DI… : AINGA hanova tantara!

Fanadihadiana tononkalo - 26/11/2023

Ainga - Di...
Ny Hasina Ratsimbazafy

DI… : AINGA hanova tantara!

AINGA: tononkalom-pitolomana ho an’ny fahafahana sy ady amin’ny tsy rariny ataon’ny mpitondra. Volana Novambra tahaka izao indrindra saingy ny taona 1969 no nanoratan-dRahaingoson Henri na i Di... ity hafatra miady amin’ny tsy rariny sy ny fangejana ity. Androny anio. Natao hahatsiarovana ny zava-bitany sy ny tolona rehetra nataony fony fahavelony. Fantatra rahateo fa tao anatin’ny tantaram-pirenena nivaivay io taona 1969 io, fotoana nitakiana fanovana, hidirana amin’ny  tolona ho an’ny fahafahana. Inona avy àry ireo tolona nataon’i Di? Ary inona avy ireo dingana tokony hatao raha tiana ny hanova tantara?

 *
*  *

Di: olon’ny tolona sy ny fahafahana

Ady amin’ny tsy fahafahana miteny sy maneho hevitra

- Ny fanampenam-bava no fanitsahana voalohany ny fahafahana izay nolavin’i Di... ka nitolomany sy niadivany fony fahavelony. Na firenena efa nahaleo tena tokoa aza mantsy Madagasika nandritra ny Repoblika voalohany dia mbola nahatsiaro fangejana ihany ny mponina tao aminy. Fangejana voalohany tsy zakan’ny mpanoratra ny tsy fahafahana miteny sy maneho hevitra, fangejana izay tsapan’izy ireo fa mbola lova tamin’ny mpanjanaka ka sarintsarim-pahaleovan-tena ihany no misy sy niainan’ny Malagasy tamin’izany. Nisy ny antso nataony manokana ho  an’ireo namany mba tsy hanaiky intsony izany tarazo fanjanahana amin’ny alalan’ny tsy fahafaha-miteny izany:

“ Moa hanaiky lava izao
 Ireo karazam-panitsahana?
 (…)
 Mandrosoa ry nopepoina, noterena mba hangina”

    Ady amin’ny fandemen-tsaina sy fahantrana

- Mbola tarazo azo avy amin’ny mpanjanaka ihany koa ny fandemen-tsaina ka notoherin’i Di.... Matetika dia nalentika tao an-tsain’ny maro fa “lahatra” na “anjara” ny fahantrana. Misy ireo manan-karem-be kanefa ireo Tantsaha sy mpiasa malagasy, tena miasa sy mamokatra, zara raha manan-kivelomana ary nahatsapa mahantra ny Malagasy tamin’izany. Misy anefa ireo mangoron-karena sy migoka ny harem-pirenena izay tsy iza fa ireo orinasa vahiny sy ireo izay akaiky mpitondra tamin’izany. Nahatsapa ny mpanoratra fa mbola teo ambany vahohon’ny vahiny Madagasikara ka tsy afaka misitraka ny harenan’ny taniny sy ny hatsembohan’ny tavany ny mponina ao aminy. Nitarika ny sain’ny mpiray tanindrazana aminy i Di... eto mba tsy hanaiky intsony izany fandemen-tsaina miafina ao ambadiky ny sarintsarim-pahaleovan-tena izany :

“Fandemena hatramin’izay ny teny hoe : “izao no anjara”
 (…)
 Aoka izay ny fandeferana ry namako tantsaha sy mpiasa
 Mijoroa fa eran-tany ireo “mpitrongy” namanao”

    Ady amin’ny fanandevozana

- Ny fanandevozana no endriky ny sarintsarim-pahaleovan-tena fahatelo tsy neken’i Di.... Ankoatra ny lafiny toe-karena izay manandevo ireo Malagasy miasa mafy kanefa tsy misitraka ny tena tombon-tsoa amin’izany, dia maro ihany koa ireo endrika fanandevozana mbola tsapan’ny mpanoratra. Mahatsiaro tena tsy olona afaka izy kanefa eo amin’ny taniny. Mahatsiaro tena mbola voageja izy amin’ny lafiny maro,  niadivany mafy ireny, mba hisian’ny tena fahafahana marina sy ny tena fahaleovan-tena marina.

“Gofy izao ny “aleoko maty” toy izay andevon’olona”

Di: nanolotra dingam-pitolomana ho an’ny fahafahana


    Dingana fanentanana.

