réunion: Grand Océan, 1998, 322 tak
- Mivolana an-tsoratra / Le dire par écrit (teny roa). Nadikan'i Bao Ralambomanana sy Esther Nirina tamin'ny teny frantsay; Sasin-tenin-dRajaona Andriamananjara; Tsipiteny famaranan'i Liliane Ramarosoa. Saint-Denis La Réunion: Grand Océan, 2004, 89 tak

  • Boky sy revio itambarana mpanoratra

- "Prière" sy "Granit". Présence Africaine 101-102 (1977): 164-165.
- Revue Noire 26 (1997). Laharana manokana, "Madagascar", Septambra-Ôktôbra-Novambra). Ahitana ny tononkalon'i Esther Nirina "Pour avoir" voadika tamin'ny teny anglisy, tak 54
- Revio frantsay (Troyes) "Les Cahiers bleus" ahitana ny tononkalon'i Esther Nirina
- RAMAROSOA, L. (1994). "Anthologie de la littérature malgache d'expression française des années 80"


  • Sombintantara

- Nouvelles (narindran'i David Jaomanoro). Antananarivo: Centre Culturel Albert Camus, 1995: 27-28.
- Ambohimifangitra. Tantaran'i Madagasikara, nofantenina sy natolotr'i Dominique Ranaivoson. Saint-Maur-des-Fossés (France): Sépia, 2005: 15-20.

  • Tapatapakahitra

- "Esther Nirina Speaks to Carole Beckett". Research in African Literatures 34.2 (Summer 2003): 175-182.


  • Velakevitra, ranty, fanomezam-boninahitra

Velakevitra nokarakarain'ny vondrona Facebook "Koloiko sy Hajaiko ny Teniko", niaraka tamin'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina tao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy - 2022, nandraisan'i Na Hassi anjara momba an'i Esther Nirina, niainga tamin'ny boky "Simple voyelle"

"Printemps de poètes" tany Tours
"Fito sosona, aman-jatony, aman'arivony. 7 sacré des ancètres, 7 fois sacré, 7 fois dix fois sacré, 7 fois cent fois sacré, 7 fois mille fois sacré, 7707 rizières, l'île, l'île femme au port de reine..."
J.-L. Raharimanana
- 1990. Fanolorana ny boky "Lente spirale" nataony tao amin'ny Akademiam-pirenena
- 2002. Fampirantiana "Terre à Taire" niaraka tamin'i Vonjiniaina mpanakato mpikirakira endrika
- 2004. Fanolorana ny bokiny farany "Mivolana an-tsoratra" nataony tao amin'ny Akademiam-pirenena ka namborahany ny tsiambaratelon'ny fifandraisany amin'ny teny malagasy
- 2017. Antsa tononkalo tao anatin'ny "Printemps de poètes" tany Tours (Frantsa), nokarakarain'ny fikambanana Touraine Madagascar, Fiangonana Saint-Julien. Lohatenin'ny seho: Sept mille sept cent sept rizières", niantsan'i J.L. Raharimanana ny tononkalony. Mozika lafika: gitaran'i Josiane Rabemananjara.


  • Fandikana ny asasorany amin'ny teny vahiny

Voices from Madagascar: an Anthology of Contemporary Francophone Literature / Voix de Madagascar: anthologie de littérature francophone contemporaine. Tononkalo maro an'i Esther Nirina (nadikan'i Marjolijn de Jager) sy ampahan'ny Multiple solitude (nadikan'i Jacques Bourgeacq), tamin'ny teny frantsay niaraka tamin'ny fandikana tamin'ny teny anglisy; edisiona Jacques Bourgeacq sy Liliane Ramarosoa. Athens: Ohio University Center for International Studies, 2002: 244-261.



