Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny

Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

30 Mey 2015

 

 

"Miverena", tononkalon'i E. Namo-Passage, nofakafakain-dRatsimbazafy Heriarilala

 

 

MIVERENA

Miverena, ry arosy, izay nandao ny kamory,
Raha tatamo te-hitosy no miantso anao any:
Miverena, hoy ny feo, mba hanala sorisory,
Fa lavitra anareo ka zary mitomany.

Miverena, ry tsiriry, fa sasa-miandry ity izaho,
'Reo voahirana mitsiry, miantomboka hamony;
Miverena re, ry lahy, fa ny sento mifamaho,
Dia mandreraka fanahy sy mampalonilony.

Miverena, miverena, fa tsy zaka samy irery
Ny ziogam-pahoriana atolotry ny tany;
E! Ny fony manantena fa tsy ilaozanao miery,
Ra' tojo fijaliana na loza iray mavany;

Aoka, roy, hotadidina ireo dina sy voady
Nifanaovana sonia fa tsy hifandao;
Eny manko, ny olon-tiana no hiaraka hiady,
Dia tsy haharitra doria izao fijaliany izao.

Mitodiha ka henoy 'zany antso moramora,
"Miverena re,  ry roy,  na ho andro na ho ora".
Dia andrasako eto ihany 'lay hany nofidiko,
'Zay hamafa ny tomany, ranomasom-pahoriako.

E.Namo-Passage

 

Lafin-javatra iray tsy afa-misaraka amin'ny haisoratra ny kanto ka tokony hahatarafana izany avokoa rehefa asa soratra. Anisan'izany indrindra ity tononkalon'i E.Namo-Passage ity izay nampitondrainy ny lohateny hoe "Miverena", nivoaka tao amin'ny gazety Telegrafy laharana faha 263 tamin'ny 17 jolay 1931.

Maninona no tononkalo tranainy efa hananika ny fahazato taonany no fakafakaina? Satria ny Pôeta ankehitriny, hoy isika, dia manandratra ny literatiora malagasy. Mila porofoina araka izany raha manandratra tokoa na sanatria mampietry ny kalitaon'ny kanton'ny teo aloha isika. Mba hahafahana mampitaha àry dia araho maso kely ny famanafakana.

Ity tononkalo ity dia mihira ny alahelon'ny olona iray nilaozan'ny sakaizany ka iantsoantsoany azy hiverina indray. Ahoana tokoa anefa no hahafahana mahatsapa ny mahakanto ity tononkalo ity? Hojerentsika aloha ny fanehoana an-tsary ny toe-javatra iainan'ny mpandray anjara.Aorian'izay dia hohalalinintsika ny fanehoana an-teny sy am-peo.

***

FANEHOANA AN-TSARY NY TOE-JAVATRA

Dien'ny andalana voalohany amin'ny tononkalo, ny Pôeta dia naneho an-tsary ilay mpandray anjara izay nilaozan'ny olon-tiany ka "ry arosy izay nandao ny kamory" no nentiny nanehoana izany. Ny arosy mantsy dia voron-drano. Efa zatra azy ireny kamory ireny ka hafahafa loatra raha ilaozany. Teto izany ny mpanoratra dia nanohatra ilay mpandray anjara fototra tamin'ny kamory ary arosy no nanoharany ilay olon-tiany antsoiny hiverina.

Eo amin'ny andalana voalohany amin'ny andininy faharoa indray kosa dia "tsiriry" no nosafidin'ny poeta hanehoana ilay olon-tiany nandao azy.Tsy tsiriry ahitra tsy akory fa tsiriry vorona.Ireny mantsy no tsy mba mitoetra fa manifi-drano dia lasa.

Nampiasa ny sarina "voahirana mitsiry miatomboka hamony" ihany koa izy mba hilazany ilay fitiavany vao manomboka mivelatra nefa dia nilaozana sy natao tsinontsinona sahady. Mafy dia mafy tokoa izany toe-javatra iainany izany. Vao manomboka mitsiry dia lasa sahady ilay nantenaina hikarakara sy hanondratondraka ka tsy ho afaka mivelatra tsara akory dia efa halazo sahady. Indrisy!

Teto izany ny Pôeta dia nampiasa tandindona (sary) hanehoany ny zava-misy marina iainan'ny mpandray anjara! Ahoana indray ary ny kanto eo amin'ny teny sy ny feo?


TENY SY FEO

Manana ny fahaizany maneho ny mpanoratra raha eo amin'ny lafiny teny. Eo ny fitovian'ny feo eny amin'ny faran'andalana na rima.

Karazany roa izany ny rima hita tato amin'ity tononkalo ity. Eny amin'ny andininy efatra voalohany dia rima mifaningotra (abab) no ampiasain'ny mpanoratra ary maneho tokoa ny zava-misy iainan'ny mpandray anjara ireo teny misy ny fitoviam-peo am-paran'andalana. Ohatra ny eo amin'ny andininy fahatelo manao hoe:

"Miverena, miverENA, fa tsy zaka samy irERY
Ny ziogam-pahorIANA atolotry ny tANY;
E!Ny fony manantENA fa tsy ilaozanao miERY,
Ra'tojo fijalIANA na loza iray mavANY".

Rehefa eo amin'ny andininy farany indray kosa izy dia lasa rima mifanjohy (JJKK): moramora/ho ora/nofidiko/fahoriako

Tsapa na hita hatrany fa mirima ihany koa ny teny farany amin'ny tapany voalohan'ny andalana. Fahaizana mampitovy feo tsy fahita amin'ny angaly mahazatra izany.

Izany dia mampivoitra ny maha irery ilay olona rehefa nilaozan-tiana.

Nampiasa tamberin-teny ny mpanoratra. Voalohany amin'izany ny hoe "miverena", fa izany rahateo moa no lohateniny. Indimy no namerenany izany teny izany ary nataony filaza mandidy mba hanehoany ny antsoantsony ary mba hanamafisana fa nilaozana tokoa izy.

Ny teny hoe "fahoriana" sy "fijaliana" ihany koa dia samy naveriny indroa mba entiny milaza fa mafy ny manjo azy ary tena misy fiantraikany amin'ny fiainany ny fandaozana azy.

***

Raha bangoina izany dia ny fahaizan'ny mpanoratra maneho am-peo na an-teny sy an-tsary ny zava-misy no nahakanto ity tononkalo ity.
Hita tamin'ireo singa ireo avokoa ny zava-misy hiraina,ny fahoriana raha nilaoza-malala,ny mbola fiandrandrana ny fiverenany indray ary ny mbola fahavonona handray azy rehefa miova hevitra izy,mbola vonona ny handray azy tokoa matoa mbola miantso azy hiverina!


Ratsimbazafy Heriarilala

 

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

 

 

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021