Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny

Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta - T.Ràja

31 jolay 2015

 

 

"Lasa", tononkalon'i Dox, nofakafakain'i Arilala Andriamamonjy

 

 

Lasa

Lasa izay ilay sombiniaina,'lay malala eram-po,
Nantenaina hotezaina,iza ange no nanampo?
Amin'ny ananana azy mahafatifaty indrindra,
Vao mba nianatra miteny,vao mba mianatra mamindra!

Eny! lasa izy izay!Vao nanomboka hamololona,
Kanjo izao ka naterina hodimandry an-tanin'olona...
Tsiahy sisa...tsiahy resy,tsiahy ory sy tomany
Hamololona ao am-po...Izy efa vovo-tany!

Lasa izy,tsy hiverina amintsika ety indrisy...
Nangaihay teo isika! Nefa kosa indrisy onony,
Onony ny onjam-pahoriana mila hamefika ny fo!

Mamelovelo ao anaty ny faniriana tsy tanteraka
Hahana azy hobeazina! Torovana ny fo niteraka!
Rotsio anefa ny alahelo hatory mora tsy hifoha!

Dox(Rakimalala,tak2)

 

Ny zanaka no harena sarobidy indrindra amin'ny Malagasy, fahoriana tsy roa aman-tany raha sanatria mamoy azy. Izay indrindra no hirain'i Dox ao amin'ity tononkalony mitondra ny lohateny hoe "Lasa" izay nalaina tao amin'ny Rakimalala takila faharoa ity, izay nosoratany tamin'ny fahalasanan'ny zanany vaviaivo. Matetika ny tara-kevitr'i Dox dia miompana amin'ny fahafatesana, tsy dia izy loatra anefa no mankamamy io tara-kevitra io fa ny toe-javatra niainany no nanefy izany tao anatiny. Ahoana indray ary ny fanehoany ny fahoriam-panahiny teto. Andeha ary aloha hojerentsika ny eo amin'ny firafitra, manaraka izay ny eo amin'ny teny sy voambolana, ary farany, eo amin'ny sarin-teny.


FIRAFITRA

Voalohany, ity tononkalo ity dia tononkalo raiki-drafitra (sonnet) ahitana andininy efatra ka andalana efatra avy no mandrafitra ny andininy roa voalohany ary andalana telo avy no mandrafitra ny andininy roa farany. Izay tokoa no mahakanto ity tononkalo ity, manana ny endriny raikitra tsy mitovy amin'ny tononkalon'ny mpanoratra sasany. Io endrika tononkalo io moa dia manavanana an'i Dox na dia izany aza dia misy ny tononkalo sasany tsy raiki-drafitra toa azy ity.


Ny "sonnet" moa dia misy karazany roa ny ara-dalàna dia ny "sonnet" frantsay sy ny "sonnet" italianina : frantsay izy raha toa ka toy izay no firafitry ny rima:ABBA ABBA CCD EED, izany hoe mifampibaby ny rima amin'ny andininy voalohany sy faharoa ary mirima ny andalana farany avy amin'ny andininy fahatelo sy fahefatra. Italianina indray izy raha toa ka toy izao ny filahatry ny rima ABBA ABBA CCD EDE : izany hoe mifampibaby avokoa ny eo amin'ny andininy roa voalohany ary ny andalana fahatelo amin'ny andininy fahatelo sy ny andalana faharoa amin'ny andininy fahefatra no mirima. Ny rima eto amin'ity tononkalo ity anefa dia AABB DDEE FFG FFG:mifanjohy ny andininy roa voalohany. Izany tsy ao anatin'ny sonnet ara-dalana izy ity, sady tsy frantsay no tsy italianina, tsy isika Malagasy anefa no tompon'izany sonnet izany fa notahafina avy any ivelany.

 

Raha izay ary ny eo amin'ny firafitra dia ahoana indray kosa ny eo amin'ny teny sy voambolana?


VOAMBOLANA

Raha ny teny no jerena dia ahitana verin-droa maromaro ato, toy ny "mahafatifaty" eo amin'ny andalana fahatelo, izany no nataony verin-droa mba hanehoany fa mahafinaritra sy mahatehotia ilay zanany, eto ny verin-droa dia tsy natao mba hanalefahana hevitra toy ny mahazatra fa natao mba hanindrahindrana aza, raha hoe "mahafaty" mantsy dia toa zavatra ratsy indray no ambaran'izany. Misy koa ato ny hoe:"mangaihay"(andalana 10) sy ny hoe "mamelovelo" (andalana 12), natao verin-droa mba hilazana ny fiverimberenan'ny alahelo matetika rehefa nilaozana ka tena mangasihasy sy diso fanantenana tokoa.

