Créer un site internet

poetawebs_logo

poeta_malagasy
30 Janoary 2013

TAPATAPAK'AHITRA NIFANAOVAN'NY POETAWEBS TAMIN'I ANDAMIOLY

 

Andrianaivomanjato Miora Lala, fantatra amin'ny solonanarana ANDAMIOLY, no vahinintsika androany. Manandratra avo ny haisoratra malagasy izy indrindra fa eo anivon'ny fikambanana vitsivitsy misy azy any Frantsa, ka iray amin'ireny ny sampan'ny HAVATSA UPEM any an-toerana. Mamaly ny fanontanian'i Toetra RAJA izy ato amin'ny efitry ny Tapatapak'ahitra.
 
Miarahaba anao ANDAMIOLY ary misaotra indrindra amin'ny fanomezanao hasina ny Poetawebs sy ny mpiserany.  Poeta no tena ahalalan'ny tranonkala anao ka eto ampiandohana àry dia sitrakay raha ampahatsiahivinao ny niandohan'ny solonanaranao.

Miarahaba anao, Toetra RAJA, ary miarahaba ihany koa ny mpiserasera rehetra eto amin’ny poetawebs. Misaotra amin’ny fanasanareo ahy hivahiny eto.


Ny « Andamioly » dia tapa-teny vitsivitsy natambatra nalaina avy tamin’ny karazana solon’anarana niantsoan’ny manodidina ahy taloha :


ANDA : Frantsay lehibena toeram-piofanana iray tao Nîmes tamin’ny taona 2004 no niantso ahy hoe : "Anda" noho ny fahitany ny anarako feno "Andrianaivomanjato" lava loatra sy sarotra tononina. Nahafinaritra ahy io fiantsoany ahy io dia notanako ny ANDA.
MIO : Namana akaiky ahy, mpiara-mianatra tamiko tao Parisy tamin’ny taona voalohany no niantso ahy tamin’ny MIO, nalainy avy tamin’ny Miora.
LY : Nalaina avy tamin’ny Oully, solon’anarana nahalalan’ny sasany ahy tao amina tranonkala iray natao ifandraisan’ny samy Malagasy. Tao amin’io tranonkala io no anisan’ny namoahako ny tononkaloko voalohany sy nampiroborobo izany. Litera roa farany tamin’ny Oully no nanome ny "ly" na koa "Oully" somary nogasina ny oly, natambatra tamin’ny "Mio", etsy ambony, dia nanome "mioly". Koa raha tovonana "Anda" eo alohan’ny "mioly" dia nanome ny Andamioly.

Raha arak'izany tantara izany dia efa elaela ihany ianao no nanoratra ô? Nisy antony manokana ve?
 
Vao haingana aho, Toetra RAJA, no tena niroborobo tamin’ny fanoratana, indrindra ny tononkalo. Angamba vao 10 taona mahery teo ho eo izay. Ary tsy azo lazaina hoe lafatra izy ireny fa mbola manatsara hatrany e!
Fahadisoam-panantenana teo amin’ny lafiny fitiavana no tena antony manokana tamin’izany :-). Fa efa misampana lohahevitra maro samihafa ny tononkaloko ankehitriny.

Ary ny momba ny HAVATSA UPEM?
 
Ny anton'ny nidirako tao ve?

Izay tokoa, na koa angaha hoe ny fiforonan'io sampana io tany Lafrantsa?

Fifanandrifian-javatra no nahatonga ahy ho mpikambana tao amin’ny Havatsa UPEM. Sendra tafaraka tampoka teny an-dalana, tao Parisy, tamin’i Fredy Jaofera izahay sy i Ny Kanto (Poeta, samy mpikambana ao amin’ny Biraon’ny Havatsa UPEM sampana Frantsa izahay ankehitriny). I Ny Kanto sy izaho moa no mpinamana tamin’izany. Ary i Fredy Jaofera no nilaza taminay fa misy fikasana hanangana Havatsa UPEM sampana Frantsa. Nanomboka teo no nifaneraserako tamin’ny Havatsa ary mbola maha mpikambana ahy mandraka androany.

Ka nahatonga anao koa...
 
... ho isan’ny mpikambana ao amin’ny birao hatramin'izao.

