poetawebs

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.

(T.Ràja)
26 ôktôbra 2018

IMBITIKA RAMBALA MITAFA AMOROM-PATANA

Poeta tsy zoviana amintsika mpisera eto amin’ny tambazotran-tserasera i Imbitika Rambala. Poeta miavaka satria mampita fomba fijery izay manoro sy manitsy ny mpiara-belona hanana fisainana mendrika kokoa. Indro aroso anao àry ny tafa amorom-patana niarahany tamin’i Tsikimilamina RAKOTOMAVO.

Tsikimilamina RAKOTOMAVO (TR)
Miarahaba anao Imbitika Rambala! Efa ela ihany isika no nifanerasera fa izao angamba no fotoana mety indrindra hamosahana izay rehetra tsara ho fantatra momba anao sy ny tontolonao.

Imbitika Rambala
Miarahaba anao Tsikimilamina nanasa ahy ho eto amorom-patana amin’ity andro manorana ity ary mankasitraka anao sy ny Pôetawebs manome hasina ny poeta indrindra ny poezia Malagasy.

TR
Hisantarana ny tafa àry dia ambarambarao Imbitika Rambala sy ny tontolony...

Imbitika Rambala
RAMBOANOMENTSOANDRAINY Max Edmond no tena anarako, teraka tao Alakamisy Ambohimaha – Fianarantsoa ny 29 aogositra 1944.
RAMELIARINORO Marie Thérèse no anaran’ny vadiko. 52 taona nivadiana izahay; 4 ny zanakay fa ny zokiny indrindra maty vao telo taona izay. 9 ny isan’ny zafikelinay.
Avy any Ambohitrombihavana (Antananarivo) ny raiko RODILSON Dominique ary avy any Ambatomanga (Antananarivo) ny reniko Razanabelosoa Marcelline. Nila ravinahitra tany Fianarantsoa ny razamben’izy ireo teo amin’ilay tanàna atao hoe Alakamisy Ambohimaha. Azoko lazaina aza fa isan’ireo namorona io tanàna io ireo razambe ireo noho ny habetsahan’ny tany sy trano navelan’izy ireo satria mpiavy avokoa ny mponina tamin’io tanàna io tamin’izany fotoana izany. 25 km tsy hahatongavana ao Fianarantsoa raha avy aty avaratra no misy an’Alakamisy Ambohimaha eo amin’ny lalam-pirenena faha 7. Teo amin’io tanàna kely io ny fahazazako hatramin’ny faha 12-ny taonako vao nankeny Fianarantsoa nanohy ny fianarako.

TR
Hono ho’aho, inona no hevitry ny hoe Imbitika Rambala?

Imbitika Rambala
Ilay hoe Imbitika angamba dia mora fantarina satria avy amin’ny fototeny hoe "bitika" na kely ka ny Imbitika izany dia "ilaikely". Ao amin'ny Rambala kosa dia ahitana ny fototeny "vala". Ny "vala" dia toerana izay itobiana. Any Fianarantsoa any ny hoe "Ambala" dia entina hilazana ilay toerana onenana, nibeazana, izay matetika any ambanivohitra, ny hoe "hody any Ambala" dia hody any an-tanàna, any aminay. Ny "kiambala" na "Rambala" dia avy any ambanivohitra - ho fahatsiarovana ilay toerana nifoizana re!


TR
Azo ambara ve ny anton-draharahanao andavanandro?

Imbitika Rambala
Tsy dia misy fa araka ny voalaza ao amin’ny "ERI-MASO 1" dia misaintsaina ny fahiny e! ...ary dia manoratsoratra eny. Ny soratra indray dia baikoin’ny zava-misy eo amin’ny fiarahamonina sy eto amin’ny Firenena matetika, dia miezaka mba manao "bonzaï"!

TR
Mpanoratra sy poety i Imbitika Rambala, mivondrona ao anatin’ny fikambanana literatiora ve?

Imbitika Rambala
Tsia

TR
Inona no hitanao ho lesoka tsy mampandroso ny fikambanana literatiora eto amintsika?

Imbitika Rambala
Toy ny fikambanana rehetra dia tsy maintsy misy hatrany ny mpitarika. Hitako sy reko amin’ny fitaovan-tserasera misy eto amintsika ireny fa tena miezaka ireo mpitarika fikambanana literatiora eto amintsika mampahafantatra sy mampisy lanja ny fikambanana ary mampiroborobo ny teny malagasy amin’ny alalan’ny fampirantiana, fiantsana, lahadinika sy lahatrasa samihafa. Iderako azy ireo izany! Amiko dia tsy ampy izany satria ny anisan’ny endrika ijoroan’ny fikambanana iray dia ny fifanampiana indrindra ny fanabeazana.

Mety raha hasiana tahirin-kevitra sy tahirina literatiora, boky, gazety mipetraka lalandava ao amin’ny foibe ho azon’ny mpikambana hokirakiraina sy hanovozany hevitra amam-pahalalana. Moa ve tsy rariny raha manome maimaimpoana amin’ireo sanganasany avy ireo nahatafavoaka boky mba hanampiana ireo mpikambana sasany.

Matetika dia efa ampolo taonany maro no efa nijoroan'ny fikambanana literatiora iray. Maro toa izany koa ireo efa tafita sy nahazo soa tao amin’izany fikambanana izany. Betsaka amin’izy ireny aza no efa andrarezin’ny literatiora. Ekeko koa fa samy mitana andraikitra mavesatra avy izy ireny ka mba hanosehana ireo zandry tena liana hahomby eo amin’ny sehatry ny asa soratra dia mba hanokana andro iray avy ny tsirairay amin’izy ireny mba hihaona amin’ireo zandry ireo, hitafatafana sy hanorotoroana azy ireo na dia eo amin’ny tsipelina ihany aza izay hitako fa efa tandindonin-doza be ihany. Sady mifanerasera sy mifankahafantatra tsara amin’izay fotoana izay fa tsy sanatria isaky ny lanonana vao mifankahalala.

TR
Raha ny fijerinao, inona no toetra tokony hananan’ny mpitarika fikambanana, na ny sehatra hafa koa aza?

Imbitika Rambala
Ny mpampianatra sy ny mpitarika dia mitovy ihany : manana ny ampy tokony hozarainy izy ary mahalala amin’ny antsipiriany ny olona tarihiny ka mahatsirika ny tokony hatolotra ny tsirairay amin’ny fotoana tokony hanaovana izany.

TR
Ny nahafantarako anao Imbitika Rambala dia ny fahaizanao mamorona tantara ary saika mandeha amin’ny onjam-peo hatrany izany. Inona avy ireo talenta miafina ao aminao ?

Imbitika Rambala
Talenta hoy ianao? Tsy dia izay angamba no ilazako azy! Raha ny tantara amin’ny onjam-peo manokana (film radiophonique) dia nampianarina aho hanoratra an’ireny ary nisy fotoana aza nataoko asa fitadiavam-bola izany, na dia tsy mahavelona aza (ho ahy aloha). Noho izany dia heveriko hoy toy ny asa rehetra izay natao hahazoam-bola ny fanoratana tantara amin’ny onjam-peo. Ekeko kosa anefa fa tsy manoratsora-poana aho matoa matetika misy miantso aorian’ny fivoahan’ireny tantarana an’onjam-peo ireny.

Raha ny hoe talenta miafina indray dia tsy izany afenina izany fa aseho e! Hafatra apetrako amin-janako sy ny zafikeliko mantsy no tena tanjoko fa tsy sanatriavin’ny vava ka entina hitadiavana laza amam-boninahitra na harena ireny. Fitohizan’ny fanabeazako azy ireo amin’ny fomba hafa koa izany. Koa namoron-kira aho, manoratra tantara fohy (nouvelles) ho azy ireo ary tsy azo atao lava satria fantatsika fa tsy dia mamaky boky loatra ny ankizy ankehitriny. Dia toa ireny nataon’ny Ntaolo ireny no ataoko re saingy mba amin’ny fomba hafa e!

Ary farany... ny tononkalo!

TR
Horesahintsika bebe kokoa ny momba izay tononkalo izay. Firy izao ny efa voasoratrao?

Imbitika Rambala
100 mahery kely.

TR
Inona no hevitra voizinao matetika ao amin’izy ireo?

Imbitika Rambala
Mahakasika ny fiainana andavanandro ny 60%-ny mahery, dia ny resaka tanindrazana no manaraka ary ny mikasika ny fitiavana.

TR
Ireny arosonao amin’ny Fesiboky ireny ve tononkalonao avokoa?

Imbitika Rambala
Hatreto aloha dia izay!

TR
Afaka manome santionany vitsivitsy ve ianao?
Imbitika Rambala
Indro àry aloha ny momba ny fitiavana.

NY LASANAO

Sombinaina
Ny lasa sy fahininao
Io no maha ianao anao
Anao ireo ka hajaina
Fa ny ho avy no antsika
Io no andrandraina
Fa izaho no tsy nisaina
Sombinaina

Ny tsiambararoa no tsy lazaina
Dia tsy hoe fitia malaindaina
Koa miaiky aho fa mafy loatra
Izay notakiako
Satria ny am-ponao tsy miloatra
No nampiako
Toa tsy fitokiana
O ry tiana

Koa dia lasa ianao
Nandao ity akany
Navelanao tsotra izao
Ireo vinantsika mamy
Ary marina ny anao

Imbitika Rambala - 22/12/17
Eo amin’ny fiarahamonina

ASA E !

Dada o
Rehefa mizinizinim-pandrosoana
Ve ny foko sy ny saiko
Efa vonton’ny fanoloana
Ny avy any Andafy ny fanahiko
Dia mino ve ianao fa nahiko
Ary sahiko
Ny hanary ny maha Gasilahy ahy

Neny o
Ketraka ianao fa voaketoka
Tsy maha hetsika
Ny safidiko
Fa namidiko
Amin-dry zareo Vahiny
Ka dia borona aho ankehitriny
Dia indrana sisa fiainako
Folaka hatramin’ny fisainako
Ary tsy misy henatra intsony aho izao
Ka dia mino tokoa ve ianao
Fa nariako ny maha Gasivavy ahy

Fa na ny teny na ny soratra
Mbola izaho no voatoraka
Ny fomban-drazana fahiny
Mbola izaho no omena tsiny
Izaho tokoa ve no kamo nianatra
Sao kosa ireo mpampianatra
Ireo no tsy mahafehy
Iza koa no misintona kofehy
Ka mikajy sy mandrindra
No izaho no ratsy indrindra

Dada o..neny o
ASA E !

Imbitika Rambala - 17/03/17
Fianam-pirenena

O RY RAZAKO O, MIFOHAZA

Ampireheto indray
Ilay jabora mifangaro molaly
Amin’izato zavany mihalotralona
Hampahatsiahy
Ilay oko nentina hamaly
Famoretana nampivalombalona

Ampahatsiahivo indray
Ilay takariva amorom-patana
Sy ireo angano nenti-nanabe
Ka nampivaivay
Ny Fitiavan-Tanindrazana
Izay nosoloina fitiavam-bola be

Ilay tananao ry neny
Nanoso-menaka ny handrina
Mba tsy hataho-maso mena
Taneho anaty memy
Hangotraka ho entina hifanandrina
Amin’ireto mpambotry firenena

Ianareo re ry Razako
Raha mihaino ihany
He ity Tanindrazana
Izay navelanareo
Jereo fa mitoreo
Satria potika sy rotika ary kotika
Nefa mbola misy ihany
Mahasahy mandà izany
Sy miedinedina fiteny
Fa mety ny ataon’izy ireny

Imbitika Rambala - 23/02/18

TR
Natsidikao teny am-piandohana ny "ERI-MASO 1". Hazavao tsara ho fantatry ny mpankafy literatiora hoe ny momba izany vaovao tsara izany!

Imbitika Rambala
Vita tokoa ny boky voalohany nomena ny anarana hoe ERI-MASO 1, izany hoe mbola hisy ny manaraka sady misy tantara mitohy tokoa ao. Ny hoe ERI-MASO dia eritreritra vokatry ny hitan’ny maso hatramin’izay nisokafany mandra-pikimpiny - mandra-pahasalama saina koa e! Hahaha!

