Créer un site internet

varavarana

poeta_malagasy
Hajaina - 30 oktobra 2009

  • Hajaina, filoha lefitry ny Havatsa Upem
Miarahaba anao HAJAINA tonga mitapatapak'ahitra miaraka aminay ato amin'ny tranonkala POETA.WEBS. Mpikabary tsy zoviana amin'ny maro intsony ianao ary olon'ny haisoratra mavitrika satria voafidy ho Filoha Mpanampy ao amin'ny fikambanana lehibe iray, dia ny HAVATSA UPEM izany. Tsindriana manokana mandritra ity dinidinika ity anefa ny maha poeta anao. Mahaliana ny maro tokoa ny hahafantatra ny momba anao sy ny talentanao izay tsy mivalampatra loatra eto anivon'ny aterineto. Misy antony manokana ve ny tsy ielezan'ny sanganasanao eto anivon'ny aterineto?
 
Tsy dia tena misy antony manokana fa mety noho ny fandaharam-potoana mandritra ny tontolo andro angamba ka ampahany kely ihany no mba foy ho an'ny aterineto... somary vazivazy fa.. Na izany aza misy tiako hotandremana kely ihany ity fielezana amin'ny aterineto ity... Tsy voafaritro mazava anefa ny anton'izany fa heveriko fotsiny hoe tsy azoko atao ny manome ny manontolo ary izaho rahateo koa somary matahotra ny LOATRA, sao be L....; ary tsy amin'ny aterineto ihany fa amin'ny Haino aman-jery ihany koa. Tsara ho fantatr'olona ny asa voka-kanto, fa ny fisehoana loatra (araka ny fahatsapako) dia tsy sitrako; asa tsy voafaritro mazava ny antony, noho izaho saro-kenatra ve sa noho izaho somary sarotiny ka tsy mety afa-po... ary matahotra ny hanenina rehefa injay tokoa ka ilay tsy tiako haseho no miseho ?

  • HAJAINA, fanampinanaranao ve io lasa anarana diam-penina io ?
Heveriko fa aingam-pamoronana noketrehin' i Dadako sy i Neniko fony aho vao notorontoronina io anarana hasalotra ny fisiako io, ka dia hajaiko izany famoronana masina avy amin'izy mivady izany ho entiko mikanto. HAJAINA sady fiantso no anarana maha MPIKANTO.

  • Voalaza fa mpamorona Tononkalo, Sombintantara, Tantara fihaino, Tantara tsangana ianao. Iza amin'ireo àry no tena maka fotoana lehibe indrindra amin'ny tontolon'andronao ?
Misy fotoana, ao anatin'ny iray volana aza tsy manoratra. Tsy atao lahatetiora ao anatin'ny indray andro akory ny fanoratana fa rehefa misy ny aingam-panahy manosika mafy te hanoratra dia lasa. Ny miaina ao anatin'ny iray andro tsy misaina literatiora : "fanahin'ny teny sy fanahin'ny soratra" anefa dia tahaka ny tsy misakafo ka mety hahatorana ahy.
 
Ary ho ahy, mety ho olana, mety ho tombony ihany koa, dia tsy miala eo aho raha tsy vita. Ho an'ny tononkalo sy sombintantara sy ny andram-pamakafakana (essai) tsy dia olana fa ny tantara fihaino sy ny tantara tsangana ho mety haha tra-maraina... Fa na izany aza dia mahafinaritra hatrany e... tena milalao sy miaina ao anatin'ny asasoratra sy ny tantara soratanao ianao, hany ka mahatsiaro mijaly indraindray, malahelo indraindray, adala indraindray, alika toetra indraindray, ny fangitangitahana sy ny fifaliana ao anatin'izany rehetra izany dia manginy fotsiny... Eo anatrehan'izany no ilazako teny izay IALAKO TSINY, satria misy tsy mahazaka, izany no ilazako fa mahatsiaro tena ho ANDRIAMANITRY NY ASASORATRO aho, satria entiko amin'izay tiako itiavana azy izy, velomiko, vonoiko, atsangako, sy ny sisa... Nahabedy ahy izay fitenenana izay, satria noraisin'ny olona boraingina avy hatrany fa mampitovy tena amin'Andriamanitra mpahary aho... Tena tsy izay anefa... tsy izao tontolo izao no feheziko fa izaho sy ny tsanganasako ihany...