 

30 Aprily 2005, andro nitokanana ny nijoroan'ny HAVATSA sampana Frantsa tao Parisy
Izy 10 mianadahy nanangana, miampy ireo nanome voninahitra ny lanonana
Miankavia-miankavanana : DadaRabe, Aina, Lalatiana, Andamioly, Toetra Raja, Hanitr'Ony, Ny Kanto, Fredy Jaofera, F.X. Mahah (takona), Di, Yvette Ranjeva, Lalaina, Antsiva, Hajaina, Thina Andriafaly, Raivo Patricia (mipetraka)
HAVATSA foibe, tamin'ny fankalazana ny faha 60 taona.
Andamioly, eo ambony indrindra faharoa avy any ankavanana

 

Inona ny hetsika manaraka ketrehan'ny HAVATSA UPEM sampana Frantsa?

Mba anjaran'ny sampana Frantsa no mankalaza ny faha 60 taona nijoroan’ny fikambanana foibe. Saika notanterahana tamin’ny herintaona 2012, tamin’ny volana desambra teo moa izany fa noho ny tsy fisian’ny efitrano nalalaka dia nahemotra ho amin’ity taona 2013 ity. Raha sitrapon’Andriamanitra dia amin’ny volana Febroary izao no hanaovana izany. Eo am-pamaranana ihany koa ny fanontana ny bokin’i Abel Andriarimalala izahay izao.

Manana ny lazany izay poeta izay?

Tsy zoviana amin’ny maro intsony angamba i Abel Andriarimalala fa mpikambana ao amin’ny Havatsa UPEM Sampana Frantsa sady mpampianatra teny malagasy sy frantsay teto an-tanindrazana, mpikabary, mpanoratra sy mpilalao tantara an-dampihazo, mpihira sy mpamoron-kira, mpitantara angano, mpiantsa tononkalo, sns. Ny fikambanana no nanatontosa sy hamoaka io bokiny io ka amin’io fankalazana ny faha 60 taona io indrindra no kasaina hamoahana izany.

Niara-nanapaka ny mofomamin'ny faha 60 taonan'ny HAVATSA UPEM tamin'ny filohany sy ireo filohamboninahitra ianao. Hita ato amin'ny Poetawebs ny sary. Misy antony manokana ve?

Eny, Tompoko ! Ny sampana Frantsa no nanolotra ny mofomamy nozaraina ka i Fredy Jaofera sy izaho no nisolotena ny sampana Frantsa tamin’io lanonana io. Niangavian-dry zareo niaraka nandidy mofo tamin’ireo filoha isany izahay.

Ahoana ny fahitanao an'ireo poeta sy mpanoratra eto Madagasikara izay tsy mpifanerasera aminao matetika?

Entitra kokoa ny fidirana ho mpikambana Havatsa UPEM ao amin’ny foibe, tsy mba ohatran’ny any amin’ny sampana. Hany ka manome vokatra tsara kokoa, ry zareo. Mahaliana ny mifandray amin’izy ireo, ny mifanakalo hevitra sy traikefa. Nianatra zavatra maro aho.

Nihaona tamin'ny poeta ankoatra ireo mpikamban'ny HAVATSA UPEM ve ianao amin'izao fandalovanao eto Madagasikara izao?

Eny tokoa ! Maromaro ihany fa ny singaniko manokana eto dia ilay vao tamin’ny tapa-bolana teo, tamin’ny 11 janoary 2013. Nihaona tamin’ny Pst Ramino Paul mivady aho. Marina fa efa mpikambana tao amin’ny Havatsa UPEM izy.

Hay ve?

