Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny

Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

17 jona 2015

 

 

"Tanala very sampy", tononkalon'i J.-J. Rabearivelo, nofakafakain-dRatsimbazafy Heriarilala

 

 

TANALA VERY SAMPY

Raha sendra misoka ny volana ambony,
Raha takona mantsy, ka tsy mba hita intsony,
Ankaratra misento, ka tsy mba mitony
Andringitra no ho avy hanony ny fony.

Irony domohina raha toa saraka ala,
Indrisy! misento.  Indrisy! fa adala?
Manembona,  hono, fa lavi-malala
Hanova no sisa, fa sampin-tanala,

Avia ry vorona?Avia mba mikalo!
Alaotra nilaozana, tomany mpandalo:
Very tsiriry ka indrisy?mimalo?
Vonoiko ny sento, tsy ekeko hampivalo.

Ory manjavona-Ankaratra izany?
Onena misento-Ankaratra ihany
Ny tsy anilan-tiana no tena tomany
Ny lehilahy kosa tsy lavon'izany.

Ora-midona mety hampahatsiahy
Ozom-pitia mitondra hampanahy
Toa aloka sisa very fanahy?
Tanala very sampy aho, ry lahy.

Samborina ve ny domohin'ny tena,
Samborina ho an-kafa hanorisorena?
Indrisy!misento. Indrisy! Mivena
Izaho manan-kambo tsy resy resena.

Efa nisinda ilay kinta-nirina,
Efa niova ho fangirifiriana;
Orosan-tsy satry ny sento iniana
Ovao ny famindra, ka nde miova tiana

J. -J. RABEARIVELO (Lova, tak. 27)

 

Fisarahana, fahataperan'ny fiarahan'ny mpifankatia, mangidy koa raha mangidy ka betsaka no tsy mahatanty fa miezaka ny hahazaka ihany. Izany fisarahana izany indrindra no hirain-dRabearivelo ato amin' ity tononkalony ity izay nomeny ny lohateny hoe:"Tanala very sampy", notsongaina tao amin' boky Lova, takila faha 27. Taratra ato ny fifanoheran'ny fo sy ny saina : ny fo mbola tia ka tsy te hamoy, ny saina efa te hionona sy te hanova. Ahoana indray no nanakantoan'ny Mpanoratra izany adim-panahin'ny fo sy ny saina izany? Handeha àry aloha hojerentsika ny firafitry ny tononkalo, manaraka izany ny fanakantoana ny fehezanteny ary farany ny fampiasana tandindona.

 

I.  FIRAFITRA

Voalohany, tononkalo mirindra izy ity raha ny firafitra no jerena, mirima mantsy izy ka rima mifanjohy no ao : aaaa avy eo bbbb dia mioava ho dddd ka toy izay hatrany hatrany. Mitovy avokoa ny feo amin' faran'ny andalana anatin'ny andininy iray, ohatra :

 "Raha sendra misoka ny volana ambony
 Raha takona mantsy, ka tsy mba hita intsony
 Ankaratra misento, ka tsy mba mitony
 Andringitra no ho avy hanony ny fony.
"

 Hita ao amin' ireo teny mirima ireo ny fotokevitra nanetsika ny aingam-panahy dia ny tsy fahitana intsony sakaizatiana ka fanantenana fa mbola hisy vaovao indray afaka hampitony.

Manaraka izany, amin' maha tononkalo mirindra azy ity dia miendrika ho andininy izy, ahitana andininy fito.  Lava tokoa ity tononkalo ity satria mipololotra loatra ny fihetseham-pon'izany olona nilaozan-tiana izany ka mifangaro ao ny fitia te hijanona sy fitia te hanova fa efa te hionona  : "manembona hono fa lavi-malala, hanova no sisa fa sampin-tanala." (andalana7-8). Izany hoe mbola manembona ny lasa izy kanefa efa te hitady ny vao.
 
 Mirafitra ho andalana ihany koa ity tononkalo ity:andalana efatra no manorina ny andininy iray. Kanto tokoa ity tononkalo ity satria na ny mijery ny fitovian'ny isan'andalana ihany ary dia efa mahafinaritra.  Izany fitoviana izany dia efa milaza sahady fa mitovy ny lafin-javatra ventesin'ny tononkalo ao amin' andininy tsirairay, dia ny alahelo ny tiana sy ny hambo mba ny tsy hisentoana azy intsony fa hitadiavana vaovao indray:

"Avia , ry vorona?Avia mba mikalo!
 Alaotra nilaozana, tomany mpandalo;
 Very tsiriry ka indrisy?mimalo?
 Vonoiko ny sento tsy ekeko hampivalo.
" (andininy fahatelo)

Tononkalo mirindra izany ity tononkalo ity, izay no mahakanto azy, mirima, mirafitra ho andalana izay nahazoana ny andininy, ahoana indray ary ny fanakantoana eo amin'ny fehezanteny?


