Tononkalon'i DadaRabe, nofakafakain'i LALASOA BERÏNSON.

poeta_malagasy Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

ikopa

16 Septambra 2012

"Aok'izay", tononkalon'i DadaRabe, nosoratany tamin'ny 19 Janoary 2012, ary nofakafakain'i LALASOA BERÏNSON.
Nivoaka tao amin'ny tranonkalan'i Lalasoa Berïnson roa andro tato aoriana izany hoe tamin'ny 21 janoary 2012.
Misaotra azy ny poetawebs amin'ny ezaka ataony ho fampandrosoana ny poezia malagasy.

 

DadaRabe
19 Janoary 2012
 
 

AOK'IZAY


Aok’izay fa mahatofoka ny geja sy ny ankaso !
Aok’izay f’efa jambena koa ny saina sy ny maso !
Aok’izay fa hadalana mampivarina an-kady !
Aok’izay fa efa ripaka ny kely sy mafiady !
 
Aok’izay fa efa ringitra ny ravina nilenoka !
Aok’izay fa mihamavesatra ny ketoky ny heloka !
Aok’izay fa efa drodroka ireo zaza am-behivavy !
Aok’izay fa ny tomady indray no zary toa manavy !
 
Aok’izay fa tena lentika ny sambo tsy ho tody !
Aok’izay fa tena atenda koa ny atambo, ranomody !
Aok’izay fa mihamaizina ny lanitra eo ambony !
Aok’izay fa sao hianjera tsy ho tafarina intsony !
 
Aok’izay fa tsy ho zaka anie ny hozona any aoriana !
Aok’izay fa ndrao  higoka sy hisotro ny tsy tiana !
Aok’izay fa efa ampy ny andro ratsy…mangatsiaka !
Aok’ izay fa mila havotana… ny tanindrazantsika !
 
Aok’izay ! Aok’izay !

 
DadaRabe, poeta malagasy ankafizin’ny maro no mpanoratsika androany. Ankoatra ny zavatra hafa dia mivetso ny fitiavana, ny maha-olona ary ny tanindrazana izy amin'ny alalan'ny asa sorany. Ny tononkalony hofakafakaintsika eto dia ny kiaka farany nateraky ny vanim-potoana sarotra lalovan’ny malagasy rehetra tsivakivolo ankehitriny. "Aok’izay!".
 
Tsy ilay “Aok’izay!” feno fahatezerana sy entim-po, tsy teny tsy valiana nefa tsy teny ifamaliana koa. Fisainana tsara no valiny andrasan’ny mpanoratra asetry ny tononkalo. Rehefa mandre ny teny hoe ”Aok’izay!” mantsy isika dia toa midika izany fa tofoka sy leo tanteraka ilay olona miteny izany. Mamerimberina ny ”Aok’izay!” tokoa DadaRabe eto saingy tsy ilay ”Aok’izay” tsy mila ady hevitra, fa ilay manokatra ny saina sy ny fo hihevitra ny atao. Nahoana àry no izany no tsapa? Satria angamba noho izy arahana ”fa” manazava anton-javatra sy ny ventin-kevitra marina sy iaraha-mahafantatra raketin’ny andalana tsirairay. Noho izany, ny ”Aok’izay fa” no tsindriana mafy eto.
 
Imbaloambinifolo no miverina ny “Aok’izay fa” ao anaty tononkalo, izany hoe isaky ny andalana ary indroa any amin’ny farany. Raha ny firafitry ny tononkalo no jerena dia hita fa andininy efatra manana andalana efatra avy no nandrafetana azy. Ny andininy tsirairay dia miady rima AABB CCDD… Toa mampahatsiahy ahy ny izao tontolo izaontsika ny isa 4 eto, ireo vanin-taona 4 (fahavaratra, fararano, ririnina, lohataona), ireo todika 4 (atsimo, avaratra, andrefana, atsinanana) ary ireo singa 4 (ny afo, ny rano, ny tany, ny rivotra). Raha ampifandraisana amin’izany ny tononkalo dia tsy tiantsika hohamavainina ny ”Aok’izay fa” in-4 ampitomboina 4 sy ny hevitra raketiny.
 
