Créer un site internet

Haninona eto isika? Izaho sa isika?

Fandalinana 15/11/2023

Haninona eto isika? Izaho sa isika?

Nangonin'i Tsikimilamina Rakotomavo

HANINONA ETO ISIKA ? IZAHO SA ISIKA ?

"Ny hazo tokana tsy mba ala ! Ny olona iray tsy mba vahoaka !"

Ny feom-bahoaka anefa no feon’Andriamanitra fa ny feon’olon-tokana kosa aelin’ny rivotra ho very any an’efitra...

AIZA ARY ISIKA IZANY ARY HANINONA ENY ISIKA ?

Eo an-tampon’ny samy reraka no misy antsika, viravirain’ny "vitsy" sy ny "maro", semporin’ny fifandrotehan’ny "tokana" sy ny "daholobe" (...)

Raha izany, tsy miendrika hakanosana ve ity fandalantsika ny firaisankina ity rehefa tanisaintsika hifanomezana toky ny ohabolana toy ny hoe :

"Ny fikambanana no hery! ny akanga maro tsy vakin’amboa!
Ny mitabe tsy lanin’ny mamba! ny zozoro matevina tsy lavon-drivotra, izay be no basy"...

Dia manjary tsy matoky tena isika rehefa lavitra ilay hafanana feno tokin’ny fihavanana sy ny fiarahana ary ny firaisankina. Dia tsy sahy mandeha irery isika fa satrintsika ho afaka hiankina ary hiantehitra hatrany amin’ny maro. Ny maro rahateo moa toa miandry kendry tohana fotsiny an’ireo minia mandeha irery; koa vao mainka isika toran-kovitra be ihany eo am-pieritreretana izay latsa na akoralava mety hasetrin’ny maro raha sanatria isika sendra solafaka.(...)

Tsy sahy mandeha irery isika fa matahotra ihany koa ny ho voapanga hoe miolonolona na mizahozaho, mirehareha, midehaka, mipoera, miseko ary saika hampiasako ny fitenin’ny ankizy hoe "mizesta". Fa angaha tsy mba afaka midehaka amin’ny zava-bitany na amin’ny maha-izy azy ny maro tafaraka? Tsy misy ve ny rehareha iombonana? Sa tsy mety? Toa ny fahoriana foana no hiaraha-mizaka fa ny fifaliana tsy mba hiaraha-mizara matetika?
Dia izao miara-mizaka fanaintainana eo an-tampon’ny samy reraka hatrany izao isika mianakavy.(...)

Misy tokoa ny tia tena tsy mahalala afa-tsy ny tombontsoa kendreny, ary efa novakin’ny Ntaolo bantsilana ireny, saingy tsy toy ireny no resahintsika eto:

"Aza manao hoe : raha hanao zavatra, aleon’ny maro aho, fa raha hihinana kosa aleon’ny vitsy aho! Fa raha tratry ny asa, aleon’ny lafy valo,
Fa raha mahita amalom-boasira kosa,
Tsy manan-kavana afa-tsy ny maty aho".

NAHOANA NO HAMPIFANOHERINA HATRANY NY OLON-TOKANA SY NY DAHOLOBE? NY TSIRAIRAY SY NY VAHOAKA?

Nanamarika an'ity fivoriambe ity ny tatitry ny taona 2022-2023 nataon'ny filohan'ny Akademia sy ny velakevitra notontosain-dRanjatohery Herilala sy Rabenalisoa Ravalitera. Ny lohahevitra "Ny hafatr'i Rainandriamampandry ho an'ny taranaka" dia mifandray tanteraka amin'ny tranga iainantsika amin'izao fotoana izao. Nanatrika ny fotoana i Herimanana Razafimahefa filohan'ny antenimieran-doholona izay taranak'i Rainandriamampandry ihany koa.

Ny olon-tokana mivelatra amin’ny maha-izy azy anefa no manorina ny daholobe ary araka ny fivelaran’ny tsirairay no hivelaran’ny vahoaka. Zary tsy sahy milaza ny heviny ny tsirairay na dia lazaina aza fa "Ny hevitra tsy azo tsy amin’olombelona ary ny hevitry ny maro mahataka-davitra".

