Créer un site internet
p

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.

(T.Ràja)
15 jolay 2018

Fantaro i...
SUZY ANDRY

(1909 - 1991)
Poety
Mpanoratra
Mpampianatra


—————————————
(Nangonin'i Tsikimilamina RAKOTOMAVO)

Toy izao no hafatra napetrak'i Suzy Andry ho an'ny mpanakanto ankehitriny:
"Lova sarobidy no navelan'ny razantsika ho antsika toy ny: dinam-piarahamonina, fifankatiavana, firaisan-kina, fifanajana, fahalalam-pomba, fahatsorana. Aoka tsy atao tsirambina, ka lazaina ho efa lany andro. Efa misy fiverenana azo ary voninahitry ny Malagasy sy reharehany anie ireo e!"

Teraka ny 9 jolay 1909 tao Avaratr'Anjoma Analakely ary nodimandry ny 18 marsa 1991 i Suzanne Georgine Ravaoseheno (SgR) izay misalotra ny anarana hoe Suzy Andry eo amin'ny sehatry ny fanoratana. Zanak'i Edouard Andrianjafitrimo na Stella izay mpanoratra tantara an-dampihazo, mpanoratra tononkalo, mpamoron-kira tao amin'ny fihirana F.F.P.M, mpanao gazety (Ny Basivava, Ny Loharano, Ny Ranovelona, Sakafontsaina) sy Rasoamanantena izy. Taranaka Zazamarolahy avy any Manintona Marovatana izy avy amin'ny lafin-drainy; taranaka Andriamasinavalona avy any Itaosy kosa izy avy amin'ny lafin-dreniny. Ny 1935 no nampakarin'i Dokotera Razafintsalama Job ho vady izy. Telo mirahavavy no naterak'izy ireo dia Razanamaro Soariseheno Razafintsalama sy Nivo Razafintsalama ary Faravololona Razafintsalama.

SUZY ANDRY SY NY FANABEAZANA

Nianatra tamin'ny sekolim-panjakana teny Ambanivahiny izy tamin'ny fahazazany. Taorian'izay dia nandranto fahalalana tamin'ny sekoly samihafa i Suzy Andry.

1919-1920: Nianatra tao amin'ny sekoly Misiona LMS Ambodinandohalo

1924-1929: Nianatra tao amin'ny sekoly Misiona MPF Ambatobevanja ary nahazo ny mari-pahaizana C.E.S.D.E. tamin'izany.

1930: Nanohy ny fianarana ho mpampianatra tao amin'ny Ecole Normale M.P.F Ambavahadimitafo.

1931: Rehefa nivoaka ho mpampianatra tamin'ny taona 1930 i Suzy Andry dia nirotsaka an-tsehatra avy hatrany. Ny fanabeazana ireo mpianatra tao amin'ny sekoly Misiona MPF Mangarivotra Mahajanga no nimasoany voalohany.

1932-1962: Nanomboka nampianatra teto an-drenivohitra izy ary tao amin'ny Michelet Institution Vigny sy Collège Condorcet no nisahanany izany. Nanokatra sekolin-jaza madinika tao Antaninandro tamin'ny anarany izy ny 1954. Ny 1956-1961 no niandraikitra tanteraka ny "Ecole Privée de Tananarive" ho an'ny tenany manokana i Suzy Andry.

Suzy Andry tao Tanjombato (Antananarivo), 1951


SUZY ANDRY SY NY FAMORONANA

Nanomboka nanoratra tao amin'ny gazety Akon'Iarivo i Suzy Andry ny 1929.
Nolovany tamin-drainy izay mpanoratra nanana ny naha izy azy ny fanoratana. Matetika dia tonga ho azy ny vetsom-pony arakaraka ny toe-javatra mitranga sy izay zava-miseho hitan'ny masony. Tsy misy fotoanany mantsy ny fitiavany manoratra hoy ihany izy fa mazàna ny bitsiky ny fo amam-panahy no manohina tsy satry, koa arakaraka ny hanairan'izany azy no hitozoany amin'io talenta io.
Olana nosetrainy teo amin'ny sehatry ny famoronana ny tsy nahafahany namoaka boky na dia iray akory aza amin'ireo asa soratra noforoniny noho ny antony maro samihafa. Nanam-pikasana sy faniriana izy saingy tsy tontosa izany.
Ny 1931 dia namoaka Poezia tao amin'ny gazety Sakafontsaina izy ary mpiara-miasa tao nandritra ny taona 1932.
Ny 1936 kosa dia nanoratra tantara indray miseho, poezia, dinidinika, tafan'ny mpifankatia, poezia ho an'ny fiangonana araka ny vaninandro samihafa, ho an'ny lanonana araka ny fangatahan'ny olona isan-karazany ary indrindra ho an'ny fianakaviana araka ny fotoanany avy.

Nahazo ny laharana voalohany tamin'ny fifaninanana nampanaovin'i Mme Rajaofera sy ny mpampianatra tao amin'ny Collège Condorcet izy ny 1946 tamin'ny alalan'ilay tantara milohateny hoe: "Rakitry ny fony".
Ny 1946 dia naka an'eritreritra ilay tantara vahiny "Cendrillon" i Suzy Andry ary namorona mitovitovy amin'izany tamin'ny teny Malagasy ary nomeny ny lohateny hoe: "Ndavenona". Vita tononkalo mirindra hatramin'ny voalohany, ka hatramin'ny farany izany tantara izany. Nolalaovin'ny mpianatry ny Collège Condorcet tao amin'ny Sehatra Ambatovinaky izany talohan'ny fiafaran'ny taom-pianarana tamin'io taona io ihany. Tiana ny manamarika fa efa fanaony ny manao tantara kely toy izany isan-taona.
Maro ireo tononkalony izay efa nivoaka tao amin'ny "Madagascar Matin" toy ny Ry zatovom-pireneko, Ny tanindrazako, Iarivo, Ny lambako izany, Ny voloko lava... ary ny tantara indray miseho: "Asanao".
Suzy Andry, 1928

Na dia efa fantatra aza ireo nanorina ny fikambanana U.P.E.M. (Union des Poètes et Ecrivains Malagasy) dia tsikaritra tamin'ny alalan'ny soratanan'i Suzy Andry (sary etsy ankavanana) fa anisan'ny nanorina izany izy ny 1952.

Voafidy ho Tonian-dahatsoratra tao amin'ny "Tatamo", revio navoakan'ny U.P.E.M., lah 1 izy ny jolay-aogositra-septambra 1953.






Ny 1956 dia voafidy ho tonian-dahatsoratry ny gazetin'ny Foyer Zazavavy i Suzy Andry.
Mpamaky tononkalo mirindra tao amin'ny RADIO TANANARIVE tao Antaninarenina tamin'izany izy, tao amin'ny Valihatorifolo sy ny bitsiky ny Poety hatramin'ny niandohan'io, anjaran'ny U.P.E.M. ary notontosain-dry ENER-LALANDY sy ry GRG.
Nanao fanazavana ny amin'ny tononkira Malagasy tao amin'ny revio "Tatamo" lah 7 tak 37-46 izy ny 1959. Toy izao no ampahany tamin'izany lahatsoratra izany:

"Inona no atao hoe poésie? Teny baiko tafiditra eto amintsika ka asa na misy teny tokana azo hilazana azy. - Hilaza ny aminy aho - saro-dazaina loatra anefa ny poésie na amin'ireo vazaha na amintsika Gasy.
Nikaroka izay hahamora sy hahazoantsika azy izay hatrany aho, nefa teo am-pitadiavana azy aho dia niaiky fa tsy ny teniteny foana na izay rehetra miady rima, na ny rediredy akory dia azo lazaina ho poésie . Saro-dazaina ny poésie nefa mora raisina ny heviny satria fanomezana "don" izy, niara-teraka tamin'ilay olona efa nateraka ho poety: kalo ao anaty, vetson'ny fo nalahatra ka nanjary tononkira mantsy ny poésie."

(...)

"maro karazana ny fomba fanoratana ny rima, ka ireny no arahina, na isaky ny andininy na tsia: ohatra araka ny voasoratr'i Suzy Andry eto.

Izao no sisa manontany
Izay mba lalana nombany!...
Zany fo izay mahatsiahy
Mampivetso ny fanahy!
(Suzy Andry)"

Io taona 1959 io ihany no nanaovany famelabelarana ny amin'ny dinidinika ambany tafontrano tao amin'ny radio tamin'ny anjaran'ny vehivavy sakaiza.

Ny 1962-1970 dia niato kely tamin'ireo sehatra ireo izy fa niova lasy tany Frantsa.

Nandray andraikitra tao amin'ny Fikambanan'ny U.P.E.M. indray izy rehefa tafaverina avy tany ivelany.

Ny 1984 no voafidy ho filoha lefitry ny fikambanana U.P.E.M. izy ary nanohy nanoratra hatrany.

