Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.

(T.Ràja)
15 septambra 2018
Fantaro i... HAINGO

(1965 - 2018)
Pôeta
Mpanoratra

Mpamoron-kira, Mpihira, Mpitendry

— Narindran’i Tsikimilamina Rakotomavo —

Toy izao ny fehin'ny tsidi-pisainana momba ny fanoratana tononkalo naroson'i Haingo:
"Satria ho ahy manokana, ny fitozoan'ny Poeta namolaka an'ireny rehetra ireny no hany hampivoatra ny endrika aman-kevitry ny tononkalony, sy hampanjary azy ho teny eo anatrehan'ny mpigoka sy mpahay... POEZIA!"

Teraka ny 20 septambra 1965 tao Ankadifotsy Antananarivo ary nodimandry tao Ambohimanga ny 21 Jona 2018 RAZAFIARIJAONA HAINGO MICHEL izay misalotra ny anarana HAINGO eo amin'ny tontolon'ny kanto. Rasoarivelo Faramalala Valentine no reny niteraka azy, izay nodimandry ny 11 Jolay 2018; fa ny tena nitaiza sy nikolokolo azy dia ny rahavavin-dreniny Rafarasolo Noro Eulalie. Tao Behoririka izay trano nitoeran'ny raibeny no nahalehibe azy. Izy no lahimatoa amin'izy fito mianadahy mpiray tampo. Ankadiefajoro Ambohimanga no tanindrazany. Teo amin'ny fahadimy taonany no nanomboka niditra an-tsekoly i Haingo. Ny kolejy "MADA" tao Ankaditapaka no nanovozany ny ambaratonga fototra. Nanohy izany tao amin'ny Lycée Andohalo (Antananarivo) izy taorian'ny nahazoany ny C.F.E.P.C.E.S. (BEPC ankehitriny). Vao 16 taona monja izy dia afaka Bakaloreà sokajy D. Teny amin'ny Anjerimanontolon'Ankatso Antananarivo no nandrantoany ny fahalalana ambaratonga ambony ka nahazoany ny mari-pahaizana "Licence" sampana Toe-karena.
Tao amin'ny orinasa LANDIS Madagascar no sehatra niasany taorian'izany ka nandraisany ny toeran'ny "Gestionnaire de stock".
Nanambady an'Andriamanantena Felanaharinivo i Haingo ary namela an'i Mionitra Tahafina Razafiarijaona sy Mihira Tohifanahy Razafiarijaona Andriamanantena, ho mpianadahy kamboty.
 
13 mars 1966, notrotroin-dRAFARASOLO Eulalie i Haingo

HAINGO POETA MAMORONA
Vao 17 taona i Haingo dia efa nanomboka nanoratra. Samy manana ny antony nahatonga azy hisakaiza amin'ny penina ny Pôeta rehetra fa ny an'i Haingo kosa dia aleo ny fanazavany, izy tenany mihitsy, no indramintsika araka ny tapatapakahitra nifanaovany tamin'i Toetra Ràja (2011) hoe :

"Tsy naniry ny hanoratra aho, fa nisy trangam-piainana nanjo ahy no nahatonga ahy hiriaria eo amin'ny tontolon'ny Soratra. Izay dia ilazako fa "ANTSO" ny fanoratana, ka tsy azoko nihodivirana".

Maro ireo tononkalony no nivoaka an-gazety toy ny Dina, Midi Madagasikara, Madagascar Tribune. Amin'ny maha mpikambana azy tao amin'ny FARIBOLANA SANDRATRA nanomboka ny 1987 dia ahitana ny sangan'asany ireo amboara niombonan'ny fikambanana toy ny "Sandratra amboaran-tononkalo voalohany" (1988), "Tontolo Isainana" (1991), Sandra-kalo" (1994).

Namoaka ny amboaran-tononkalo ILO izy ny taona 1993 izay nahazo ny loka faharoa tamin'ny fifaninanana tononkalo "Ny Avana Ramanantoanina" nampanaovin'ny Edisiona Lova sy ny BMOI. Ny 14 jona 1997 dia naseho ho tsangan-tononkalo tao amin'ny CCESCA ny ILO. Hoy indrindra mantsy izy nanazava azy (Toetra Ràja, 2011) :

"Ny ILO dia menaka, fa raha itarina ny heviny momba ny Soratra, dia manamandina ny mpamaky efa makianan'ny isan'andro atrehina izy, mba ho taitra sy handalina ary handinika ny lafim-piainana isan-karazany..."

Raha ny momba ny angalim-panoratana tononkalo dia manana ny ankafiziny izy dia ilay antsoiny hoe "Telo noho ny dimy".

Nisy ny boky hafa ahitana ny asa sorany toy ny "Soitrafo" niarahany tamin'i R. Iadiana ny volana mey 1995, "Randran-droa", azy sy i Lydiary ny marsa 2002, "Mpirahalahy mianala", nifarimbonany tamin'i Arikaomisa Randria sy i Naivo Nantsoina Holdina ny 2002, "Mpianadahy mianala", niarahana tamin'ny FIMPIMI ny 2006. Marihina fa izy no anisan'ny nanorina ny FIMPIMI ary efa filoha lefitr'izany fikambanana izany.
 

HAINGO POETA MIZARA
Manoratra lahatsoratra fandalinana ihany koa i Haingo. Anisan'ireny ny "Tsidi-pisainana momba ny fanoratana tononkalo".

Manana ny famaritana manokana momba ny talenta sy ny aingam-panahy izy:

"Ny talenta izay tiako hantsoina hoe: tolotra, vadin-koditra amin'ny mpahay zavatra efa hatramin'izy fony vao ranom-bohoka mba ho vatofehizoro iorenan'ny fahafaha-mahavita. Manaraka an'izany ny aingam-panahy, ilay matoan'ain'ny mpanakanto izay tahatahaka izao kosa no ametrahako azy eo amin'ny fanoratana tononkalo: aloha ny teny hoe "ainga" manambara hetsika mitory fitroarana ary aoriana ny teny hoe fanahy ifanondrotan'ny raiki-telo dia ny fientanam-po, ny firehan-tsaina, ny hery hafa tsy fantatra na tsy fanta-piaviana" (Arikaomisa sy ny namany, 2002 : 50)

Toy izao kosa no nanehoany ny mikasika ny Mpanoratra sy ny mpamaky:

"Tsy misy mpanoratra ka tsy manonofy an'izay tiany ho fomba handraisan'ny andefasana an'ilay hira ampitainy, saingy ny fipakan'izany eo amin'ny mpandray no mety ho ara-bakiteny marina na tsia. Kanefa tsapa ho mahalana koa raha ny fitoviam-pijerin'ny Pôeta sy mpamaky eo amin'ny sarin-kevitry ny tononkalo. Izany no manery ankolaka ny Pôeta hilofo tsy ankiato amin'ny fahaiza-mitsonga teny sy voambolana mba tsy hisian'ny dika vilana mangotana". (Arikaomisa sy ny namany, 2002: 50)
 
         Haingo, milofo tsy ankiato

HAINGO POETA MIKALO
Maro ny tara-kevitry ny asa sorany toy ny fitiavana eo amin'ny olon-droa, ny ankohonana, ny vavaka, ary maro ireo antoko mpihira mampiasa izany. Taratra amin'ny diam-peniny ny adim-piainana izay nandalovany sy hitany teo amin'ny fiaraha-monina ary ny fananana hambom-po handresy hatrany. Tafiditra ao an-tsahan'ny famoronany koa ny resaka raharaham-pirenena.

"Ny hira noforoniny
Mbamin'ny diam-peniny...
Hirainy sy tononiny
Ho anao, fa tsy afeniny"

Mpamoron-kira sy tononkira i Haingo. Maro ireo mpanakanto malaza no mikalo ny asa sorany. Anisan'ireny i Bodo mihira ny "Satria", Solo Andrianasolo mikalo ny "Fanekem-pinoana", Tovo J'hay, Lova Rakoto, Bessa sy Lola...
Izao no navaliny ny fanontanian'i Toetra Ràja (2011) momba ny "Satria"' nohirain'i Bodo:

"Izaho aloha mino fa mbola be dia be dia be dia be no tsy  mahafantatra hoe tononkaloko iny, kanefa, amiko, tsy izay no zava-dehibe fa ny fielezan'ilay tsangan'asa masina tao anatiko, mba ho Soratra hamelona ny mpiara-monina sy ny taranaka mandimby..."

