Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny

Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

30 Novambra 2015

 

HIARINA..., tononkalon'i Thina Andriafaly, nofakafakain'i Arilala Andriamamonjy

 

 

HIARINA

Fa lefona maranitra nanindrona ny foko
'Reo lainga izay nafafy ka nampandriana adrisa ;
Ny marina noloarako no solon-tody antsoiko,
Ampy itandremako sy anatra ho amin'ny sisa.

Fitiavana voahosy? tsy izay no fara aina,
Ka holairam-pahakiviana, ho levon'ny tomany ;
Vao miha mahery vaika, mifoha isa maraina
Ny aingan'ny fanahiko mamelona azy hatrany.

Izay ilay fo mahitsy sy ny fitiava-marina ;
Aleo aloha mimaona tsy hikotri-balifaty,
Toa lavo fa tsy resy... vonona hiarina
Minia manadino... mizaka izay mba tanty.

Thina - 14.11.15 - 22.26

 

Anisan'ny iavahan'ny vehivavy amin'ny lehilahy ny haketrahana tanteraka rehefa finitak'olon-tiana. Na izany aza anefa dia betsaka ny mahay miarina sy mibanjina ny ho aviny fa tsy mivary lavo rehefa tojo izany. Izany indrindra no kaloin'i Thina ao amin'ity tononkalonyy mitondra ny lohateny hoe "HIARINA" ity. Marihina fa lohateny nomen'ny mpamaky izy io araka ny fangatahan'ny mpanoratra. Inona tokoa no fonosin'izany lohateny izany?

Handeha aloha hotsoahina amin'ny fijerena ny firafitry ny tononkalo, avy eo dia hasongadina ny teny aman-tsarin-teny nampiasain'ny mpanoratra.

FIRAFITRA

Raha ny firafitra no jerena dia hita voalohany fa tononkalo mirindra izy ity: mirafitra ho andininy ary ahitana andalana. Ny fitambaran'ny andalana manorina ny andininy izay mifandanja tsara ery ka mahafinaritra ny maso ny mijery azy. Andininy telo mantsy no manorina azy ity ka ahitana andalana efatra avy.


Mirima avokoa ireo andalan'ny tononkalo. Rima mifaningotra (abab) izy eto ary toa manambara ny fahasarotan'ny olana mianjady amin'ilay olona tantaraina. Ny fahafenoin'ny rima dia vao mainka manome endrika kanto ny tononkalo. Ohatra: adrISA/sISA; mARINA/hiARINA.

 

TENY AMAN-TSARIN-TENY

Raha ny teny nampiasain'ny mpanoratra no jerena dia hita misongadina voalohany ny teny hoe "afafy" izay midika hoe aparitaka. Eo amin'ny andalana faharoa no misy izany manao hoe: "ireo lainga izay nafafy." Izany dia tena hita fa nanao izay hampahalaza ny tsy misy mihitsy ilay olon-tiany ary tena nanao ny tafahoatra. Fanovana endri-javatra izany no sarin-teny misy eto satria ny lainga dia noheverina ho toy ny voan-javatra madinika ka mety afafy.

Eo amin'ny andalana fahadimy ihany koa dia hita ny teny hoe: "fitiavana voahosy". Toa sady fanovana endri-javatra izy ity no filaza masaka. Fanovana endri-javatra satria ny fitiavana tsy zavatra hita maso na azon'ny tanana tsapaina ka ho azo hitsahina fa fahatsapana anaty fotsiny ihany. Fitiavana notsinontsinoavina no tian-kolazaina eto ka ny voambolana voahosy no nanasongadinana izany, izany no maha filaza masaka azy. Te hanantitrantitra fehizay ny fanaovana tsinontsinona fotsiny ihany.

Hoy indray izy eo amin'ny andalana farany: "minia manadino, mizaka ny mba tanty". Ny teny hoe "minia" no hita fa tsara fantina eto. Io no nampiasainy mba hanehoany fa tsy mba manadino izy saingy efa TE hanadino vokatr'ilay hambom-po te hiarina na dia efa lavo aza.

Nampiasa ny mpanampy "mba" ihany koa izy eo alohan'ny matoanteny fototeny "tanty" ; maneho izany fa tsy izay rehetra mitranga dia tantiny avokoa fa ny sasany ihany, vonona hiezaka hahatanty ny misy rehetra anefa izy ka tsy hitanondri-dava amin'ny olona iray.

***

Raha fintinina izay rehetra voalaza dia hita fa tsy voatery hahafa-po ny fitiavana, misy tokoa ny toe-javatra tsy tanty amin'io, ary misy ny mandiso fanantenana kanefa rehefa manana herin-tsaina dia tafatraka ihany. Nisongadina izany lafin-javatra rehetra izany na teo amin'ny sarin-teny na voambolana, tsy nataon'ny mpanoratra latsa-danja koa anefa ny firafitry ny tononkalo ary nahafahana naneho ny votoatiny.

 
Arilala Andriamamonjy
Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 15/12/2015

×