Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny

Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

09 jona 2015

 

 

"Ao am-poko tsy lefy", tononkalon'Ny Ami, nofakafakain-dRatsimbazafy Heriarilala

 

 

Am-poko tsy lefy

Am-poko tsy lefy ireo teny jadona
Am-poko tsy lefy ireo tefitefy sy avona
Am-poko tsy lefy ilay sabatrao roalela
Am-poko tsy lefy fa namingana ahy hianjera


Am-poko tsy lefy ireo teny izay tsy tantiko
Am-poko tsy lefy fa nanimba ny ao anatiko
Am-poko tsy lefy ilay lefona nandratra
Am-poko tsy lefy ireo gidra,latsalatsa

Am-poko tsy lefy ireo teny izay tsy tanty
Am-poko tsy lefy,ao anatiko ao tsy maty
Am-poko tsy lefy izay fandavanao izay
Am-poko tsy lefy,...vita ny aminay
Am-poko tsy lefy ny herisetra iray minitra
Am-poko tsy lefy ireo hadalana vitantsika

Am-poko tsy lefy ireo fiofonao
Am-poko tsy lefy ireo famadiham-palitao
Am-poko tsy lefy ireo tsiahy sy tanisa
Am-poko tsy lefy mba ho anatro amin'ny sisa
Leo fitiavanao...

Ny Ami

 

Ny lasa tsy fanadino, ny zava-nolalovana efa lasa mantsy no nanefy ny ankehitriny ho fanomanana ny ho avy. Inona amin'ny lasa anefa izany tsy hay hadinoina izany? Mamaly izany Ny Ami amin'ity tononkalony nampitondrainy ny lohateny hoe: "Am-poko tsy lefy" ity. Lazainy ao fa sarotra ny mandevona ny ratsy ataon'ny tiana ny tena. Marina tokoa izany, ary raha nisy soa nataony aza dia voafafan'izany ratsy izany. Ilay ratsy indray, indrisy, no vita sokitra sy tadidy! Ahoana indray no fomba nanehoany izany ho kanto? Handeha ary aloha hojerentsika ny fisehony teo amin'ny firafitra. Manaraka izany, havoitra indray ny momba ny teny sy voambolana. Farany, hofantarina ireo sarin-teny nampiasaina.


FIRAFITRA

Mirafitra ho andininy aloha izy, miisa efatra izany. Voarakitra ao anatin'ireo andininy ireo avokoa ny zavatra tsapan'ny mpanoratra dia ny mbola fahatsiarovany ireo tsy rariny rehetra nataon'ny sakaizan-tiany azy. Manaporofo izany ny lohatenin'ny pôezia hoe "Am-poko tsy lefy". Manomboka hatrany amin'ny andininy voalohany ka hatrany amin'ny farany ny mpanoratra dia mitanisa ireo tosi-bohon-tanana rehetra natao azy: jadona, tefitefy, avonavona,  eny hatramin'ny latsalatsa mihitsy aza. Mampalahelo tokoa izany toe-javatra izany: tsy mba misy fitia mifamaly.  Ary izany indrindra no nanosika ny mpanoratra hamboraka ny fihetseham-pony.

 Ny andininy tsirairay ihany koa dia mirafitra ho andalana, andalana efatra avy no manorina ny andininy roa voalohany, andalana enina kosa no mandrafitra ny andininy farany. Nahoana no tsy nampifandanjan'ny mpanoratra ny isan'andalana? Satria mifamahofaho loatra ny zavatra ao an-tsainy.  Ka eo amin'ny isan'andalana no asehony izany fifamahofahoan-javatra maro ao an-tsainy izany.

Farany amin'izay resaka firafitra izay, tononkalo mirima izy ity, rima mifanjohy AABB avy eo DDEE dia miova FFGGHH indray ary eo amin'ny farany dia IIJJKKI. Rima mifanjohy indray no nampiasainy entiny hanehoana ny fifanjohian'ny zava-tsarotra iainany, ohatra horaisina:
 "Am-poko tsy lefy ireo teny jadona
 Am-poko tsy lefy ireo tefitefy sy avona
 Am-poko tsy lefy ilay sabatrao roalela
 Am-poko tsy lefy fa namingana ahy hianjera". andalana 1-4.

Hita ao amin'izany fa tsy mitsahatra ny herisetra iainany : teny jadona, avona. . .

Teto izany dia nanehoany ny votoatinkevitra avokoa na ny rima na ny isan'andalana izay voarakitra tao amin'ny andininy. Nanakanto ity poezia ity ny fahaizan'ny mpanoratra naneho izany. Ahoana indray ary ny fanakantoana teo amin'ny teny sy ny voambolana?


