Pôetawebs

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

14 Mey 2015

NDEHA RE IZATO IZY ..., tononkalon'i Ny Eja, nofakafakain'i Arilala Andriamamonjy


'NDEHA RE IZATO IZY ...

Irony lalanao... Ndeha izato izy izory !
Dia aza asiana resaka momba ahy intsony !
Tsofin-drano ianao, ndeha soava dia,
Vita hatreo ny antsika, tsy ho mpifankatia !..

Intsony aho aza heverina, ilay olo-malala.
Olon-kendry isika, ka tsy hifanadala
Tsy hampisy rahoraho ny fiainana ho avy...
Izaho efa zatra nihafy, hijoro tsy hiangavy!.

Dia avelao aho hiaina, hianoka ny fiainako
Zakaiko tsisy anao izay ady sy tarainako.
Hotadidiako hatrany, ny kanto sy ny tsara
Tsy hankahalaiko ianao, izaho koa tsy hikafara .

Isika roa raha mihaona...
Iangaviako ianao tsy mba hihafahafa
Isika roa raha mihaona ...
Hijanona ho mpinamana, hifanasa sy hitafa .

Ny Eja, anio 3 Juin 2015 amin'ny 21 ora


Maro ny mpifankatia no manjary ho mpifankahala rehefa tojo fisarahana, ao kosa anefa no mbola mikatsaka ny hihavana ka miverina ho mpinamana. Milaza izany indrindra ity tononkalon'i Ny Eja ity izay nosoratany tamin'ny 3 jona 2015 tamin'ny 9 ora alina ka nampitondrainy ny lohateny hoe: "NDEHA RE IZATO IZY...".

Milaza ihany koa ity tononkalo ity ny mba tsy hifanelingelenan'izy ireo intsony fa samy hanana ny fiainany amin'izay. Ahoana indray ary no nanakantoan'ny mpanoratra izany hevitra ijoroany izany? Handeha aloha hojerentsika ny firafitra ary hamaranana azy ny fampiasana ny teny sy voambolana.

***

FIRAFITRA

Voalohany, raha ny eo amin'ny firafitra no jerena dia hita fa tononkalo mirindra izy ity. Ny fisian'ny rima no ahatarafana izany. Rima mifanjohy no hita eo amin'ny andininy voalohany ka hatramin'ny fahatelo: aabb ddee ffgg hhii.
Oh:izory/intsony/dia/mpifankatia.(andininy voalohany)
Voarakitra ao amin'ireo teny isam-paran'andalana ireo fa tsy ho mpifankatia intsony izy roa fa samy hanana ny lalany amin'izay.

Rehefa eo amin'ny andininy fahefatra farany kosa dia miova ho rima mifaningotra: jkjk. Eo koa dia hita fa niova ny hevitra ventesina: ny tsy hifampihafahafana, fa ho toy ny mpinamana rehefa sendra tafahaona: "isika roa raha mihaona/iangaviako ianao tsy mba hihafahafa/isika roa raha mihaona/hifanasa sy hitafa. Izany hoe na teo aza ny fisarahana dia tsy natao handrava fihavanana ny fanambadiana tsy raikitra.

VOAMBOLANA

Manaraka izany raha ny teny sy ny voambolana indray no asiana jery kely dia hita voalohany amin'izany ny fampiasana teny mihataka amin'ny andavan'andro. Eo amin'ny andalana fahasivy no misy izany: "hianoka" no nampiasainy raha "hankafy" no mahazatra. Eto izy dia nataon'ny mpanoratra an'io mba hanintona ny saintsika ka hisongadinan'ny hevitra tiany havohitra dia ny hankafizany ny fiainany tsy misy mpanelingelina: "dia avelao aho hiaina, hianoka ny fiainako".

Ankoatra izay dia misy ihany koa ny fiovan'ny laharam-pisehoan'ny teny na "anastrophe" eo amin'ny andalana fahadimy: "intsony aho aza heverina" ny andrasana dia hoe "aza heverina intsony aho". Na nifamadika aza anefa ny filahatry ny teny teto dia tsy nanova ny heviny izany fa somary nanaitra fotsiny ka vao mainka nanakanto azy. Tokana ihany ny heviny:ny tsy hiheverana azy ho olon-tiana intsony.

***

Raha fintinina izany dia hita tokoa fa kanto ity tononkalo ity. Betsaka ireo singa nahafahana mamaritra izany toy ny rima, teny sy voambolana. Izy rahateo koa nirafitra ho andininy sy andalana. Mirindra tokoa no nandrafetan'ny mpanoratra ireo singa ireo izay nahafahana nitaratra ny votoatin-kevitra fonosiny dia ny tsy hifanerasera be loatra intsony nefa tsy ho mpifahavalo kosa.

Arilala Andriamamonjy
Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021

×