Mizara telo miavaka tsara ny boky dia ireo tononkalo, ireo tantara fohy ary ireo tantara nohainoana tao amin’ny onjam-peo. Ao aoriana ao anefa dia tsy maintsy hatao boky iray ihany ny sasantsasany amin’ireo tantara tao amin’ny onjam-peo satria misy lava dia lava toa ilay hoe "sambotra andrisa" izay mahatratra 499 pejy ary navoakan’ny Radio Don Bosco.

Mety hanontany angamba ianao hoe nahoana no tsy natao boky iray isan-tsokajiny? Tsotra ny valiny : fantatro fa tsy manam-paharetana hifantoka amina boky iray izany ny zanako sy ny zafikeliko, ary natao vitsivitsy koa ny isan’ny pejy, manodidina ny 100 eo.


TR
Voalohan-teninao ao amin'ny fanolorana ny boky ny hoe "Amin'izao androm-pahosako izao dia mitsiahy ireo fahiny sisa azo atao". Midika ve izany fa ao anatin'ny fahatoniana tanteraka ianao ankehitriny anaposahana ny miavosa sy matevina?

Imbitika Rambala
Rariny tokoa angamba raha mitsiahy ny fahiny sisa... Hiahy inona intsony moa! Ao ny fahasoavan’Andriamanitra izay mbola mitahy ahafahana mameno ny tsy ampy tamin’ireo fitaizana fahiny ny ankizy. Ireo ankizy koa manjohy akaiky dia akaiky anay mivady; ny tena efa osaosa ihany.



TR
Momba izay fahiny miavosa izay ihany, inona avy ireo fikambanana nisy anao na niarahanao niasa?

Imbitika Rambala
Tsy haiko loatra aloha fa toa olon-dia (sauvage) izay izaho ity fa tsy dia mahazoazo ny mifangaro aman’olona. Na izany aza dia nihelina kely tao amin’ny Faribolana Sandratra aho rehefa notarihin’i Solofo José ary nandalo tao amin’ny Havàtsa-Upem koa.

TR
Mety ho nisy fahombiazana naterany?

Imbitika Rambala
Tsy haiko loatra fa ny nahafinaritra ahy dia ny nahita ny fahavitrihan’ireo mpitantana ihany izay nikely aina hampanjary ny teny malagasy sy hanampy ireo poeta sy mpanoratra.

TR
Ampahatsiahivo kely hoe Imbitika Rambala, raha sitrakao, ny toetoetry ny boky! Ary misy antony ve no mahatonga ny tononkalo ao ho vitsivitsy?

Imbitika Rambala
Araka ny efa voalazako teny ambony dia mizara telo miavaka tsara ny ao anaty boky dia ny tononkalo, ny tantara fohy ary ireo tantara nivoaka tao amin’ny onjam-peo samihafa. Ny isan’ny takila dia tsy atao be fa eo amin’ny 100 eo ho eo ihany. Tsy hoe atao ambin-javatra ny tononkalo sanatria fa mipetraka amin’ilay fotokevitra hoe boky natao hitondra hafatra ao anaty fialamboly : zavatra fohy ka azo iverenana foana amin’ny fotoana ilàna azy, tsy hahamonaina e!

TR
Ny fahafantarako anao Imbitika Rambala dia olona feno fahatsorana ary tia mizara ho an’ny hafa. Efa fantapantatrao ve ny fomba hampielezana an’io boky io?

Imbitika Rambala
Hahaha! Misaotra aloha amin’ilay hoe feno fahatsorana e! Raha ny marina dia volan’ny ankizy daholo matoa tontosa io boky io, noho izany dia rariny raha mba miverina ny volan’ny ankizy (sao tsy hampiany eo amin’ny manaraka, hahaha!). Ao amin’ny Librairie Mixte eo Analakely no ahitana ny boky ary any amin’ny Librairie Saint-Paul Ambatomena Fianarantsoa.

TR
Voalazanao tany am-boalohany fa "Tandindonin-doza" ny tsipelina ankehitriny. Fa ahoana?

