Créer un site internet

Famakafakana ny tononkalon'i Avelo Nidor

poeta_malagasy Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

poetawebs: tranonkala anandratana ny poeta sy ny poezia malagasy, ifandrombonan'ny poeta vitsivitsy eto anivon'ny aterineto.

23 Janoary 2013

                        FASAM-POANA

Tononkalon'i AVELO NIDOR, nofakafakain'i Toetra RAJA

RAKOTONDRAVELO Hajatiana Rodin

28/08/2004
Avelo Nidor
in "Mampangidihidy."

Ny ao anatiko ao
foana…babangoana,
tsy misy intsony ianao
F’efa afa-tsaona
ilay fo adala anao
Efa tsy tsaroana
ny mombamomba anao
Efa lasan’ny fotoana
ny fisaonana anao
Niriotra nimaona
ny alahelo anao
Nanjary fahalotoana
ny fisainana anao
Efa nimamoana
ny fanadinoana anao
Efa fasam-poana
ilay fo nitoeranao
Efa foana babangoana
ny ao anatiko ao
Tsy misy intsony ianao
intsony intsony ianao…
tsy misy…!

Tononkalo manambara faharavan'ny fitiavana no atolotr'i AVELO NIDOR ato amin'ity "FASAM-POANA ity, izay nalaina tao amin'ny bokiny "MAMPANGIDIHIDY". Samy manana ny fanoharany azy avy ny mpikanto rehefa manambara faharavana: "vaky ny sambo", "rava ny tsena" sns. Ny eto kosa anefa dia somary henjana kokoa satria natao hoe "fasam-poana".

Andeha hiato kely eto amin'ny lohateny aloha isika. Ao amin'ny fasana no fametrahana ny nofon'ny olona maty, izany hoe ireo efa tsy anisan'ny olombelona intsony. Ho an'ny Kristianina dia tapitra tarangana ny fifandraisana eo amin'ny maty sy ny velona fa fahatsiarovana sisa no azo ifikirana. Manampy trotraka izany anefa dia mbola foana koa ilay fasana, izany hoe "maty tsy hisy ho tsaroana intsony" moa va tsy toa roa sosona ny fahafatesana.

Mazava loatra fa nosoratana ho an'ny olon-tiana teo aloha ny tononkalo. "IANAO" na "ANAO" hatrany no voatanisa fa tsy "IZY" na "AZY". Na dia maty tanteraka aza ilay fitiavana dia tian'ny mpanoratra ho tafapaka any antsofin'ilay "ianao" ihany ny hafatra, eny fa na dia ambara hatrany fa tsy tsaroana sy tsy alahelovana intsony aza: afa-tsaona, nimamoana ary koa ilay hoe "niriotra... ny alahelo". Ambonin'izany dia mety hahatafintohina mihitsy aza izay mety hateraky ny fahatsiarovana satria voalaza fa hiteraka "fahalotoana".

Matetika anefa dia tadidy ireny fitiavana taloha ireny, indrindra anie hono ka ilay "voalohany". Ankevitry ny niharan-javatra tsy araky ny aina ilay fitiavana - toy ny fahatezerana mihoa-papana - hany ka tsy mba nisy "pitiny" akory tafajanona ka azo nofihinina. Ny fitiavana mantsy dia maka toerana lehibe ao am-po, ao anaty, ao amin'ny androantokon'ny andro. Indro anefa fa "babangoana ny ao anaty", araka ny voasoratra dieny miandoha ny tononkalo.

Amin'ny fomba feno firintonana no nanoratana ny tononkalo. Mazava sy entitra ary tsy azo ihodivirana ny hafatra satria naverimberina hatrany ny "INTSONY" ary natao verindroa aza any amin'ny farany. Fanontaniana no andeha hamaranana ny famakafakana.

- Izao firintonana izao ve midika fa mbola tsy takona tsara ny fery?
- Raha eny ny valiny, tsy ny ezaka fanadinoana ve no taratra ao ambadik'ilay hafatra?

Raha mitombina ny ahiahy ary na dia babangoana aza ny ao anaty dia mbola hikatona tsy hivoha ny varavarana... fa satry ihany ho fasam-poana andosiran'ny hafa.
Toetra RAJA

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021

×