- Ny fanentanana no dingana voalohany heverin’i Di... fa hahafahana mametraka izay tena fahafahana marina izay. Matoanteny filaza mandidy maro no nentiny namohazana ireo Malagasy maro mbola matory ao anaty fahantrana sy miaritra ny fanandevozana ataon’ny mpanam-bola, vahiny sy ny mpitondra : “Mifohaza”, “Henoy”, “Mitrakà”, “Mijoroa”, “Mandrosoa”, “Gofy”. …. Mamelona ilay “hotrikafo” kely tsirairay any anatin’ny olona any mba hiady amin’ny tsy rariny ny fifanentanana. Izy ireny no manery ny tsirairay hanapa-kevitra hitroatra avy eo ka hitady izay fahafahana marina izay.

    Dingana fanapahan-kevitra hiteny sy hitroatra

- Zava-dehibe eo amin’ny tolona ny fahafantarana ny fotoana tokony hanombohan’ny hetsika. Manomboka mandray anjara amin’ny fanovana ny tantara ny vahoaka amin’ny fotoana hanapahany hevitra hiteny sy hitroatra ary hiady amin’ny tsy rariny. Tsy fotoanan’ny fanentanana intsony amin’izay fa fotoanan’ny fanapahan-kevitra:

“Injay migadona ny ora
 Henoy fa velona ny akora
 Eny miova ny tantara!”

    Dingana firaisan-kina

- Rehefa tafafoha ny tsirairay dia ilaina ny firaisan-kina, manambatra ny afo izay fototry ny fanovana rehetra eo amin’ny tantaram-pirenena:

“Ry rahalahiko mifohaza! Fa miankina aminao
 Dia handrombona indray ilay hotrikafom-pahafahana!”

Rehefa tafafoha tokoa ka mikambana ilay “hotrikafo” ao anatin’ny tsirairay, rehefa tapa-kevitra ny hiteny sy hanambatra hery ny vahoaka dia eo no hisy fanantenana indray ny fahafahana. Zava-dehibe tokoa amin’ny fiatombohan’ny tolona ny firaisan-tsaina ao anatin’ny fahasahiana miteny sy mitroatra:

“Indreo mihiaka kiakan’ady sy miantso hoe “ANDAO!”

    Dingana Hetsi-bahoaka

- Dingana farany tokony hatao rehefa hiady amin’ny tsy rariny sy hitaky fahafahana ny “hetsi-bahoaka”. Tsy vitan’ny fifanentanana sy fitenenana fotsiny tokoa ny tolona fa mila hetsika. Ilaina ny hetsi-bahoaka, ady tokoa mantsy no atao:

“Mitrakà ry niondri-dava (…)
 Aoka izay ny fandeferana (…)
 Mijoroa fa eran-tany ireo mpitrongy namanao (…)
 Mandrosoa ry nopepoina (…)”

Rehefa manomboka miroso amin’ny tolona ny tsirairay ka nanambatra hery, niray hina dia mila mihetsika, miady ary misotro ny “aleoko maty”:

"Atambaro izao ny ainga, indro ny firaisan-kina
 Akopay ho faneva!.....ampy izay ny samy irery
 Fa na kely aza hono no miray dia tonga hery
 Gofy izao ny “aleoko maty” toy izay andevon’olona
 Raha tsy afaka na lavo tsy mitsahatra ny tolona!"

 *
*  *

Raha fintinina izay rehetra izay dia mpanoratra nitolona sy niady ho amin’ny fahafahana marina i Di... ary nanohitra ny endrika sarintsarim-pahaleovan-tena rehetra: tsy tokony hanaiky fanampenam-bava, tsy tokony halemy saina sy hanaiky fahantrana, tsy tokony hanaiky fanandevozana ny Malagasy. Misy dingana efatra arahina rehefa hitolona marina: dingana fanentanana, dingana fanapahan-kevitra ny hiteny sy hitroatra, dingana firaisan-kina, dingana hetsi-bahoaka. Zava-dehibe loatra tamin’ny mpanoratra tokoa izany hoe fahalalahana izany ka nahatonga azy nitolona sy nanohitra ireo endrika sarintsarim-pahaleovan-tena rehetra. Asa anefa na mbola mitoetra amin’ny vanim-potoana iainana ankehitriny ireny tolona nataon’ny teo aloha ireny na mbola miaina ao anatin’ny sarintsarim-pahaleovan-tena ny Malagasy?



Date de dernière mise à jour : 26/11/2023