Créer un site internet
Saramba mikalo 2019

Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 
T.Ràja
17 janoary 2019
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

Fahatelopolo taonan'ny Faribolana SandratraSARAMBA MIKALO 2019

Tsy vaovao amin'ny mpanaraka ny Faribolana Sandratra intsony angamba ny hetsika "Saramba Mikalo" satria tsy voalohany akory ity hotanterahina amin'ny 26 janoary 2019 ity izay tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny faha-30 taonan'ny fikambanana. Manam-bahiny ny mpiseran'ny Pôetawebs, Nirihaja, andriambavilanitra anisan'ireo hanatanteraka ny hetsika. Toetra Ràja no miara-mitapatapakahitra aminy.
 
Toetra Ràja
Miarahaba anao Nirihaja. Tamin'ny 16 novambra 2017 isika no nihaona farany tamin'ny resaka Kirimba 2. Efa tsindrian-daona ireo mpiseran'ny tranonkala Pôetawebs amin'ny vaovao hatolotry ny vahiny.

Nirihaja
Sarasara tsy ambaka, tompoko! Ho taona feno fisandratana indrindra ho an’ny zavakanto vita amin’ny teny no rariana ho an’ny mpikira izany hipaka hatrany amin’ireo mpitia sy mpanaraka. Sitraka sy telina ny fampiantranoanao Toetra Ràja misolo tena ny Pôetawebs.

Toetra Ràja
Fiteny tsy dia mahazatra ny maro ny "saramba". Azo hazavaina ve ny heviny?

Nirihaja
“Saramba” na tovovavy hoy ny tanindrana.

Tany amin’ny taona 1994 tany no nitsirian’ny hevitra avy tamin’i Lydiary, hanasongadinana ireo asasoratry ny tanora vehivavy mpirafaribolana, ka “saramba mikalo” no lohateny nampitondraina ilay antsatononkalo tamin’izany, notontosaina tao amin’ny CGM/GZ Analakely. Taty aoriana dia natao hetsika mihitsy izy ity.

Toetra Ràja
Azonao fintinina ve àry ireo hetsika "Saramba Mikalo" efa notanterahina?

Nirihaja
Araka ny voalaza etsy ambony, tany amin’ny taona 1994 no niantombohany. Maro ny vehivavy pôetan’ny Faribolana Sandratra no nandray anjara tamin’izany izay nahitana an-dry Diamondra, Voaary, Hanjariliva, Hanitrarivony, Gazela Meva, Nirihaja… Roapolo taona taty aoriana, ny taona 2014, ny hetsika faharoa, ka nandray anjara tamin’izany ry Lova Santatra, Hanitra Olive, Lolotsiky, Ratsifa, Soambinintsoa, Tsirinala, Haingohaja, Malalatiana Hasina. Andiany fahatelo ity hetsika 2019 ity.

Toetra Ràja
Efa hitan'ny maro amin'ny petadrindrina ireo saramba 14 hankafizin'ny mpianoka eny an-tsehatra amin'io 26 janoary io. Azonao ampahatsiahivina ve?

Nirihaja
Ireto avy ireo 14 hiantsehatra amin’io : Tolotra Arinandriana, Gazela Meva, Soambinintsoa, Faniry Hantarinivo, Aro, Ratsifa, Elinivo, Laingontsiky, Ony Mihajanirina, Martelle Nath, Haingohaja, Nirindra Rafalimanana, Lova Santatra, Nirihaja.

Toetra Ràja
... ary i Nirihaja mazava ho azy! Azo lazaina ho maromaro ihany ianareo. Misy antony manokana ve io safidy io?

Nirihaja
Tena maro izahay amin’io, tsy dia hoe misy antony manokana fa ireo no vonona taorian’ny fifampilazana.
Fahatelopolo taonan'ny Faribolana Sandratra
Fahatelopolo taonan'ny Faribolana Sandratra

Toetra Ràja
Mety ho nisy fahasarotany ve ny fanomanana ny fandaminana olona 14 miaka-tsehatra?

Nirihaja
Tena misy! Eo amin’ny fotoana ohatra tsy miaraka afaka rehefa misy fihaonana atao. Tsy atao sakana anefa izay satria ny asasoratra samy efa mifantina ny azy ny tsirairay, dia azo alamina ihany.

Toetra Ràja
Azo lazaina mialoha eto ve raha misy ireo hanampy anareo 14 mirahavavy eny an-tsehatra toy ny mpitendry mozika lafika sns.?

Nirihaja
Anna Tsoa Haingo Lalampifaliana miaraka amin’ny mpitendriny no handravaka ny seho, izy moa efa zatra miaraka amin’ny Faribolana Sandratra rahateo, hisy dihy ihany koa niantsoana manokana mpandihy matihanina, tsy ho lazaiko eto ilay mpandihy fa amin’ny 26 Janoary isika mahita azy. Ezahina hiavaka amin’izay seho rehetra nisy hatrizay ity “Saramba mikalo” 2019 ity na eo amin’ny haingon-tsehatra izany na eo amin’ny fiseharana.

Toetra Ràja
Hisy boky azo jifaina ho fahatsiarovana ve amin'io? Ahoana no mety ho endriny e?

Nirihaja
Hisy tokoa ny boky amidy, Toetra Rajà, izay hahitana tononkalo miisa 84, miampy ny mombamomba anay 14, ialohavan’ny teny fanoloran’i J. Nalisoa Ravalitera sy sasin-tenin’i Ranoe.

Toetra Ràja
Tao anatin'izay 25 taona namoronana ny Saramba Mikalo izay, inona no mety ho fivoarana tsapa amin'ny seho sy ny tononkalo antsaina?

