Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

02 Janoary 2016

"Vantambantana", tononkalon'i Njanja, nofakafakain'i Arilala Andriamamonjy
 

VANTAMBANTANA

Vantambantana fiteny
Vantambantana fihetsika,
Vantambantana izy ireny
Vantambantana firetsika!

Izay mivoaka avy ao am-pony
Zava-dratsy lonilony
Ny fisainany tsy angano
Avom-bava mahakamo!

Izato bikany jereo
Tsy ilay hitako anikeheo
Itony ankizy ankehitriny…
Tsy mba toy ny fahiny!…

Izay ataony dia misosa;
nefa olona mitrosa...
mahonena fanahy;
mahavelona ahiahy!

Sady hafahafa fiaina
Ny akony mahamonaina…
Mby aiza re ry tody!
Ny anio ho fanafody!

Firehana vantambantana,
fifosa mivantana
Diniho fa mikarantsana
Ao am-pony ao mamantana!

NJANJA 17/12/15:TONTOLO HAFA
  Mivoatra tokoa ny ankizy ankehitriny, mivoatra mankaiza anefa? Mamaly izany indrindra i Njanja amin’ity tononkalony nampitondrainy ny lohateny ity hoe “VANTAMBANTANA” ity.

Ahoana no fanehoany izany teo amin’ny voambolana sy fehezanteny? Ahoana ny teo amin’ny firafitra? Ary teo amin’ny sarin-teny? Andeha hovaliana misesy etsy ambany àry ireo?

VOAMBOLANA

Voalohany, raha ny voambolana no jerena dia ny teny verin-droa no mibahan-toerana. Eo amin’ny lohateny dia efa manomboka izany: “vantambantana”. Misy koa ny teny hafa ankoatra an’io lohateny io: “lonilony” adl 6, “ahiahy”adl 16, “hafahafa”adl 17. Raha tsikeraina ireo teny ireo dia toa ilay teny milaza ny lafiratsiny avokoa. Eto izany dia taratra avy hatrany fa tsy fivoarana mankamin’ny fahatsarana ilay resahana eto fa mankamin’ny tsy fahamendrehana.

Ankoatra ny verin-droa dia hitantsika ao ihany koa ilay voambolana "manokana" hoe  “mahamonaina”, izany hoe tsy ilay mahafinaritra sy mahaliana mihitsy, mankaleo aza no marimarina kokoa. Mahatsapa ny mpanoratra fa betsaka ny manafintohina amin’ireo lafin-javatra mivantambantana ankehitriny rehefa nahariharin’ny fivoarana fa nilaozana ny kiafinafina sy kihodinkodina taloha.

Raha ny fehezanteny indray dia misy ny fampiasana fehezanteny mitovy vahana, hita izany eo amin’ny andalana voalohany sy faharoa: “vantambantana fiteny, vantambantana fihetsika”. Fanakantoana no hita ao amin’izao ary ny hevitra fonosiny dia ny tsy fanafinafenana intsony rehefa misy tiana holazaina izay mety handratra sofina, ny fihetsika atao tsy mba fidifidina tsy hevitreverina, tsy mipirimpirina fa misehoseho.

FIRAFITRA

Raha ny firafitra dia tononkalo mirindra izy ity, ahitana andininy enina ary andalana efatra avy no iorenan’ny andininy tsirairay. Anisan’ny manakanto ny endriny ivelany io fitovian’ny isan’andalana io izay ahafahana mitaratra fa lafin-javatra mitovy hatrany no voizina ao anatin’ny tononkalo.

Misy rima mifehy koa ny isam-paran’andalana, izay no maha manara-drafitra azy ka eo amin’ny andininy voalohany dia mifaningotra abab ny rima: fiteny/fihetsika/ireny/firetsika. Hita ao amin’ireo teny mirima ireo fa niompana tamin’ny fiteny sy fihetsika ary ny fahatsapana rehetra mihitsy teto ny fandinihana izay fivantanana rehetra.

Manomboka eo amin’ny andininy faharoa ka hatramin’ny farany indray dia nampifanjohian’ny mpanoratra ny rima. Raisintsika ohatra amin’izany ny andininy faharoa: am-pony/lonilony/angano/mahakamo. Ireo teny narimany (ddee) ireo indray koa dia maneho fa fahasorisorenana no aterak’ireo fivantambantanana ankehitriny izay heverina ho fivoarana.

SARIN-TENY

Ny fanovana endri-javatra na “metaphore” no hita eo amin”ny andalana faha 13: “izay ataony dia misosa”. Zavatra misy kodiarana na malama na afaka mihetsika na azo ahetsika angamba no mety hisosa fa tsy ny atao araka ny voalaza eto. Ny tian-kambara eto dia hoe tsy misy olana izay rehetra ataony fa mety avokoa.

Nampiasaina ihany koa io “misosa” io mba hampirima azy sy ny andalana manaraka hoe “mitrosa” ka isongadinan’ny hevitra dia tiana havoitra, dia ilay fahombiazany hatrany na ny trosa aza no manjaka amin’ny fiainany.

Misy  ihany koa filaza masaka eo amin’ny andalana fahafito: “ny fisainany tsy angano avom-bava mahakamo”, mba hoentina milaza fa ny tena marina mihitsy no lazaina etoana, tena araka ny hita sy ny tsapa, tsy honohono na lazain’olona dia nambarany fa tsy angano. Misongadina eto fa tena mampiaiky ilay fomba fisainana.

***

Raha fintinina izany dia tsapa fa kanto ny tononkalo, hita izany teo amin’ny voambolana betsaka verin-droa izay tena nahatsikera ny lafiratsy entin’ny fivoarana ankehitriny. Teo amin’ny firafitra koa dia kanto ery ny endrika ivelany nitarafana ny tao anatiny ary indrindra indrindra ny fampiasan’ny mpanoratra sarin-teny. Tsapa tamin’ireo rehetra ireo fa mampita hafatra amintsika ny mpanoratra  mba hitana ihany ilay tena maha isika(Malagasy) antsika tsy hivantambantana fa manimba izany ary manafintohina ny hafa.

Arilala Andriamamonjy

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com
×