Nisy ny ezaka nataony nanatsarany ny talentany toy ny fifaneraserany tamin'ireo olona noheveriny fa manana toetra mendrika na eo amin'ny fiaraha-miaina na fiaraha-monina. Iniana atao ihany koa hoy ihany izy ny firesahana hanaovana resaka somary tantara ary resaka ifamaliana amin'ireo tsy miraika. Miova hevitra sy resy lahatra ihany izy ny farany.

Toy izao no hafatra napetrany ho an'ny mpanakanto ankehitriny:

"lova sarobidy no navelan'ny razantsika ho antsika: dinam-piarahamonina, fifankatiavana, firaisan-kina, fifanajana, fahalalam-pomba, fahatsorana. Aoka tsy atao tsirambina, ka lazaina ho efa lany andro aza. Efa misy fiverenana azo ary voninahitry ny Malagasy sy reharehany anie ireo e!"

Marihina fa nahazo mari-boninahitra Chevalier de l'ordre National izy ny 20 septambra 1986.

Mpanao famelabelaran-kevitra i Suzy Andry. Ity sary nalaina tamin'ny taona 1943 ity dia mirakitra ny nanaovany izany tao amin'ny Lycée Analakely ho an'ny tanora, momba ny poezia malagasy.

SUZY ANDRY, VEHIVAVY POETA TIA KOLOKOLO

Vehivavy tia mitantana ny tokantranony i Suzy Andry. Na dia maty vady mbola tanora aza izy dia nifototra tanteraka tamin'ny fitaizana ny zanany telo mirahavavy. Taty aoriana, dia hita taratra teo amin'ny fikarakarana sy fikolokoloana ny zafikeliny izany. Araka ny voalazan'i Andry Suzanne zafikeliny dia sady hentitra no be indrafo izy. Sarotiny amin'ny fahaiza-miaina ny vehivavy, koa nampitainy tamin'ny taranany mandrakariva ny maha zava-dehibe ny fahalalam-pomba sy ny fahaizana manaja tena.












Suzy Andry sy ireo zanany telovavy

Vehivavy tia mifandray amin-kavana koa i Suzy Andry. Rehefa misy lanonam-pianakaviana dia fanaony ny manolotra amboaran-tononkalo kely arahin-tSoratra Masina. Niainany araka izany ny fanoratana satria efa tao anatiny tanteraka.

Anisan'ny fihetsika nanaitra sy nampiavaka an'i Suzy Andry ihany koa ny fahafinaretany mandroso kafe izay nokarakarainy manokana. Izy mihitsy no mifantina ny voan-kafe sy manendy ary mitoto izany amim-pitiavana mialoha ny androsoany azy eo anoloan'ny vahiny izay mamangy azy.

Vehivavy tia fialamboly sy filaminana i Suzy Andry, isan'andro izy dia manokana fotoana hikarakarana voninkazo eo an-davarangana sy zaridaina ary hamakiana boky. Zava-dehibe indrindra taminy ny namerimberina namaky ny Baiboly manontolo isaky ny tapitra izany ary nitozoany hatrany.
Vehivavy tia mianjaika i Suzy Andry, manjaitra ny akanjo izay anaovany araka izay safidin'ny fony izy. Hainy mihitsy ny mampifanaraka ny kojakoja rehetra eny aminy toy ny kiraro, poketra, lokomena, firavaka, sy taovolo, amin'ny fomba tsotra nefa manendrika azy.

Suzy Andry sy Job Razafintsalama vadiny, 1935
——————————
NY VOLOKO LAVA

Izany lamba mantsy roy, ka fitafin-drazanay!
Fomba tiany sy tsy foy, hany tsy afakay,
Misy fomba hafa koa, tena maminy aok'izany!...
Zary fomba faharoa: ny ho lava volo hatrany!

Vao hamangy 'tony tany, 'zany tenako malemy!
Dia voasaron-doha hatrany, sao sendra rivo-sari-memy!
Tonga tsy afaka ao an-tsaiko, 'zany hoe ho lava volo
Zary fomba nolalaiko, mirandrana, misoro-bolo.

Zary namana tsy niala sy sakaiza nahazatra,
Ireto volo sarin'ala, tsy namela ahy hahantra!...
Izany kosa mantsy lahy no tsy ahafoizako azy ireny,
Fa mpanafosafo ahy, raha mangina, sara-teny!

