Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

10 avrily 2017

Pôetawebs 2017

Poety sy ny herisetra
Roahy any ny fitiavan-tena...

Notapahan’ny fivoriamben'ny Firenena mikambana tamin'ny desambra 2003 fa ho andro fahatsiarovana ny fandripahana olona tany Rwanda ny 7 aprily isan-taona. Izany no mitondra antsika any amin'ny resaka herisetra sy tsy rariny, lohahevitra mampihetsi-po ny maro. Manana ny fijeriny koa ny pôety. Manazava ny heviny ato amin'ny gazety www.lakroa.mg i Toetra Ràja.


www.lakroa.mg
Miarahaba anao Toetra Ràja. Tamin'ny heriny isika no niresaka momba ny fitiavan-tanindrazana, ary anio kosa dia ny herisetra sy ny tsy rariny. Mifampitohy tsara ny resaka, sa ahoana ?

Toetra Ràja
Miarahaba ny www.lakroa.mg sy ireo mpitsidika ity tranonkala ity. Anisan'ny olona tia resaka mifampitohy aho. Maninona moa no entanina fatratra amin'ny fitiavan-tanindrazana ny vahoaka ? Satria misedra olana lehibe ny firenena ary anisan'ny antony io resaka herisetra sy tsy rariny io.

www.lakroa.mg
Ny pôety dia fantatra fa mpambabo ny fo amam-panahin'ny olona. Mitombina koa ve izany na dia herisetra sy tsy rariny aza no ventin-dresaka ?

Toetra Ràja
Tokony ho to teny ny pôety noho ny fitiavany milalao voambolana mitsoriaka ka mipaka any anatin'ny fo lalin'ny olona. Anisan'ny mpanabe izy satria ampianarina any an-tsekoly ireo andalan-teniny. Manana adidy sy andraikitra izy araka izany amin'ny fanajana ny fiaraha-monina sy ny fitsipika mifehy ny teny. Mora tohina izy anefa manoloana ny trangan-javatra henony na hitany na iainany. Mampisosa ny diam-peniny ireny ka idradradradrany ny fomba amam-panao sasany tsy mendrika kanefa fikirina ho fanazaran-tena. Anisan'izany ohatra ny fanaovana tsinontsinona ny lamim-piaraha-monina efa mipetraka sy eken'ny rehetra toy ny eny an-daharana.


MISONGONA FOANA

Tsy tara fotoana
kanefa izy iny
misongona foana...
izay no mba tiany
tsy ahoan-tsy ahoana
mandavan-taona.

Raha vao miserana :
lohalaharana,
maka toerana
tsy nisasarana!
Izany ka tena
fitiavan-tena!

Na aiza aleha
tsy mihafahafa,
mirehareha
eo alohan'ny hafa,
tsy henatra akory
ka manorisory!

Rehefa mivory
manao amboletra,
romotra ory
ny olon-drehetra,
ny heviny ihany
hatrany no lany.

(...)

Ry olon-drehetra
voasongona foana,
tonga ny fetra
itenenan'ny moana:
izao dia izao
'ndeha tabatabao!

Toetra Ràja
20 martsa 2013

www.lakroa.mg
Mahazo vahana eto Madagasikara ny herisetra…

Toetra Ràja
Ankoatra ny maha tsy rariny ny herisetra dia misy fampiasan-kery ao mazava ho azy. Tsy ilaozan'ny habibiana tokoa ity tanintsika ity.

www.lakroa.mg
Misy ohatra azonao omena ve ?

Toetra Ràja
Ohatra iray tsy eritreretin'ny maro isan'andro ny hazo fijalian'ny voafonja sasany. Nohadinoina ireny zana-bahoaka ireny satria betsaka ny olona efa leon'ny firongatry ny asa ratsy tsy ahitam-bahaolana. Tsy iadian-kevitra koa moa ny hamafin'ny "anio" ka mahatonga ny fihatahan'ireny tranga ireny ao amin'ny laharam-pahamehan'ny eritreritra. Kanefa izao no tsarovy fa na inona na inona anton'ny nahavoafonja ny olona iray, dia olombelona foana izy ka tsy tokony hiaina ao anatin'izany afobe izany.

GADRA

Moa ve
ny afobe
eto an-tany
no iandohany?

Midradradradra
ilay gadra
noratraina
vao maraina,

mitanaka
fa voadaka,
mitoretra
manjoretra.

Izany volo
tsy voakolo
misafoto
feno loto ;

Ny tanana
efa mangana,
tarehy
mihalehibe,
hay mivonto
voatoto!

Ny sakafo
tsy mba lafo,
zarizary
mankarary.

Kanjo indrisy,
iny nisy
boto ngerona
nitrerona
ny fony
tsy nitony.