  • Fandalinana momba an'i Esther Nirina

- ANDERSON, A. (2012). But Your Eyes, by Esther Nirina. Nadikan'i Alison Anderson tamin'ny teny anglisy. Words Without Borders
- BECKETT, C. (2002). "Influence du hain-teny dans la poésie d’Esther Nirina, poète malgache". Études francophones 17.1
- BOURGEACQ, J. (1999). "La Littérature malgache contemporaine, cette inconnue". The French Review 72.3 (February 1999): 543-556.
- EIFFEL (2004). "‘Mivolana an-tsoratra’ ou ‘Dire par écrit’, hommage à la mémoire de Esther Nirina, grande poète malgache". Témoignages le 24 juin 2004.
- HAISORATRA.ORG (2004). "La poésie malgache en deuil", ho fanomezam-boninahitra azy. 24 juin 2004.
- JOUBERT, J.-L- (2001). "Esther Nirina, la voix du silence". Interculturel Francophonies 1 (jona-jolay 2001): 119-131.
- NA HASSI (2020). Esther Nirina, une plume souvent méconnue. Indigo.
- RAHARIMANANA J.-L. sy THOMAS C. SPEAR. littérature @ Île en île. Tahirin-kevitra Esther Nirina, nifarimbonana tamin'i Nivoelisoa Galibert
- RAHARIMANANA J.-L. (2004). Esther Nirina, à Esther". Île en île
- RAHARIMANANA J.-L. (2004). Tranonkala "Île en île". "À Esther", lahatsoratra fanomezam-boninahitra ny mpanoratra tamin'ny 21 jona 2004
- RAHARIMANANA J.-L. (2004). Lente spirale, extraits de poèmes d’Esther Nirina. Tranonkala "Île en île"
- RANAIVOSON, D. (2005). "Esther Nirina, la grande dame de Madagascar". Marché des lettres (revion'ny Marché de la Poésie, Paris) 5: tak13.
- RIFFARD, C. (2007). Écrire en deux langues : l’expérience de Jean-Joseph Rabearivelo et d’Esther Nirina. Études littéraires africaines 23 (2007): tak 35-43.


  • Loka sy mariboninahitra

- 1980. Loka "Madagascar" natolotry ny fikambanana ADELF (Association des Écrivains de Langue Française), tamin'ny bokiny "Simple voyelle"
- 1990. Chevalier de l’ordre des Arts et des Lettres (Repoblika Frantsay)
- 2003. Commandeur de l'Ordre national malagasy.


  • Andraikitra miavaka

- Filoha mpanorina ny fiangonana FPMA Orléans tamin'ny 1980
- Mpikambana mahefa tao amin'ny Akademiam-pirenena malagasy
- Efa filohan'ny fikambanana S.E.R.O.I. (Société des Ecrivains de l’Océan Indien)
- Tale Kabinetran'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny Serasera (1995-96)


Tsy nisitraka ny toerana tokony ho nisy azy ny asasoratr'i Esther Nirina raha faritana amin'ny halaliny sy hakanton'ny asany
(12). Azo lazaina fa tsy nitolona ho an'ny lazany izy fa nirotsaka an-tsitrapo noho ny fitiavana ny literatiora. Tsy nampiasa fitaovana mampanonga haingana ny fahafantarana azy toy ny pôlitika na ny fitetezana hainoamanjery na sekoly izy fa nihevitra fa misy fotoanany ny zavatra rehetra.

Fialamboliny

Araka ny fanazavan'ny taizany dia tia mamaky boky izy ary nananany maro tokoa izany. Mpanaraka loharanom-baovao amin'ny gazety koa izy (Midi Madagasikara, Express...) ary mankafy mijery tantara tsangana eny amin'ny tranom-pokonolona Isotry nahitana ny Tropy Jeannette sy ny Tropy Georgette. Anisan'ny toerana fahitana azy matetika koa ny eny amin'ny Akademiam-pirenena, Centre Culturel Albert Camus, Alliance Française.