Saingy efa ela. Nanao anterivava (interview) ho an’ny RadioToko3 azy ireo aho. Nahaliana dia tena nahaliana tokoa ny resadresaka nifanaovanay. Nahakasika sehatra maro :

-    ny fanabeazana malagasy sy kristianina amin’ny maha mpitandrina azy ireo. Sahaza tsara antsika any Andilambato ny traikefa niainan’izy mivady sy ny torohevitra nomeny.
-    niresaka ny toe-draharaha eto amin'ny firenena ihany koa izahay ; ny fomba fijereny ny zava-misy ankehitriny izay lalovan’ny firenena.
-    ary indrindra ny amin’ny fanoratana amin’ny maha mpanoratra sy poeta azy mivady

Sady manasa anareo sahady hihaino io anterivava io ao amin’ny RadioToko3.mg
Fa miresaka fanasana hihaino anterivava ao amin’ny radiotoko3.mg ihany isika, Toetra RAJA, dia manararaotra kely aho milaza fa ho henonareo tsy ho ela koa ny anterivava nataoko an’i Esther R. Randriamamonjy, izy koa dia Mpampianatra – Mpanoratra – Mpandika asasoratra.

Momba io Radio TOKO3 io indrindra, tsy vahiny amin'ny sofin'ny  mpihaino ny feomanganao. Inona no andraikitrao ao?

Misaotra re amin’ilay hoe feomanga e ! Mpiara-miasa akaiky amin’i Bana Rahalahy ao aho, poeta sy mpikambana Havatsa ihany koa izy. Miandraikitra ny fifandraisana ivelany aho, ny ara-barotra, ny anterivava, fiantsana tononkalo, filalaovana tantara, fanaovana jingle, sns.

 

Tsara asiana tsindrim-peo kely ilay hoe "fiantsana tononkalo"?

Araka ny nolazaiko teo aloha dia mpikambana Havatsa izahay mianadahy anisan’ny mpiara-miasa ao ka ny tononkalo sy ny literatiora malagasy no tena voizinay. Ao koa ny fahendrena sy ny haren-tsaina malagasy, araka ny filamatray hoe: teny gasy, tany gasy, tena gasy!

Noho izay indrindra angamba no iarahanareo miasa amin'ny raiamandreny RASOANARIMALALA fantatra amin'ny solonanarana RASOABAKOBAKO. Ahoana ny fahitanao ny fiaraha miasa eo amin'ny Malagasy mifanalavitra vanim-potoana iainana?

Nolazainy tamiko fa mpihavana hono ianareo :-)

Tsy diso :-)

Tena tombony lehibe ho ahy ary tiako hireharehana mihitsy io fiaraha-miasa nisy tamiko sy Rasoabakobako io. Tamin’izahay nihaona voalohany, raha tsy diso ny fitadidiako dia efa 83 taona izy. Nandritra ny fandraisam-peo niarahanay natao dia tahaka ireny niara-niasa tamin’ny olona mitovy taona tamiko ireny aho. Vitany tamin’ny antsakany sy andavany avokoa izay rehetra nangatahana taminy. Tsy nisy famerimberenana akory. Mbola ao tsara ny fitadidiany. Variana izahay rehetra! Izaho aza no nanao diso matetika. Hita tokoa fa tsy vaovao taminy ny sehatra "Radio".

 

Sary indray mipika tao amin'ny studio - Radio Toko3
ANDAMIOLY mitehan-tsoroka an'i Neny RASOABAKOBAKO. Abel ANDRIARIMALALA kosa fahatelo avy eo ankavanana

 

Misy fotoana ihaonanareo ve ankoatra ny Radio Toko3?

Indray mandeha aho nasainy tany an-tranony, tany L'Haÿ-les-Roses, departemanta 94, faritra ivelan’ny Parisy. Na ny resaka nifanaovanay na ny hakingana nananany dia tahaka ny namangy namana iray mitovy taona amiko ireny hatrany aho.

Izany hoe ?

Izy no nitsena ahy tany ambany tany am-bavahady. Boky no mameno ny tranony ary ny famakiana ireny no handaniany ny fotoanany. Ny nanaitra ahy dia irony "magazine" natao ho an’ny vehivavy irony no tena betsaka, ankoatra ny literatiora frantsay sy malagasy: Femme actuelle, Elle, … ka ny fikarakarana tarehy sy vatana no famakiny. Moa ve tsy nifanojo ny tadin-dokanganay? Mbola liam-pivoarana izy, arany avokoa ny zava-misy rehetra (actualités et faits divers) hatraty Madagasikara. Dia nanafatrafatra ahy izy:

"Raha te ho tanora lalandava indry, hoy izy, dia fidio ny namana iarahana fa aza miaraka amin’ireny antitra be tahaka anay ireny''.
Dia niara-nihomehy tahaka ireny zaza eny an-tokontanim-pianarana ireny izahay.

