Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

25 marsa 2018

SOKAJIM-POEZIA

Amin’izao iray volan’ny pôezia izao dia tsara ihany raha manabe voho ny fahalalana momba ny pôezia isika. Inona moa no atao hoe pôezia?
Ny atao hoe pôezia dia andalan-tsoratra ahitana fahaiza-maneho fihetseham-po izay ampiasana tenim-pirenena iray, misy fitambaram-peo, ba sy ngadona, firindrana ary sarin-teny. Ny fisian’ireo rehetra ireo no mamaritra azy ho kanto. Mety hahitana rima ny pôezia na dia tsy voatery aza. Misy araka izany ny antsoina hoe pôezia malala-drafitra fa ao koa ny manara-drafitra ary mbola hafa indray ny “raiki-drafitra” (sonnet). Eto aloha isika dia mbola tsy hiresaka momba ny firafitry ny pôezia fa hampahafantatra momba ny sokajina pôezia. Misy amin’izy ireo no efa nolalaovina hatramin’ny fahagolantany, nampidirina teto amintsika ary mbola ampiasain’ny pôety maro hatramin’izao.

Tononkalo manapololotra ny ao anaty (poésie lyrique)
 
Ity sokajy iray ity dia matetika ahitana ireo karazana tononkalo mampihetsi-po sy mampiontam-panahy. Matetika ny tara-kevitra iompanany dia ny fitiavana, ny fahafatesana, ny natiora… Izay rehetra tsapany no avoakan’ny pôety eto, tsy voatery ho ny tsapany ihany anefa fa izay mety ho tsapan’ny olona hafa koa. Ohatra raisintsika amin’ny tononkalo manapololotra ny ao anaty ity asa soratr’i Griffine ity, nampitondrainy ny lohateny hoe “VAKY FELANA”

 

  VAKY FELANA

Tsy nofinofy intsony
Ilay fitia manginako,
Fa tena vaky vony
Ireo vetsom-binavinako

Fitia tera-pelana
Nandravaka ny fo
Nameno ny elanelana
Teo amintsika roa.

Griffine 17/06/05
in Hetahetako, tak 29
 
       
Tononkalo malahelohelo (poésie élégiaque)
 
Mbola zana-tsokajy ao anatin’ny tononkalo mampiontam-panahy ny tononkalo malahelohelo izay maneho fitaraindrainana sy fanetserana ary fitiavana mahantra. Fampiasa amin’ny fotoam-pahoriana nateraky ny fahafatesana koa izy tamin’ny fahagolantany toy ireny hira fiandrasam-paty aty amintsika ireny. Tamin’izany fotoana izany dia niseho amin’ny endri-tononkalo mampiontam-panahy izay mampifandimbindimby ny “enin-gadona” (hexamètres), andalan-tononkalo grika sy latina fahagola sy ny “ngadon-dimy” (pentamètres), an'ny grika sy latina fahagola ihany koa. Tamin’ny taonjato faha 18 ity poezia mampangorakoraka ity dia nampiasaina tamin’ny aingam-panahy ateraky ny fitiavana, fitiavana amin’ny zorony mampalahelohelo.
Tamin’ny faramparan’io taonjato io ihany dia ity “Tononkalo malahelohelo” ity no anisan’ny nampalaza an’ilay pôety frantsay Lamartine fantatra tamin’ilay tononkalony fanta-daza hoe “Le Lac”.
Amin’io tononkalo manapololotra ny ao anaty io dia matetika voambolana mampalahelohelo no ampiasaina ary tena ampy ahatsapana ny tian’ny mpanoratra hambara rehetra, toy izany koa ny fampiasana ny mari-piatoana.

Tononkalo mampitolagaga (poésie épique)
 
Ny tononkalo mampitolagaga dia maneho tranga ara-tantara na fiderana na fanindrahindrana mahery fo iray. Matetika ny mpanoratra dia mampiasa filaza masaka sy fampitahana amin’ity sokajy iray ity; tranga miavaka sy tena mahagaga no resahina aminy.
Iray amin’ireny pôezia mirakitra tantaram-pirenena ireny ity asa soratr’i Rado ity, nampitondrainy ny lohateny hoe “NY TANTARA”
  NY TANTARA

Izay miseho
eo no ho eo
dia ny tantara
no hanambara
izay manan-drariny amintsika
…Fa jereo ny lasantsika
"Fanoherana an-jamba
ny tohitry ny Menalamba,
hasasaram-bery maina
hoy ny mpankamamy aina.
"Maty novesarana eso
ireo nijoro ho Vi-Vi-Eso,
fa nivarobarotra aina
tsy mahandry ny maraina…"
"Atody mankahatra vato,
Haza niditra ny harato
sady tolona bontolo
ny an’ny Fito amby efa-polo…"
Kanjo izao,
Atrehonao,
ny TANTARA
fa mitsara :
"Ny lambanao ankehitriny
dia notenomin’ny fahiny.
Fa raha tsy nisy Menalamba
mbola aiza ianao, angamba ?
Raha tsy nisy Vi-Vi-Eso,
ny lalam-bita hoe refeso !
Raha tsy nisy sandry tapaka,
moa ianao ho olona afaka ?
Ny fahafahanao androany :
Nisy maty ho an’izany" !


