Ny diako - Jean Narivony

Fandalinana - 15/09/2023

Ny diako, modelm-piainana poeta

NY DIAKO, MODELIM-PIAINANA POETA

Ao anatin'ny vanimpotoanan'ny kizo lalina i Madagasikara ankehitriny ka tsy mahita lalan-kivoahana. "Tapi-dalana aleha ohatra ny soki-manani-bato" ny vahoaka noho ny fizorana amin'ny lalana mampihodinkodina fotsiny. Miteraka havizanana sy fahadisoam-panantenana ho an'ny maro ny fomba amam-panaon'olom-bitsy misitraka tombony amin'ny fikatsoana.  Matotra loatra anefa ny fiainam-pirenena ka itondran'i Jean Narivony vahaolana.

Poeta mpanabe, mpampianatra sy mpananatra amin'ny tononkalony izy. Iray amin'izany, "Ny diako", ahitana andininy 10 ary nitsongana 4 ho an'ny fandalinana. Fandehanana no hevitry ny "dia" ato amin'ity tononkalo ity. Miainga amin'ny tanin'ny fahambaniana izy, teboka A, ka mihevitra ny ho tonga any amin'ny toeran'ny fahamboniana, teboka B. Hofariparitana aloha ny endrik'io tanin'ny fahambaniana ilaozany sy tsy mahatamana azy io. Ao aorian'izany dia hodinihina akaiky ny fahasarotan'ny lalana diaviny.

***

Endriky ny tanin'ny fahambaniana


"Iva toerana" no hevitry ny teny hoe "ambany". Teny iray fototra aminy ny fahambaniana izay matetika amaritana toe-tsain'ny olona tsy mihaja, mamohehatra, mahamenatra, mahafabaraka. Ambany saina mihitsy aza no ohatra natolotry ny Rakibolana. Izany toe-tsaina izany dia mampiisatra ny fivoarana, indrindra moa fa raha mahahenika ny maro ao amin'ny fiarahamonina izy. Atsidika eny am-piandohan'ny tononkalo ny endrika fahambaniana voalohany, ny fahadalana:

 

"Ny tany ialako dia fahambaniana,
Tanin'ny sento fa be fahoriana;
Ao no manjaka ny fahadalana:
Hiainga mihitsy aho fa tsy tamana."

Manjaka hoy izy, izany hoe mandresy, mitondra, mifehy, mandidy ary manapaka eo amin'ny fiarahamonina. Raha ny marina dia ny hadalana tokony hofongorina indray no lasa lalàna mifehy ny vahoaka ka mahatonga ny tany tsy ahitana andro mihiratra sy mahalao monina: "Tanin'ny sento fa be fahoriana". Olona niharam-pahavoazana lalina no miaina sento sy fahoriana toy ny namoy havana, very harena, nianjadian'ny tsy rariny sy ny tsy hitsiny, resy manana ny rariny.

 

Io hadalana io no bobongolo manjaka tokana sy itoeran'ny fahambaniana ka miteraka fandaozana mankany amin'ny toerana heverina ho misandratra: "Hiainga mihitsy aho fa tsy tamana". Maneho fahatapahan-kevitra lehibe ity mpamaritra matoanteny "mihitsy" ity, izany hoe roso ny dia fa tsy azo ivalozana na sakanana intsony na inona na inona mety ho fahasarotana.

Fahasarotan'ny lalana diavina


Azo lazaina ho tsy efan'ny kamo sy ny osa ary ny tsy ampy finiavana ny lalan'i Jean Narivony satria fiakarana izy aloha, miainga avy any amin'ny fahambaniana ka mankany any amin'ny fahamboniana :

 

"Ho amin'ny toerana feno ny soa,
 Toera-misandratra: Fahamboniana.
 Be voninahitra tsy hotsinina"

 

Raha ny marina dia samy toerana "Be voninahitra" ireo sehatra roa mifanipaka ireo. Eo amin'ilay "tsy hotsinina" anefa no mampiavaka ny fahamboniana noho izy hanjakan'ny fahamarinana ka tsy ahafahana manome tsiny azy. "Tsy misy adi-varotra" fa roso ny dia na mafy aza ny fideza sy ny kitoantoan'ny lalana. Ireto ny santionany: "Fo te-hiliba sy Toetra tsy manga". Ny manga dia ny tsara sy ny mahafinaritra. Mahadika azy koa ny manja raha zohina ny fomba fitenintsika tafaran'i Jean Narivony. Nampiasa fomba fanalefahan-kevitra ny mpanoratra mba tsy handratra ny mpandratra satria "toetra ratsy" mihitsy no tiany holazaina amin'ny hoe "toetra tsy manga". Ny miliba indray dia "manaram-po tanteraka, manao izay tiana sy danin'ny kibo, mikarenjy, tia lalao sy fahafinaretana" (R. Rajemisa-Raolison, 1985), izany hoe tsy voaisatra amin'ny sitra-po sy filana ateraky ny fahadalana.

 

Ny tena mahazendana dia ny fitsanganan'ny "fahambaniana" ho fahavalo mihitsy eny an-dalana :

 

"Bala mifafy! Avela hifafy;
 Maro mpialona, be koa ny rafy,
 Manana ampinga aho ka tsy miraika:
 Fahamarinana sahy mihaika"

 

Manambara fanafihana sy fiarovan-tena ity andininy ity. Mamely ny andaniny mpifikitra amin'ny ratsy, ary mamafy bala mihitsy, izany hoe manaparitaka izany mba hikendrena ka hahafaoka toerana sy vondron'olona midadasika. Miaro tena kosa ny ankilany, ireo mpandao ny fahambaniana, amin'ny alalan'ny ampingan'ny fahamarinana ary mihevitra ny tsy hihontsana araka ny hevitry ny hoe "Avela hifafy" sy ny "tsy miraika". Mihevitra ny handresy tokoa izy noho ny fahamarinana isakelehana ka ahafahana "mihaika", izany hoe mifanandrina.

***

Sarotra ho an'ny fahamarinana ny mandao ny tany efa diso anjakan'ny fahambaniana. Tsy migodana ny lalana fa be sakantsakana sy mideza. Raha ampy finiavana amin'ny alalan'ny fisikinana fahamarinana anefa izay manam-paniriana handao izany toerana tsy mahasoa izany dia hahavita sy ho tafita. 125 taona anio ny poeta Jean Narivony. Ny poeta tsy mba maty ary ny asasorany mitoetra sy mahatety vanimpotoana maro. Porofon'izany ny fahendrena voambara ato amin'"Ny diako" izay hany lalan-kivoahana amin'izao fotoan-kizo manjo ny firenena izao.

Date de dernière mise à jour : 09/10/2023