Créer un site internet
Tsy hodinganina ny maty
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
27 febroary 2021
Tsy hodinganina ny maty
Mino ny Malagasy fa misy ny fiainana any ankoatra izay heverina fa tontolo misy ny razana. Miresaka momba ny maty sy ny velona indrindra ny tononkalo  nosoratan'i DOX izay nampitondrainy lohateny hoe "Tsy hodinganina ny maty" ary notsoahina tao amin'ny boky Folihala tak 181. Asehony amin'izany fa manana ny lanjany eo anivon'ny fiarahamonina malagasy ny finoana ny razana.Koa mba hahafahana mandalina izany bebe kokoa dia hohadihadiana mialoha ny fifandraisan'ny velona sy ny maty. Aorian'izay kosa no hanehoana mazava ireo adidy miandry ny velona. Ireo fizarana roa miavaka tsara ireo no entina hanasongadinana fa tsy tapaka tanteraka akory ny serasera eo amin'ny velona sy ny maty.

*
* *
Hanombohana ny fanadihadiana dia avohitra ny endriky ny fifandraisan'ny velona sy ny maty.

TSY HODINGANINA NY MATY

Hotapahintsika tohy amintsika ve ny maty
Fa variana miaina isika? Tsia fa tsapantsika anaty
Ny fitohizantsika aminy… sady isika taizany aza,
Novolainy fahavelona, notezainy fahazaza!

Na ny maty na ny velona, mpianakavy iray ihany!
Mbola homba antsika ihany ireo efa nody tany,
Misy trosantsika aminy... nefa izany dia ho efaina
Amin'ny taranantsika : izay no fitohizan'aina!

Nanaovan-dalana isika ka tsy maintsy hanao lalana!
Nananganana tanàna ka tsy hahazo hialangalana,
Namelana fahendrena ka tsy maintsy hamela hafatra,

Mba ho anatry ny velona, ireo maty dia miteny
Moa avela ho faty maso, sanatria, ny fahendreny?
Tsy hodinganina ny maty amin'ny tohatoha-miakatra

DOX


Voalohany indrindra dia hita fa misy ny fiombonan'ny razana sy ny velona. Indraindray mantsy toa misalasala sy miahiahy ny olona ny amin'ny tena hisarahan'ny maty sy ny velona. Ny lahatsoratra anefa milaza hoe:

"Na ny maty na ny velona, mpianakavy iray ihany!"

Misy fitohizany hatrany ny fifandraisan'izy ireo araka izany. Tsapa ihany koa fa mifanjohy hatrany ny maty sy ny velona eo amin'ny tontolon'ny riba malagasy. Hamarinin'ny lahatsoratra izany manao hoe:

"Tsia fa tsapantsika anaty ny fitohizantsika aminy"

Tsikaritra fa mamela lova ho an'ireo mpandimby izy ireny mba hitsinjovany ny taranaka any aoriana. Manamarika hatrany ny fifandraisana izany. Hita taratra fa mitahy ny velona ny razana ary inoan'izy ireo izany. Midika izay fa misy fikarakarana ataon'ny maty amin'ny velona mbola miaina. Manamafy izany ny lahatsoratra manao hoe:

"mbola homba antsika ihany ireo efa nody tany"

Ireo rehetra voambara teo ireo dia maneho fa tsy afa-misaraka mihitsy ny maty sy ny velona eo amin'ny fiarahamonina malagasy. Raha nodinihina teo ny fifandraisan'ny maty sy ny velona dia andeha hohalalinina ny adidy miandry ny velona.

*

Eo anatrehan'ny vitan'ireo loharano nipoirana izay nikolokolo sy nitaiza dia rariny raha tohizana ny asany. Hamarinin'ny lahatsoratra izany manao hoe:

"Nanaovan-dalana isika ka tsy maintsy hanao lalana!"

Manana andraikitra hanatsara hatrany izay nataon'ny teo aloha araka izany ny miaina ankehitriny mba hanehoana ny fitohizan'aina sy ny asa natao. Anisan'ny adidy miandry ny velona ihany koa ny fandraisana ny anatry ny maty. Hoy ny lahatsoratra:

"Mba ho anatry ny velona, ireo maty dia miteny"

Ny fanajana ny razana no tena ifotoran'ity hevitra ity satria efa foto-pisainana tsy afa-miala amin'ny Malagasy izany. Ny tena adidy goavana tokony horaisin'ny velona dia ny fanehoana ny tsaran'ny razana. Hoy Dox:

"Moa avela ho faty maso, sanatria ny fahendreny?"

Fameloma-maso ireo loharano nipoirana sady fanehoana ny maha Malagasy ny fanasongadinana ireny soatoavina malagasy ireny. Izay rehetra voalaza teo dia ahitana taratra tokoa ny fifandraisan'ny maty sy ny velona eo anivon'ny fiarahamonina.

*
* *
         Ny resaka rehetra natao teo no nahafantarana fa mbola manana ny lanjany eo anatrehan'ny fiarahamonina malagasy ny finoana ny razana. Mampiahiahy anefa amin'izao fotoana izao ny fifandraisan'ny velona sy ny maty na dia heverina fa misy aza ny fifamatorana ary hinoana fa mitahy ny razana. Eo anatrehan'izany rehetra izany dia misy ny adidy miandry ny velona dia ny famelana lova ho an'ireo taranaka mifandimby. Raha ny tononkalon'i DOX kosa no asian-teny dia tsapa fa manoro ny mpiara-belona aminy izy mba hanaja ny soatoavina malagasy dia ny finoana ny razana.
Tsikimilamina Rakotomavo
Takelaka : Toetra Ràja
© Pôetawebs

Date de dernière mise à jour : 27/02/2021

×