Eo am-pamakiana azy dia tsy hita mivantana hoe iza no miteny na iza no itenenana raha tsy any amin’ny teny farany ao amin’ny tononkalo hoe ny ”tanindrazantsika”: Malagasy iray no miresaka ary ny Malagasy rehetra no resahina. Tanisainy amin’izy ireo ireo antony tokony hitsaharana, ireo nitranga tany amin’ny lasa, ny mitranga anio, ary ny ahiahy ny amin’izay hiseho ho avy. Raha ”ny geja sy ny ankaso” no nanjaka teo aloha ka ”efa ripaka ny kely sy mafiady”, ”efa drodroka ireo zaza am-behivavy”, ankehitriny, ”atenda ny atambo” ary ”mihamaizina ny lanitra. Mananontanona, noho izany, ny ”hozona”, ny faharavana.

Mirakitra sarinteny isan-karazany sy teny sarotra vitsivitsy ny tononkalo. Ny ravina nilenoka, ohatra dia mampiseho ny soa sy ny tsara nitobaka taloha saingy lasa ”ringitra” sy ritra. Nampiasaina toy ny vilia nihinana mantsy ny ravina taloha ka ny mandina sy vaventy no tsara. ”Ny sambo” koa dia sarinteny hanondroana ny zavatra naorina tiana ho tsara sy ho tonga amin’izay tanjona tiana hotratrarina. Eto ”ny sambo” dia manondro zavatra lehibe kokoa noho ny tokantrano, dika iray izay mahazatra matetika. Eto ”ny sambo” dia mampiseho ny firenentsika ”tsy ho tody” fa ho rendrika. Sarinteny iray mahery vakiantsika eto koa ”ny ranomody”. Toa hita maso ery ilay sambo mihodinkodina mihamilentika hiditra any amin’ny vavan’ilay “ranomody”. Moa tsy fantatsika fa na fiara, na olombelona, na elefanta dia tsy misy mimpody rehefa sintonin’iny rano miherina iny? Sary mamoha ny miafina tian’ny mpanoratra holazaina amintsika mpamaky izany rehetra izany. Sarinteny ahazoantsika sary an-tsaina ny halalin’ny toe-draharaha. Raha fintinina teny iray mantsy ireo antony voatanisa ireo dia azo fehezina amin’ny hoe ny aina; ary tsy ain’olona iray no asiany resaka eto fa ny ain’ny Malagasy rehetra. Eny tokoa, satria masina ny aina dia “Aok’izay!”.
 
Mifanaraka tsara amin’ny hevitra tiana ampitaina ny fomba famoahan-kevitra sy ny teny ampiasaina: voalanjalanja tsara, matotra sy hendry, tsy manameloka be fahatany na momba ny atsy sy ny aroa. Koa na mpomba an’iza ny mpamaky na mpomba an’iza dia mazava ho azy fa samy mahatsiaro ho “sorona” noho ny ady seza sy fitiavan-tenan'ny mpitondra nifanesy teo aloha. Mazava ho azy àry hoe inona ny hevitra tian’ny mpanoratra ambara. Atsaharo izay natao rehetra hatrizay satria hita fa tsy nitondra soa ho an’ny tanindrazana. Iaraha-manaiky fa ”mila havotana ny tanindrazana”.
 
Eo amin’ny farany indrindra vao miverina indroa ny ”Aok’izay!” (tsy misy ”fa”). Raha tohizana ny resaka isa: matetika raisina amin’ny lafiny tsara foana ny isa roa: olona roa no mifankatia, olona roa, vavy sy lahy no afaka manome fiainana vaovao hafa. Tsy adino koa anefa fa tsy midika ho firaisana sy hasambarana foana akory ny isa roa fa mety hidika ho ady sy fisarahana koa. Ary zavatra anakiroa foana no mifanohitra: ny tsara sy ny ratsy, ny maizina sy mazava, ny sira sy mamy, ny eny sy ny tsia... Inona àry ny mifanohitra amin’”ny geja” sy ”ny hady”, ”ny ranomody” sy ”ny (h)ozona” tian’ny mpanoratra hosainintsika? Ahoana no ahazoantsika fahafahana, tany marina, ranovelona sy fitahiana?

Lalasoa Berïnson
poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021