Ankoatra ireo amboara efa nivoaka dia nisy ny raki-peo miavaka milohateny hoe: "Raikidrano" izay andrenesana ny hira sy tononkalo noforoniny ary izy rahateo no mihira sy manonona izany toy ny Raikidrano, Fanoitra, Tompon'antoka, Malalan'iza, Fanekem-pinoana, Ny Ahy, Faneva, Anio, Valiha maty Dimy, Tolo-tsoa.

Efa nahazo ny loka voalohany tamin'ny hira mitondra ny lohateny hoe "Gasikara maitso volo" nohirain'i Hantatiana izy ny 1995. Nisolo tena an'i Madagasikara teo amin'ny sehatra haisoratra tamin'ny "Festival Kreol" tany Seychelles ny oktobra 1995 izy. Maro tamin'ireo tononkalony no efa notononina tamin'ny fampielezam-peo isan-karazany.

Tsy nipoitra ho azy anefa ireny talenta ireny fa nisy ny mpanakanto nampiorim-paka azy teo amin'ny famoronana ary nankafiziny. Raha teo amin'ny faha 17 taonany indrindra mantsy izy no nanomboka nitendry gitara ka nikalo ireo hiran'ny Tarika Mahaleo. Namolavola ny fitiavany namoron-kira koa ry Lolo sy ny Tariny, Tsiakoraka, Iraimbilanja, Solo Andrianasolo, Mireille, Bessa sy Lola, Bodo, Tovo J'hay, Lalatiana...
Tsy ireo mpihira Malagasy ihany anefa fa tao koa ry Georges Moustaki, Nana Mouscouri, Mireille Mathieu, Michel Sardou, Joe Dassin, Beatles, Gilbert Bécaud, Francis Cabrel, Elton John...

  
Haingo, ao amin'ny kapila mangirana "Raikidrano"

HAINGO POETA MIAVAKA
Masiatsiaka hatry ny fony kely i Haingo kanefa dia feno tsikitsiky. Antra olona izy na dia tia mitoka-monina sy tsy mitankosina loatra amin'ny hafa. Ny zava-kanto kosa anefa no rohy mamatotra azy amin'ny fiaraha-monina. Matotra izy ary azo lazaina ho tsy mahatanty vazivazy, eny fa na dia tsapa ho masiaka be ronono. Sarotsarotiny amin'ny zavatra ananany izy. Hainy mihitsy ny mampifaly ny ankohonany amin'izay eo an-tanany. Efa niomana tamin'ny fandehanany any an-koatra i Haingo satria na ny Filazana manjo ho an'ny fahafatesany aza dia efa voasorany mialoha fony fahavelony.

Tia zava-kanto tokoa i Haingo, havanana eo amin'ny fitenenana ny lehilahy izay tsapa amin'ny feony milanto sy mambabo ny sofin'ny mpihaino. Hainy mihitsy ny mandrafitra teny miavaka eo am-pandaharan-teny amin'ny kabary am-panambadiana fanaony.

Mpanoratra Malagasy vitsivitsy no tena nankafiziny dia i Dox, Ny Avana Ramanantoanina, Rado. I Elie Rajaonarison aza moa dia noheveriny ho ray mihitsy satria nandraisany fahalalana teo amin'ny sehatry ny soratra. Izy mihitsy moa no nosafidian'i Elie Rajaonarison hanao ny fanolorana fanilo tamin'ny bokiny "Ranitra".

Fikarohana mikasika ny tononkalon'i Haingo

Razanatiaray Hantamalala, 2004, Ny fitiavana tarafina ao amin'ny asa soratr'i HAINGO, ENS Ampefiloha.
  
                    I Haingo mikabary

HAINGO POETA MAMPITA
Teny ampitainy matetika ny hoe: "Tsy misy afa-po fa ny fizarana no endri-pitiavana lehibe indrindra". Rehefa misy zavatra eken'ny sainy dia hoy izy hoe:

"Tsara, tena tsara", "ekena e!", "mankasitraka", "Ny Andriamanitra inoako dia Jesoa Kristy", "Izaho tsy mahay na inona na inona", "Rehefa maty aho dia ho an'ny vady aman-janako izay ahy rehetra", "Ny ahy retsy rehefa izao no tanjoko dia tsy maintsy tratrako".