Nahafantatra ny tantarany ve ianao talohan'izao fiaraha-miasanareo izao?

Tsy nahafantatra ny tantarany tamin’ny antsipirihany aho talohan’ny nifankahalalanay, fa rehefa niara-niasa izahay dia io no fahafinaretany; ny mitantara ny lasany. Izaho rahateo liana be ny hahalala izany.

Ary ny lazany ?

Ny lazany indray dia ny anarany fotsiny no tsy vaovao tamiko. Tamin’ny fotoan’androny, hono dia tsy nisy vehivavy na renim-pianakaviana na mbola mpitovo tsy nahalala azy, raha mbola nila torohevitra sy fanampiana. Nahalala ny fandaharana nokarakarainy tao amin’ny Radiom-pirenena malagasy avokoa ireny, mbola ny RNM ihany koa hono mantsy no radio nisy tamin’izany. Nifamonjena mihitsy ny fihainoana ny fandaharana nataony. Nalaza tokoa izy sy ny feony.

Ankoatra izay dia anisan'ireo lohandohan'ny mpisorona ao amin'ny RNS koa ianao, azonao ambara ve ny andraikitrao ao?

Toerana ambony loatra ity hametrahanao ahy ho isan’ny lohandohan’ny mpisorona ity.

 

Izay mihitsy kà! Fa azavao kely aloha ny momba an’ity RNS ity ho an’izay tsy mbola mahafantatra.

Ny "Rencontre Nationale Sportive" dia mampihaona malagasy 6000, eo ho eo, aty amin’ny faritra Eoraopa ; mpanao fanatanjahan-tena sy mpakamamy ny sehatra ara-kolontsaina malagasy ny ankamaroany. Ny fikambanana CEN (Comité Exécutif National) no mikarakara io fihaonambe io. Mikambana ao amin’io CEN io ny fikambanana ara-panatanjahantena sy ara-kolontsaina misy aty amin’ny faritra Eoraopa izay maniry hiditra ka mahafeno ny fepetra. Niditra tao ny Havatsa UPEM sampana Frantsa ka nisolontena ny fikambanantsika aho. Marihako fa talohan’io no efa nantsoin’ny Filohan’ny CEN – Olivier Razafindranaivo – ho mpiara-miasa taminy aho ka nandeha ho azy ny fisoloako tena ny HAVATSA UPEM. Nisy fivoriambe natao tamin’izay ka lany tamin’ny fifidianana natao ho isan’ny mpitondra tenin’ireo fikambanana mivondrona ao amin’ny CEN aho. Dia voatendry ho mpiandraikitra voalohany ny "stands" aho tamin’izany. Teo no nidirako tsikelikely tao amin’ity fikarakarana ny fihaonamben’ny malagasy aty Eoraopa ity.

Indraindray dia ahitana tononkalo ao anatin'ny gazetin'ny RNS. Tolokevitra avy tamin'i ANDAMIOLY ve izany?

Tsy tolokevitro irery saingy afaka milaza aho hoe anisan'ny nitondra anjara biriky lehibe tao aho. Indrindra teo amin’ny pejy natokana ho amin’ny teny malagasy.

 

Avy eo ankavia : Andry Andriamampianina, Hanitra Rabefitseheno ary  ANDAMIOLY, samy tompon'andraikitra ao amin'ny RNS eo amin'ny ara-koltoraly.

Efa namoaka boky ve ianao?


Eny, amboara tononkalo misy pejy vitsivitsy. "Soniako" no lohateniny.

Azo lazaina ve ny fomba hafa entinao mampiely ny sanganasanao?

Eto amin’ny aterineto. Fiantsana andapihazo, ihany koa, rehefa misy hetsika handraisan’ny Havatsa anjara ohatra. Dia amin’ny Radio Echos du capricorne, Radiovazogasy fa indrindra ny Radiotoko3.mg

Manomana hetsika àry ve ianao ato ho ato: sehatra, antsa, boky vaovao sns?

