Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

29 marsa 2017

Famakafakana ny tononkalon'i Rô Andriamaneva: "29 mars"

Rô Andriamaneva? Izy ilay mpivoy ny sora-pitolomana. Izy moa dia mpikambana tao amin'ny Havatsa-UPEM, teraka tamin'ny 1 febroary 1939 tao Ambohipotsy Antananarivo ary nodimandry ny 15 jona 2013. Isan'izany tononkalom-pitolamana izany ny "29 mars" izay notsongaina manokana hofakafakaina eto amin'ny tranonkala Pôetawebs amin'izao fahatsiarovana ny tolon'ny mahery fo izao. Ity tononkalo ity dia mitatitra amintsika ny zava-nisy tamin'ny taona 1947, dia ny tsy rariny niseho teto amin'ny tany sy ny fanjakana.

Hojerentsika voalohany amin'izany ary ny fanjakazakana miharo fanosihosena ny zon'olombelona nataon'ireo mpanjanaka.
Manaraka izany ny fitraorana nataon'ireo mpitolona.
Hamaranana azy ny lanjan'ny tolona sy ny hasin'ireo tia tanindrazana.

***

 


29 MARS
 
Mbola maizina ny tany, nangidy aza raha ambara
Niaina anaty fijaliana ny mponina eto Gasikara.
Niforitra tsy sahy nitraka ny vahoaka anaty sento,
Nanampatra ny habibiany 'reo mpanjanan-tany teto,
Nanitsakitsaka ny zo naha olona ny olona
Nanosihosy lozan-tany ny fiavotana sy tolona.
Nogadraina ireo mpitarika, notifirina ny sasany,
Novonoina koa ny hafa, nofatorana ny asany.

Nisy anefa sahy nijoro, najininikany ny rany.
Nolevoniny ny tenany fantany ny hiafarany
Fantany izay ho tohiny any ambadika any ho any,
Fantany izay ho vokany, fa ny ra mamonto tany
Dia ho zezika hanafaka ny tanindrazana mijaly
Ka ho hery izay nanavotra ny fiforetana omaly
Sy ho aina izay hamelona ny efa resy mitambolona
Ary hanala koa ny zioga mianjady amin'ny olona.

Fa tsy very maina izany, misy akony sy hasina
Misy lanjany tokoa ny tanindrazana fa masina
Tsy navelan'ny tontolo mba hijanona amin'izao
Tsy neken'ny rehetra ny hijalijaly tao ...
Ary ireny ankehitriny no mibitsika ao am-po
Sy manaitra indray ny saina hatsiahy ny taloha,
Ka hiondrika amin-kaja 'reo rehetra Maritiora
'Zay namoy ny aina aza, satria izany anie tsy mora.

Ro Andriamaneva
28 Marsa 1973
  Nanjakazaka tokoa ny mpanjanaka ka naneho herisetra sy jadona hany ka niaina tao anaty ngidim-piainana rakotra haizina ny Malagasy. Tsy mba nanana intsony izany atao hoe fahalalahana sy fiadanana izany. Hoy ny mpanoratra ao amin'ny andininy voalohany: "niforitra tsy sahy nitraka ny vahoaka anaty sento, nanampatra ny habibiany 'reo mpanjana-tany teto". Teto dia nampiasa fanoharana nolaroina laza masaka ny mpanoratra, nohariny tamin'ny biby mihitsy ireo vazaha ary nolazainy fa tena nanampatra. Ny biby sy ny olona tokoa mantsy dia mifankatahotra fa raha samy olona ihany, tokony hahay hifandamina. Izany no nampiasainy mba hoentiny maneho fa tena efa tafahoatra ny tranga rehetra nisy.

Notsinontsinoaviny ihany koa ireo mpitolona ary tena nanitsakitsaka ny maha olombelona izy, araka ireto andalan-tononkalo ireto: "nanitsakitsaka ny zo maha olona/ nanosihosy lozan-tany ny fiavotana sy tolona" . Izany hoe na inona na inona tolona nataon'ireo tompon-tanindrazana dia tsy nahoan'ireo mpanjanaka izany fa mainka aza: "nogadrainy ireo mpitarika, notifirina ny sasany. Novonoina koa ny hafa nofatorana ny asany". Izany no nataony fa hitany ho fanasaziana mendrika ny tsy mpankato.

Na izany anefa dia nisy foana ireo nitroatra fa tsy nahafoy ny taniny hotavanin'ny hafa ka nanao SORONA ny tenany ho fanavotana ny mpiray tanindrazana aminy. Hoy ny mpanoratra eo amin'ny andininy faharoa: "nisy anefa sahy nijoro najininikany ny rany/ nolevoniny ny tenany fantany izay hiafarany". Izany hoe na dia fantany fa hahafaty azy aza dia tsy nitandrotandro ny ainy izy fa ny fahafahan'ny Malagasy no maminy: "dia ho zezika hanafaka ny tanindrazana mijaly ka ho hery izay hanafaka ny fiforetana omaly". Efa tena niaritra tokoa mantsy ka tsy maintsy mitroatra amin'izay.

Ankehitriny, heverina fa efa azo ny fahaleovantena, nanana ny lanjany tokoa ny tolona manoloana izany. Hoy indrindra mantsy i Rô Andriamaneva eo amin'ny andininy farany: "fa tsy very maina izany, misy akony sy hasina". Mbola re ankehitriny tokoa ny akon'izany tolon'ny fito amby efapolo izany. Ary izany dia mbola manamafy ihany fa misy lanjany tokoa ny tanindrazana fa masina. Izany hoe sarobidy, manana ny maha izy azy, tsy avela hotavatavanin'ny hafa fa tehirizina sy arovana kosa ho an'ny fara aman-dimby. Noho izany, mendrika hotsarovana ireo lasa nialoha lalana noho ny fitolomana ho antsika: "ary ireny ankehitriny no mibitsika ao am-po sy manaitra indray ny saina hahatsiahy ny taloha".
Izany "mahatsiahy ny taloha'' izany anefa tsy vitan'ny fanetserana fotsiny ihany fa tokony hiseho amin'ny fandraisana andraikitra manoloana ny mbola fanjakazakan'ny vahiny ankehitriny eto an-tanindrazantsika.

***

Ny azo ambara ety am-pamaranana ary dia nahafoy ny sarobidiny ireo mpitolona noho isika ka aoka isika tsy hikatsakatsa afa-tsy ny hahasoa ny firenentsika ho tohin'ny ezak'ireo, ary aoka isika tsy hanao izay fihetsika mety hanimba ny firenentsika.

Famakafakana : Heriarilala Andriamamonjy

 

Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com
×