  
2.4. Esther Nirina sy ny fotoana

Miverimberina amin'ny andalan-teniny ireo singa maro maneho fotoana. Tsy nohadinoiny aloha ny fiandohana, ny fararanony:

"Au commencement
 Etait l'automne"
"Tamin'ny voalohany
 Ny fararano
Lente et spirale, tak 51
 (dikanteny malalaka, Tsikimilamina Rakotomavo)

Efa mihena ny ranonorana amin'ny fararano, fotoana fiotazana voa isan-karazany, miakatra koa ny vary vakiambiaty. Raha ampitahaina amin'ny androm-piainan'i Esther Nirina izany dia mifandraika amin'ny volana vitsivitsy tao aorian'ny nahaterahany, ilay zaza nirina ary nahasambatra ireo nahitany masoandro, narahim-peo sahy voalohany, ambolam-bitsy tato aoriana:

"Voici
 L'aurore perce la nuit
 avec le premier mot osé
 Mais le jour pourrait-il être
 le quotidien?"
"Indro
 Ny mangiran'andro mandoaka ny alina
 Ombam-boalohan-teny sahy
 kanefa ny androany ihany
 ve no mety ho ny isan'andro?"
Lente et spirale, tak 34
 (dikanteny malalaka, Tsikimilamina Rakotomavo)

Mbola ao anatin'ny fiandohana isika, fiandohana miverimberina kanefa mampandroso. Mety ho modelim-piainana izany, indrindra fa ilaina hatrany ny jery tamberina hibanjinana ny ho avy. Ao anatin'izay lasany izay ihany koa ny sesitaniny:

"L'hier
 D'il y a mille
 Et... mille ans
 Grave toujours
 La même image
 D'exil"
"Ny omaly
 Efa ho arivo
 Ary... arivo taona lasa
 Manoritra hatrany
 ny sary miran'
 Ny sesitany"
Lente et spirale, tak 59
 (dikanteny malalaka, Tsikimilamina Rakotomavo)

Ary ny ankehitriny? Miantefa any amin-janany indray ny eritreriny eto, momba ireo rantsantanan'ny fanantenany:

"Je sens venir le temps
 De boire
 Les jeux de tes doigts
 Mains dorées
 Depuis mon ventre
 Pétales d'espérance"
"Tsinjoko ho tonga ny fotoana
 Ianohana
 Ireo lalaon-drantsantananao
 Tanana milokom-bolamena
 Hatrany an-kiboko
 Ireo felan'ny fanantenana"
 Lente spirale, tak 72, namaranany an'io bokiny io
 (dikanteny malalaka, Tsikimilamina Rakotomavo)

Ny fotoana anefa, araka ny eritreritr'i Esther Nirina dia volamena sy sarobidy ka tokony holanjalanjaina sy kenankenaina ny fampiasana azy. Misy ny tafaverina; ao kosa no mivadika ho fahatsiarovana sy tandindona:

"Quand le temps était
 Dans une bougie
 Je l'ai cueilli
 Sur nappe bleue

 Cette fois
 Comme mémoire
 Sans souvenir
 Mais miroir"
"Tamin'ny fotoana
 Tao an-dabozia
 Notazako
 Tambony lamba manga

 Tamin'ity
 Tahaka ny arika
 Tsy misy tsiaro
 Saingy toa tandindona"
 Lente spirale, tak 16
 (dikanteny malalaka, Tsikimilamina Rakotomavo)

Nomarihin-dRamamonjy Bertrand(13), mpiara-nanangana taminy ny fiangonana FPMA Orléans, fa mari-potoana hatrany i Esther Nirina tamin'ny nataony. Mifantoka tamin'ny vinany izy mba hahatanteraka izany hatramin'ny farany. Tsy nampifangaro ny firotsahany tamin'ny asasoratra sy ny asa fanompoana anefa izy, izany hoe tsy narentirentiny tamin'ny fotoam-pivavahana na fivoriana samihafa na ny fetin'ny ankizy amin'ny noely ny tononkalony. Manamafy ny fanamarihan'ny Dr Raymond Vergès(5) ny tsy fironany tamin'ny fiantsana tononkalo ampahibemaso izany. Misy fotoanany avokoa ny zavatra rehetra aminy. Nahafehy ny fotoana amin'ny andavanandrony izy, araka izany, ary mahatandrina izany koa eo amin'ny maridrefy midadasika kokoa. Raha niroborobo fatratra ohatra ny aingam-panahiny sy ny fanandratany ny literatiora tamin'ny fonenany tany Orléans, dia nahavita niato izy tany Vanuatu Melanezia sy tatsy La Réunion raha voatendry niasa tany ny vadiny(14). Nilainy izany fiatoana izany niampitany tamin'ny firotsahana niandry azy teto Madagasikara tamin'ny fodiany an-tanindrazana. Marihina anefa fa vao mainka nampidadasika ny sahan'ny eritreriny ny harenan'ireo nosy ireo ary nankamamiany fiainam-baovao. Fotoana niverenan'ny heriny teo amin'ny tontolon'ny pôezia kosa ny fiverenana teto Madagasikara tamin'ny 1990, tsy tamin'ny fanoratana tononkalo sy famoahana boky ihany fa tamin'ny firotsahana voalaza tetsy ambony. Ankoatra izany, manamarika ny fiainany ireo fotoana nananganany fotodrafitrasa ho an'ny fiarahamonina.