  • Iza tamin'izy ireo kosa no tonga voalohany tao aminao ?
Tahaka ny ankamaroan'ny Mpanoratra dia nanoratsoratra aloha tamin'ny voalohany, dia nahatsangana tononkalo.... kanefa toa diso ihany aho fa ny tononkira ihany koa no anisan'ny nosoratako voalohany ary nisy feony avy hatrany tany amin'ny faha 14 taonako tany izany . Manana anadahy mpitendry zavamaneno (synthétiseur) izay aho ary mbola ny harimônia an'i Dadabenay no mba hany zava-maneno tao an-trano; dia nampianariko io zokilahiko io ilay hira, avy dia hainy... Mety mbola hiran'ankizy tamin'izany, kanefa rehefa tena nodinihiko dia tena hira mahafinaritra na ny feony na ny tonony, ary ilay izy dia gadona DOM-TRA-TRA (valsa izany e!)
  • Azonao lazaina aminay ve ny anton'ny nanoratanao tononkalo ?
Efa mpamaky ireny asasoratra nosoratana mpanoratra Malagasy taloha ireny aho. Fantatsika avy hatrany angamba ny tiana hambara. Namaky an-dry Rabearivelo aho, ry Dox, Ny Avana Ramanantoanina, Harioley (Sombintantara), Randja Zanamihoatra (izay tena anisan'ny maharevo ahy indrindra , ary hatramin'izao mbola iverimberenana vakina)... ny vazaha moa dia ry Baudelaire, Victor Hugo, Alfred de Musset sy ry Verlaine... Mahita ny hatsaran'ny asan'izy ireo dia mba te hamorona tsanganasa koa... Ary rehefa miketriketrika izay ny atidoha dia tsy sitrana raha tsy manoratra... Marihiko fa tsy ny tranainy ihany akory an, misy ireo mpanoratra taorian'ireo voatonona ireo ary misy indrindra koa ny ankehitriny izay mandranitra ny tena hanoratra, hanoratra hatrany.

  • Voalaza teo fa Filoha Mpanampin'ny HAVATSA UPEM ianao. Inona no nahasarika anao niditra tao fa tsy tao amin'ny fikambanan'ny mpanoratra sy poeta hafa ?
Ahatsiarovako manokana an'i GRG (nodimandry tamin'ny septambra 2008). Raha nianatra nikabary aho, ka namaramparana izany fianarana izany dia izy (GRG) kosa nahita ary nahatsikaritra fa manana endri-pamoronana hafa koa aho. Dia nanontaniany tamin'izany hoe : "mpanoratra angaha ianao ?" Eny hoy aho. Izao dia izao, hoy izy, dia manaova taratasy fangatahana hiditra ho mpikambana UPEM, manomeza santionana asasoratra dia omeo ny Filoha Célestin ANDRIAMANANTENA fa izy no Filohan'ny UPEM tamin'izany. Dia somary varimbariana teny aho, fa i GRG kosa nanosika mafy... dia tonga ny fotoam-pandraisana Mpikambana vaovao ka izy sy Rasamoelina Jean Maurice Paul no nanolotra ahy... Dia tsy nanenenako ny niditra Upem na dia tsy nanan-tsafidy aza aho tamin'izany satria tsy nahafantatra misimisy kokoa ny fikambanana hafa... Maro ireo zatovo namana tamin'izany no nisarika hoe andao ho aty na ary... Fa nisy ihany fikambanana najoronay, izay izaho mihitsy no nitarika teny amin'ny Anjerimanontolo fony aho taona voalohany. VOVONANA no anarany. Efa nisy anefa ilay antsoina hoe MPIZAKA STELARIMA (Mpiangaly Zava-kanto SAMPANA TENY SY LAHABOLANA ARY RIBA MALAGASY) dia nirotsaka nanamafy ny tany ny ankamaroanay ary anisan'izany aho, ka dia nangina ho azy ilay Vovonana.
 