II.  FEHEZANTENY

Voalohany, nampiasa fehezanteny tso-drafitra ny mpanoratra izany hoe ny Entimilaza (EM) mialoha ny Lazaina (L):"Raha sendra misoka ny volana ambony" (andalana1), izany hoe ny fomba tsotra indrindra no nentiny nanambara ny ahiahiny raha toa ka ho dify azy ilay malalany.  Rehefa misoka mantsy ny volana dia takona tsy hita intsony ka teto izy dia nieritreritra ny mety ho fiainany raha toa ka tsy eo intsony ny malalany.


Mampiasa fehezanteny mivadi-drafitra ihany koa ny mpanoratra, ohatra eo amin'ny andalana 4 : "Andringitra no ho avy hanony ny fony. "Miovaova izany ny rafi-pehezanteny nampiasain'ny mpanoratra tato ka dia nanatsara ny endriky ny tononkalo izany. Io fehezanteny io moa dia milaza fa raha handao azy tokoa ny malalany dia hisy hafa indray afaka hisolo izany ka mbola ho tony indray izy.


 Farany, ankoatra ny vadi-drafitra sy ny tso-drafitra dia hita ihany koa ny fampiasana fanontaniana. Maromaro izy ireo fa ny eo amin'ny andalana 6-7 no raisinitsika ohatra:"samborina ve ny domohin'ny tena/samborina ho an-kafa hanorisorena?"


 Sady manontany izy no mamaly, tsy te hamoy ilay domohina efa nikopaka elatra izy kanefa na hisambotra izany indray aza dia fantany fa tsy ho azy intsony, manorisory ny tenany fotsiny izy raha manao izany ka nisalasala indray.

Teto izany dia hita fa nisy endrika telo ny fehezantenin'ny mpanoratra : tso-drafitra, mivadi-drafitra ary fanontanina. Samy nahalaza ny hevitra tian'ny mpanoratra havoitra avokoa ireo, ahoana indray ny teo amin' fampiasana tandindona?

 

III.  TANDINDONA

Voalohany, nampiasa tandindona tokoa ny mpanoratra hanehoany ny heviny, tsy novantaniny avy hatrany ny tiany ho lazaina fa nanohatra tamin'ny zava-boahary izy:"Raha sendra misoka ny volana ambony". Ny volana misoka no tandindon'ny malalany midify. Izany hoe ny volana no mpanazava ny aliny ka maizina ny tany rehefa takon'ny rahona izy, ary manjombona ny fiainany rehefa idifian'ilay tiany izy.

Eo amin'ny andininy faharoa indray dia "domohina saraka ala" no nentiny nanohatra ny tenany sara-tiana. Ny ala mantsy no fonenan'ny domohina ka toy ny lavi-malala izy rehefa tsy ao. "Indrisy! misento. Indrisy ! Fa adala, manembona hono fa lavi-malala",  hoy ny tohiny. Mbola tia izy izany matoa mbola manembola ary mbola tsy te hamoy.

Inona indray no tandindon'ny fony te hisy mpamangy? "Alaotra nilaozana-Tomany mpandalo" (andalana 10). Tanala very sampy tokoa, efa te hanova ka mitady mpandalo. Ny fony no Alaotra ka mitady mpiserana indray izy hotanana mba hitoetra hisolo ilay lasa. Mazava eto fa efa hafa mihitsy ilay mpandalo tadiaviny, tsy niantso ilay nandeha mba hiverina mantsy izy fa nitomany mba handalovan'ny hafa !

 

***
 

Raha fintinina izany dia betsaka ny singa nanakanto ity aingam-panahy vokatry ny fandaozan'ny tiana ity, na teo amin' endrika izay nirindra dia nirindra tokoa na teo amin'ny fehezanteny. Tao ny fametrahana fanontaniana, teo ny tso-drafitra sy ny mivadi-drafitra, fa ny tena nahakanto azy dia ny fampiasana tandindona:toy ny zava-boahary (volana, domohina, ala) sy ny toerana (Alaotra). Izany tokoa no tena maha mbola hafa ny asa soratr'ireo andrarezina fahiny, tsara hianarantsika mpanoratra vao misandratra ankehitriny.

Ratsimbazafy Heriarilala

 

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

 

 

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021