Créer un site internet

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

18 Septambra 2016

Tix-Aina, vahinin'ny Pôetawebs

Mbola faly miarahaba sy mitafatafa aminareo mpanaraka ny Pôetawebs indray izahay mianadahy. Anyah no eto amin'ny fanolorana ary Tix-Aina no vahinintsika anio.

Anyah
Faly miarahaba anao Tix-Aina.

Tix-Aina
Hafaliana ho ahy ny mivahiny eto amin'ny Pôetawebs, faly miarahaba anao ihany koa Anyah.

Anyah
Hono ho'aho Tix-Aina, azonao lazalazaina anay ve hoe iza ianao?

Tix-Aina
Eny! I Tix-Aina (na Tsiriniaina) dia anisan'ny te hanandratra avo ny hasin'ny asa-soratra, teraka tamin'ny 21 novambra 1982 teto Antananarivo, mpikambana ao amin'ny KORIRA KANTO.


Anyah
Mazava tsara izay ny momba anao fa tsy hivalaparantsika be iny.
Araka ny fantatra dia mpanoratra ianao. Mpanoratra inona tompoko azafady? Taiza no niantombohanao nanoratra?

Tix-Aina
Mpanoratra tokoa aho ary hatreto aloha dia mbola mibahan-toerana amin'ny asa-soratro ny tononkalo sy sombin-tantara fa raha ny faniriako dia ho tonga hatrany amin'ny tantara azo lalaovina anaty onjam-peo ny tenako.
Ny nanombohako nanoratra indray dia fony mbola kely.
Mbola mpianatra teny amin'ny CEG angamba raha tsy diso aho satria efa ela ihany izay.


Anyah
"Ela ihany" izany hoy ianao fa araka ny hevitrao ve tsy "talenta" na zavatra efa mipetraka ao anatinao ny fanoratana ka misy hoe afaka manoratra ianao na tsy afaka? Ny tiako holazaina dia izao: zavatra efa ao anaty toy ny hoe manao ody may ny olona iray, dia izay mihitsy izy fa tsy zavatra nianarany na nalainy tahaka.

Tix-Aina
Marina tokoa izany! Amiko mantsy dia tsy azo terena ny aingam-panahy fa mila ilay fanahin'ny poeta araka ilay tononkaloko izay.
Izany hoe tsy ny olona rehetra no afaka manoratra  fa izay nomem-pahasoavana manokana.
Ny antony, misy fitaizana ny manodidina sy ny mpiara-monina ny asa-soratry ny tsirairay ka raha samy hananatra daholo, iza indray no hihaino sy hatoro.
Mino aho fa azonao tsara ny tiako ambara.


Anyah
Azoko tsara! Fa ny mahalasa ny saiko amin'izao Tix-Aina dia hoe: amin'ireny poeta marobe ireny, misy tampotampoka eo dia lasa mifaninana manao sombin-tantara sy tantara. Lasa ny saiko hoe mbola tohin'ilay talentany ao anatiny ve lay izy sa terena fotsiny ny penina hikorisa hanoratra tantara na fiainan'olonkafa?  Saina tena lasa ny ahy satria hitako eny rehetra eny lay izy.  Aminao manokana ahoana ny fahitanao azy ireny?

Tix-Aina
Ny hoe hifaninana angamba tsy dia izay loatra no fahafantarako azy fa na ny tononkalo na ny sombin-tantara sy ny tantara dia samy aingam-panahy daholo ihany.
Izany hoe raha tena hifaninana fa tsy ny hamoaka ilay kanto ao anatiny ny olona iray dia izay amiko ilay hoe terena hikorisa ny penina. Fa raha tena ao anatinao ilay talenta dia ny hamoaka izany ho kanto ho an'ny hafa sy ny tenanao no tokony ho laharam-pahamehana. Hevitro manokana io.


Anyah
Avaditsika ny resaka. Hatraiza ka hatraiza izao ny dingana efa vitanao?

Tix-Aina
Ny dingana efa vita angamba tsy voafaritra hoe hatraiza sy hatraiza satria raha voafaritrao izany dia tsy ho tonga amin'ny tanjona tianao hotratrarina ianao. Fa ny marina dia andalam-pikatsahana ilay tanjona tiako ho tratrarina aho amin'izao fotoana izao.


Anyah
Araka izay maha-mpanoratra anao izay Tix-Aina dia manao ahoana sy manao ahoana ny fahitanao ny toetran'ny mpanoratra malagasy, ny fiainany ivelany sy ny asa sorany?

