Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

06 jona 2017

Pôetawebs 2017Jiona 2017

Pôety sy ny "iray volan'ny teny malagasy"

Maro amin'ireo mpikirakira teny amin'ny andavanandrony no manan-kambara amin'izao iray volana anandratana ny teny malagasy izao: mpikabary, mpampianatra, mpanao gazety, mpitoriteny sns. Mazava ho azy fa tsy diso anjara amin'izany ny Pôety izay anokanan'ny gazety www.lakroa.mg takelaka iray isan-kerinandro ho fanomezana hasina ny Pôety sy ny pôezia malagasy. Andalan-tononkalo vitsivitsy momba ny teny nangonin'i Toetra Ràja no nezahina nalahatra hanehoana fa manan-jina ny teny ka mendrika ny hasandratra fa harem-pirenena.

 

TENY MANAN-JINA

Ny famaritan'i Regis Rajemisa Raolison ny "jina" ao amin'ny Rakibolana no ahafahana milaza fa manana hasina miraikitra aminy ny teny, izay tsy azo anaovana vazivazy fa mety hahitan-doza.

Voasoratra mazava ao amin'ny lalàm-panorenana malagasy koa fa ny teny malagasy irery no tenim-pirenena eto amin'ny tany sy ny fanjakana. Tokana mantsy ny tenim-pirenena, tahaka ny maha tokana ny hiram-pirenena sy ny sainam-pirenena. Tsy vitan'izany fa mbola izy koa no voalohany amin'ireo teny ôfisialy telo ampiasaina eto amintsika, ilaharany amin'ny teny frantsay sy ny teny anglisy. Mahafintina tsara ireo voalazan'ny lalàm-panorenana ireo ilay teny filamatra naloaky ny Pôety fanta-daza Di... hoe: "andrianiko ny teniko, ny an'ny hafa koa feheziko". Tsy vitsy ireo poeta taty aoriana nanamafy izany toa an'i MEJA Penina:

"Tenin-drazako
Tsy ambany
Andrianiko
Hatrany
".


Ny Baiboly dia ahitana taratra izay fahamasinan'ny teny izay. Tsy avy tamin'ny teny hoe "Mesia..." va no namoronana ny singa lehiben'ny tontolo toy ny hazavana sy ny habakabaka ? Nohamafisin'i Joany izany tao amin'ny Soratra Masina : "Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra".


Mahatsapa izany i Felana (Felana Raveloarison) ka naneho fahavononana ao amin'ny andalan-teniny hoe :


"Fa masina ny teniko
Ka handaniako ny heriko
".

Manamafy izany hakantony sy hasiny izany i Antsiva, Pôetin'ny Havàtsa-Upem Frantsa:

 
"Kanto loatra izato Ianao,
mahafehy ny tian-kambara,
Manan-kasina, hajaina,
kolokoloina tsy hamarara
".

I Heriarilala Andriamamonjy, Pôety tanora efa manana ny toerany sahady eo amin'ny sehatry ny literatiora malagasy, dia sahy manambara fa reharehany ny teny malagasy :

"Na aiza na aiza alehako
ny teny gasy? Reharehako!
Tiako ka andrianiko,
fa mamy koa raha mamiko".

Tsoriny fa tsy ataony henatra ny fanandratana ny teny malagasy izay sady ibeazany no handalinany fahalalana.


TENY FANANDRATANA

Ny fahaizan'ny Pôety mamolaka ny teny dia anisan'ny fomba fanandratany azy. Raha misy andalan-teny manako ao am-po dia anisany ity an'i Regis Rajemisa Raolison ity:

"Tiako ny tenin-drazako
amin’ny teny rehetra rehetra,
voninahitro sy lazako".

