Créer un site internet
TAFIKA
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
21 Avrily 2022
Vetson'ny Fanahy
Miombona ao anatin'ny asa mivaingana famoaham-boky sy fitondrana izany an-tsehatra ireo pôeta 5 mirahalahy mpinamana. Manaitra ny lohatenin'ny boky, Tafika, natao anaran'ny antsa tononkalo koa. Ny roa tamin'ireo nahatsangana tafika no vahinin'ny Pôetawebs. Aroso amintsika etoana àry ny votoatin'ny tapatapakahitra nifanaovana tamin'i Vetson'ny Fanahy, mpikamban'ny Pôetawebs.


Vetson'ny Fanahy

Faly miarahaba anareo mirahalahy izahay ato amin'ny tranonkala Pôetawebs.

Santatra
Miarahaba ary mankasitraka sahady anareo ao amin'ny tranonkala Pôetawebs nanaiky hiresadresaka aminay mirahalahy.

Fahnamby
Dia faly miarahaba anao Vetson'ny Fanahy, misaotra anareo ato amin'ny Pôetawebs nanasa anay!

Vetson'ny Fanahy
Mino izahay fa misy ny vaovao entinareo ho an'ny mpanaraka ny tranonkala e?

Santatra
Manana vaovao tokoa izahay roalahy. Hitondra resadresaka mahakasika ny boky TAFIKA izahay.

Vetson'ny Fanahy
Tafika, azonareo velabelarina fohifohy ve ny mikasika ity boky ity?

Santatra
Eny, ny boky TAFIKA dia boky mirakitra amboaran-tononkalo manodidina ny 120 pejy eo ho eo. Dimy mirahalahy izahay no nanambatra ny hery ka nahatontosa izao famoaham-boky izao. Eo ny tenako Ramarozaka Santatra, ao koa i Ny Iraka Rambolamanana, Elujar Artinef, Ra Zo, Fahnamby.

Vetson'ny Fanahy
Inona ny tena hevitra fonosin'ity Tafika ity?

Fahnamby
TAFIKA: Natao indrindra izy io mba ho marika sy tsangambaton'ny firahalahianay dimy mirahalahy. Ny TAFIKA dia hoentinay maneho fa vonona hiady sy hitolona ho an'ny Literatiora malagasy ihany koa izahay ary hametraka ho vaindohan-draharaha ny asasoratra mba ho fanoitry ny maha Malagasy.

Santatra
Ny hevitra fonosin'ny hoe TAFIKA moa dia ohatra ny hoe tandroka aron'ny vozon'ny firenena. Fa aminay 5 mirahalahy kosa dia eo ihany ilay tsangambaton'ny finamanana, fa misy antony manokana: fanandratana avo ny literatiora, ary ny resaka firahalahiana no tena misongadina ao.

Vetson'ny Fanahy
Raha mijery ireto anarana nifarimbona ireto isika, azo lazaina ho efa fanta-daza eo amin'ny soratra daholo... Safidy manokana mihitsy ve hoe ianareo dimy mirahalahy no niaraka namolavola ilay boky?

Fahnamby
Amin'ny ankapobeny aloha dia efa mpinamana hatry ny ela izahay dimy mirahalahy, ary tena nifampizara ny manta sy ny masaka mihitsy, nifanohana teny foana na tamin'ny soratra na tamin'ny fiainana andavanandro. Ary tao anatin'izay fifandraisana izay no nitsimoka ny hevitra hoe "maninona moa isika raha mametraka tsangambato ho marik'izao firahalahiana mivaivay izao?". Ka dia niroso ny dia ary izao tonga amin'ny famoahana ny TAFIKA izao. Izany hoe tsy nisy loatra ny fisafidianana hoe ranona na ranona no andeha halaina manao ny tafika fa ny finamanana sy ny firahalahiana no nampisy ny TAFIKA.

Vetson'ny Fanahy
Inona izany ilay singa tena hampiavaka ity boky havoakanareo ity?

Fahnamby
Angamba tsy hazavaina be intsony fa efa mazava be hoe ny firahalahiana sy finamanana. Fa amin'ny maha literatiora azy moa dia misy tarakevitra maro ihany ao anatiny ao.

Vetson'ny Fanahy
Ianareo ve mino sy hahasahy hilaza fa hahatety ny vanim-potoana ity bokinareo ity?

Fahnamby
Toa hisora-tena toy ny voatango angamba izahay raha hitompo teny fatratra fa hahatety vanim-potoana tokoa ity boky ity! Aleo angamba ny fotoana mihitsy no hamaritra an'izany. Na izany aza anefa dia tsapanay fa nanao izay ho afakay izahay mba hampitoetra ny soratray eo amin'ny tantaran'ny literatiora. Tsy nataonay fahatany ny asa fanoratana fa tena nataonay sy hataonay ho asa fanompoana mihitsy.

Vetson'ny Fanahy
Eo amin'izay hoe tsy natao fahatany izay, hafiriana teo no namolavolana ity boky ity?

Fahnamby
Efa amam-bolana maro tokoa, satria tany amin'ny Novambra 2021 no efa nanomboka novolavolaina ny hetsika sy famoahana azy ho boky.

Vetson'ny Fanahy
Ahoana ny fahitanareo ny famoaham-boky eto amintsika? Ary inona no dingana sarotra nolalovana teo am-pamolavolana azy?