   2.5. Pôeta mpanorina

Porofo roa mivaingana momba an'izany pôeta mpanorina izany no hohazavaina etoana: ny fiangonana FPMA tao Orléans ary ny tranomboky sy tanànan'Ambohimifangitra.


  • Fiangonana FPMA Orléans

Anisan'ny asa mivaingana manaporofo ny maha olon'ny fananganana an'i Esther Nirina ny nampijoroan'izy mivady, niaraka tamin-dRamamonjy Bertrand mivady, ny fiangonana FPMA (Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy) tao Orléans. Fiangonana nampiray ny FJKM sy ny Loterana ny FPMA tany am-boalohany. Azo lazaina ho mbola vitsivitsy ireo tanàn-dehibe nanana tafo tamin'ny fotoana nitsirihan'ny hetahetan'ireo Malagasy tao Orléans(15) hanangana ny azy. Tao amin'ny fiangonana ERF (Eglise Reformée de France) tao Orléans, nanjary EPUF (Eglise Protestante Unie Française) taty aoriana, na tany amin'ny FPMA Arago (Parisy) aloha no niangonan-dry zareo. Isaky ny mirava ny fiangonana dia miverimberina hatrany izay resaka faniriana izay. Notanterahina tamin'ny 1979 àry ny fifanakalozan-kevitra tamin'ny Komity foibe FPMA momba ny fomba fanatanterahana azy. Tetsy andaniny i Esther Nirina sy ny vadiny ary koa Atoa Ramamonjy Bertrand mivady nitarika ireo Malagasy tao Orléans. Tetsy ankilany ny Komity foiben'ny FPMA nahitana ny Mpandrindra Synodaly Dr Rasidimanana Benoule, ny mpitandrina Rabenoro Aubert, niampy mpiara-miasa hafa. Namolavola ny fananganana ara-drafitra, teo anivon'ny ERF sy ara-panjakana, hatramin'ny fotony mandra-pahatanterahany ireto mpivady anankiroa ireto. Anisan'izany ny fanangonana ireo Malagasy tratra antso sy ny fanentanana azy ireo. Nahamora ny fahazoana efitrano fiangonana rahateo ny naha mpikamban'ny Presbiteran'ny ERF an'i Esther Nirina. Neken'ny Komity Foibe FPMA ny fitsanganan'ny tafo tao Orléans tamin'ny fiandohan'ny taona 1980. Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny tafo tamin'ny 30 Marsa 1980 ary natrehin'ny Komity Foibe FPMA, ny avy tao amin'ny ERF, ny fiangonana Katolika ary ny Masoivoho malagasy Raharijaona Henri.

Mbola noporofoin'i Esther Nirina hatrany ny maha mpanorina azy satria ny fe-potoana fiasana voalohany ihany no notantaniny ho fanamafisana orina ny fototra. Niandraikitra ny toeran'ny mpanolo-tsaina kosa izy teo amin'ny fe-potoana faharoa izay nahitana azy farany tao amin'ny biraom-piangonana. Nataony ho famporisihana ireo tanora mpianatra handray andraikitra izany fanapahan-keviny izany.