Imbitika Rambala
Tsoriko aloha fa tena sarotra ny tsipelin’ny teny malagasy. Tena sarotra amiko aloha e! Ary toa miovaova be ihany; ho fanatsarana angamba izany! Ohatra : taloha dia eo amin’ny "antépénultieme" ny tsindrim-peo rehefa miafara amin’ny "ina" ny teny iray, kanefa ankehitriny toa tsy izany indray ka very aho ary mitsotra an’izany. Jereo tsara ange ity : "vidina" indray no izy fa tsy "vidiana" nefa "ariana" koa fa tsy "arina"... dia very aho!
Noho ny fanatontoloana dia maro ireo teny vaovao izay tsy maintsy hosoratana dia samy manao izay ahaizany azy na mamorona fanoratra hafa.
Ny tambazotran-tserasera koa manampy trotraka noho ny tsy fanomezana lanja ny tsipelina. Misy aza moa dia ovaina mihitsy ny teny toy ny "indry" lasa "njy"... ary ny fanafohezan-teny sy ny teny angilisy indray no avoitra.
Ary ny tena mampalahelo dia tsy misy ezaka hiala amin’izany ireo tanora ka ny tena loza dia raha tsy mandiso sady tsy manaraka ny hadisoana ataon’ny sasany dia mahamenatra.

TR
Mahafaly anay indrindra raha mampita hafatra ho an’ny Pôeta, ny tanora, ny tomponandraikitra amin’ny sehatra rehetra eto amin’ny firenena ianao.

Imbitika Rambala
Ny mba hevitro dia izao : matoa tonga ety an-tany ny olona iray dia misy iraka ampanaovina azy mandra-pahatapitra ny ainy. Iraka eo amin’ny ankohonany, eo amin’ny fianakaviany eo amin’ny fiarahamonina sy ny fireneny, ary tsy misy afa-miala amin’izany raha tsy ny adala sy ny very saina nefa moa dia misy ny minia ho adala na dia tsy very saina aza. Koa aza misalasala manatontosa ny iraka tandrify azy tsirairay avy. Tsy mora izany nefa izay no maha olona antsika. Alao hery ary e fa mila mafy antsika ity Tanindrazantsika ity!

TR
Mankasitraka indrindra Imbitika Rambala nanaiky nitapatapakahitra teto amorom-patana. Maniry indrindra anao ho ela velona hiriaria amin’ny ankohonana indrindra ny mpikirarkira ny literatiora Malagasy.

Imbitika Rambala
Misaotra indrindra anao Tsikimilamina RAKOTOMAVO mba niondrika tamin’itony antidahy itony. Ialan-tsiny ny tsipelina diso ary antenaiko fa tsy nandiso fanantenana anao izay tafa nifanaovana izay. Ho tonga aminao araka izay itiavanao azy anie ny kasainao rehetra ary hiroborobo fatratra anie ny teny malagasy!
Mankasitraka tompoko!
TONONKALO TSARA HO FANTATRA
ANGAMBA LEITSY

Angamba leitsy
Ho nanaiky aho fa resy
Ka dia hanaraka an’ialahy
Satria izaho koa ange mba sahy
Raha mbola halatra fitia

Fahafirin’iza moa izay izaho
No hampangina lava izao
Ny hetahetam-pitiavana
Koa tsy mila hotambazana
Raha miaraka amin’ialahy
Ny fahotana amin’ny fitiavana
Dia tsy misy hahatazana
Satria tsy zazakely isika
Ary tsy ho sarotra ny handika
Izay didin’ny finoana

Koa angamba leitsy
Tena ho mety
Ny miaraka amin’ialahy
Ialahy koa manintona ahy
Fa matoa aho no tsy sahy
Dia noho ny toetran’ialahy

Imbitika Rambala 06/16
INY OLONA INY

Iny olona iny tsy tanako fa lasa
Nijadonjadon-tongotra nirehaka fa hiala
Nphamavoiny avokoa izay niarahana nikasa
Nivazavaza ery toy ny efa lasa adala

Iny olona iny tsy ampy azy ny fitiavako
Fa misy hono any fitia tanteraka sy feno
Tsy voaanatro intsony fa angamba ny fitaizako
Sy izay nitaizana azy tsy afaka hifameno

