Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

22 mey 2017

Pôetawebs 2017

AROVY NY ZAZA

Ny 25 mey no andro maneran-tany ho an'ny zaza very, natao ho fanamafisana ny ady amin'ny fanolanan-jaza sy ny tambazotra mahakasika izany. Mitondra ny fahitany ity zava-doza eo anivon'ny fiaraha-monina ity i Toetra Raja.

Marihina fa "zaza" no teny nampiasaina amin'ity tapatapakahitra ity, entina ilazana izay rehetra latsaky ny 18 taona, na ny efa miala sakana na ny ankizy na ny zaza.

 
www.lakroa.mg
Miarahaba anao indray Toetra Ràja. Manantitra hatrany ny fisaorana anao amin'ny fotoana firesahanao aminay eto. Voalaza fa tia zanaka ny Malagasy. Tsapa anefa fa betsaka ireo zaza very sy iharan'ny herisetra eto amintsika. Inona aloha no azo lazaina momba an'izany hoe lanjan'ny zanaka izany ?


Toetra Ràja
Miarahaba ny gazety www.lakroa.mg  sy ireo mpiserany. Sombin'ny aina, menaky ny aina, silaky ny aina... araka izay fiantsoan'ny Malagasy azy izay dia miombona aina tanteraka amin'ny raiamandreny ny zanaka, na izy mbola minono na izy efa lehibe. Tsy vitan'ny hoe mamy fotsiny fa tena ny ampahan'ny tena mihitsy no nohariana ao aminy. 

Ny lanjan'ny zanaka ve?

Tsy kitakitaina
fa sombin'ny aina,
trotrotrotroina
sy safosafoina,
raha sendra maratra
fihinina an-tratra...
 
Ary ny fanirian'ny Ray aman-dReny rehetra dia ny hahatafita ny zanaka ho lasa ambony. Ambonin'ny zanaky ny hafa aza ho fanoharana hany ka rehefa mba tazan-davitra iny dia satry hokopakopahina sy hoantsoantsoina hoe:

Iny ilay zaza
natao an-tsangory
fa lasa kalaza
mahay manamory
ny fiainany irery:
voarakotra hery...
 
www.lakroa.mg
fa mety very ary matetika handrenesana zaza very ny fampitam-baovao !

Toetra Ràja
Indrisy ! Raha izany hoe ampahan'ny ain'ny tena izany, sady irina ho tafita, no nombotana tsy ho eo amin'ny tena intsony dia saona mandra-maty no ho takalony.
Tsy mahavahiny ny Malagasy ny fandrenesana zaza very. Vavolombelon'izany ireo peta-drindrina hita etsy sy eroa ahitana ny sarin'ilay menaky ny aina sy ny mombamomba azy. Fandre matetika amin'ny vata fampielezam-peo ny antso avo itadiavana zaza very. Lohatenim-baovao an-gazety vao haingana ny hoe : "...zaza hita faty tany anaty lavabato"...
Misy atao takalon'aina ny sasany. Ao hono no akana taova alefa any am-pitandranomasina. Antom-pisian'izao andro maneran-tany izao moa ny herisetra ara-pananahana atao amin'ny ankizy ary indrindra ny tambazotra mahakasika izany izay midadasika tokoa amin'izao firoborobon'ny fitaovam-pifandraisana izao.
 
www.lakroa.mg
Zava-doza tokoa. Araka ny hevitrao, olona tahaka ny ahoana no mahavanon-doza ? 

Toetra Ràja
Matoa nanokanan'ny Firenena Mikambana andro iray izany endrika herisetra izany dia noho ny maha olana lehibe azy eo amin'ny fiaraha-monina eran'izao tontolo izao. Mba diniho kely ange hoe very na niharan'ny herisetra ny zanakao e!
Samy hafa, arakaraka ny endriky ny herisetra, no tompon'ny heloka, izay manao izany ho fomba amam-panao mihitsy, amin'ny alalan'ny paikady miharo hafetsena.
 
"Ny fo
za-mioty
matoa
miangoty
ny laingo
ambony,
tsy baraingo
intsony:
zaza hendrin'
ny tena
no kendri-
kendrena!"
 
Toetra Ràja in TIAKO - TIAKO FOANA! p26.
 
www.lakroa.mg
Misy tokoa ve araka izany ireo Ray aman-dReny na ray sy/na reny tsy mailo ?

Toetra Ràja
Matoa misy ny zaza very dia misy ny tsirambina. Ekena fa mafy ny fiainana ka mirona any amin'ny fitadiavana ny andavanandron'ny olona. Kanefa dia sombin'ny aina ny zanaka, hoy moa isika teo, ka tokony hanompanana hery manokana ho fiarovana azy.
 
Arovy
ny zaza,
diovy
koa aza
fa maro
ny adala
miharo
ao am-bala!
 
www.lakroa.mg
Momba izay hoe "diovy" izay indrindra, misy zaza maloto izany ? 

Toetra Ràja
Raha ny marimarina kokoa dia tanora miala sakana no resaka eto. Mazava ho azy fa marefo kokoa ireo tsy tsara fitondran-tena fa "manidina" hoy ny fitenin-jatovo tamin'ny andronay. Kanefa na inona na inona ny hatevin'ny tseroky ny fo amam-panahin'ny tanora dia manana adidy ny Ray aman-dReny hampihataka ny ankizy amin'ireny lobolobom-po miery ao ambadiky ny tambazotra ireny.
 
Hivavahana
tokoa,
ihatahan-
java-do:
dia ny lobo-
lobom-po
misetra dobo
manga roa!
 
www.lakroa.mg
Moa tsy efa nambaranao anaty tononkalo izay ?

Toetra Ràja
Eny. Ao anatin’ny "Dobo manga roa". Ny zanaka no tian-kambara amin'io "Dobo manga roa" io. Fanaoko ny mampifandray ny fiainan-janak'olona amin'ny zavaboary. Ilay singan'ny natiora mbola madio iny no tokony harovana.
 
www.lakroa.mg
Ry
Ray aman-dReny, arovy ny zaza ihatahana amin'ny lobolobom-po. Amin'ny alalan'izay hafatry Toetra Ràja izay no isaorana sy anaovam-beloma anareo mpisera. 

Toetra Ràja
Mandra-pihaona!


www.lakroa.mg

poetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 08/06/2017

×