Créer un site internet
Nicolas Rabefitia, vahinin'i Heriarilala Andriamamonjy (Pôetawebs)
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
15 Oktobra 2022
Heriarilala Andriamamonjy


Pôetawebs

Faly miarahaba antsika mpanaraka ny tranonkala Pôetawebs amin’izao tapaky ny volana Oktobra izao. Manam-bahiny ny tranonkalantsika, Nicolas Rabefitia, tovolahy pôeta izay efa ao anatin’ny fisandratany sahady no mitafa amin’i Heriarilala Andriamamonjy.

Heriarilala Andriamamonjy
Faly miarahaba anao tonga soa ato amin’ny efitry ny Tapatapakahitra.

PôetawebsNicolas Rabefitia
Faly miarahaba ny mpanolotra sy ny mpanaraka ny tranokala Pôetawebs.

Heriarilala Andriamamonjy
Hono ho’aho, iza moa izany Nicolas Rabefitia izany eny amin’ny fiarahamonina, ary izy no iza eo amin’ny sehatry ny literatiora ?

Nicolas Rabefitia
Ny tena anarako dia Rafanomezantsoa Mamisoa Nicolas. Ny solon'anarana entina miantsehatra eo amin'ny tontolon'ny literatiora dia Nicolas Rabefitia. Nisafidy io anarana io aho satria te hitondra ny fitiavana eo amin'ny sehatry ny soratra sy ny teny ary ny tany; ny fitiavana no lehibe indrindra!

Heriarilala Andriamamonjy
Tsy hiandry ela isika fa ampahafantaro anay avy hatrany ilay vaovao mafana izay anton'ny tafa etoana.

Nicolas Rabefitia
Eny! Ny vaovao mafana izay efa rentsika rehetra dia ny famoaham-boky mitondra ny lohateny hoe "Tifi-danitra" nosoratanay telo mirahalahy: Nicolas Rabefitia sy R.H. Toky ary INDRAFO Tsihoarana, hotanterahina ny 19 Oktobra 2022 ho avy izao ao amin’ny efitrano Dox, eny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Fikambanana samihafa no namolavola anay telo lahy, izaho sy i INDRAFO Tsihoarana avy ao amin’ny TSANTA na Tiako Sy Andrianiko Ny Teniko sy Taniko sady mikambana ao amin’ny T.T..M na Tanora Tia Mikalo eto Antananarivo. Ny "Association Tamb'art" izay fikambanana mivoy zava-kanto maroloko toy ny teatra, tantara an'onjam-peo, dihy, … kosa no iombonanay, ny tenako sy i R.H.Toky.

Heriarilala Andriamamonjy
Tena ilaina tokoa ny fidirana ao anaty fikambanana mba hahafahana mivoatra eo amin’ny tontolo iangaliana. Ianareo telo lahy no namolavola io hetsika sy niara-nanoratra io boky io. Mba vahavahao aminay hoe ilay “tifi-danitra” tianareo hambara?

Nicolas Rabefitia
Eny! Tsara aloha ny manamarika fa io no sanganasanay voalohany; izahay telo mirahalahy tokoa no namolavola sy mikarakara io hetsika io... famoahana io bokinay "Tifi-danitra" io izy ity izay miendrika amboaran-tononkalo. Ny hoe "Tifi-danitra" dia teny roa natambatra: Tifitra niampy Lanitra. Raha ny heviny kosa dia hoe misy tononkalo somary mahitsy izay azo lazaina hoe mitifitra angamba a! Kanefa tsy nikendry na iza na iza fa dia ny habaka malalaka tsy mety voa no hany itorahana azy saingy tafapaka any amin'ny mpakafy ho re am-pototsofiny ny feo manakoako atoraka eny amin'ny lanitra. Izany no midika fa entina hampisaina sy hampandalina ny mpamaky izy. "Atsipy ho ren'ny Mpankafy ny Teny". Izay ilay "Tifi-danitra".

Heriarilala Andriamamonjy
Inona no tena heverinareo ho mampiavaka an’io bokinareo io?

Nicolas Rabefitia
Ny heverinay ho tena mampiavaka kely ity boky ity aloha dia noho izy ity boky nosoratanay mpanoratry ny vanim-potoana nanomboka ny 2017 iny, rivo-pandrosoan'ny taona 2010 no mankaty no ao. Hita taratra ao ihany ireo tantara navelan'ny lasa, mifangaro ao ireo karazana tara-kevitra maro fitiavan-tanindrazana, fitiavan'olon-droa, sns...
Ao koa no ifangaroan’ny aingam-panahy samihafa. Misy fivetsoana ny fitiavana satria samy tanora avokoa izahay telo mirahalahy ary azo lazaina fa niara-niainga teo amin'ny fitiavana ny teny sy ny soratra ary ny literatiora.