Mpanao asa soa i Esther Nirina. Efa hatrany Orléans izy no nandray ireo mpianatra malagasy vao tonga na nandalo tany an-toerana. Nanorina tranomboky tao Ambohimifangitra izy nony tafaverina teto Madagasikara tamin'ny 1990. Nahatafita an'i Iarimanana Malalasoa Véronique izy nony tafaverina teto Madagasikara.
Niara-nipetraka taminy tao Mandialaza Ankadifotsy (Antananarivo) izy, niara-paly sy ory, niara-nihinana ny manta sy ny masaka.


  • Tranombokin'Ambohimifangitra

Rehefa nahavita trano sekoly EPP ny FID taty aoriana dia navadika ho tranomboky ilay sekoly naorina tamin'ny 1897(16). Nifanojo tamin'ny fankalazana ny jobily fahazato taonan'io sekoly tranainy io tamin'ny Avrily 1998 ny nanokafana ny tranomboky. Tamin'izany fotoana izany koa no nanolorana ireo boky nampiasaina tao.

Sekoly fahiny navadik’i Esther Nirina ho tranomboky

Nisikim-ponitra nanao izay nahavitana izany i Esther Nirina. Teo ihany koa ny fanampian'ny fitondram-panjakana. Mpampianatra mpiasam-panjakana no nitana ny tranomboky tamin'ny fotoana naha Praiministra ny vinantolahiny antsoina hoe Tantely Andrianarivo. Sarotra ny mampihodina ny tranomboky tsy misy mpiandraikitra raikitra. Nifanojo tamin'ny fotoana nandaozan'ny Praiministra ny fitondram-panjakana mantsy ny fahatapatapahana mpiandraikitr'ity tranomboky ity. Nalan'ny Chef Cisco mantsy ilay mpiasam-panjakana tao. Nisy fotoana, nifandimbindimbiasan'ny mpampianatra ny fiandraiketana azy. Nahitana mpiasa mpisolo ihany anefa tao saingy nandritra ny fotoana voafetra noho ny fisian'ny malalatanana nanakarama olona. Nisokatra ihany ny trano saingy isan-tolakandro ihany kanefa tsy naharitra ela fa nikatona tanteraka ny nihafarany. Mbola hita eny ambony talantalana ireo boky maromaro nampiasaina tamin'izany.

Mbola voatahiry ao ireo boky nampiasaina taloha

Tsangambaton’ny faha-87 taonan’ny sekoly Tsangambaton’ny fahazato taonan’ny sekoly

Nikatona ny tranomboky saingy mbola misokatra ho an'ny garabola ny efitranony sasany eo am-piandrasana ny fahavitan'ny sekolin'ny garabola eo avaratr'ity tranomboky ity(17). Na izany aza dia tsapa ho tsy voakarakara loatra ny ivelany sy ny anatin'ny trano.


  • Esther Nirina, mpanohana ny tanànan'Ambohimifangitra

Maro ireo asa niantsorohan'i Esther Nirina tao amin'ny tanànan'Ambohimifangitra. Anisan'ny nitondra fanatsarana ho an'ilay EPP vaovao tao izy. Nahasarotiny azy ny hatsaran'ny endrika ivelany(18): namorona ny vavahady fidirana, nanangana trano kotona mahafinaritra, namboly voninkazo sy amontana teo an-tokontany. Sarotiny amin'ny hasoan'ny tanàna izy araka ny fitadidin'i Ony Herindimby Rasoloarijaona(17) azy:

"Olona sarotiny amin'ny fahadiovana sy filaminan'ny tanàna izy satria rehefa mandalo any izy dia madio sy milamina tsara ny lalana rehetra".

Tranon-tsekoly EPP vaovao Tranotokona naorin’i Esther Nirina
eo afovoan'ny tokotany

Mbola i Esther Nirina ihany koa no nanavao ny vavahady fahinin'ny tanàna, lalan-tokana fidirana tao tamin'izany. Ara-tantara dia natao fomban-tany mihitsy ny fampandalovana ny mpanambady ao amin'io vavahady io. Heverina ho mbola tsy very izany fomba izany tamin'ny 1950, taona nanambadian'i Esther Nirina. Azo lazaina ho zanaka am-pielezana nitondra fandrosoana ho an'ny mponina sy ny tanàna mihitsy i Esther Nirina. Tsy amin'ny fanabeazana sy ny endriky ny tanàna ihany fa teo amin'ny fiangonana sy ny ara-tsosialy koa(17):