TENY SY VOAMBOLANA

Raha ny fanakantoana an-teny dia ny tamberin'andian-teny an-dohan'andalana na "anaphore" no tsikaritra voalohany. Ny andalana farany indrindra ihany no tsy ahitana ny andian-teny hoe:"am-poko tsy lefy", imbaloambinifolo miverina izy io ato anatin'ny poezia.  Izany dia natao hanatintraterana fa tsy maty am-po mandrakizay ny alahelo nateraky ny fahasiahan'ilay malalany taminy ka tsy mba nitsitsy azy mihitsy fa nanao teny maharary, nandatsa ka tena nandratra.

Manaraka izany, misy fampiasana teny verindroa ato amin'ny tononkalo:"tefitefy", "latsalatsa". Natao izany ho fanehoany fa tsy nisy fitsaharany teo amin'ny fiainany mihitsy izany teny maharary nanefitefena sy nandatsalatsana azy izany. Malahelo loatra izy ka tsy maintsy asongadiny izany. Mafy tokoa mantsy izany hoe tia saingy tsy raharahina:teny mamy mivaly teny maharary, tambitamby mivaly avona.

Farany eo amin'ny izany teny sy voambolana izany, hita ato ny fampiasana voambolana tsy fandre andavanandro. Ny vombolana "tsiahy" eo amin'ny andalana 17 ohatra dia tsy fiteny isan'andro fa ny teny hoe "fahatsiarovana" no mahazatra, izay no mahakanto ity asa soratra ity. Teny mihataka amin'ny andavananadro toa io mihitsy no noraisina mba hanasongadinana fa mbola tadidy foana ireo toe-javatra nankarary ny ainy, tohina loatra mantsy izy raha nieritreritra sy nahatsiaro izany hasiakan'olon-tiana izany.

Raha hita ary fa nahakanto ity tononkalo ity ny tamberin-teny sy ny teny verin-droa ary ny voambolana tsy fiteny andavanandro dia ahoana indray kosa ny eo amin'ny sarin-teny?

 

SARIN-TENY

Isika Malagasy moa tsy dia tia maneho hevitra mivantana izay fa miolakolaka sy mampiasa fanoharana foana rehefa hilaza zavatra. Iray amin'ny izany sarin-tenim-panoharana izany indrindra no nampiasain'ny mpanoratra eto,  dia ny fanovana endri-javatra na "metaphore". Eo amin'ny andalana faha 15 no ahitantsika izany : am-poko tsy lefy ireo fiofonao". Tafiany endri-biby eto ilay malalany, ny olona mantsy tsy mba miofo toy ny biby. Ny tsindretra ohatra dia miofo ho angidina;ny fanday ho lolo. Ny fiofon'ny tanalahy dia misongadina amin'ny fiovan'ny lokony mandritra ny fotoana fohy. Lazainy fa miofo izany eto ilay olona mba hoentiny milaza fa niova taminy.


Ankoatra ny fanovana endri-javatra dia eo ihany koa ny fanovana fandraisan-javatra na "metalepse". Eo amin'ny andalana faha 16 no misy izany manao hoe : "am-poko tsy lefy ireo famadiham-palitao".
 Teny an-kolaka ilazana fa mamadika fitokisana io olona io, izany hoe rehefa te hifindra lasy izy dia tsy mahamenatra azy indray ny nanovany ny fombany. Hafa izy tao amin'ny ilay voalohany avy eo dia miova ho hafa indray rehefa hifindra ao amin'ny ilay faharoa.

 Eo ihany koa ny "synecdocque" izay sarin-teny ao anatin'ny fanovana anarana. Eo amin'ny andalana faha 13 no voalaza hoe:"am-poko tsy lefy ilay herisetra iray minitra". Eo dia ny ampahany no nentin'ny mpanoratra nanondro ny manontolo, iray minitra hoy izy niantso ilay fotoana niainany ny herisetra. Araka ny tononkalo anefa dia fotoana lava mihitsy no niainany ny herisetra fa tsy hoe iray minitra monja , ary izay no tsy mahalefy azy ao am-po. Ny minitra anefa dia ampahany ihany amin'ny ora, ny ora dia ampahany amin'ny fotoana ka izay no ilazana fa "synecdocque" no hita eto.

 

***

Raha bangoina izany dia nampiasa fomba maro ny mpanoratra hanehoany ny alahelony tsy tanty na teo amin'ny sarin-teny izay tsy naseho mivantana, na teo amin'ny teny sy ny voambolana na teo amin'ny firafitra. Ny mahakanto ny asa soratra izany dia ny fahaizan'ny mpanoratra mampifandray ny singa ivelany amin'ny hevitra ao anatiny.


Ratsimbazafy Heriarilala

 

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

 

 

×