Créer un site internet
Aza maditra manaraka ahy!
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

27 janoary 2021
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 Toetra Ràja

AZA MADITRA MANARAKA AHY!

Mpanoratra
L. Rajoelisolo

Loharano
"Gramera malagasy", Prosper Rajaobelina, tak 163

Nanadihady
Toetra Ràja
L. Rajoelisolo
Toetra Ràja

Olana be eo amin'ny fiarahamonina ny tsy fitovian-kevitra ary sarotra matetika ny fahitana ny marimaritra iraisana rehefa samy mifikitra amin'ny heviny ny andaniny sy ny ankilany. Ahatarafana izay tranga izay indrindra ity tononkalon'i L. Rajoelisolo nalaina tao amin'ny boky "Gramera malagasy" an'i Prosper Rajaobelina, tak 163 ity, tononkalo mitondra ny lohateny hoe "Aza maditra manaraka ahy!". Mirakitra andininy telo ny tononkalo izay samy manambara tranga telo miavaka tsara momba ny fandrarana arahim-pepetra ny olona iray tsy hanaraka olon-kafa. Toy izao ny nandaharan'ny pôeta azy:

— ditran'ny tsy ampy taona (and. 1)
— ditran'ny tsy ampy herim-po (and. 2)
— ditran'ny tsy ampy herin-tsaina (and. 3)

Andeha horaisina araka ny filaharan'ireo andininy ireo ny fanadihadiana.

AZA MADITRA MANARAKA AHY!

Aza maditra manaraka ahy
Sao tsy hividianako darazay,
Fa raha zandry ratsy fanahy
Manala baraka ny dadanay!

Aza maditra manaraka ahy
Raha tsy hahazaka ny entana e!
Fa aleo vehivavy mitomban-dahy
Toy izay lehilahy bonaika be.

Aza maditra manaraka ahy
Raha tsy ho vonona lalandava
Hisedra ny mafy ka tena sahy
Hampijoro ny marina tsy ho rava.

L. Rajoelisolo

Toy izao aloha ny famaritana ny ditra araka ny hita ao amin'ny Rakibolan-dRajemisa-Raolison R. (1985):

"Kiry tafahoatra hanao araka ny hevitry ny tena na dia fantatra fa tsy marina sy tsy tsara aza" sy ny hoe "Finiavana hanao ny tsy mety na dia tenenina lava izao aza".

Araka ireo famaritana ireo dia miendrika filana hanatanteraka faniriana tsy tokony hatao ny ditra, na efa fantany dieny mialoha, na efa naverimberina nolazaina taminy fa hoe tsy mety.

Ditra andrarana ny tsy ampy taona

Sakana mety tsy hahafahan'ny roa tonta miaraka ny tsy fitovian-taonan'ny zoky sy zandry. Ny zoky eto no mandrara ka atombony amin'ny endrika fanambatambazana aloha ny resaka amin'ny alalan'ny fepetra fahazoana darazay (fr. dragé), vatomamy miavaka kokoa amin'ny mahazatra, mba hirosoana amin'ny fankatoavana. Ny ankizy matetika no azo tambatambazana amin'ny darazay. Ambara indray anefa fa "ratsy fanahy" ilay zandry raha mandika ny fandrarana. Tsinjo eo amin'ny andalana fahefatra kosa ny mety ho vokatr'ilay ditra: "Manala baraka ny dadanay". Azo an-tsaina àry ny mety ho toetoetran'ny toerana haleha toy ireo tsy fitondrana ankizy, na afenina noho ny antony manokana, na tsy fampiseho masoandro, na tsiambaratelo tsotra izao.

Ditra andrarana ny tsy ampy herim-po

Lehilahy eto ny mpanaraka; tsy voatery ho vehivavy anefa ny arahina. Fitondrana entana no fahaiza-manao takina amin'ny mpanaraka eto, hany ka  iharan'ny sakana izay tsy manana herim-po mifanaraka amin'izany. Aleo kokoa mantsy "vehivavy mitomban-dahy" toy izay "lehilahy bonaika be" manoloana fandraisan'andraikitra. Marihina fa tsy voatery ho vehivavy manana bikan-dehilahy ny hevitry ny "mitomban-dahy" fa :

"vehivavy na lehilahy feno herimpo hanatontosa sy hanatanteraka ny adidy aman'andraikitra raisiny" (Rajemisa Raolison R., 1985).

Izany bonaika izany indray, araka ny Rakibolan-dRajemisa Raolison R. (1985) ihany, dia

"malemy paika, mora be sady toa tsy mihetsika mahery; tsy be pelipelika eo am-pipetrahana na eny am-pandehanana".

Manana ny maha izy azy koa anefa ny olona toa ireny na dia tsy mifanaraka amin'ny takina eto aza.

Ditra andrarana ny tsy ampy herin-tsaina

Fahaiza-miaina mifanaraka amin'ny olona manana herin-tsaina hiady, ho sahy, ary hijoro mampanjaka ny marina no takina eto araka ny voalaza hoe:

"Hisedra ny mafy ka tena sahy
 Hampijoro ny marina tsy ho rava"

Manana fahavononana amin'ny fotoana rehetra ny olona sahy ary mety ho efa voahofana mihitsy aza ny sasany. Azo lazaina ho zatr'ady, tsy voatery ho amin'ny fampiasam-batana fa amin'ny fahaiza-miaina ireny sahy ireny, izany hoe efa fomba fiainana mitoetra ao anatiny izay kalitao izay. Tsy ny olona rehetra mantsy no manana an'izany, indrindra moa fa eo amin'ny fijoroana amin'ny marina izay saro-katsahina.

*
*  *
Tsara ny manamarika eto am-pamaranana fa tenin'ny mpandrara no nohadihadiana, izay tsy midika avy hatrany ho hevitra marina. Anton'ny olana ny tsy fahampian-taona (and 1) kanefa mety ho tsy fitoviana amin'ny tranga hafa toy ny politika, finoana, fiaviana sns. Iharan'ny fandrarana hatrany araka izany ireo azo sokajina amin'ny hoe "kely tsy mba mamindro". Ao amin'ny andininy faharoa ny antony tsy fahampian'ny fahaiza-manao izay fahita amin'ny fitadiavana asa ohatra. Hita ao amin'ny andininy fahatelo ny antony tsy fahampian'ny fahaiza-miaina, dia ilay fananana herin-tsaina ho vonona hatrany amin'ny sedra mety hitranga.

Toetra Ràja

Takelaka : Toetra Ràja
© Pôetawebs

Date de dernière mise à jour : 27/01/2021