Manaraka izany dia hita eto koa ny tamberin-teny : "tsiahy" intelo eo amin'ny andalana fahafito:"Tsiahy sisa. . . tsiahy resy, tsiahy ory sy tomany. " Niniana naverimbberina izy io mba hanamafisana fa tsy manadino, mahatsiahy foana na dia efa lasa aza izy, tsy misy azo atao koa ankoatra ny mahatsiahy.

Toy izay ihany ny eo amin'ny andalana fahafolo sy faharaikambinifolo hoe:"onony", tsy afaka ny hanao na inona na inona  tokoa mantsy fa tsy maintsy mionona ary izay no antom-pisian'ny tamberina eto, ho fanatintraterana fa tsy hahavita inona intsony na tiana sy mamy aza ilay sombin'ny aina.

Farany eo amin'izany teny sy voambolana izany dia ny voambolana hoe : "hamololona" izay tsy fampiasa andavanandro. Hita izany eo amin'ny andalana fahadimy manao hoe : "Eny!Lasa izay!Vao nanomboka hamololona". Eto ny tiana holazaina amin'ny voambolana dia hoe hivelatra. Natao mihataka amin'ny andavanandro toy izay izy mba hanasongadinana hoe vao manomboka mivelatra amin'ny hatsarany ilay zaza dia nindaosin'ny fahafatesana sahady, mbola tsy tafavelatra tsara, mbola tsy tafasandratra, indrisy, mampalahelo tokoa.


Hita tokoa fa ny lafiny teny sy voambolana teto dia naneho an-tsary ny toe-java-misy : nahafahana nilaza fa tsy eo intsony ilay menaky ny aina fa tsiahy sisa ka tsy maintsy mionona na dia vao an-dalam-pivelarana ary izy dia efa natelin'ny fasana?Inona avy indray kosa ary ireo sarin-teny hita ao ary maneho inona?

 

SARIN-TENY
 
Raha ny sarin-teny indray no jerena dia ny fanovana endri-javatra no tsikaritra voalohany. Hita izany eo amin'ny andalana fahadimy manao hoe: "vao manomboka hamolona. "Ilay zazakely no lazainy eto fa mamololona, ny volona anefa dia ny zava-maniry no ahitana azy, oharina amin'ny zava-maniry izany eto ilay zaza, izay vao manomboka mihatsara toy ny voninkazo vao manomboka mivelatra, nampiasaina io sarin-teny io mba hahafahana mamoitra fa vao eo am-pivoaran'ny hakanton'ilay zava-boaharin'Andriamanitra dia maty, tsy nalazo akory.

Hoy indray izy eo amin'ny andalana farany hoe:"rotsio anefa ny alahelo. "Novainy endrika ho toy ny zava-manan'aina ny alahelo, toy ny sakakely na alikakely na toy ny olona ka azo ampatoriana. Kanefa ny alahelo angamba tsy hoe matory fa hadino fotsiny rehefa tsy iasana loha elaela sy tsy raharahina intsony. Io fehezanteny hoe:"rotsio anefa ny alahelo" io dia nataony filaza mandidy mba hibaikoana ny ao anaty tsy hahatsiaro intsony, nataony filaza mandidy rahateo izany.

Ao ihany koa ny filaza masaka : "torovana ny fo niteraka"andalana faha 13. Ny fo ve aloha mety ho torovana?Ny hoe kivy sy ketraka angamba no tena asongadina eto, hamafisina loatra ka lazaina fa hoe torovana,  ny zavatra manao asa no tokony ho torovana na vizana, ohatra ny tanana na ny tongotra. Mafy tokoa izany mandevin-janaka ka rariny ny mpanoratra raha nilaza ho torovana.

 

***

Raha bangoina izany ity tononkalo ity dia hita fa kanto na dia fahafatesana aza no hirainy. Izany hakantony izany dia taratra teo amin'ny fampiasana fanovana endri-javatra sy ny filaza masaka, hatramin'ny tamberin-teny sy ny fampiasana voambolana tsy mahazatra ny sofina, ny teny verin-droa, ny firafiny ho sonnet, ny rimany. Ireo singa rehetra ireo dia nampipololotra ny ao anaty tokoa ary ny mpanoratra dia nahay nampiombom-pihetseham-po antsika taminy.


Arilala Andriamamonjy

 

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety