Itsikio - Haingo

17/09/2023

Haingo - Itsikio

ITSIKIO, TONONKALON'I HAINGO

Mpandalina : Tsikimilamina Rakotomavo

58 taona anio i Haingo ! Miara-miaina amin’ny mpiara-belona ihany koa ny asasorany ary mampita hevitra mikolo toe-panahy sahy misetra ny lala-miolika feno sampanana eto amin’ity tany diavina ity. Koa raha tojo ny fahasahiranana izay mampiferinaina àry ny tsirairay dia inona no tolo-tsaina azo aroso handaminana izany? Ny tononkalon’i Haingo notsongaina tao amin’ny Sandratra Amboaran-tononkalo voalohany tak. 49 mitondra ny lohateny hoe "Itsikio" no mandrisika ny rehetra hiaina sy hiatrika am-pitoniana ny sotasotan’ny fiainana.


***

Mby an-koditra ny fahasahiranan’ny mpiara-belona hany ka mizaka izay mahazo, miaritra ny tsy eran’ny aina. Tsy tambo isaina ireo ketraka noho ny fitontongan’ny fari-piainana sy ny fiakaran’ny fahefa-mividy ankobanandro. Mibabababa ny rehetra amin’ny fikorontanan’ny toe-draharaha ara-politika izay misy fiantraikany eo amin’ny fiveloman’ny isan-tokantrano. Ny tranga iainana mihitsy no mampiberoka ny tsirairay ka tsy ahafaha-mitraka ka mahatonga an’i Haingo hilaza fa:

 

“sarotra ny fiainana
 Irery ianao no sady
 tsy mana-kitarainana”

 
Tsikaritra indraindray fa te hitokan-toerana ny isam-batan’olona hany ka hodivirana avokoa izay rehetra mety sakana eo anoloana. Ilay fihavanana nolalaina hatrizay dia nohalavirina any amin’ny tsy taka-polopolorina ary nahavery an-javona ny fifanohanana sy ny firaisankina. Ny mijery toa tsy mahita, ny miteny tsy misy manoina, ny mihiaka tsy misy mpitsetra. Tsy takona afenina ireo fotsy fanahy, ratsy fanahy, manao fanahin’adala ka mahavery fanahy mbola velona ny mpiara-miaina.

Eo anatrehan’ireo tranga mamohehatra eo anivon’ny tany ama-monina dia vahaolana mahomby heverina hampandroso ny fiaraha-mivelona ny fandresena ny sarotra anaty fitsikiana.

 

“Itsikio ihany
 Fa ao anaty tsiky,misy di-doha”

 

Miharo singa tsy hay tanisaina ny hery tehirizin’ny tsiky. Anisan’ireny ny hafanam-po, ny fahefana, ny herim-po, ny tanja-tsaina ahafaha-miatrika ireo hetraketraky ny tsy mataho-tody. Mila resena amin’ny fomba tsotra sady mandaitra ireny haratsiam-panahy diso tafahoatra ireny satria izany paikady izany no dingana ahazoana fahombiazana. Rehefa iainana am-pitsikiana ny zava-misy atrehina dia tsapa fa mahasehaka ny olana ny herim-batana ary miharihary avy hatrany ny vokatra andrasana.

 

***

 
Raha aravona izay rehetra voambara dia tsapa fa manana ny lanjany lehibe eo amin’ny fandaminam-piarahamonina ny fahaiza-miaina. Isan’ireny ny tsiky izay fitaovana ahafaha-mandresy ny fahalovana eo anivon’ny fiaraha-mivelona. Tsidi-pisainana ahafahana mampivoatra ny fomba fiheverana sy ny fomba fiaina izany ka tsy atao ambanin-javatra. Fototry ny fiombonana eo amin’ny fiheverana misandrahaka ny tsiky ka fantsona mampifandray izay mifanipa-pijery hanjary simenitra hanamafy ny fihavanana.

Date de dernière mise à jour : 16/10/2023

×