Tononkalon'i ANDAMIOLY, nofakafakain'i LALASOA BERÏNSON.

poeta_malagasy Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

ikopa

28 Desambra 2012

 
 
 
"Sanatriaviko", tononkalon'i ANDAMIOLY, nosoratany tamin'ny 26 Aogositra 2006, ary nofakafakain'i LALASOA BERÏNSON.
Nivoaka tao amin'ny tranonkalan'i Lalasoa Berïnson tamin'ny 25 Novambra 2012.
Misaotra azy ny Poetawebs amin'ny ezaka ataony ho fampandrosoana ny poezia malagasy.

 

Andamioly
26/08/06
23:50
 
 

SANATRIAVIKO


Impiry moa ity tànako
No te hanoratra ho anao
Hitantara sy hanambara
Ny hatramin’izay tsy nahateo anao
Saingy aoka ihany
Sanatria ho olon-kafa any
No hamaky ‘zato taratasinao
 
Impiry koa ‘zato eritreritro
No mamisavisa lava anao
Ka mamadibadika ireo sary
Sy ireo tononkalo voakaly
Saingy nionona avy hatrany
Sanatria olon-kafa any
No zary fanembonanao
 
Impiry indray ilay foko
No te hitia anao hatrany
Ho tokam-po toy ny siny
Ho anao irery no iriny
Saingy nofeheziko izy hangina
Sanatria izay olon-kafa izay
No dia vatranao fidina
 
Aza misy anie izany
Sanatriaviko avy hatrany.

 
Tovovavy iray, Andrianaivomanjato Miora Lala na i Andamioly sy ny tononkalony Sanatriaviko no omentsika sehatra eto indray anio. Raha vao mahare ny teny hoe ”sanatria” isika dia mahazo an-tsaina avy hatrany olona mandà. Inona àry no lavina ato anatin'ity tononkalo ity?
 
Raha ny ao anaty tononkalo aloha dia tovovavy iray, na mety koa ho tovolahy iray tia saingy saraka ilay tiany no milaza ny embona sy haniny saingy resin’ny ahiahy. Azo alaina sary an-tsaina hoe mety ho taratasy nalefan’ilay tia ho an’ilay tiany ihany izy ity nony farany. Na mety koa ho resaka mifanatrika nifanaovan’izy roa mihitsy na dia hoe tsy henontsika aza ny valin-tenin’ny iray. Ilay andalana hoe ”hanambara ny hatramin’izay tsy nahateo anao” mantsy toa milaza an-kolaka hoe ”efa eto izao ianao”.
 
Aorian’ny famakiana ny tononkalo dia mahatsapa avy hatrany ny mpamaky fa fitsapana iray sedrain’ny mpifankatia ny elanelan-tany. Ireo efa nandia izany dia miaiky mihitsy aza fa endrika iray isehoan’ny fifankatiavana eo amin’ny lehilahy sy vehivavy ny fihetseham-po mifangaron’ny alahelo sy ny embona etsy andaniny ary ny ahiahy sy ny tsy fatokisana etsy ankilany. Antony lehibe mampisaraka ny mpifankatia izany nefa koa mety ho sedra mainka manamafy ny fifankatiavana aza.
 
Andeha ange averina vakiana ny tononkalo etsy ambony e.

Ireo andininy telo voalohany izao dia mitovy firafitra mihitsy. Ny andalana efatra voalohany ao amin’ny andininy telo voalohany izao dia milaza izay tian’ny tanana hatao mafy, izay visavisain’ny eritreritra foana ary izay irin’ny fo indrindra satria saraka amin’ilay tiany. Andalana telo hatrany anefa no mamarana ny andininy tsirairay milaza ny antony tsy hanaovany ireo. Ny antony fototra dia ny tsy fahalalany ny zava-misy any amin’ilay tiany. Tsy te-hanoratra izy sao olon-kafa no hamaky ny soratany, tsy te-handefa eritreritra izy sao olon-kafa no anembonan’ilay tiany, tsy te-hilaza ny fanirian’ny fony izy sao olon-kafa no hofidin’ilay olon-tiany. Ilay “olon-kafa” anefa tsy fantany akory na tena misy na tsia.
 
Tsy miova fa miverimberina ilay ”izaho” ao amin’ny tononkalo milaza ny “saingy” hampisehoana ny herin’ny ahiahy sy fisalasalana na dia maro aza ny faniriana haneho ny fitiavany. Eto am-pamakafakana ny tononkalo dia tsikaritra fa na dia tena zava-dehibe amin’ilay tia tokoa aza ny fampahafantarana ny fihetseham-pony sy ny alahelony tafasaraka amin’ilay tiana, dia tsy latsa-danja noho izany ny ahiahiny te-hampitoniana.
 
Tsy ny hamboraka izay tsapany no tanjony fa ny hanontany sy haka toky raha mbola tiana irery izy. Tsy mbola hamaly akory anefa ilay anontaniana dia efa manda sahady izy hoe “aza misy anie izany!”. Noho ilay fony mbola feno fitiavana sy tsy mbola vonona hamoy ilay olon-tiany no mahatonga izany. Na dia azo adika ho faniriana ihany toy izay voarakitr’ireo andininy telo voalohany tokoa aza ilay andininy farany fohy indrindra dia azo vinaniana mihitsy ho fandavana sahady izay mety ho valin’ilay fanontaniana ambadika momba ilay “olon-kafa”.

Raha ny fifidianan-tenin’ny mpanoratra no amintinantsika izay voalaza eo ambony dia mariho fa in-telo miverina ny “impiry”, in-telo miverina ny “saingy” nefa in’efatra miverina ny “sanatria” ao anaty tononkalo iray manontolo. Na dia tia sady manahy ihany aza ilay tia momba ilay tiana dia tsy liana indray izy hahalala ny amin’ilay “olon-kafa”, miverina in-telo koa ao anaty tononkalo. Adala tokoa izay tia.
 
Inona àry no hevitra tian’ny mpanoratra ampitaina eto? Raha ao ataontsika hoe te-haneho ny fijaliana sy adin-tsain’ilay tia lavitra ilay olon-tiany izy, te-hamoha fihetseham-po mangoraka ilay tia miandry irery am-pisalasalana izy dia izaho kosa any amin’ilay olon-tiany ny eritreritro tezitra. Matoa misy ny fisalasalana dia nisy antony nampipoitra azy tao. Odian-tsy hita fotsiny ve izany?

Lalasoa Berïnson
poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021