Ireo volo hafakely, saron-doha, hoy hianao?...
Tsofin-drivotra tsy miely, fa indreo mivondrona ao!
Indreo eo, tsy mirona,na sendra ny tafiotra aza,
Na ohatra aza tsy voavona, ireto volo fahazaza

Nisy ihany ny fotoana nanetezana azy ireo
Fa mba tiana ho soloana sy ho tsara noho ny teo!
Izany anefa tsy milaza, fa hanetezana azy hatrany!
Fa tamin'ny andro naha zaza, dia hatreo monja ihany.

Dia tsy hafa noho ny lamba, izany voloko retsiana
Tiako tsisy hambahamba, ka vao mainka hampaniriana
Mahafinaritra ahy loatra, ny nanana volo lava
Tsofin-drivotra tsy mihoatra, manarontsarona ny tava

Tiako eny, tena tiako izany volo vao vahana
Hany ny ahy k'ampaniriako, ho randraniko mazàna.

Suzy Andry
G.S. Ravaoseheno





Suzy Andry, 1942
—————————————
'LAY TAHOM-BONINKAZO
Ho an'i J.R

'Lay tahon-draozy izay nalaina
Teny an-tsahanay fahiny
Namony ho azo antenaina?
Sa nalazo ankehitriny!

Mba nisy ve nanolokolo
Namela azy hanorim-paka?
Sa raozy hafa no nasolo
Sy navela mba hanjaka?

Dia nodiana tsy tsaroana
N'inoninona malazo
Ka maina ho azy teny foana
Ilay tahom-boninkazo!

Tsy noraharahaina intsony
Izay hainandro hamely azy
Ndrao mantsy dia hamony
Ka hameno itony vazy

Dia hadino teo koa
Ilay taho niandohany
Ndrao tsaroana ny taloha
Ka hampirotsaka tomany

Ka ny toera-naniriany
Nahamanina fahiny
Toa tsy tsaroina intsony
Fa efa an-kafa izao ny fony

Mampahory rah'izany
No nanjo anao ry taho
K'aoka ho mba hitomany
Hisento anao sy hitalaho

Fa taho-toka-notsongaina
Tamin'ny taho ndray naniry
Nefa ve navela ho maina!
Sy navela hangirifiry!...

Veloma tompoko!

S.G.R
Suzy Andry

"'Lay tahom-boninkazo", araka ny soratanan'i Suzy Andry
——————————
KINANJO INDRISY

Ry ilay nametrahako fanantenana
Hany notiavin'ny foko hatrany
Hitantana ahy amin'ny lalan-kombana
Kinanjo indrisy, fa sampona izany.

Ry ilay nametrahako fanantenana
Hiara-mamaky izao fiainana izao
Ry tiako hatramin'ny fahazazana
Kinanjo indrisy hafoy hono ianao

Ry ilay nametrahako fanantenana
Sy hany notiavin'ny foko madio
Ry hany natokako ho fihantana
Handositra anao aho manomboka anio

Ry ilay nametrahako fanantenana
Sy nanankinako ny faniriako
Ry tiako ho mpitantana ahy mazàna
Kinanjo indrisy, tonga hijaliako

Mandositra anao aho! tsy rariny izany
Kanefa ny voady no mba nokasaiko
Kanefa rahavako ny jadon'ny tany
Mahery vaika handripaka ny aiko

Veloma rahavako, masina indrindra
Anjarako mantsy ny mamoy anao
Ny voadin'ny foko izay enti-mifindra
Tsia, mbola raketiko tsara ho anao

Raha toa mahatsiahy fa olona ihany
Ka sendra misento aza mantsy mazàna
Raha toa zany maso mandrotsa-tomany
Fafao ny mosaran'ny fahazazana

Suzy Andry

Hafatra napetrak'i Suzy Andry ho an'ny zafikeliny Razafindrakoto Andry Suzanne tamin'ny 1979 tao amin'ny Fihirana natolony azy

Loharanon-kevitra
Revio Tatamo lah 7, Janoary-Febroary-Marsa 1957
Gazetin'ny sakaizan'ny Foyer Zazavavy, 1956
Minisiteran'ny Fanolokoloana sy ny Zavakanto Revolisionera, 1984, "Iza moa ianao".
https://gw.geneanet.org/taniko?lang=en&pz=x...suzanne...ravaoseheno

Fisaorana
Isaorana manokana ny zafikeliny Andry Suzanne Razafindrakoto sy i Zoarilala Razafindrajery tamin'ny fanomezan-dalana sy ny fanampim-panazavana.
Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com