Créer un site internet
TANY – TENY - TENA
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
27 Jolay 2021

sary nindramina TANY – TENY - TENA

Mpanoratra : Ny Mamatonalina
Loharano : Gazety Marturia Vavolombelona
lah 938 ny 24 Jona 2021
Nanadihady : Tsikimilamina Rakotomavo


Ny Mamatonalina
Tsikimilamina Rakotomavo

Singa telo tsy afa-misaraka sy mifaningo-paka ny tany sy ny teny ary ny tena. Voambolana samy hafa kanefa mifono hevitra iombonana sy manasongadina ny maha Malagasy. Miresaka izany indrindra NY MAMATONALINA tao amin’ny gazety Marturia Vavolombelona lah 938 ny 24 Jona 2021. Nasongadiny tamin’izany fa manana ny anjara toerany lehibe eo anivon’ny fiarahamonina malagasy ny tenindrazana ary mendrika hampiasaina mandavantaona. Hamahavahana izany dia  asongadina mialoha ny fanimbazimban’ny hafa ny teny malagasy. Avohitra manaraka izany ny lanjan’ny teny eo amin’ny sehatra rehetra.

 *
*  *

Tsapa tokoa ankehitriny fa miha mihen-danja ny fitiavan’ny Malagasy ny teniny noho ny fitobahan’ireo fomba fijery manapotika sy mandrava ny fisainan’ny taranaka mifandimby. Satrin’ny vahiny hanjanaka ny Malagasy amin’ny fomba rehetra; hany ka manao izay tratry ny heriny izy ireo hamongotra ny teny izay hany maha Malagasy. Hoy indrindra ny voalaza:


"Nongotany ao am-bavako, ny lela itenenako!
Tsy ahafahako mibada, ‘lay Teny, Teny Reniko".

Fomba handrendrehana ny kolontsaina hivarina an-kady ny fanaovana tsinontsinona ny teny tahaka izany.
Rehefa tsy mahafehy ny

TANY – TENY - TENA

Betsaka ny zavatra, tiako hosoratana.
Maro loha ny zavatra, azoko soratana.
Ny rakidrakitsoratry ny fandinihantena.
‘Reo siko-dranomaintin’ny fandinihana ela.
Ny lasa sy ny androany…
Ny ampitso, hovinany!
Ry Taniko.
Ry Teniko.

Narindran-Janahary mba hifaningo-paka!
‘Reo zava-nohariany, hifototra amin’ny faka.
Hifamatotra amin’ny tenany, amin’ny tany izay iorenany.
Hatramin’ny Tany niandohany, ‘zay ivon-kevitrao ry Neny.
Lay Reny naha Izaho…
Firenena. Foto-taho!
Ry Taniko.
Ry Tenako.

(…)

Nongotany ao am-bavako, ny lela itenenako!
Tsy ahafahako mibada, ‘lay Teny, Teny Reniko.
Nampifamatopatotra ‘reo dindoko hofantarina.
‘Lay hany tadim-poitra, mpandrandran-tetiharana.
Vahiny amin’ny Teniny…
Safiotra tamin’ny Taniny…
Ry Taniko.
Ry Teniko.

(…)

Ny Mamatonalina (Angaroa Mamatonalina)
27 Jona 2020, 4:20 maraina tao Ankadimbahoaka
mikasika azy intsony mantsy ireo mpandimby aty aoriana dia mora amin’ny vahiny ny maka ny fo sy ny sain’ny Malagasy hampifangaro ny tenindreny sy ny azy ireo. Izany sary izany anefa no hita taratra amin’ny fiarahamonina iainana ankehitriny. Izany no nahatonga an’Ny Mamatonalina hilaza fa:
            
"Vahiny amin’ny Teniny…
Safiotra tamin’ny Taniny…"

Ny teny anefa no rohy mampifandray ireo ray aman-dreny izay loharano nipoirana amin’ny zanaka amam-para. Ny teny no ahafahana manatanteraka ireo vina rehetra eo anivon’ny tontolo manodidina ny tena.

Hita taratra teo àry fa natao ambany maso tsy hita ny teny malagasy ary tsy voakajy noho ny antony maro samihafa. Ny lanjan’ny teny araka izany no aharihary manaraka

*

Zava-dehibe ny fahatsapana ny lanjan’ny teny eo amin’ny fiarahamonina hahafahana mandrindra ny fomba fisainana ho amin’ny mendrika kokoa.

Efa natsidiky ny mpanoratra eo amin’ny lohateny fa mifandrohy mandrakariva ny teny sy ny tany ary ny tena. Ny teny no manavaka ny olona eo anivon’ny faritra samihafa, indrindra ny firenena. Avy amin’izany no anehoana sy ampitana ireo harentsaina samihafa. Hamafisin’ny mpanoratra izany amin’ny hoe:

"‘Reo siko-dranomaintin’ny fandinihana ela.
Ny lasa sy ny androany…"

Eo anatrehan’ireo dia tsikaritra fa fototry ny firenena ny teny. Avy amin’ny teny avokoa mantsy no hitondrana ny raharaha misy na toe-karena na sosialy na fanabeazana indrindra ny kolontsaina. Miankina amin’ny teny avokoa ny fanapahan-kevitra entina hampandrosoana ny fiainam-piarahamonina. Manamarina izany Ny Mamatonalina amin’ny hoe:

"Hifamatotra amin’ny tenany, amin’ny tany izay iorenany."

Tsy azo odian-tsy hita fa mirakitra ny tantara sy ny tranga tokony ho fantatry ny taranaka ny teny ary fantsona ahafahana manasongadina ny maha Malagasy eo anatrehan’ny hafa.

 *
*  *

Raha fintinina izay rehetra voambara dia tsapa fa marika hijoroana amin’ny maha izy ny tena ny fampiasana ny tenindrazana. Ny finiavana haneho izany tsy am-pisalasalana no mampiorim-paka ny kolontsaina malagasy. Koa mampandin-tena ny mpiara-belona ny pôeta amin’ny alalan’izao tononkalo izao mba ho sahy hanandratra mandrakariva ny teny malagasy eo amin’ny sehatra rehetra irotsahana. Ny fiainana ny teny eo amin’ny andavanandro dia ahafahana manasongadina fa misy i Madagasikara ary tsy mena-mitaha amin’ny hafa. Raha topaza-maso dia kanto ity kalon’Ny Mamatonalina ity noho ny filalaovany ny zanapeo amin’ny andalana mifanesy  amin’ny “taniko sy teniko” ka anehoana fa misy fitohizany sy fifanahafany izay ambara. Antenaina ny hitohizan’ny fanehoana hevitra an-tononkalo tahaka izao mba hanentanana ny mpiara-belona handala ny maha Malagasy.
Tsikimilamina Rakotomavo
© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 26/07/2021