Tix-Aina
Ny toetra angamba mety ho sarotra ny hilaza izany fa momba ny asasorany no aleo asiako resaka kely.
Maro tokoa ny azo lazaina hoe tena kanto ny asa-sorany, nefa io toy  ilay fitenenana hoe saonjo iray lohasaha e, tsy hilaozan'izay hamarara, noho izany tokony ho matotra ihany ny tsirairay amin'izay kanto mety hatolony ho any mpiarabelona aminy.


Anyah
Marina loatra fa azonao lazaina àry ve raha efa namoaka boky ianao? Efa niantsehatra ve? Iza avy ireo olona efa niarahanao niasa?

Tix-Aina
Ny momba ny boky indray dia araka ilay voalaza teo dia ilaina fahamatorana tanteraka ny momba izany, efa eo ampanomanana izay indrindra ny tenako ary mampanantena fa tsy ho ela.
Ny hoe efa niantsehatra indray dia eny ny valin-teniko ary ireo niara-niasa tamiko moa dia maro izy ireo ka tsy ho voatanisa eto avokoa.


Anyah
Eny ary! Fa ity misy fanontaniana manitikitika ahy. Ianao ve mpanoratra miaina tanteraka amin'ny aingam-panahy sa ilay antsoina hoe poetan'ny saina? Izany hoe tsy manoratra raha tsy entanin'ny ainga sa rehefa te hanoratra dia manoratsoratra eny? Misy mantsy izao olona milaza fa afaka mamorona tononkalo izy ho an'ny hafa. Na inona tranga misy eo dia vitany ilay tononkalo angatahinao. Aminao manokana, mandeha araka ny aingam-panahy ve izy ireny sa mampiasa ny tenany sy ny sainy? Mety aminao ve ilay hoe mandrafitra teny kanto sy milanto ho vakiana?

Tix-Aina
Miankina tanteraka amin'ny aingam-panahy io ka! Araka ny efa voalazako dia tsy azo terena mihitsy hoe hanoratra aho dia hanoratra fa misy aina mamelona izy io ka raha tsy izay mihitsy no manainga anao dia tsy azo heverina ho poeta ianao.
Ary momba ilay hoe manoratra tononkalo ho an'ny hafa indray dia tsotra ny teniko. Hitoero aloha ilay tantara tian'ilay olona ka raha afaka manainga ilay fanahy mpanoratra ao anatinao ilay izy dia efa izy izay.
Ny hoe "mandahatra teny mikanto sy kanto" indray dia mila mipetraka aloha ilay hoe aingam-panahy izay ianao vao tokony hanaingo sy handrafitra azy ho kanto tokoa.


Anyah
Marina loatra ary miombon-kevitra aminao amin'izany aho. Fa aminao manokana ahoana no fahitanao ny fivoaran'ny literatiora malagasy eto amintsika?

Tix-Aina
Ny fahitako ny fivoaran'ny literatiora indray dia mizara roa:
1- mahavelom-bolo ihany aloha e
2- kivy ihany koa aho indraindray noho ilay fanatontolona satria indraindray tsy voahaja ilay fenitra maha-kanto ny asa-soratra sy ny tontolony.


Anyah
Tsy voahaja hoy ianao. Aminao ve misy taonany ny fotoana tokony hiaingan'ny aingam-panahy? Izany hoe tokony ho olona efa matotra ve no manoratra? Amiko manko a, miankina amin'ny fanomezam-pahasoavana io na talenta ka na zaza 9 taona aza izy dia efa manoratra; talentany izay ary tokony hotohanana. Lasa ady hevitra be mantsy eto amin'ny tontolon'ny literatiora ny zavatra toy izany, ahoana ny hevitrao?

Tix-Aina
Amiko aloha dia midadasika be izy io, izany hoe tsy misy fetra taona akory fa araka ny efa voalazako dia ilay fanahy mpanoratra ao anatinao no mibaiko fa tsy ianao akory.
Izany hoe afaka manoratra ny tsirairay fa ny fifehezana azy kosa no mitaky fahamatorana mihitsy. Ny antony mahatonga ilay ady hevitra anie dia tsy azo lavina kosa fa miharihary tahaka ny tafika andrefan-tanàna ny sasantsasany amin'ireo milaza hoe mpanoratra ka tsy mihaino ilay fanahy mpanoratra ao anatiny fa manery ny sainy hanoratra fotsiny e! Mazava ho azy izany fa tsy misy fanahy mpanentana izy fa ho entiny amin'ny sainy ka rariny raha mivaralila ny zavatra noheveriny ho kanto e!



