Randja Zanamihoatra sy ny aingam-panahiny
Chantal
Rabetalata - 06/07/2025
Ny nahafantaran’ny maro azy dia ny fandalany sy ny fanandratany ny mahaMalagasy.
Anisan’ny ventin-kevitra
ahafantarana azy ao amin’ny asasorany ihany koa anefa dia ny hoe :
mpanoratra manandratra ny FANAHY maha olona ho faratampony izy.
Itoviany amin’ilay hery faratampony io Fanahy io, dia ilay MPAHARY sy
MPAMORONA izany. Famoronana sy antso avy amin’ilay mpahary ny asa
fanoratana hoy izy. Izany hoe olona voafidy no atao hoe poeta, ireo
voafidy hanandratra sy hamoha ny fanahy ao anatin’ny olona tsirairay. Avy aiza tokoa moa ny aingam-panahin’ny mpanoratra sy ny poeta, ilay aingam-panahy izay mahatonga ny sora-kanto avoakan’ireny mpanoratra ireny? Mamaly izany Randja Zanamihoatra ao amin’ity tononkalony mitondra ny lohateny hoe Poeta ity.
« Raha mbola tsy àry akory ny vatanao malia
No efa niantso anao ny Sary sy ny Hira :
Manakoako loatra ny fiainanao satria
Fihaonan’ny « mahery », akaiky sy andakira.
Ianao Poeta irery no manana fanahy,
Raha saina monja ihany no entin’ny rehetra
Fa ankoatr’izao misaina, mitia sy manahy
Dia mbola misy « ianao », fisiana tsy mifetra :
Fanahin’ny Poeta, mihoatra ny ara-batana
sy varavaran-telon’izao tontolo izao,
Irery mahalala, tafiditra mivantana
Anivon’ny « tsy fantatra » nefa manindao …. »
(...)
(Randja Zanamihoatra, Poeta)
_______________
Randja Zanamihoatra sy ny aingam-panahiny