Raha izaho manokana no iantefan’ny fanontaniana fa tsy ny fikambanana misy ahy dia manam-pikasana hiditra amin’ny fanatontosana horonantsary mihetsika aho, ato ho ato. Nandritra ny naha taty Madagasikara ahy mantsy dia nahasoratra tantara foronina iray izay aho, misy pejy 100 eo ho eo. Anisan’ny nanampy ahy tamin’ny hevitra sy fanitsiana teo amin’ny famoronana azy io, sady manararaotra misaotra azy ireo eram-po eran-tsaina ihany koa aho, ry Hajaina na Andrianasolo Hajaina Naomy (Sekretera Jeneralin'ny HAVATSA UPEM), Iharilanto Patrick Andriamangatiana (Filoha ankehitriny ny Havatsa UPEM Foibe), Agnès Raolison Rakotoson (zanaky Rajemisa Raolison), Abel Andriarimalala, Liva Ramanana Rahary (mpiara-miasa eo amin’ny sehatra ara-kolontsaina ao amin’ny RNS) ary indrindra i FX Mahah na François Xavier Razafimahatratra, ankoatra ny maha Filohan’ny Havatsa UPEM sampana Frantsa azy dia izy no solon’ny Ray aman-dreniko aty Frantsa, mifandray akaiky amin’ny lafiny maro izahay mianaka.

Nisy atrikasa koa moa nokarakarain’ny Havatsa UPEM foibe taty Madagasikara ka anisan’ny nanampy ahy ny fanatrehana izany.

Nalefako tamin’ny fifaninanana tantara foronina nokarakarain’ny Akademia Malagasy (ho fankalazana ny faha 110 taona nijoroan’ny Akademia) izy io saingy angamba tsy ho andriko ny hivoahan’ny valin’ny fifaninanana satria nahemotra ho amin’ny volana Mey 2013 indray ny fara fandraisana ny sanganasan’ireo mpifaninana. Mikasa hamoaka azy io mialoha anefa aho, indrindra araka ity nolazaiko ity hoe kasainay holalaovina amin’ny horonantsary mihetsika ilay izy. Hosintoniko amin’ny fifaninanana indray izany ity asasoratro ity :-).

Mifanerasera amin'ny mpanakanto hafa ve ianao ankoatra ireo poeta sy mpanoratra?

Mpanakanto sy artista maro tokoa no nifanerasera tamiko tao anatin’ny 3 taona teo ho eo izay. Nisedra olana be izahay tamin’ny taona 2010 niaraka tamin’ireo artista ireo, tamin’ny fankalazana ny faha 50 taona nahazoantsika ny fahaleovantena, tany Frantsa. Tao anatin’izany ry Jaojoby, Dah Mama, Bodo, Mamy Gotso, Melky, Tovo J’Hay, Jean Emilien, Mika sy Devis, Gothlieb … Raha mamaky izao resadresatsika izao, ry zareo, ireny dia tiako ho fantatr’izy ireo fa iriko raha fiarahana mahafinaritra hafa indray no hihaonana amin’ny manaraka.
Ary ny teto Madagasikara indray?

Nandritra ny fandalovako teto Madagasikara kosa dia i DLain no nifanerasera tamiko. Anisan'ny mpihira malaza aty Madagasikara izy izao ary anisan'ny reharehan'ny Malagasy. Izy no nibata ny amboara tamin’ny  tamin'ny fifaninanana nokarakarain'ny Castel Live Opéra ny taona 2012 lasa teo, izay natao tany Abidjan - Côte d'Ivoire, ho an'ny faritra Afrika, izay nisoloany tena an’ny Madagasikara. Nanao anterivava azy ihany koa aho, izay azontsika arahina ao amin’ny radiotoko3.mg

Iza amin'ireo mpanakanto àry no tena akaiky anao indrindra?

Fa ny mifampitondra ho toy ny mpiray tampo, mifampihinana ny manta sy masaka amiko hatramin’izao dia ry Toto Mwandjani sy Lolone, Njakatiana ary i Tanjona (r’zalà taloha).