Heriarilala Andriamamonjy
Inona no tanjonareo amin’ity hetsika ity?

Nicolas Rabefitia
Ny tanjonay amin'ity hetsika ity dia hitondra ny anjara birikinay eo amin'ny tontolon'ny haisoratra malagasy, ary hanandratra avo ny literatiora izahay.
Araka ny tenin-dRavelojaona hoe "Ny kendrena amin'ny asa soratra dia ny hafinaritra"
Izany hoe hitondra fifaliana sy fahafinaretana ho an'ny mpanatrika, mpamaky sy mpitia ny literatiora dia misy koa anatra ampitaina araka ny maha "Tifi-danitra".

Heriarilala Andriamamonjy
Mahita lesoka amin’ny literatiora ankehitriny ve ianareo?

Nicolas Rabefitia
Amin'ny ankapobeny dia misy lesoka avokoa ny zavatra rehetra, fa isika eto amin'ny tontolon'ny literatiora ohatra raha tsy hiteny manokana aho dia ny firoboroboan'ny teknôlôjia hany ka mampihen-danja ny lentan'ny vaky boky, izay hita taratra amin'izao vanim-potoana iainantsika izao.

Heriarilala Andriamamonjy
Inona no fanavaozana na fanatsarana tianareo hapetraka eo amin’ny tontolon’ny mpanoratra ankehitriny?

Nicolas Rabefitia
Ny fanavaozana sy fanatsarana tianay hapetraka amin'ny tontolon'ny mpanoratra ankehitriny angamba dia ny fifanakalozana sy fifandraisana eo amin'ny samy mpanoratra no mila hamafisina, eo koa ny fifampitaizana sy fifanoroana ho amin'ny fanatsarana ny literatiora hatrany... Satria isika pôeta na ny mpanoratra dia fitaratra ho an'ny mpamaky sy mpankafy, noho izany ilaina ny fitondran-tena mendrika eo imason'izy ireny. Ilaina koa ny fanomezan-kasina ny teny malagasy.

Heriarilala Andriamamonjy
Omeo andinin-tononkalo iray avy avy aminareo telo lahy hanandraman-tsiro sahady.

Nicolas Rabefitia
Indreto àry :

"May Manjakamiadana tantara iray mipetraka
 Kila Ankarafantsika dia samy valaketraka
 Isika samy isika ihany no mifampikaravasy
 Dia tantara ratsy foana no ahatsiarovana ny Gasy "
 INDRAFO Tsihoarana

"Andriamanitra ô !
 Mizotra be ny fiainako fa tsy haiko hoe mankaiza?
 Ary iza no hitarainako, raha sendra koa ka lavo?
 Omeo famantarana aho fa te ho tsara taiza
 Ka te hanana ny soa sy tsara avy aminao (...)"
 R.H.Toky

"Vao resa-pitiavana mihitsy
 Milamina raha tsisy traikefa
Tandremo, tandremo ry Zisy
 Anarana ihany ilay Zefa "
 Nicolas RABEFITIA

Pôetawebs

Heriarilala Andriamamonjy
Mahasarika izy izany, mino aho fa hahataona ny olona hividy ny bokinareo izay andalana notsongaina izay. Hafatra àry !

Nicolas Rabefitia
Te hilaza izahay hoe tadidio fa isika pôeta sy ny mpanoratra dia hanasina sy hanandratra avo ny literatiora fa tsy hamotika akory, noho izany hanome zavatra tsara isika ho an'ny soratra, isika dia isan'ny fitaovana iray hamelona ny hasin'ny teny sy ny tany. Andao hifanolo-tanana sy hifanampy. Andeha isika pôeta sy mpanoratra hitsabo ny literatiora raha sanatria ka maratra; manentana antsika rehetra koa hitia ny vaky boky satria mifameno ny mpanoratra sy ny mpamaky ary ny asasoratra.

Heriarilala Andriamamonjy
Mifarana ny fotoanantsika. Ampahatsiahivina isika mpanaraka fa amin’ny 19 Oktobra ho avy izao no fotoana amin’ny 2 ora sy sasany eny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, efitrano Dox. Ankasitrahina ianao niantrano tato aminay.

Nicolas Rabefitia
Misaotra betsaka ny Tranonkala Pôetawebs, nanaiky nandray ny tenako ho vahiny teto. Isaorana i Heriarilala Andriamamonjy nitafa tamiko teto. Isaorana koa isika rehetra mpanaraka.

Misaotra tompoko!

Pôetawebs

© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja