Soa fa nozarina - Rado

"Nahoana?", tononkalon'i Arthony, nohadihadian'i Faniry Ezekiel
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

27 mey 2021
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 Toetra Ràja


SOA FA NOZARINA
Mpanoratra
Rado

Loharano
Sedra, tak 60

Nanadihady
Faniry Ezeckiel



Mandona ny fo tokoa ireny sorakanton'ny pôeta ireny indrindra rehefa mivetso alahelo na tsiaro mampanembona. Anisan'ireny ity aingam-panahin'i Rado iray mitondra ny lohateny hoe "SOA FA NOZARINA" ity, izay nosoratany ny 08 Jolay 1993, ary nalaina tao amin'ny boky SEDRA, takila fahenimpolo. Asongadiny ao mantsy fa maminany mialoha izay hitranga ny soratry ny pôeta. Andeha hohalalinina misimisy ny tononkalo ka hodinihina eny am-piandohana fa tanteraka ireo soratanan'ny pôeta, manaraka izany, haseho fa manamaivana ny sedra lalovana ny soratra. Tsara marihina ety am-piandohana fa ny pôeta dia mpanoratra itoeran'ny aingam-panahy ka mandrafitra ny sorany ho tononkalo.

*
* *

TANTERAKA NY SORATANAN'NY PÔETA

Aloky ny ho avy ny tara-kevitra sinoratry ny pôeta. Manamafy izany indrindra i Rado eo amin'ny andininy voalohan'ny tononkalony hoe:

"Efa nandindona ny androko ve
 Ity fahoriana tsy zaka zakaina?
 No ireo tononkaloko izay marobe
 no rakotra sento sy feno taraina?"

SOA FA NOZARINA

Efa nandindona ny androko ve
Ity fahoriana tsy zaka zakaina?
No ireo tononkaloko izay marobe
no rakotra sento sy feno taraina?

Faminaniana ny mbola hodiaviko
Sa fitaizana ny foko ho zatra ?
Ka nony midona ny tokony holaviko
Ekena na tsilo manevika an-tratra.

Sa takela-by eny an-dalan-kizorana
milaza ny olaka mbola hitranga?
Na kotro-baratra alohan'ny orana
Handrava ny tsikin'ny lanitra manga?

Soa fa nozarina ihany ny foko
Hisetra ny lozan'ny andro mandaloko
Fa ho nisy azy ny famoizam-poko
Raha tsy nialohavan'ireo tononkaloko!

Rado
08 Jolay 1993

In Sedra, tak 60

Tsy naniry ny hanoratra fahoriana aman-tsento ny pôeta fa ilay aingam-panahy ao anatiny no nanosika azy hamorona. Aty aoriana anefa dia mihatra ireo zava-boalazany noraketiny an-tsoratra, ary mitodika voalohany any amin'ny pôeta nikalo azy. Araka izany, manambara mialoha izay hitranga ny diam-penin'ny pôeta.

Tsy izay ihany, mampiomana sahady izay hiseho ao am-para ny asa soratra. Hoy ny tononkalo hoe:

"Sa takela-by eny an-dalan-kizorana
 milaza ny olaka mbola hitranga?
 Na kotro-baratra alohan'ny orana
 Handrava ny tsikin'ny lanitra manga?"

Fanoharana miavaka kely mihitsy no hanaingoan'ny mpanoratra ny tiany hampitaina eto. Raha hazavaina dia efa torolalana mialoha ny lalana tsy maintsy hizorana ireo voasoratra rehetra. Mampita hafatra eto izany ny soratra.

Hita tokoa àry fa to avokoa ireo ainga voarakitry ny diarin'ny pôeta, moa va tsy manamaivana ny sedra lalovana ny soratra ?

*

MANAMAIVANA NY SEDRA LALOVANA NY SORATRA

Mampionona amin'ny ratra izay mianjady ny soratra. Manambara izany i Rado eto hoe:

"Faminaniana ny mbola hodiaviko
 Sa fitaizana ny foko ho zatra ?
 Ka nony midona ny tokony holaviko
 Ekena na tsilo manevika an-tratra".

Efa voavinan'ny tononkalo nialoha ny tranga mety hahazo hany ka mora kokoa ny manaiky azy. Araka izany, tsy tampoka intsony ny manjo ka zaka ihany na mety havesatra aza. Mahavita miatrika ny zava-misy rehefa nampilazan'ny soratra. Abaribarin'ny sangan'asan'i Rado eo am-pamaranana izany aingam-panahy izany :

"Soa fa nozarina ihany ny foko
 Hisetra ny lozan'ny andro mandaloko
 Fa ho nisy azy ny famoizam-poko
 Raha tsy nialohavan'ireo tononkaloko!"

Ifandimbiasan'ny soa sy ny ratsy tokoa ny fiainan-janak'olombelona, tsy mora ny misedra ny androm-pahoriana. Mahavita mandia izany ihany anefa noho ny anatra nomen'ny sorakanto, hany ka nahery fo tsy resin'ny hakiviana. Namana amin'ny andro sarotra ny tononkalo.

*
* *

Raha fehezina, mpaminany ny pôeta, miantraika ireo rangotry ny peniny, kanefa manamaivana ny hirifiriny amin'ny fotoana hahantanterahany ireo diarin'ny aingam-panahiny. Kanto loatra sy mahasarika avy hatrany ny fomba nandrafetan'i Rado ity tononkalony ity ary taratra ao ny fampaherezany ireo mahatsapa faharesena. Raha manana hery hamaritra ny ho avy tokoa ny soratra, azon'ny pôeta atao ve ny mamolavola ny aingam-panahiny hirona amin'ny hafaliana lalandava?


© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 26/05/2021