TENINDRAZANA.TANINDRAZANA !
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
13 Marsa 2021

TENINDRAZANA.TANINDRAZANA !
Ny Tany – Tanindrazana – Tenindrazana. Singa ara-boajanahary nataon’Andriamanitra tsy ho afa-misaraka ireo ka ahazoana mamaritra sy manoritra ny firenena iray omban’ny fomba amam-panaony.

Ny zara faritany, na toa inona, na toa inona tokoa manko habeny na hakeliny, dia toy ny vala mamaritra ara-boajanahary ny foko na firenena iray izany. Voafono tanatin’izany ny fomba amam-panaony, izay iavahany amin’ny foko na firenena hafa. Tsy fanahiniana fa notefen’ny zava-misy araka ny namponenan’Andriamanitra ny olombelona ho isam-poko na isam-pirenena.

Ankoatra ireo, izay tsy kely fa anisan’ny lehibe indrindra, tamin’izay nahariana ny olombelona, ny nanomezan’Andriamanitra azy "lela", ahazoan’ny olona mamoaka sy mamolaka ny "teniny" sy ny "fiteniny" araka ny "Tany", izay tanindrazana nametrahan’Andriamanitra azy, ka teraka avy ao ny "Tenindrazany". Vala iray lehibe tsy azo tsinontsinoavina izay ihavahan’ny mponina eran’izao tontolo izao mihitsy izany karazam-piteny isam-pirenena na isam-poko izany.


Angaroa
Miitatra lavitra anefa, rehefa halalinina ny zava-miafina sy ny fifaningoran’ireo singa maro amin’ny fiainan’ny olona iray, na foko iray, na firenena iray, izay mifamatotra ho azy amin’ny fomba fiteniny. Tsy manavaka azy ho araka ny karazam-poko na firenena niaviany ihany fa itarafana ny maha izy azy ilay miteny ilay fiteny mihitsy. Ny toe-pony, ny toe-tsainy, ny fomba amam-panaony sy ny sisa.

AngaroaMahavariana ohatra ny mahita olombelona tera-tany tamin’ny firenena iray, voatery mandao ny tany niaviany ka nony injay rehefa nonina sy nilona tamin’io firenena hivahinianany io izy, ka efa niha nahazo faka tanteraka tao aminy ny fitenin’io firenena io, dia lasa nanova ho azy ny fomba amam-panaony, eny hatramin’ny fomba amam-pisainany izany.

Misy koa anefa ireo izay minia mihazona mafy ny tenin-drazany na dia mivahiny amin’ny tany hafa aza, ka tsapa ho voatahiry ihany, ilay rafi-tsaina voajanahary, voatefin’ny tenindrazany ao aminy.  Hita taratra amin’izany fa manana hery miafina hanefy ny isam-batan’olona ny fomba fiteny iainany isan’andro.

Fa ny mampanahy sy mampatahotra indrindra dia izao: arakaraka ny hitsoahan’ny tenindrazana tsikelikely eo ambavan’ny olona isam-pirenena dia miendaka tsikelikely manaraka izay ihany koa izay ifamatoran’io olona io amin’ny fomba amam-panaony sy ny fomba amam-pisainany tao amin’io faritra niandohan’ny razambeny io. Tsy hanana fototra hifaharana sy handrefesany ny maha izy azy intsony izy satria lasa vahiny amin’ny Tenindrazany. Mifamatotra tanteraka amin’ny fankamamian’ny olona ny Tanindrazany tokoa manko, ny fandalàny ny Tenindrazany!

Ny Mamatonalina 
Angaroa Angaroa
© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 13/06/2021

×