Ary avy eo
dia niseho
ny faran'ny
tantarany :
natory
ilay ory.

Lasa!

... Tsy hiasa
intsony intsony
re ny fony!

Misy ady
amoron-kady,
mahazatra
fa mandratra
mahafaty,
ao anatin'
ny toerana
anarenana
an'izay
tiana ho fay.

(…)


Hay va re
ny afobe
eto an-tany
no iandohany ?

Toetra Ràja
20 novambra 1983


www.lakroa.mg
Tamin'ny 1983 no nanoratana ny tononkalo. 34 taona aty aoriana, aiza ho aiza isika izao ?

Toetra Ràja
Raha ny tokony ho izy dia tsy eto an-tany no itoeran'ny afobe kanefa hitantsika teo fa ny fahafatesana indray aza no zary fampitsaharana ny fijaliana. Aiza ho aiza isika izao ? hoy ny fanontaniana. Izany fanontaniana izany akory tsy hanosika antsika hitanisa ny tsy rariny rehetra eto amin'ity tontolo ity satria tsy ho vita ity resaka ity raha hizotra any amin'ny tanisa isika. Ohatra tokana monja no homeko. Mahafantatra renivohitra firenena miaina ao anatin'ny delesitazy ve ianao ankoatra ireo montsan'ny ady na torotoron'ny horohoron-tany?


www.lakroa.mg
Misy antony azonao lazaina ve ?

Toetra Ràja
Ny delesitazy ve? Tsy anjarako ny amin'izay fa ny tsara ahatongavana dia izao. Ny fitiavan-tena manjaka tokana ka navelantsika hiorim-paka no fototry ny olan'ny tontolo misy antsika. Avy amin'ny fitiavan-tena no ipoiran'ny lolom-po, ny fingana, ny halatra, ny eboebo, ny endrikendrika, ny tsolotra, ny vono olona... ka mahatonga ny maro hiraviravy tanana tsy handroso ary tsy te hihevitra an'izany antsoina hoe "fitiavan-tanindrazana" izany intsony. Ary rehefa kivy ny olona dia hiroborobo fatratra ny herisetra sy ny tsy rariny... hany ka hihodinkodina eto isika hitady lalan-kivoahana.

www.lakroa.mg
Ny firenen-kafa anefa efa nahita an'izay lalan-kivoahana izay!

Toetra Ràja
Jereo fotsiny ohatra i Rwanda izay rotiky ny ady tamin'ny 1994. Habibiana tsy roa aman-tany ireny nitranga tany Rwanda tamin'ny 1994 ireny izay manaporofo ny fahalemen'ny fitondram-panjakana. Firenena bitika i Rwanda araka ny velaran-taniny. Tsy efa anisan'ny firenena matanjaka sahady ve izy ankehitriny? Manana mpitondra sy vahoaka sahy mijoro izany firenena izany ary azo lazaina fa resiny ny fanjakan'ny fitiavan-tena. Andeha re isika hiaraka hirona. Tena ady fa tsy sarinady no entina handrodanana ny fototra iorenan'io fitiavan-tena manjaka tokana io, dia ilay "ratsy" izany. Roahy ! Eny, roahy izy ho montsana !


ROAHY

Roahy izy ho montsana
ary hihontsankontsana
hatrany am-parahatoka,
ho mora hikarapoka

sy toro vetivety,
f'izay no tena mety.
Tsy hisy azafady
fa raikitra ny ady !

Na vatana na rantsana
ario am-parahantsana,
ho lavitra sy dify :
aleo hikitro-nify.

Aza omena hirika
ny maso mivontirika
fa olom-boasazy :
izay no mendrika azy...

Na iza no ho vinitra,
difotry ny dinitra :
ho fara fahareseny
anie ny afobeny !

Toetra Ràja
21 ôktôbra 2015

www.lakroa.mg
Ny olombelona ve no iantefan'io fandroahana mankany amin'ny afobe io ?

Toetra Ràja
Hamafisina fa fandrodanana ny fitiavan-tena no resaka eto fa tsy fanimban-javatra akory na zavatra hafa. Averiko indray eto am-pamaranana fa raha tsy miroso amin'izany isika mianakavy dia hihodinkodina eto fotsiny ka tsy hahita lalan-kivoahana.

www.lakroa.mg
Teny atsipy any am-pon'ny mahalala izany. Misaotra anao nanompana fotoana niresahantsika teto. Mirary soa!

Toetra Ràja
Misaotra ny www.lakora.mg nanome toerana ho an'ny pôety sy ny pôezia malagasy ary ireo mpamaky hajaina.

www.lakroa.mg

poetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 08/06/2017