Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny

Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

15 Oktobra 2015

 

MISY, tononkalon'i Joseclaudio, nofakafakain'i Arilala Andriamamonjy

 

 

MISY

Misy olona any ho any
Tsy manadino anao izany.
Misy alina ihany koa,
mampahatsiahy ireo taloha

Misy olona any ho any
Miandrandra anao foana.
Misy fitia ihany koa
Toa hanjary babangaona

Misy olona any ho any,
mivetso anao fatratra.
Misy feo ihany koa
Miantso anao hiakatra

Misy olona any ho any,
Manantena anao hipody
Misy tontolo ihany koa
Voatokana ho soa

Misy olona any ho any
Tsy manadino anao izany
Ary misy fo ihany koa
Maniry ny mba ho roa.

Joseclaudio

 

Rehitra ao anaty mamelona fanantenana ny atao hoe fitiavana, ka raha misy olona tiana dia matetika manantena azy foana ny tia. Izany indrindra no hirain'i Joseclaudio ao amin'ity tononkalony mitondra ny lohateny hoe "Misy" ity. Toa nisy fo nilaozana ka nanjary babangaona. Na izany aza anefa dia toa mbola ao hatrany ny fanantenana fiverenana. Misy voambolana miavaka nampiasain'ny mpanoratra, entiny maneho izany. Manaraka izany dia hojerentsika ny firafitry ny tononkalo. Ary farany dia hasongadintsika ireo sarin-teny hita amin'ny tononkalo.


VOAMBOLANA

Voalohany, raha ny voambolana dia hitantsika eo amin'ny andalana fahenina ny hoe : "miandrandra" izay entin'ny mpanoratra milaza fa manantena tokoa an'ilay tiany izy. Ny "miandrandra" moa dia fihetsika mampitraka loha toy ny mibanjina ny lanitra mba hanehoana an'izany fanantenana izany.

 Manaraka izany, eo amin'ny andalana fahavalo ihany koa dia ahitana ny hoe "babangaona". Rehefa nilaozan'ny tiany izy dia foana ny tao anatiny, tsy vitan'ny banga fotsiny ihany fa foana mihitsy.

 Farany amin'ny voambolana dia ny hoe "hipody" eo amin'ny andalana faha 14. Inona moa ny hoe "hipody"? Fitenim-paritra izy ary anisan'ny nanakanto ny tononkalo ny fampiasana azy, midika hoe "hiverina". Izany hoe na lasa aza ilay tiany dia mbola antenainy sy andrasany ny fiverenany.


FIRAFITRA

Tononkalo manara-drafitra, mirafitra ho andininy dimy ka andalana efatra avy no manorina ny andininy iray.

Raha ny gadona no asiana teny dia tsapa fa misy ny ezaka itazonana tsindrim-peo efatra isan'andalana. Ohatra: [Mìsy ólona àny ho àny]. Toa midika izany fa tian'ilay olona voalazan'ny mpanoratra fa tsy kitoatoa ny fanantenana fa mitombina sy mirindra. Na izany aza dia taratra ihany indraindray fa misy mandringa kely ny gadona. Ohatra. [Miàntso anào hiàkatra]. Tsapa eto angamba fa ao anatin'ny fahasahiranana tsy azo hidovirana ilay olona noho ny fanantenana mbola tsy tanteraka hany ka io endrika maningan'ny tsy fahalavorarian'ny gadona io no amoahany azy.

Izany tsy fahalavorariana izany dia hita taratra koa amin'ny laharam-pisehoan'ny rima hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany izay tsy mitovy. Ny andininy voalohany sy fahadimy dia ahitana rima mifanjohy abab: any/izany/koa/taloha; rehefa eo amin'ny andininy faharoa dia tsy mirima ny andalana voalohany sy fahatelo nefa ny faharoa sy fahefatra mirima: any/foana/koa/babangaona. Toy izay ihany koa ny andininy fahatelo: any/fatratra/koa/hiakatra. Ary ny andininy fahefatra: tsy mirima ny andalana roa voalohany fa mirima tsara kosa ny andalana roa farany: any/hipody/koa/soa.
 Izany hoe ny faran'andalany voalohany rehetra dia "any" daholo, ny faran'andalana fahatelo rehetra kosa dia "koa" daholo. Ary izay no nezahina hapetraka fa tsy ny rima no nenjehina loatra, anisan'ny fanankatoana miavaka izany.

SARIN-TENY

 Voalohany amin'izany ny filaza masaka na "hyperbole". Eo amin'ny andalana faha 10: "anao fatratra". Fatratra tokoa ve nefa? Izany hoe tsy mitsahatra mivetso fa mivetso foana foana? Fanehoana ihany izany angamba fa mbola malahelo izy, mbola tia ary tsy mbola nanary toky velively. Raha efa namoy mantsy dia mety tsy hivetso intsony koa fa mahatsapa tena hoe mirediredy fotsiny ihany.

 Misy tamberim-pehezanteny andohan'andininy mifanesy ihany koa eto na "anaphore". Isaky ny andininy tsirairay avy dia ity ny fehezanteny nanombohan'ny pôeta azy: "Misy olona any ho any".

Marihana fa ny tamberim-pehezanteny na tamberin-teny dia fomba fanehoan'ny pôeta ny tonon'ny "tononkalo" toy ny fampiasana gadona, andalana, andininy sy ny rima.

Fihetseham-po mibosesika no asongadin'ny fiverimberenan'izy io eto. Milaza izany fa tia tena tia ary mbola manana fanantenana maitso lava na inona zava-miseho eo amin'ny fiainam-pitiavany.

Misy tamberin'andininy nasiam-pivoarana ihany koa. Ny andalana fahatelo isaky ny andininy rehetra no ahitana izany: Misy alina, misy  fitia, misy feo, misy tontolo, misy fo.

Raha jerentsika tsara koa ny andininy farany dia toa ny andininy voalohany ihany no mitamberina fa nohavaozina kely fotsiny. Tena nanakanto ny tononkalo iny fampiasan'ny mpanoratra an'izany ary mbola nampahatsiahy antsika mpamaky fa tsy mbola miova ny foto-kevitra hirainy vao vao mainka nohamafisina aza.
 
***

Raha bangoina dia kanto ity asa soratra iray ity. Taratra izany teo amin'ny firafitry ny tononkalo, nitovy ny isan'andalana isaky ny andininy, niovaova ny laharam-pisehoan'ny rima.  Nilalao tamberim-pehezanteny sy andininy ny mpanoratra. Ny hevitra tian-kampitaina rahateo koa nisongadina tsara tamin'ireo voambolana nofantenan'ny mpanoratra ary indrindra teo amin'ny sarin-teny. Mahafinaritra ity tononkalo ity satria mahatonga ny mpamaky tsy ho kivy fa hanantena foana raha tojo toe-javatra mifanaraka amin'ny voalaza ao anatiny.

 
Arilala Andriamamonjy
Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 15/12/2015

×