POSA-KEVITRY NY AKAIKINY
Hoy i Niry-Solosoa:
"Tompo! aza avela ho potika!
Aza avela ho rotika iny namako iny!
Avereno aminy ny fiainany fahiny
Feno didoha tsy manaiky resy!
Aza avela ho fefiky ny ankaso mifanesy
Ny andrin'ny fisainany tojo halemena
Ampitafio azy ny lambam-pahendrena"

Hoy i Felana vadiny:
"Ny fahatsiarovana tena nahafinaritra taminy ankoatra ny fitiavany dia ny fiarahana manao mozika. Amiko dia tena kanto daholo ny sangan'asany; indrindra fa manana feo manga izy. Koa na maty aza izy dia mijanona ao am-po sy ho ankafizina mandrakizay ny kantony".

Hoy i Wilma anabaviny:
"Haingo, ianao no nandao anay fa ny asa soratra navela no mitoetra tsy maty ao am-ponay mandrakizay".
  
         Tovo J'Hay sy Haingo ary Nanie

FANKASITRAHANA

Isaorana manokana tamin'ny fanampim-panazavana :
- Andriamanantena Felanaharinivo vadiny
- Rahantaniaina Wilma anabaviny.

LOHARANON-KEVITRA
- Arikaomisa sy ny namany, 2002, Mpirahalahy Mianala, Antananarivo: Editions Ambozontany.
- Faribolana Sandratra, 1994, Sandra-kalo, Antananarivo.
1991.
- Faribolana Sandratra, Tontolo Isainana, Antananarivo.
- Faribolana Sandratra, 1988, Sandratra Amboaran-tononkalo Voalohany, Antananarivo.
- Haingo, 1993, Ilo, Antananarivo : Edisiona Lova.

- Toetra Ràja, 2011. Tapatapakahitra iarahana amin'i Haingo. Hita ao amin'ny :
   http://poetawebs.e-monsite.com/pages/tapatapakahitra/page-12.html
- Ministeran'ny Kolontsaina sy ny Fampiroboroboana ny Asatanana ary ny Fiarovana ny Vakoka. Hita ao amin'ny :
   http://www.macp.gov.mg/disciplines-artistiques/poete-malagasy/haingo
 
       Ny fahatanorany

__________________
ITSIKIO


Na mafy aza ny ady
Fa sarotra ny fiainana
Irery ianao no sady
Tsy manan-kitarainana

Itsikio ihany
Fa ao anaty tsiky, misy di-doha
Mipoitra hatrany hatrany...
Natao mba hovelomina hananana hambom-po!

Na ory aza ianao
Ka efa mila ho tola
Mahantra lava izao
Fa tsy mba manam-bola
Itsikio ihany
Fa ao anaty tsiky, misy hidy vazana
Masiaka sy mavany...
Mety hanampy anao hahita fahombiazana!
Na henatra aza iky
Ny fitak’olon-tiana
Ka mahalikiliky
Fa hazo fijaliana
Itsikio ihany
Fa ao anaty tsiky, misy fitsaharana
Ho an’ny mitomany...
Azonao ahodina hanaovana hasambarana!
Na be dia be koa aza
Ny tsiny omena anao
Kanefa tsy sahaza
Izay mba vitanao
Itsikio ihany
Fa ao anaty tsiky, misy fivavahana
Milaza fa izany
No manadio anao ho sorom-panafahana!

Haingo, Sandratra Amboaran-tononkalo voalohany tak 49

________________________
SATRIA
(hiran’i Bodo sy Malala)

Efa fantatrao angamba
Fa ny fahitako anao
Mampitombo lanja ny heriko!
... fa ilay fitsikinao
Mampikombona ny feriko!
... fa ny diam-peninao
Mahababo ny fijeriko!
... fa ny tononkalonao
Zary lasa tsianjeriko!
... fa ny teny maminao
No tahiry tsy mba veriko!
... fa ny andinim-piainanao
Raikitra ho misiteriko!
Satria tiako...
Tiako ianao!
Ka ny aminao rehetra
Zava-tsarobidy ho ahy!
Satria koa...
Tia ahy ianao!
Dia nisy hery izay nametra
Sy nitantana fanahy
Ka ny foko manontolo
Efa voakolokolo
Hamoa fitia ho anao daholo!
Fantatrao
Hatramin’izao
Fa ianao ianao ihany!
No hany tokako eto an-tany

