Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

23 martsa 2017

MIMOZAH RANDRIANATOAVINA, VAHININ'NY POETAWEBS

Ny 29 mars dia andro malaza amin'ny tantaran'i Madagasikara sy ny fitiavan-tanindrazana. Ny fikambanana Ny Korira Kanton'ny Haisoratra (VKHM) dia manamarika izany amin'ny alalan'ny antsa izay ataony. Izany indrindra no anton'izao fivahinian'i Mimozah Randrianatoavina eto amin'ny seraserantsika izao. I Léa Fandresena (Pôetawebs) no miaraka mitapatapakahitra aminy.

Léa Fandresena
Faly miarahaba anao tongasoa izahay Pôetawebs Mimozah. Manahoana ianao?

Mimozah Randrianatoavina
Dia faly miarahaba ihany koa, dia misaotra nampiantrano.


Léa Fandresena
Mpanoratra sy anisan'ny mpitarika ao amin'ny fikambanana ianao. Misy azonao ambara ve ny momba anao?

Mimozah Randrianatoavina
Eny marina tokoa izany fa isan'ny mpikambana mandrafitra ny biraon'ny VKHM ny tenako. Raha ny momba ahy Mimozah RANDRIANATOAVINA sy ny tontolon'ny asa soratra indray dia izao: mpanoratra tononkalo sy sombin-tantara ny tenako ary nanomboka niditra fikambanana tao amin'ny KORIRA tamin'ny taona 2013. Tany amin'ny taona 2009 tany anefa dia efa nanomboka nanoratra.


Léa Fandresena
Ny Korira Kanton'ny Haisoratra dia fandaharana ao amin'ny Accem radio. Misy ifandraisany amin'ny fikambananareo ve?

Mimozah Randrianatoavina
Raha ny momba ny fikambanana indray dia misy tokoa ny ifandraisany amin'ny fandaharana ao amin'ny onjam-peon'ny ACEEM RADIO satria ny Vondron'ny Korira Kanton'ny Haisoratra Malagasy na ny VKHM dia fikambanana ivondronan'ireo mpandefa sy sy mpankafy ny fandaharana ao amin'ny onjam-peo, izany hoe niainga avy tamin'io fandaharana io ny nisian'ny fikambanana.

 
 
Anarana diam-penina: Mimozah Randrianatoavina

Anarana Facebook: Mimozah Lemainty Maditra
Fanazavana. Izy io dia anarana nosafidiana avy tamina foto-pisaina, izany hoe raha tsorina kokoa dia manambara toetra. Ny Mimozah dia anarana zava-maniry tsy zoviana amintsika fa hazo iray izay heverina fa hazo manana ny toetra itovizana amin'ny mpanoratra. Zanaky Vakinankaratra i Mimozah Randrianatoavina
ka mahalala tsara ny momba sy ny toetoetran'ny mimozah sy ny hanitra entiny eo amin'ny tontolo misy azy.
Mainty : izy mihitsy iny.
Maditra. Tsy ditra toy ny ditra izay heverin'ny maro hoe hadalana sy ny sisa akory fa midika ho "maditra ara-tsaina, ara-kevitra". Raha mbola hazavaina misimisy dia hoe "manana saina sy hevitra heverina ho tsy dia itovizana loatra amin'ireo izay manodidina ahy".

Amin'ny andavanandro: Alain na i Toavina no iantsoana azy.

 

Léa Fandresena

 

Raha itarina ny fanazavana, inona no azo lazaina momba ny fikambanana?

Mimozah Randrianatoavina
Ity fikambanana ity dia ivondronana mpanoratra sy poeta tanora maromaro mpankafy ny fandaharana tao amin'ny Aceem. Izany akory tsy midika fa tsy azon'ireo efa zokinjokiny atao ny miditra ho isan'ny mpikambana. Amin'ny maha fikambanana azy dia manana ny taratasy fanamarinam-pijoroana avy amin'ny fanjakana izy. Araka izany ihany koa dia misy fitsipika anatiny ifampifehezan'ny mpikambana rehetra.