Fahnamby
Raha eto aloha dia hitako hoe mbola tsy dia sarotra loatra ny mamoaka boky e!
Mbola malalaka kokoa mantsy fa tsy misy sivana be loatra. Fa ny eo amin'ny hoenti-manana angamba no sarotsarotra kokoa. Ny fiainana koa moa iaraha-mahalala fa mihamiaka-bidy hatrany.

Vetson'ny Fanahy
Raha mora tokoa àry ny famokarana boky, manao ahoana kosa ny amin'ny fanjifana?

Santatra
Raha eo amin'ny fanjifana indray aloha dia iaraha-mahalala ny fahasahiranana misy amin'izao, dia somary mihisatra ny fanjifana boky. Na izany aza anefa misy ihany ireo tena mikiry sy mahatsapa fa harena ny boky ka miezaka ny manjifa.

Fahnamby
Araka ny efa nolazaiko teo dia voasokajy ho anisan'ny firenena mahantra ny firenentsika ka misy fiantraikany be any amin'ny fanjifana ny boky malagasy izany! Maro ireo te hividy sy hanjifa fa henjana be ny tsy fananam-bola.
Somary hita taratra ihany koa hoe revon'ny teknolojia ny ankamaroan'ny Malagasy e, indrindra moa ny tanora ka tsy dia liana firy intsony amin'ny fividianana boky. Fa isaorana hatrany ireo mbola manome hasina ny boky!

Vetson'ny Fanahy
Hiverenantsika kely ny mikasika ny Tafika, rahoviana no hivoaka izany ity vokatra vaovao be ity?

Fahnamby
Amin'ny Sabotsy 23 Avrily ho avy izao ao amin'ny Custom café Ampasamadinika.

Vetson'ny Fanahy
Inona avy ny zavatra hitranga amin'io?

Fahnamby
Araka ny efa mahazatra moa dia tsy maintsy misy antsa tononkalo ao ka izahay 5 mirahalahy no hiantsa ao mazava ho azy. Hisy hira ihany koa ary ho hitanareo ao fa hihira ihany koa ny TAFIKA, izay tononkalo ao anatin'ny boky no nasiana feony.
Ary izao koa no tena hampiavaka ny seho: ny fisiana fifaninanana hahazoana loka (boky). Iisaorana manokana an'i Ny Iraka Rambolamanana ny amin'ireo loka hozaraina.

Santatra
Indro misy teboka 2 fanampin'io resaka fifaninanana io.

2- Laza adina hifaninanana
Loka voalohany : Fampiantsana Poezia
Loka faharoa : Fanontaniana momba ny TAFIKA
Loka fahatelo : Fanontaniana mikasika an'Ny Iraka Rambolamanana manokana.

3- Ireo loka hozaraina
Loka voalohany : Boky "TAFIKA" sy boky "FANJANAHAN-TSAINA" (miaraka)
Loka faharoa : Boky "FANJANAHAN-TSAINA" sy boky "VANJA MILEVINA" (miaraka)
Loka fahatelo : Boky "VANJA MILEVINA"

Vetson'ny Fanahy
Nahoana no any amin'ny Custom café no hamoahana ny boky?

Santatra
Hetsika karakarain'ny Faribolana Sandratra moa izy ity ka tokony ho ao amin'ny CGM no hatao. Fa noho ny hamehana ara-pahasalamana dia mbola tsy misokatra ny CGM ka ny Custom Cafe no natolotry ny CGM ho an'ny Sandratra. Anisan'ny hetsika hanamasahana ny sehatra ao amin'ny Custom Cafe koa ity Tafika ity noho izy andrasan'ny maro.

Vetson'ny Fanahy
Niresaka ianareo hoe hasiana feony ilay tononkalo, izany hoe tsy tononkalo ihany izany no voasoratra anaty boky fa tononkira ihany koa?

Santatra
Amiko manokana aloha, ny ankamaroan'ny tononkira dia niainga avy amin'ny tononkalo ihany, ary nandramanay hoe aleo ilay tononkalontsika ireny mba hasiana feony.

Vetson'ny Fanahy
Mino ve ianareo fa hahasarika olona ity hetsika hataonareo ity amin'ilay izy mivoaka ny sehatra mahazatra?

Santatra
Ny amin'ilay hoe hahasarika olona aloha tsy misy mahafantatra izay ho avy fa raha ny vinavina sy ny isan'olona efa niandry ity hetsika ity dia antenaina fa ho maro ireo ho avy na dia somary mivoaka kely amin'ny sehatra mahazatra aza. Antenaiko fa anisan'ny hanamasaka ny sehatra ao amin'ny Custom Cafe koa ity hetsika iray ity.

Vetson'ny Fanahy
Misaotra sy mankasitraka anareo mirahalahy nanaiky nivahiny teto amin'ny tranonkala ary namaly ireo fanontaniana, mba avereno hampahatsiahivina ny fotoana hamoahana ity boky ity.

Fahnamby
Eny ary! Manome fotoana anareo izahay dimy (5) mirahalahy mandrafitra ny tafika ny sabotsy 23 Avrily 2022 ho avy izao ao amin'ny Custom Café Ampasamadinika. Tongava maro ary aza hadinoina fa misy boky hamidy ao!
Mankasitraka indrindra anao Vetson'ny Fanahy nandray anay teto amin'ny tranonkala Pôetawebs. Misaotra tompoko!


© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 21/04/2022