"Rtoa Esther Nirina raha ny fahafantarako azy dia tena zanaky ny fiangonana mihintsy satria anisan'ny mpanohana ny sosialy teo an'ivon'ny fiangonana sy ny fokontany fahavelony."
Ony Herindimby Rasoloarijaona

Marina izany satria nanangana fototrafitrasa momba ny fanatanjahantena koa izy ary fototry ny fampidirana herinaratra tao an-tanàna.

Tombony lehibe ho an'ity tanàna ity rahateo ny nananana praiministra akaiky azy izay nanohana ny finiavana nentin'i Esther Nirina hafameloma-saso ny tanindrazana.

Vavahady fidirana naorin’i Esther Nirina. Eo ankavanana ny talen-tsekoly, Rtoa Razafimaniraka Faraniaina. Eo ankavia Madama Hasina mpampianatra

Trano nipetrahan’i Esther Nirina

Fasana ilevenan’i Esther Nirina

Amoron-dalana io tranon'i Esther Nirina miloko mena io, tranon-drazana nohavaoziny. Ao ambadika koa misy trano "tsara tarehy" naoriny, voahodidina tamboho ary ahitana hazo fihinam-boa maro. Vy nahitana ny fanamboarana ny tetezana mampitohy an'i Carion sy Ambohimifangitra izy. Raha ny tao Mandialaza Ankadifotsy indray dia fanavaozana lalankely no nanamarika ny fonenany tao. Marihina fa nanana trano nivezivezena tany Antsirabe koa izy (sary ankavia) izay miavaka amin'ny rafitra sy ny rindrina voarakotra fitaratra. Tany ihany koa no nataony fialan-tsasatra.


Voalaza fa mitsinjo ny hafa kanefa tsy manadino ny mendrika ho azy ny Esther. Anisan'ny nimatimatesany tamin'ny fiverenany an-tanindrazana ny fikolokoloana ny tranony tao Ambohimifangitra, mora fantarina amin'ireo varavarankely 4 miendrika tranomboromahailala, izay nataony toerana fakana aina sy fialan-tsasatra nandritra ny 14 taona niafaran'ny fiainany. Ao Ambohimifangitra no milevina i Esther Nirina. Tao Ankadifotsy Antananarivo anefa no nisy ny tena trano fonenany. Mbola nifampiresaka hatramin'ny 9 ora alina tao izy sy i René Ravoavison ny omalin'ny nahafatesany (Oeuvres complètes, tak. 238). Ny marainan'ny 19 jona 2004, fotoam-bita ny azy sy i Yvonne vadin'i René Ravoavison izay nahita azy efa tsy tompon'ny tenany intsony ka nentina haingana tao amin'ny Clinique des soeurs, tao Ankadifotsy ihany. Nitaika ny tamin'ny 9 ora alina tamin'io ririnina io. Naharay antso an-tariby avy tamin'ny dokotera i René Ravoavison fa nodimandry i Esther Nirina.


   FEHINY

Pôeta nivelatra teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena i Esther Nirina kanefa maro be ireo Malagasy tsy mahafantatra azy. Izany no antony nanatontosana izao sorapiainany izao. Pôeta manoratra amin'ny teny malagasy koa izy ary nivoy ny kolontsaina malagasy tamin'ny toerana rehetra nalehany. Nofikiriny tokoa ny maha Malagasy azy sady nohateveniny tamin'ny kolontsaina vahiny. Nahay nandray ny mamy rehetra tamin'ny an-dalan-tohatra rehetra noteteziny izy, niainga tao Ambohimifangitra, nitety tany maro ary niafara tao Ambohimifangitra ihany, ilay vohitra tsy foiny. Nasehony ho hita miharihary tamin'ireo andalan-tononkalony ny lanjan'ny kolony, ny taniny, ny teniny ary ny olony. Kihon-dalana lehibe ho an'ny asasorany ny tao Orléans, nifaneraserany tamin'ireo pôeta sy mpanoratra vahiny. Pôeta mirotsaka i Esther Nirina, nahay nametraka tamin'ny toerany ny lanjan'ny asasorany, eny fa na dia mitaky ezaka ho an'ny Malagasy aza ny tokony hahafantarana azy. Pôeta tsy tia sehoseho i Esther Nirina kanefa voaporofo fa mahasodoka ary indrindra mahaliana ny toetra amam-pihetsiny sy ny voambaran’ny tononkalony izay mendrika zohina akaiky noho ny halalin'ny hevitra fonosiny.