 

Ny andron'ny nanokafana ny Radio TOKO3
ANDAMIOLY eo afovoan'ireo mpanakanto akaiky azy indrindra toa an-dry Toto Mwanjani sy Lolone,
Njakatiana, Hanta sy Bana Rahalahy...
Vao tsy ela akory izay no niantefa tany amin'ny tononkalonao "Sanatriaviko" ny safidin'i Lalasoa Berïnson, tia mamakafaka tononkalo. Ahoana ny fihetsehamponao?

Tohina tokoa ny fo. Tsy nampoiziko mihitsy. Nanontany tena aho hoe : Hay mba misy azo fakafakaina tahaka izany ny soratsoratro?

Ahoana ny fahitanao ny hevitry ny mpamakafaka izay marihana fa poeta toa anao koa?

Nafonja. Nanome lanja ilay tononkalo ny fakafaka nentiny. Na izaho aza anie nianatra zavatra tamin’izay nolazainy e! Hoy aho hoe: "Hay ve izany no tian’ny mpanoratra ho ambara e!":-). Afa-po aho tamin’ny famakafakana nataony. Mahay tokoa Ramatoa Poeta Lalasoa Berïnson ary faly nahafantatra azy aho.

Azonao hazavaina fohifohy ve ny tononkalonao hoe "Sodoka" nosoratana tamin'ny 2004?

O ry Toetra RAJA a! Tsy tsaroako intsony ny fisian’izany tononkalo izany fa tsy maintsy hokarohako kely aloha:-). Nefa azoko an-tsaina ihany raha izany tamin’ny 2004 izany. Angamba noho ny zavatra niainako sy nolalovako teo amin'ny lafiny ara-pitiavana. Nahatsiaro "Sodoka" angamba aho tamin’ny teny sy fihetsika natao tamiko tamin’izany. Araka ny nolazaiko tany aloha dia matetika mivoaka ny aingam-panahy rehefa misy zavatra sedraiko, izay tsy voatery eo amin’ny lafiny ara-pitiavana ihany akory. Ilay "Hay nofy ihany" ohatra dia nosoratako tamin’ny febroary 2009, noho ny toe-draharaha navaivay teto amin’ny firenena.

Maro amin'ireo tononkalonao ve no niainanao?

Ny sasany fa tsy izy rehetra akory.
 
Rehefa tojo zavatra sedraina indrindraindrindra?

Tsy mifidy toerana izy io fa na eny ambony fiara aza dia maha te handray penina avy hatrany. Nandalo fotoana sarotra aho tamin’ny taona 2012 lasa iny ka anisan’ny nahateraka ilay tantara foronina izay hivoaka tsy ho ela raha sitrapon’Andriamanitra.

Fanao eto amin'ny tapatapak'ahitra ny miangavy andinin-teny iray na roa amin'ny vahiny mialoha ny fanaovam-beloma.

Tonga ao an-tsaiko avy hatrany ilay hoe: "Le cœur d’une femme est un océan de secrets", miala tsiny fa amin’ny teny frantsay. Tiako izy io satria mety be amin’ny fomba fisainako. Matoa naborako teto ireo tiako naboraka dia tsy mbola tsiambaratelo izy izay. Matoa koa voasoratro an-tononkalo na an-tantara ny tao an-tsaiko ka voavakinao, teny ho eny, dia tsy mbola tsiambaratelo. Fa ny ankoatr’izay tsy nolazaiko sy tsy nambarako ampahibemaso dia aleo ho rakitra ao am-poko, ao anaty ranomasimben’ny tsiambarateloko.

Misaotra indrindra ANDAMIOLY fa tena voky tokoa ireo mpisera izay samy nihanoka ny tantaranao, ny eritreritrao, ny traikefanao, ny fahatsoranao... Misaotra anao nanaiky namoy fotoana tamin'ny fivahiniana satria naharitraritra ihany ny tafantsika teto. Mirary soa sy ho avy mamirapiratra ho anao ny Poetawebs.

Misaotra anareo ihany koa tamin’ny fanasana ahy. Misaotra ireo mpisera tamin’ny faharetana namaky. Mirary ihany koa raha mirary ity sehetra ity ho lasa lavitra sy aharitra ela eo amin’ny fampitana sy fanandratana ny harentsaina malagasy. Misaotra, Tompoko!

 

Poetawebs©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

 

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021