Créer un site internet

varavarana

poeta_malagasy Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

ikopa


   

TAPATAPAKAHITRA

    BABITY LAURENT
    01 aogositra 2010
   

Andrarezin’ny haisoratra malagasy any amin’ny faritra atsinanana no vahinintsika indray dia tsy iza izany fa i BABITY Laurent. Mpanoratra izy ary nanangana ny Havatsa Upem sampana Toamasina. Izy rahateo moa no filoha amperinasan’izany fikambanana izany izay vao avy nahavita hetsika lehibe momba ny bokim-pampianarana sy haisoratra tamin’ny volana mey teo. Mpampianatra ihany koa izy ary mpikaroka momba ny olona sy fiaraha-monina (anthropologie). Ankoatra izany dia tsy vahiny amin’ny sofin’ny mponin’iny faritr’iny ny feony amin’ny maha mpanentana fandaharana literera azy ao amin’ny RNM Toamasina. Manangona ny fomba amam-panao betsimisaraka izy ary mahafolaka tsara ny fiteny malagasy ofisialy sy betsimisaraka. Tsy mbola mivelatra eto amin’ny aterineto kosa anefa ireo sanganasany ka izany indrindra no nahatonga ny tranonkalan’ny poeta malagasy hanasa azy hiara-mitapatapak’ahitra etoana.

Miarahaba anao  andriamatoa BABITY Laurent ary misaotra indrindra nanaiky ny fanasanay. Te hahalala bebe kokoa ny lalana nodiavinao eo amin’ny soratra ny mpisera raha misy azo anampiana ny voalaza etsy ambony.


Nanomboka tamin’ny taona 1994 aho no nanoratra rehefa avy nanaraka ny fampiofanana momba ny “stylistique” nampanaovin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Tononkalo no nanombohako izany dia niitatra tamina fanoratana tantara fandefa amin’ny radio ary amin’izao fotoana izao dia soratako daholo ny momba ny fihavanana, ny maha olona indrindra fa ny kolontsaina betsimisaraka.


Babity Laurent miantsa tononkalo nandritra ny fanokafana ny “Tsidika Atsinanana”


Inona no endriky ny haisoratra manavanana anao indrindra ary fomba ahoana no ampielezanao ny sanganasanao ? Efa namoaka boky ve ?


Ny fanoratana boky mikasika ny kolontsaina betsimisaraka, ny maha olona, ny fihavanana ary ny tantara madinika alefa amin’ny radio no manavanana ahy indrindra. Ao anatin’ireo no matetika amoahako anatranatra ho an’ny tanora sy ny mpiara-monina. Amin’ny fiteny betsimisaraka no mazàna anoratako ary efa namoahako boky vitsivitsy izany.


Efa nandray anjara tamin’ny fifaninanana momba ny haisoratra ve ianao ?


Eny, anisan’izany ohatra ny “taratasy ho anao” izay nahazoako ny loka voalohany teto amin’ny faritanin’i Toamasina. Teo koa ny kabary momba ny “fatidrà” nampanaovin’ny Radio Voanio izay nahazoako loka ihany koa ary ny fifaninanana tononkalo nampanaovin’ny Radio Feon’ny Mazava Atsinanana eto Toamasina ka nahazoako ny “trophée” taona maromaro lasa izay.


Filohan’ny Havatsa sampana Toamasina ianao. Inona no nahatonga anao sy ireo mpikambana hafa namorona an’io sampana io ? Efa mpikambana tao amin’ny Havatsa ve ianao talohan’ny nananganana an’io sampana io ?


Efa nianatra nanoratra izahay ka mba hahafahanay mamoaka ireo sangan’asa vitanay sy mba hahitanay olona hanitsy azy ireo dia ilaina ny miditra amina fikambanana mpanoratra. Tamin’ny fotoana nananganana ny sampana HAVATSA UPEM teto Toamasina aho vao mpikambana tao.

 

Fampirantiana « Tsidika Atsinanana ».
Ankavia miankavanana : Velo (Filohan’ny Sampana Antsirabe), I.P.ANDRIAMANGATIANA (Filoha lefitra HAVATSA UPEM), BABITY Laurent (Filohan’ny Sampana Toamasina), Hobiana (Filoham-boninahitra Sampana Arivonimamo)


Nandritra ny hetsika nataonareo tamin’ny 13 sy 14 mey 2010 dia misy tanora vitsivitsy hanatevin-daharana ny fikambanana. Fantatrao ve ny anton’ny fahavononan’izy ireo ?


Tsotra ny antony : voalohany, efa mianatra manoratra izy ireo ary efa samy manana sanganasa ka maniry ny ho matihanina amin’ny asa fanoratana. Faharoa, mankafy ny literatiora izy ireo noho ny fanentanana sy ny sanganasa alefako ao amin’ny Radio Nasionaly Malagasy eto toamasina.