Anyah
Tena marina izany! Izay indrindra no antony nanasanay anao hivahiny ato aminay, dia ny ahalalanay ny hevitrao manokana mahakasika an'izay. Fa raha tsy mahadiso, hanao hetsika ianareo. Afaka milazalaza aminay ny andinindininy mahakasika io hetsika io ve ianao?

Tix-Aina
Misy hetsika tokoa karakarainay, izahay hoy aho satria maromaro izahay no mikarakara io hetsika eny Marais Masay io.
Ny tena antony hikarakaranay io hetsika io dia misy ilay Andiam-poeta miray feo. Ny Andiam-poeta miray feo dia mitrandraka ireo ankizy mpanoratra rehetra miaina fotsiny anatin'ity seraseram-pesiboky ity.
Mantsy izy ireny ilay hoe tanin-ketsan'ny firenena ary toky sy antoky ny ho avy ka rariny raha ezahina mihitsy ny amoahan'izy ireny ilay talenta ananany ary ahafahany mamantatra bebe kokoa ny ambahindahin'izany atao hoe kanto atolotra ny hafa izany.
Ary eto aho dia manasa sy mamporisika azy ireny ho tonga amin'io 9 oktobra io.
Ny maraina manomboka amin'ny 9 ora dia hisy antsa iarahana amin'ireo poeta maromaro. Ny atoandro manomboka amin'ny 12 ora kosa dia antsa malalaka ahafahan'ny maro andraisana anjara.
Tsy misy vidim-pidirana.


Anyah
Mazava be tokoa ary mahaliana be ilay hevitrareo. Misy sakafo maivana ve sns? Sa samy mitondra ny sakafony?

Tix-Aina
Satrinay tokoa raha mba misy fiaraha-misakafo satria izay iray vatsy iray aina kanefa noho ny hamaroantsika dia mbola tsy ho vita izany fa aleo mba samy hitondra ny sakafo sahaza ny tsirairay.


Anyah
Mino aho fa voarain'ireo mpanaraka poezia eny rehetra eny izay hafatrao izay. Fa mialoha ny hamaranantsika ny tafatafantsika anio, inona ny hafatra tianao apetraka ho an'ny mpanoratra sy mpakafia poezia?

Tix-Aina
Ny hafatra tiako ambara amintsika mpanoratra indray dia aoka mba ho fitaratra eo anivon'ny fiaraha-monina isika mba tsy ho sanatria mpitari-bato vilam-bava ka ny tondroin'ny molotra hafa ny lazain'ny vava hafa ihany koa. Mamporisika antsika poeta namana rehetra aho mba hanolotra ny tsara sy ny kanto avy aminy avy.
Ny teny fohy ho an'ny mpankafy indray dia aoka tsy handray ireny tononkalo ireny ho rediredin'ny mpanonofy fotsiny isika fa mba ahay handray azy ireny ho lesona sy anatra hanatsarana ny tontolo manodidina antsika e!


Anyah
Marina loatra e!  Tena marina ary tena hafatra mafonja tokoa! Fa ho famaranantsika azy dia azonao lazaina ve fa mahaliana ny mpanaraka hoe iza avy hono ny mpiantsa ao amin'io hetsika ataonareo amin'ny 09 oktobra io?

Tix-Aina
Ny mpiantsa amin'io fotoana io dia ahitanao mpanoratra maromaro, voalohany indrindra amin'izany dia ny tenako Tix-Aina. Ao koa i Ando harinjaka, Bade RaanRama, Jayah Razaf, Tendry Razaf, Ari Fetra, Ma'Art LAZA, Tsiarou, D'Art Tsifoina, Poeta Adala, Mamiratra, Tikalo Tsisatry, Manjatiana, Njakatiana, Nour, Sarobidy, Rikibe, Feno Tolotra Ramihary (mpanentana). Miala tsiny indrindra amin'ireo mety tsy tadidiko fa maro izahay no ho hita ao.
 
Eto ampamaranana dia tsy hohadinoiko ny misaotra manokana ny Pôetawebs izay niarahako taminao Anyah. Mankasitraka mankatelina nandray ahy teto amin'ity tafatafa ity. Enga anie hitombo hasina hatrany ny literatiora Malagasy!
Mankasitraka indrindra tompoko!


Anyah
Hisaorako indrindra ianao nanaiky nivahiny teto aminay ary mirary soa anareo mba hahavita soa aman-tsara ny dingana efa natao.
Mankasitraka indrindra tompoko dia mirary soa.

Tix-Aina
Mametraka ny veloma mandra-pitafa tompoko ô!

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 18/09/2016