Iny olona iny lasa niporitsaka
Tena mety ve ny azy sa ny vintako no ratsy
Sa diso notiavina koa dia manitsakitsaka
Raha izany kosa re hadalana ny azy

Imbitka Rambala - 02/05/18
ADEDAKY NY LAINGA

Toy ny hazo mijoala izay notinapaka
Tsy maty tsy akory fa mbola hisolofo
Ny tolon’ny vahoaka natao ambany rampaka
Tsy boboka izany ary tsy mety ny hiofo

Ny vahoaka mangina tsy resy tsy akory
Na reraka ny aina tsy mitsaha-mivavaka
Ny Razana koa ange dia tsy hoe resin-tory
Fa ny lainga atao raha feno dia raraka

Ny afon’ny tolona ange entina misaina
Ka na mitsilopy aza mbola ao fa tsy maty
Na dia haningotra aza hatramin’ny aina
Tsy maintsy hadedaky ny lainga nafafy

Imbitika Rambala - 07/04/18



NY TOKATRANOKELINTSIKA

Raha nandoa anao ny rehetra noho ilay fitia nozaraina
Dia nitazona ahy kosa ianao noho ilay fitiavan-tsombiniaina
Nitelomanao mangidy aho novingitinao teny foana
Nefa dia nalain’ny reliziozy rehefa feno fito taona

Dia niampy indray ny ratranao ny saiko koa nararirary
Ilay "fitotaonantsika" norombahina an-karihary
Tsy ho vitanao hono aho nefa tsy hain’izy ireny
Fa tsy misy ary koa tsy hisy mihoatra ny anilanao ry neny

Herim-po herin-tsaina no nisikinanao hatrany
Tao anaty tsy fisiana noho ny fitiavanao ahy ihany
Ny fihafiana ny tsy fananana mamy ho ahy ireny
Nanefy ahy tokoa satria tsy lahatra fa an-tery

Ny masoko mipitrapitra ny masonao manganohano
Eo anatrehan’ny entakeliko handao ity tokantrano
Tokantranokelintsika tany fady ho an’ny havana
Tokantranom-piafiana niangaran’ireo razana

Imbitika Rambala - 08/03/18
INAY AHO MBA IALAHY

Biriky fiara amin’izany
No atosika amin’ny tany
Mihosim-bovoka tanteraka
Minaonaona tsy reraka
Ialahy ry boay kely

Ny kilaoty mibaroraka
Fa ngeza loatra ho an’ialahy
Dia tazonina tsy hirotsaka
Sady manenjika an-dry zalahy
Mandeha mitifi-borona

Ny volo misaritaka
Ny tarehy misolitika
Dia io ialahy mihorakoraka
Farim-peo mila ho torana
Mampiady ilay ganifa

Ry boay kely tiako loatra
Tso-piaina tso-panahy
Tsy misy iry tafahoatra
Tsy misy koa ahiahy
Inay aho mba ialahy

Imbitika Rambala - 31/03/18
TODY HOY IANAO

"Tody hoy ianao?... fisainana ntaolo izany
Fa ny fetsifetsy ihany no tafita eto an-tany"
Dia izany ve no hiainana nefa isika Malagasy
Fa alevina ny marina alevina ho faty

Fa ianao ilay antenaina ho vato hifaharana
No namadika ny lalàna ho feno fiangarana
Ka manindry hazo lena sy manao zana-drafy
"Ny tody mbola ho ela ve no tsy hanaovan-dratsy"

Toa miangatra ny lanitra fa ny vono olona avy
No tsy misy tody ary koa tsy mahavoasazy
Hatramin’ny halatra aza sy ny fivarotan-Tanindrazana
Dia sahy nototofana hangina tsy hotazana

Fa nankaiza loatra lahy ny soa notoavina fahiny
Fa soa toavina hafa indray soa toavina vahiny
No nasolo ny antsika ka "Ny vola no andrianina
Koa ambakao ny tsy mahay dia poteho tsy hotafarina"