Haingo, Ilo tak 48


  _______________________
MANDRESY

Hivoaka ho mpandresy
Amin’ny tsiky poizina afafin’ny mpamadika...
Hivoaka ho mpandresy
Amin’ny maso vilana ataon’ireo mpialona...
Hivoaka ho mpandresy amin’ny tadimody
Atsipin’ny mpanenjika...
Hivoaka ho mpandresy
Amin’ny asa maizin’ireo mpamahan-dalitra...
Hivoaka ho mpandresy
Amin’ny angaredon’ireo mpanakan-dalana...
Hivoaka ho mpandresy
N’inona hasarotry ny ady itolomana...
Izay hatrany hatrany
Ry zazavavy namako
Sy ry rahalahy mpiray fileovana amiko
Izay no tan-tsy vinitra mibaiko ny hambontsika
Mba tsy hilavo lefona
Fa hahery fo hiady hatramin’ny farany...
Hanao izay handrombahana
Ilay faneva menan’ny tafika mpandresy!

Satria ny tanjontsika
Dia ny hampandresy ny “resy tsy ara-drariny”

Hitondra fanavotana
Ho an’ireo ankizy manana ny marina
Saingy noterena mba hibaby heloka...
Satria tokoa tokoa, izay no tanjontsika...

Ka raha misy koa
Ny vintana tsy miangatra avy any an-danitra any
Dia izao ihany no mbola hinoantsika
MANDRESY ISIKA ALOHAN’NY HAHAFATESANA!

Haingo (1989),Tontolo Isainana tak 96
Ny boky "Mpirahalahy mianala

________________________
MISY

Ory fahazavana ny habaka eny ambony
Itataovan-drahona matevina fitraho...
Misarisary fo verezin’ny talaho
Miriaka ranomaso... vao miemboka fitony

Mangavoka fisoratra ny ravina malazo
Lanin’ny fanala, ka rendrika manjonitra
Dia ravarava aina... marisarisa onitra
‘ty ringidringi-taho mahantra voninkazo

Maherihery sangy ny fafifafin’erika
Mitafy fahatahorana ny fo ka refon’oritra
Miredy ny "... Aok’izay fa leo tsy te hiherika" !

Na matroka aza nefa ny endriky ny lanitra
Ka ady be fangotraka no taratra misoritra...
MISY ny antenaina: ny Tompo Andriamanitra!

Haingo, Sandra-kalo, tak 60
  ________________________
MIVADY
(hiran’i Bessa sy Lola)

Nanjary adinao ny adim-pitarainako
Nanjary fiainanao ny fiainana iainako...
Ny antony ? Satria
Mivady ny fitia!

Rimbona ny aiko raha marary ianao
Ny masina aminao no lalaiko izao...
Ny antony? Satria
Mivady ny fitia!

Mahatratra ahy izay mahazo anao,
Tonga alokao ny ratram-poko ao...
Ny antony? Satria
Mivady ny fitia!

Miaraka na faly na ory isika roa...
Izany ka fanahy mifankatia tokoa!
Ny antony? Satria
Mivady ny fitia!

Haingo, 2000, Ambioka lah 32

  ________________________
FANEKEM-PINOANA
(hiran’i Solo)

Nahoana moa ny maso no tsy hanganohano
Raha sendra alondrano?
nahoana koa ny saina no tsy ho valalanina
raha sangodim-panina
mahery mahamay
no itsapana anay
ry Tompo Rainay?
Nahoana moa nahoana ny fo tsy ho toroavana
Raha sendra fahatsiarovana
Nahoana koa nahoana no tsy adaladala
Raha zanaka malala
Tiana sy lalaina
No indro re nalaina
Mbola vao maraina?
Kanefa Raiko ô izato hira ory
Asandratro eto izao
Tsy sanatria akory
Ho faniniako Anao...
Fa mainka hanolorako indray aminao
Ilay manda vaovaon’
Ny fanekem-pinoako
Tsy mbola niova loko!
Satria mino aho f’ilay velomany
Dia mandra-pihaona ihany...
Satria mino aho f’ilay velomanay
Tsy hoe mandrakizay!

Haingo 1990
Ferapara efa voaomany mialoha  


 
Haingo miaraka amin'ny havana, miakanjo mainty ambony sy ambany Haingo  teo amin'ny fahafolo taonany
sy Hanitra zanak'olom-piray tampo

   
  Tsikaritra eo ankavia ny namany Solo Andrianasolo, ilay nikalo ny "Fanekem-pinoana"  
Pôetawebs©2018 - Pôetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 13/09/2018

×