   Loharano nanovozan-kevitra

- EIFFEL (2004). "Mivolana an-tsoratra" ou "Dire par écrit" - Culture et identité - Hommage à la mémoire d'Esther Nirina, grande poète malgache. Tsikaritra ao amin'ny:
https://www.temoignages.re/culture/culture-et-identite/mivolana-an-tsoratra-ou-dire-par-ecrit,4055
- ESTHER NIRINA (1990). Lente spirale. Sasin-tenin'i Jacques Rabemananjara. Antananarivo: Revue de l’Océan Indien
- FPMA ORLEANS. 1980 - 2010 Fahatsiarovana ny faha-telopolo taona. Tsikaritra aoamin'ny:
https://www.fpmaorleans.fr/p/tantaranny-tafo-historique-30e.html?m=1
- JOHANN HARDT, E. (2019). Taratasy, le papier antemoro - Collège Français René Cassin. Tsikaritra ao amin'ny:
http://rcassin-fianarantsoa.com/2019/04/01/taratasy-le-papier-antemoro/
- MEITINGER, S. (2018). Esther Nirina : Rien que Lune. Poésie et monde poétique. Tsikaritra ao amin'ny:
https://www.recoursaupoeme.fr/poetes-de-mon-vivant-1
- M Y R (2010). Simple hommage à Esther Nirina (1932 - 25 juin 2004). Tsikaritra ao amin'ny:
http://myrakoto.over-blog.com/article-mivolana-an-tsoratra-le-dire-par-ecrit-dire-par-ecrit-d-esther-nirina-63122280.html
- NA HASSI (2020). Esther Nirina, une plume souvent méconnue. Indigo. Tsikaritra ao amin'ny:
https://www.indigo-lemag.com/esther-nirina-une-plume-souvent-meconnue
- PARENTS (2020). Prénom Esther : origine - signification - étymologie. Tsikaritra ao amin'ny:
https://www.parents.fr/prenoms/esther-40201
- RAHARIMANANA J.-L. (2007). Esther Nirina. Tsikaritra ao amin'ny:
http://ile-en-ile.org/nirina/
- RAHARIMANANA J.-L. (2007). Lente spirale, extraits de poèmes d’Esther Nirina. Tsikaritra ao amin'ny:
http://ile-en-ile.org/esther-nirina-lente-spirale/
- RANAIVOSON D. (2019). Esther Nirina OEuvres complètes. Réunies et présentées par Dominique Ranaivoson. Edition SEPIA
- RANANJARISON, P. (2019). Esther Nirina : Respirer la poésie. Tsikaritra ao amin'ny:
https://www.nocomment.mg/esther-nirina-respirer-la-poesie (de Dominique Ranaivoson)
- RAVALITERA P. (2019). Les sorabes, le témoignage le plus sacré de la tradition. L'Express, edition du 07/01/2019, tsikaritra ao amin'ny:
https://lexpress.mg/07/01/2019/les-sorabe-le-temoignage-le-plus-sacre-de-la-tradition/
- WIKIPEDIA. Esther Nirina poétesse et écrivain malgache. Tsikaritra ao amin'ny:
https://fr.wikipedia.org/wiki/Esther_Nirina

  Ankasitrahana

Ankasitrahana ary isaorana manokana ireto olona mahafantatra azy ireto tamin'ny fiaraha-miasa:

- Rabemananjara Josiane, zanak'i Esther Nirina
- Iarimanana Malalasoa Véronique (Voarah), pôeta sady taizan'i Esther Nirina
- Rakotomalala Mialy Mireille, ministry ny Kolontsaina sy ny Serasera teo aloha,
- Razanajatovo Andrianimerina Hobiana, pôeta
- Na Hassi, pôeta
- Raharimanana Jean-Luc, pôeta
- Ramamonjy Bertrand,  mpiangona FPMA Orléans
- Rasoloarijaona Ony Herindimby, mpiangona FJKM Ambohimifangitra Fitiavana
- Razafimaniraka Faraniaina, talen-tsekoly Ambohimifangitra, sy Madama Hasina mpampianatra niaraka taminy
- R. One né Adeilnosty, pôeta

________________________
(1) Araka ny fitantaran'i Josiane Rabemananjara
(2) Araka ny fitantaran'i Jean-Luc Raharimanana (2007) ao amin'ny "http://ile-en-ile.org/nirina": "Les événements de 2002 auront eu raison de sa force. Touchée dans sa chair par l’arrestation et la maltraitance d’un de ses proches, elle partira le 19 juin 2004, posant ses derniers mots dans la langue de ses aïeux"
(3) Ricardo Eliécer Neftalí Reyes Basoalto no anarana diam-penin'i Pablo Nerud
(4) Raharimanana (2007)
(5) Notantarain'ny Dr Raymond Vergès tamin'ny 5 mey 1944 ary tsikaritra ao amin'ny tranonkala "www.temoignages.re"
(6) "Esther Nirina a vécu l’éloignement non comme un long exil douloureux mais paradoxalement comme un cheminement patient qui la ramenait à la langue malagasy, car plus qu’un retour au pays natal, son retour à Madagascar s’apparente à un aboutissement poétique et philosophique à la langue de ses aïeux."
(7) "Ses poèmes sont courts. Ses mots sont clamés pour être sentis. Son oeuvre est facile à lire mais ne se livre pas à la première lecture. Son second degré me fascine tellement. À chacun de ses vers, il y a toujours des choses à creuser."
(8) "Une qualité rare m’a également conquis et séduit dans Lente spirale : la perception, à travers la musique des mots, de la fluidité et de la fragilité du temps qui nous enveloppe et nous assaille, sans nous faire sentir la dureté de son aiguillon."
(9) "Un recueil posthume, Mivolana an-tsoratra porte en lui les grandes lignes thématique d'Esther Nirina : la liberté, l'amour, la vie, la mort, la joie..."
(10) Selon Jean-Louis Joubert, l’œuvre d’Esther Nirina n’a pas encore trouvé la reconnaissance qu’elle mérite, elle est pourtant l’une des œuvres majeures de la littérature malgache en langue française, au même plan que les œuvres de Rabearivelo ou de Rabemananjara
(11) Anisany ny an'i Jean-Luc Raharimanana (2007) hita ao amin'ny "http://ile-en-ile.org/nirina"
(12) Fanamarihan'i Jean-Louis Joubert noraisin'i Jean-Luc Raharimanana "l’œuvre d’Esther Nirina n’a pas encore trouvé la reconnaissance qu’elle mérite, elle est pourtant l’une des œuvres majeures de la littérature malgache en langue française, au même plan que les œuvres de Rabearivelo ou de Rabemananjara". Tsikaritra ao amin'ny: http://ile-en-ile.org/nirina
(13) Araka ny resaka nifanaovana tamin'Atoa Ramamonjy Bertrand
(14) Fotoana nampiato kely ny peniny araka ny fanazavan-dRanaivoson D. (2019)
(15) Fanazavana tao amin'ny tranonkalan'ny FPMA Orléans
(16) Araka ny fizahana ifotony nataon'i Hobiana tao Ambohimifangitra mahakasika ny sekoly, ny tranon'i Esther Nirina, ny fiangonana FJKM, ny tranomboky sns.
(17) Araka ny resaka tamin'i Ony Herindimby Rasoloarijaona, mpiangon'ny FJKM Ambohimifangitra
(18) Araka ny resaka nifanaovan-dRazanajatovo Andrianimerina Hobiana tamin'ny Talen-tsekoly, Rtoa Razafimaniraka Faraniaina

© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 12/09/2022