Ny fikambanana dia misokatra ho an'izay rehetra manampikasana hiditra anaty fikambanana. Ny fomba atao raha te hiditra ao dia tsara raha mifampiresaka amina mpikambana efa ao anatiny, isan'izany ny tenako, maka ny andinindininy. Fa na izany na tsy izany aza dia lazaiko eto ihany fa tsy dia misy fepetra be manahoana loatra ahafahana miditra ho mpikambana fa ny hany tena mahasarotina kely fotsiny angamba dia ny fahavononana hanaraka ny fitsipika mifehy ny fikambanana. Ankoatra izay angamba dia mba olona mpanoratra tononkalo, na mankafy ihany koa aza, dia mahazo miditra. Na firy taona na firy taona dia raisina avokoa na lahy na vavy.


Léa Fandresena
Hiditra amin'ny resaka seho hataonareo amin'ny
29 mars indray isika. Ahoana sy ahoana momba izay?

Mimozah Randrianatoavina
Misy tokoa ny hetsika ho tontosaina ny faha 29 Martsa 2017 ho avy izao nampitondraina ny lohateny hoe "AMBOARA FAHATSIAROVANA". Io hetsika io dia natao ho fahatsiarovana sy fanomezam-boninahitra ireo mahery fo nitolona ho an'ny fanafahana ny tanindrazana, fa indrindra ihany koa natao mba ho fampatsiahivana antsika taranaka ankehitriny fa nisy ny tolona natao vao tonga tamin'izany fahaleovantena izany isika. Toy izao ny fandaharam-potoana amin'io:
- manomboka amin'ny 2ora tolakandro ny fotoana ao amin'ny IKM Antsahavola
- Hisy ANTSA TONONKALO andraisan'ireo mpikambana rehetra anjara, miompana tanteraka amin'ny fitiavan-tanindrazana sy ny fiainam-pirenena amin'ny ankapobeny amin'izao fotoana izao.
- Hisy ny dinidinika iarahana amin'ireo vahiny nasaina toy ny mpampianatra, mpahay tantara, poeta,m panoratra..., ka ny loha-hevitra hifampidinihana sy hiadian-kevitra amin'izany dia ny hoe "INONA NY ANJARA ANDRAIKITRY NY POETA SY MPANORATRA HO AN'I MADAGASIKARA AMIN'IZAO FOTOANA IZAO?".
- Hisy ny mpanakanto mpihira hanelanelana ny Antsa sy ny adi-hevitra. Marihina fa tsy hisy vidim-pidirana.


Léa Fandresena
Haharitra adin'ny firy ny fotoana ary hisy amboara fahatsiarovana entina mody ve?

Mimozah Randrianatoavina
Ny mety ho faharetany dia eo ho eo amin'ny adiny 2 ka hatramin'ny adiny 3 eo.
Ny amin'ny hoe hisy entina mody ve? Ataoko angamba fa ny amboara tsara indrindra hatolotra ny mpanotrona tonga amin'io fotoana io dia ny vatsin-tsaina sy vatsim-panahy. Fa aoriana kelin'io andro io dia kasaina harafitra anaty boky iray ny sanganasan'ny mpikambana rehetra antsaina amin'io fotoana io. Holazaina eto ihany rehefa tapaka ny fotoana hanaovana azy.

Marihina kosa anefa fa hisy valonan-taratasy (flyers) kely hozaraina eny an-toerana amin'io andro io.


Léa Fandresena
Mankasitraka indrindra anao nanazava ny zava-misy. Misaotra anao nivahiny tato amin'ny tapatapakahitra. Misy hafatra farany apetrakao ve?

Mimozah Randrianatoavina
Manatitra ny fisaorana feno ato amin'ny PÔETAWEBS ihany koa nandray ahy sy ny Vondron'ny Korira kanton'ny Haisoratra Malagasy(VKHM). Ny fanentanana kely angamba dia ny hoe manasa antsika Malagasy rehetra tsy ankanavaka mba ho tonga amin'io fotoana io mba hiaraka hahatsiaro indray ny tolom-panafahana. Indrindra ihany koa ny mpianatra fa sady fanovozam-pahalalana io. Izay sy izay angamba fa dia ho ela velona anie ny literatiora Malagasy.

Léa Fandresena
Misaotra indrindra anao. Amin'ny 29 mars izany no fotoana ao amin'ny IKM Antsahavola miaraka amin'ny Korira Kanton'ny Haisoratra.

 

pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 04/08/2018

×