Nirihaja
Tsapa ho nivoatra tokoa ity Saramba Mikalo ity tao anatin’izay 25 taona namoronana azy izay. Ilay tovovavy tany aloha tonga vehivavy ankehitriny. Hita izay ao anatin’ny asa soratra, sahy sy malalaka eo amin’ny fanehoan-kevitra, tsy mihanona fotsiny amin’ny fihirana fitiavan’olon-droa fa mahasahana ny rehetra, dia ny fianakaviana, ny tanindrazana, ny andavanandrom-piainana, ny tontolo iainana…
Eo amin’ny fiseharana indray, taloha antsa madiorano no nanehoana ireo asa soratra fa nivoatra tsikelikely izany ka nahavitana tantara kely ireny rehefa eny an-tsehatra eny. Tsapa ao anatin’ireo asa soratra ny fitohizan’aingampanahy amin’ny samy saramba.
 
"Iainako ny teniko, hanamasina ny taniko"

Toetra Ràja
Tsikaritra ao amin'ny petadrindrina koa ny teny filamatry ny faha-30 taonan'ny Faribolana Sandratra hoe : "Iainako ny teniko, hanamasina ny taniko". Afaka manazava an'izay endri-pifandraisan'ny teny sy ny tany izay ve i Nirihaja?

Nirihaja
Ny teniny no maha firenena ny firenena iray. Ho antsika Malagasy izany dia sambatra raha samy sambatra isika, manana ny tenindrazantsika hifaneraserana amin’ny lafiny rehetra fa tsy mindrana ny an’ny hafa. “Iainako ny teniko hanamasina ny taniko” : mitory fitiavan-tanindrazana izany, rehefa ampiasainao manko ny teninao dia tsy hadino mihitsy iny ary mampanankarena ny voambolana efa hainao aza izany. Ny teny rahateo miaina. Ny fahaveloman’ny teny no mampanan-kasina ny Tany.

Toetra Ràja
Ankoatra ny Saramba Mikalo, efa nisy hetsika hafa niarahan'ny andriambavilanitra an-tsehatra ve?

Nirihaja
Eny tokoa Toetra Rajà, tany amin’ny taona 2001 nisy hetsika nampitondraina ny lohateny hoe “Voahangy Tsangy” izay Pôeta vehivavy avy ao amin’ny Faribolana Sandratra ihany no mpandray anjara. Mitovy firehana amin’ny Saramba Mikalo ihany izy ity fa ny lohateny fotsiny no naha samy hafa azy. Nandray anjara tamin’izany ry Tolotra Arinandriana, Lova Santatra, Felana, Gazela Meva, Malalatiana Hasina…

Toetra Ràja
Inona no andraikitra sahanin'ny vehivavy ao amin'ny Faribolana Sandratra eo amin'ny fitantanana ny fikambanana?

Nirihaja
Araka ny maha faribolana azy izay dia samy mandray andraikitra ny mpiraifaribolana, anisan’izany ny vehivavy, toy ny fanoloran-tsaina rehefa misy zavatra karakaraina, ny fitantanana ny hoenti-manana, ny miara-misalahy amin’ny fandrindrana hetsika, ny iraka isan-karazany, be dia be…

Toetra Ràja
Manana ny vondrony manokana ve ny vehivavy ao amin'ny Faribolana Sandratra?

Nirihaja
Tsia, tompoko.

Toetra Ràja
Iaraha-mahafantatra fa miroborobo ny tononkalo ankehitriny. Kanefa mety ho misy lesoka tokony sy azo sorohina ve araka ny hevitrao?


"Tsara foana ny miverina an-doharano hitrandrahana zava-baovao..."

Nirihaja
Ny lesoka hitako dia ny fakan-tahaka be fahatany ny avy any ivelany ka lasa manadino ny antsika eo amin’ny fanaovana tononkalo. Maika hisehoseho ka lasa manery tena manoratra, mampihen-danja ny tononkalo ankehitriny anefa izany… Azo sorohina tsara ireo amin’ny alalan’ny famakiam-boky sy fifanakalozana eo amin’ny samy mpanoratra. Tsara foana ny miverina an-doharano hitrandrahana zava-baovao izay tsy mivaona amin’ny antsika Malagasy anefa.

Toetra Ràja
Manana hafatra kely atolotra ho an'ny vehivavy sy ny Pôeta vehivavy ve i Nirihaja?

Nirihaja
Ny hafatro ho an’ireo poeta vehivavy namako :
- Aza mitsahatra manoratra sy mamaky boky
- Sahia maneho hevitra, maneho fihetseham-po, mihira fandresena , miantsa alahelo, sahia ho “miavaka”.

Toetra Raja
Misaotra anao Nirihaja nanokana fotoana namaliana ireo fanontanian'ny Pôetawebs eny fa na dia ao anatin'ny fahasahiranana tanteraka aza ianao. Amin'ny 26 janoary 2019 izany ny fotoana, amin'ny telo ora tolakandro. Manasa ny mpisera hianoka. Andro sabotsy io ka maro amintsika no ho afaka. Mandra-pihaona Nirihaja!

Nirihaja
Manantitra ny fisaorana ho an’ny Pôetawebs mampahafantatra hatrany ny hetsiky ny faribolana Sandratra sy ny vaovao momba ny literatiora malagasy. Manantena fa ho maro be ny mpitia haisoratra sy haivolana amin’io 26 janoary io hanotrona ny “SARAMBA MIKALO”. Soava tsarà daholo isika!
________________________________________
Sary : Nirihaja
poetawebs@gmail.com


Date de dernière mise à jour : 18/01/2019

×