Amin’ny maha mpampianatra anao, ahoana ny fijerinao ny ho avin’ny teny malagasy any an-tsekoly sy eo amin’ny fiainana andavanandro ?


Manahy be ny amin’ny hoavin’ny teny malagasy any an-tsekoly aho satria vitsy ny boky malagasy tafiditra amin’ny fandaharam-pianarana ary na izay tafiditra aza dia tsy hita any amin’ny sekoly any amin’ny faritra. Tsy tia mamaky boky ny mpianatra noho ny fahazarana mijery horonan-tsary amin’ny fahitalavitra.

Eo amin’ny fiainana andavanandro dia miteny diso ny olona, ohatra hoe : "izany no ampiasaina azy" raha tokony hoe "izany no ampiasana azy". Ohatra hafa koa ny hoe ahy izay tenenin’ny maro hoe anahako. Ary misy aza moa ny teny sasany izay efa tsy heno intsony.


Betsaka ireo voambolan’ny fiteny malagasy ofisialy no verivery fotsiny satria tsy ampiasain’ny olona intsony. Ny fiteny Betsimisaraka koa ve mba tratr’izany aretina izany ?


Be dia be ireo voambolana betsimisaraka izay nanjavona satria tsy ampiasaina intsony, ohatra: olona vadikadika, midika hoe olona mpandainga; tsiabiaby, midika hoe "indrindra fa" ; hankalo midika tsangambary ; sy ireo fomba fiteny eo amin’ny fandrefesana ny vary ao anaty sompitra : zehy, tômbotañ̈ana, hoeñ̈a, mamaky tratra, sns…


Betsaka ve ireo voambolan’ny fiteny betsimisaraka vaovao ?


Misy ny voambolana betsimisaraka vaovao izay entin’ny vanim-potoana iainana toy ny hoe : midroañ̈a ilazana ny mamadi-bainga amin’ny lapelina; gadrêmaka teny vaovao ilazana ny betsabetsa; kasibiliñ̈a midika toaka gasy na badràka.


Fantatr’olona sy tia fihavanana ianao. Inoanay fa manana toro-hevitra azo omena ireo tanora ianao mba hiroboroboan’ny fifandraisan’ny samy Malagasy sy ireo samy mpandala ny haisoratra malagasy ?


Tsy lainganao fa be dia be ny olona mahalala ahy noho ny sanganasako izay heno amin’ny RNM Toamasina sy ny Radio Voanio ary ankafizin’ny olona. Tia fihavanana aho ka ny torohevitra omeko dia voalohany, mihaino ireo fandaharana ombam-panentanana ataoko amin’ny radio. Faharoa, mamaky ireo boky nosoratako na tononkalo na boky hafa fa ny ankabeazan’izy ireny dia mirakitra fanabeazana momba ny fihavanana avokoa.


Araka izany dia mpanentana ao amin’ny radio RNM ianao, azonao asiana fanazavana ve ny amin’io ?


Mandritra io fandaharana sahaniko io dia mamaky ny sanganasan’ireo mpikambana HAVATSA UPEM Toamasina izay atolotra ahy hovakina aho ary mampahafantatra ny olona ny kolontsaina misy aty an-toerana.


Ankoatra ny asa fivelomanao sy ny fanandratana ny kolontsaina Malagasy. Inona no fialamboly mahazatra anao ?


Mamboly : mpamokatra kafe, letisy, voanio, voasary, saonambo, akondro ary mananasy aho.


Toy ny mahazatra ny mpisera, afaka manonona andinin-tononkalo iray anao na an’ny poeta hafa ankafizinao ve ianao ?


Ingia antsika jiaby mba hifankatia

Tsy hisy hifañ̈ary fa hiara-dia

Ñy raha anoiñ̈a ijiaby hiaraha-mañ̈ano

Antsika hifañ̈ampy, hiray hiñ̈a isan’andro


(…)


Atôvo lalàñ̈a ñ̈y fifankatiavañ̈a

Ka ñ̈y mpiara-moniñ̈a hataontsika havañ̈a.

Hatao tarigetra ñ̈y rano sy vary :

An-tsaha, an-tanàñ̈a, tsy mahay fañ̈ary.


Resy lahatra tanteraka izahay eto amin’ny tranonkala fa manankarena ny kolo Malagasy. Porofon’izany ireo fanazavana nentinao teto amin’ity takelaka ity. Fisaorana no atolotray be dia be anao ary mirary fahombiazana hatrany ho anao izahay.


Misaotra anareo ny nanasa ahy na dia mpanoratra kely vao miana-mandeha aty ambany ravinkazo aty aza ny tenanay. Maniry fifandraisana sy fifanakalozana traikefa amin’ireo mpanoratra matihanina izahay.

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021

×