Ny Andriamanitray tokoa angamba no ela fidona
Dia manararao-pahefana sy mamono ny finoana
Nitaizan’ny Ntaolo anao hoe : "mba hajao ny mahaolona
Fa tsy ny Malagasy kely no ataonao sorona"

Imbitika Rambala - 12/09/18
ZOKY A

Hoy izahay mantsy anao :
"Mifarana eto indray ny taona
Tsy mety re fa minaona
Ny fotoana maro tsy dia ela
Tsy voafafa fa tavela
Ary mbola tsy manolatra
Ireo ratra hatrizay
Dia inty miampy trotraka
Ny fahantrana mahamay"

Hoy ianao mantsy anay :
"Mahamay nefa tsy mahafay
Raha fahantrana no hita
Dia inona no zava-bita
Sy mba ezaka hialana
Amin’izany
Fa dia faly mitorevaka
Lava lela sy be resaka
Kinga ery manome tsiny
Tsy misy akory izay mba ezaka
Fa mitomany ny fahiny
Faly ery mitsikera"

"Fa angaha moa ianao mba niera
Raha nihinana niletra
Nandidididy tsy nisy fetra
Ny lovantsika ikambanana
Izay tavazinao sy ibahanana
Nefa viviny sy venty
No omenao mba hita
Dia io ity ianao mba miventy
Fa ianao no mahavita
Midedadedaka fiteny
Manao angano lavareny
Manodinkodina fisaina
Dia mahita ho tantaraina
Sy manao izay fikafika
Hilazana lava izao
Fa tena manja ny antsika"

Koa
Hoy izay mantsy anao
"Zoky ianao ka hajaina
Aoka re tsy hihenahena
Ny fetsifetsy ampy izay
Aza raisianao ho halemena
Ny fandeferanay"

Imbitika Rambala - 29/12/17
PAO-TSATROKA

Fa ny azy
Tsy nanitsaka sekoly
Tsy nahita kolikoly
Fa ny tanam-polony
No nataony solon’ny
Solaitra sy penina
Tsy an-kimenomenona

Izay mba tao an-tsainy
Izay mba kely hainy
Izay mba kely hitany
No mamaritra izay vitany

Dia

Miainga vao maraina
Tsy mba mitaraina
Dia indry mivikiviky
Miloloha ny sobiky
Sy mivimbina akalana
Mamonjy sisin-dalana

Ka

Ny tombony mba azony
Amin’ireto mangahazony
No miantoka ny sisa
Dia i Soa marisarisa
I Koto handeha hianatra
Ny trosan’ny ao avaratra
Ny savony sy vilany
Hiantohana avy izany

Koa

Anjara ratsy ve ny azy
Lahatra tokoa sa ve sazy
Saingy ny azoko atao
Dia pao-tsatroka aminao

Imbitika Rambala - 16/05/18

INY ADALAKO INY

Tompo ô,
Izaho manaiky saingy
Iny adalako iny
Aza atao mandraingirainy
Aza dia sedraina mafy
Tsy maninona raha mihafy
Sao tsy ho zakan’ny finoany
Satria tsy misy hadisoany
Fa izaho no tsy mahay
Tsy nahay nampifandray
Izay tokony hampitaina
Tamin’ny fanahy sy ny saina

Tompo ô,
Izao re no mba sitrako
Fenoy izay tsy vitako
Tamin’iny adalako iny
Fa nibirioka indraindray
Ny fifandraisanay
Raha izy mba nanadina
Fa mba te hampisongadina
Ny maha izy azy
Fa ny ahy ny hanasazy
Izay no tao an-tsaiko
Satria izay no mba haiko

Tompo ô,
Be ny zavatra tsy vitako
Ka aoka re izay tsiniko
Sy ireo ditrako fahiny
Raha toa misy valiny
Tsy hotakianao aminy
Be koa ny tsy voapitako
Koa amin’ny lalana hombany
Sy amin’izay rehetra hataony
Ianao ihany no hantsoiny
Ianao irery ihany no hotompoiny

Tompo ô,
Aoka ho ahy re ny tsiny
Fa tsy ho an’iny adalako iny
Amena

Imbitika Rambala - 14/09/18
Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 27/10/2018

×