Rado
in Dinitra, tak 129
 
       
Tononkalo manebaka (poésie satirique)      
    MISONGONA FOANA
Ny “Tononkalo manebaka” dia mitsikera ny hadalana ataon’ny olombelona, na olona tokana io na vondron’olona na ny fiarahamonina mihitsy. Matetika izy no antsaina amin’ny feo maneso na somary mampihomehy.Ohatra amin’izany ny “Satires“ nosoratan’i Nicolas Boileau (1692) sy ny “Monsieur Prudhomme“ an’i Verlaine (Poemes saturniens, 1866). Azo raisina ohatra amin’izany koa tononkalon’i Toetra Ràja hoe : “MISONGONA FOANA”.

Tononkalo mampianatra (Poésie didactique)
 
Ny “tononkalo mampianatra” indray dia mikendry ny hampianatra lafin-javatra iray, mety ho ara-môraly na ara-pilôzôfia na ara-pinoana fa mety koa ho ara-tsiantifika. Manana an’izay tononkalo izay i Dox : OMEO HOTEZAIN’NY FIAINANA
  Tsy tara fotoana
kanefa izy iny
misongona foana…
izay no mba tiany
tsy ahoan-tsy ahoana
mandavan-taona.

Raha vao miserana
lohalaharana,
maka toerana
tsy nisasarana!
Izany ka tena
fitiavan-tena!

Na aiza aleha
tsy mihafahafa,
mirehareha
eo alohan’ny hafa
tsy henatra akory
ka manorisory!
Rehefa mivory
manao amboletra,
romotra ory
ny olon-drehetra
ny heviny ihany
hatrany no lany.
(...)

Ry olon-drehetra
voasongona foana,
tonga ny fetra
itenenan’ny moana:
izao dia izao
‘ndeha tabatabao!

Toetra Ràja
in “Tiako – tiako foana!”, tak 60

OMEO HOTEZAIN’NY FIAINANA

Aza atao hahataitra ny ranonorana mandriaka
Ny danik’andro mahamay, nyfanala mangatsiaka...
Avy mifanosotsosoka amin’ny andro toy ireny
Ary ny Mpandahatra azy, misyzavatra kendreny!

Ny fisian’izy ireny no ahamasahan’ny voankazo.
Raha ho lohataona lava tsy hisy akory vokatra azo.
Sorena ianao fa voasakana tamin’ny kasain-kaleha.
Izay ianao anefa inona raha miolotra amin’ny be?

Aza atao hahataitra ny oram-baratry ny fiainana,
Ny fahatsapana mahamay, fa asio fisaintsainana...
Ireny sy ny rivo-dozany ary havandrany dia ilaina!

Ny tononkiran’ny mpanoratra ngezalahy dia mazava:
Tsy ho masaka ny voa raha ho lohataona lava.
Omeo hotezain’ny fiainana ny fanahy, ny fo, ny saina!

Dox in “Folihala”, tak.88

Raha namaritra ny pôezia isika tany am-piandohana dia nandray azy ho “fahaiza-maneho fihetseham-po”. Matetika rehefa miresaka fihetseham-po isika dia ny alahelo sy ny hafaliana no tonga voalohany ao an-tsaina. Tsy ireo ihany anefa fa voalaza teo ohatra ny mampitolagaga, ny mampiontam-po, ny manebaka ary na ny mampianatra aza. Eny, fianarana ny fiainana; misy amin’ireny fahalalana ireny aza no efa nosedrain’ny alaovalo ary voatahiry hatramin’izao... satria “nisy ary hisy hatrany ny pôety fa tsy ho lany taranaka”. Manana tombony isika ankehitriny amin’ny fananantsika teknolojia ahafahana mirakitra azy ireny, toy ny imatimatesan’ny tranonkalanao Pôetawebs. “Sokajina pôezia” hoy isika? Manaraka akaiky ny asa soratry ny anio ny Pôetawebs ary tsy mitsaha-mikaroka ireo lafin-javatra maro ao amin’ny tontolon’ny pôezia. Mirary fahombiazana ho an’ity “Iray volan’ny pôezia” ity ho an’ny rehetra!

Heriarilala Andriamamonjy


Loharano nanovozan-kevitra

Dox. 1968. “Folihala”, Antananarivo: Imprimerie Nationale
Griffine. 2012. "Hetahetako", Antananarivo
Rado. 1973. “Dinitra”, Antananarivo: Nouvelle Imprimerie des arts graphiques
Toetra Ràja. 2017. “Tiako – tiako foana!”, Etazonia: RanjaSoa Publishing
http://www.etudes-litteraires.com

Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 20/06/2018