Ny Havàtsa Upem ihany koa dia Fikambanana zokiny indrindra amin'ireo Fikambanana Mpanoratra sy ny Fikambanana ara-kolontsaina misy, tsy eto Madagasikara ihany fa manerana an'i Afrika. Tsy mbola fantatro izany fony aho vao niditra, fa dia izao, nahatoky ireo OLON-DEHIBE nitarika ahy aho... Hatramin'izao dia mbola manana namana olon-dehibe be dia be aho... Mahafinaritra ahy izany satria amiko dia boky mandehandeha izy ireny. Enga anie ka ho ela velona daholo.

  • Eo amin'ny andalana faran'ny tononkalonao "DIA ALEO ..." dia ahitana hoe "Miaraha, miombona hevitra amin’ireo Poety". Hevitra toy ny ahoana no tianao iombonan'ny olona antsoinao eto miaraka amin'ny poety.
Hajaina tao Parisy"miaraha, miomböna hevitra amin'ireo Poety". Ny andininy voalohany sy faharoa amin'io tononkalo io dia saika miantso ny olona sy manakivy azy tsy hanaotao foana. Ary ity andininy fahatelo misy io andalana io kosa dia fanolorana fanafody ho an'izay ketraka... ny teny mantsy mety hamono, fa ny teny ihany koa dia tena MAMELONA. Koa ny olon-drehetra eto no taomina hihaino ny Poety, hankafy, hilona ao anatina tsanganasa mba ho sitrana... Mety hanontany ianao hoe: angaha izany mila fanentanana fa rehefa mankafy ny olona dia mankafy ary rehefa mankahala dia mankahala... Tsia, tadidio fa ny olombelona, olombelona ihany... mila donina sy tairina indraindray. Ka raha resy lahatra iombona hevitra amin'ny Poety ianao, raiso ka ampiasao sy iaino ny teniny... Fa ny teny hoe Demôkrasia aza ange ka poety no namorona izany... kanefa iza no tsy midradradradra ny mampiasa izany teny izany ankehitriny... Ary ny tena mahafinaritra dia ny mihaino ireo olona lalin-tsaina samy mandrirotra amin'izay itiavany ny dikan'io teny io, tahaka ny mahita ireo ankizy miara-matory mifampisinton-damba lehiretsy...

  • Poeta ianao kanefa mpiasam-panjakana ihany koa. Araka ny hevitrao manokana, manana adidy ve ny poeta malagasy amin'izao vanim-potoana mampihotakotaka ny fiainam-pirenena izao ?
Asa raha velona teo i RADO, asasoratra toa inona no navoakany amin'izao toa ANGANO (hoy i Esther RANDRIAMAMONJY) lalovan'ny firenena izao? Izaho manana tononkalo sy tantara teraky ny aingam-pamoronana noho izao toe-javamisy izao ary maro koa ireo namako manana tsanganasa toy izany... Fa izaho manokana aloha dia nisafidy ny tsy hamoaka izany ho hitan'ny olona, dia toy izany koa ireo namako... Matahotra ve? Adidy ve izany ny tsy maintsy hamoahana izany ? Ho ahy dia zava-mihatra tsy maintsy lanjaina sy sedraina ny zava-misy ankehitriny, ka mbola mafana sy mavesatra. Ny tantara ao aoriana no aoka hitsara... Aleo aloha mangina ao anaty tabataba e ! Tahaka ny Mpino miandrandra valim-bavaka io ka na tsy mahazo ny eo no ho eo aza dia manantena ny ho rehefa ihany... Ny tsapako eo am-panoratana asasoratra noho izao toe-javamisy eto Madagasikara izao dia ny fangorahana sy alahelo mafy an'i Madagasikara... tena tiako mantsy ity Madagasikara ity ary na dia mbola tsy nahatety ny firenen-drehetra manerana izao tontolo izao aza aho dia mahita fa tsy misy tsara mihoatra an'ny "Tanindrazanay malala".
 
Mety tsy hitan'ny ankamaroan'ny olona ity kanefa lazaiko satria mahita aho fa tsy maty e, tsy maty ny fanahy maha Malagasy... Velona io ary ho velona... Mbola mahita miharihary aho fa misy fetra farany tsy sahin'ny Malagasy itsambikinana... Asa anefa izay ho tohiny, tsy misy mahafantatra ny avoaky ny ampitso. Hivadika biby an-kitsirano amin'izay ve ny Malagasy ?

  • "TOMPON-TANINDRAZANA" hoy ianao ao amin'ny tononkalonao "NY TANINDRAZANTSIKA". Tsy tokony ho voalohany amin'izany ve ny poeta izay mpikirakira tenindrazana ?
Voalazanao
  • Ny tononkalonao "INTY AHO HAMALY ANAO" indray dia notakarina tamin'ny hiran'i MIKE BRANT iray. Fanaonao ve ny mampiasa sanganasa vahiny entina amohazana ny aingam-panahy ?
Mba mahafinaritra ahy fotsiny ilay hiakan'i Mike Brant mitaraina mafy dia mafy amin'ilay hoe: "j'aimerais vous croire mais mon coeur y renonce ma question reste toujours sans réponse... Qui saura..."; tsy dia hoe fanao fa indraindray ianao mamaky boky na maheno hira eny ambony taxi-be eny dia tonga ny aingam-panahy, dia misy hery manesika maha te hamaly an-tsoratra.
 
Tsy ny vahiny ihany fa misy andalan-tononkiran'i Tovo J'hay koa izao ohatra milaza ny hoe: "tsy hita ianao, ts'hita ianao hanambitamby azy eto, fa ny anao efa voafetra hatreto, ka izy irery ihany no tomany", toy izany koa ilay tononkiran'i Abel Andriarimalala hoe: "diso anefa ianao, piti-drano ilay tamin'ny takolako, ary tsy toloko ilay renao teo fa angolangolako. ...Tsy maninona aho..."; ary tsy ny tononkira ihany no valiana na hakàna aingam-pamoronana fa mety an-dalan-teny hita any anatin'ny Tantara foronina (Roman), na eny an-dalana rehetra eny, na any am-piasana, na any am-pianarana, na any am-piangonana, na any am-pivoriana sy ny sisa
 
Ohatra izao ity tononkalo iray ity izay teraka teo am-piandrasana ireo "Vondron'ny Mpitsara" (membre de jury) raha hanao fanohanana voka-pikarohana (soutenance de mémoire de D.E.A.) izahay 4 mianadahy niara-nianatra tao amin'ny "Faculté des Lettres". Tsy toy ny tamin'ny "Maîtrise" izay mandeha tsirairay ary azon'ny rehetra atrehina (en public) mantsy ny D.E.A. fa miaraka izahay mpiara-mianatra ary mihidy an-trano (à huis clos). Dia samy nihidy an-tratra noho ny tahotra, samy velon-tebiteby miandry ireo Mpampianatra hitsikera sy hanakiana ary hanontany ny fikarohana natao, nefa samy manantena koa izahay fa ho tafita. Dia nisy tononkalo natolotro ho an'ireo namako ity, natolotro ho anay.... Ary indro atolotro eto amin'ny tranonkala POETA.WEBS, ho an'ny olona tsy mitsahatra fa vonon-kianatra mandrakariva sy ho antsika rehetra :
 
TEHAKA HO ANAO
 
Miarahaba anao
nahavita izato dingana
tsy efan'ny rehetra,
 
Mety ny natao
na nisy fingampingana
to ny tarigetra.
 
Reo memy nifanesy
no mainka koa namelona
ny herim-po hisandratra,
 
Ianao no ilay Mpandresy
ka sitraka sy telina
ny kirinao nianatra.
 
Ilay ilo mby an-doha
tsy ararakao intsony
fa solika vaovao,
 
Ka dia mirary soa
hisondrotra ambony
TEHAKA HO ANAO
 
Hajaina

  • Misaotra anao Hajaina ny tranonkala POETA.WEBS tamin'ny tsy fisalasalanao namosaka ho an'ny mpisera ny momba anao sy ny eritreritrao mikasika ny haisoratra malagasy. Mirary soa anao izahay hahaleo hahalasana amin'ny fampandrosoana ny kolo malagasy. Mandra-pihaona !
Misaotra ny tranonkala POETA.WEBS ihany koa tamin'ireo fanontaniana izay nahafaly ahy ny namaly azy. Misaotra amin'ny firariantsoa ary dia asetriko firariantsoa ho anareo ihany koa izany : ho toy ny tranobe eny avara-tanàna anie ny rehetra ka sady ravaky ny vohitra no fialofana; sady haren'ny ankehitriny no ho lovan'ny taranaka fara aman-dimby ! Veloma àry!

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021