Mitaiza antsika ho kanosa tsy sahy miseho amin’ny tena maha isika antsika ve izany ny fiarahamonina?
Raha izany dia miara-monina tokoa isika fa tsy miara-belona. Tsy miara-belona isika raha izany, izany hoe tsy miara-miaina, tsy miara-mitepo fo sy saina ary fanahy fa toa vatana sendra tafaraka hiriorio eny fotsiny, toa bolongana miara-mikodia. Tsy miara-belona isika, tsy mahatsiaro ny fitohizan’aina misy eo amintsika miara-monina isika raha tsy efa voadonan’ny fahoriana na iharan’ny voina. Ankoatra ireo fotoana ireo dia samy olon-ko azy samy mizaka ny anjarany sy manefa ny tandrify azy; anefa dia fatra-panenjika ny olon-tokana miaina ny maha-izy azy ery ireto daholobe samy maka ho azy. Miara-monina fa tsy miara-belona isika satria hadinontsika ny lanja ary ny hevitry ny teny fototra sasany toy ny hina ao amin’ny firaisankina na ny volo ao amin’ny firaisambolo.

Ny hina dia Aina fototra, tsy zaraina, ilay aina lahitokana tandremana fatratra satria indray mandeha monja ihany no afoy dia tsisy ankamerina. Ny olona atokisanao fa tsy hahavita ratsy aminao na hamosavy anao na hamono anao no iarahanao misakafo sy mihinana (mi-HINA-na) izany hoe iarahana mivelona.

Ny volo indray dia sady ilay loko na endrika ivelany, ilay soratra ary soritra mampiavaka ny zavatra iray toy ny maha zava-dehibe ny volon’omby na ny mahavariana antsika amin’ny rahon-takariva mivolom-batosoa...
Tsy afaka hiray hina na hiray volo anefa raha tsy ao ny Fanahy.(...)

KOA HANINONA ETO ARY ISIKA ? 

Tsy sanatria handrava na hanakiana be fahatany ny endri-piarahamonina iainantsika no kendrena, fa ny hitondra ny kely voatsirambin’ny saina eo amin’ny ezaka fanorenana ary fanarenana ny firenena.

"Ny erikerika maha-tondra-drano
Ny hevitra tera-bary ka samy manome ny vokany"

Taratry ny fiarahana monina mbola tena niara-belona ireny ohabolana na fomba fitenenana samihafa fampiasantsika hifankaherezana ny amin’ny fihavanana sy ny firaisankina ary ny firaisambolo ireny. Ankehitriny isika dia mamerina tsianjery poak’aty sisa satria tsy iainantsika intsony ny voalazan’ny ohabolana ary sarotra amintsika ny haminavina ary handalina ny omaly mba hisainana ny anio. Eo indrindra no lesoka, eo indrindra isika izao. Vizanin’ny elanelan’ny fenitra/fahendrena mifototra amin’ny lasa efa nohadinoina sy ny vesatry ny zava-misy azirizirin’ny anio mbola mampisalasala isika. Dia tsy sahy isika ny hijery fitaratra mba hamantatra marina izay iainantsika sy tena isika. Dia na isika mamono eritreritra miantsampy amin’ny vazo tsy fantatra sy manaraka vorona tsy fanta-dia na isika mikombona toa sifotra tsy manaiky hifanerasera ary toa tsy miaina akory ny Anio.

Ary ny Anio ? Manalasala toa vozon’akoho satria miara-monina isika fa tsy miara-belona. Samy eto isika fa tsy miara-miaina. Hadinontsika fa firaisana aina ny firaisankina ary fiarahana hatrany ambadiky ny fahafatesana ny firaisambolo izay dradraina atao litania hampandry eritreritra.

Manampy trotraka an’izany rehetra izany ny ampihimamba ataon’ireo milaza azy ho tompom-pahefana ka mandrombaka ny Teny izay an’ny daholobe.

Dia voahilika tsy afaka hiteny ny ampahany betsaka amin’ny vahoaka satria efa misy olona voahosotra hiteny amin’ny anarany; dia nomena anarana hafahafa toy ny hoe valala tsy mandady harona na valala be mandry ny vahoaka, izany hoe nampatoriana na nampiesonina araka ny filazan’ny tanora azy ankehitriny.

Koa raha sendra misy fotoana hifohazana mba hiteny dia mihorohoro avy hatrany ireo milaza ho tompon’ny teny ka lazaina fa mikorontana ny vahoaka. Tahotra any an-tsain’ny mpitazona fahefana ihany anefa izany satria hadinony fa ho an’ny vahoaka dia "Ny hisavorovoroan-kilantoana."

Koa haninona eto isika ? Izaho sa Isika ?
Hatreo aloha fa amin’ny manaraka indray eny an-tendron’ny fahombiazan’ny Malagasy no fotoana ifanomezantsika.

Elie Rajaonarison, in L’Express de Madagascar, 10 Mai 1999












Date de dernière mise à jour : 14/11/2023