Tena hafa amin'izay teny rehetra ny teny malagasy ary "hafa loko" aza hoy i Lovanirina Fidel Razafindrabenja :

"Fiteny iray hafa loko
Izato ianao ry tenindrazako
Mampientana ny foko
Tsy mety afaka ato am-bavako"

Misy aza ireo Malagasy tsy nampiasa izany teny izany tamin'ny fahazazany no nilofo nianatra azy taty aoriana. Mahalaza izany ny andalan-tenin'i OR (Ony Ramanantsoa) hoe: "Teny hafa no namolavola fony zaza taty an-tany lavitra". Satria, tany am-bohoka ianao, efa henonao ny teny ary tsy mba nanavao ny zava-tsoa nomen'i Neny. Niaina izany koa i Fredy Jaofera ary tsy vitsy ny tononkalony mahakasika ny fanandratana ny tenindrazana toy ny hoe: "Masina ianao, ry teniko, ka n'aiza n'aiza, arovako". Hiverenantsika izay fiarovana izay etsy ambany.

Eto an-tanindrazana aza dia misedra olana ny teny koa mainka fa any am-pielezan'ireo zanaka Malagasy ? Misedra ny elanelan-tany izy ireo kanefa manohy miasa ho an'ny teny malagasy. Hoy indrindra mantsy i Andamioly : "Mirakitra ny ahiko an-taratasy ny teny malagasy". Inoana fa io "ny ahiko" io dia izay rehetra akaikin'ny fony ka tsy soratany amin'ny tenin'ny fiaraha-monina misy azy fa amin'ny tenin'ny fony.

I Bana Rahalahy koa dia mampiasa ny teny hanehoana izay naloaky ny fony izay: "Mamiko ny tenin-drazana ka sady amoronako hira no itoriako Fitiavana".

Inoana ho foana aza ny elanelan-tany noho ny fahafahana miaina ny teny malagasy. Tsy mbola nisy angamba, na andro iray aza, tsy niseranan'ny tenin'ny fony tao amin'i F.X. Mahah, hatramin'izay efapolo taona mahery nipetrahany tany Frantsa izay ka nahavaky volana azy hoe:

"Mbola afaka miteny amin'ny tenin-drazako aho
mbola afaka milaza fa tsy saraka aman-taho
".

"Miteny" hoy izy ka azo inoana fa maro amin'ireny andinin-tononkalony ireny no tsy afaka eo imolony fa tononiny amin'ny andavanandrony araka ny filazan'i Regis Rajemisa Raolison hoe :

"Tiako ny tenin-drazako,
tiako tononin’ny vavako,
tiako soratan’ny peniko !"

Izay fanandratana ny teny izay dia nampitahain'i Ony Ravorombato amin'ny fikolokoloana voninkazo:

"Toy ny voninkazo anjaridaina
koloina mba hiaina
tondrahana maraina
tsy avela ho karakaina
".

Ny tena Pôety mahatandrina ny fahamasinan'ny teny dia saro-piaro amin'ny mety ho fanimbazimbana azy. Tsy mionona amin'ny fanandratana izy fa tsy mitsahatra miasa ho fanarenana ny tenin-drazana sy ny tanindrazana.


HAREM-PIRENENA

Miasa ny Pôety, mamokatra zava-mahatalanjona mahate ho tia, mampientana ny fo amam-panahy ary manova ny fiainana ho azo ankafizina. Ireny asa ireny no antsoin'Ny Nivaliantsoa amin'ny hoe bainga avadika:

"Ny bainga izay avadiko?
Ianao ry teny mamiko
".

Ao anatin'izay bainga izay indrindra ny fiarovana ny teny efa natsidika tetsy ambony. Anisan'ny tohina amin'ny herisetra mianjady amin'ny teny i Pissoa (Ikala Mi), poetin'ny fiandohan'ny taona 2000, izay vaky vava hoe:

"Ny Teny hoy ianao, miaina!
Mety miova sy mivoatra;
Nefa kosa, Sombinaina,
aza ampijaliana loatra
".

Raha misy ny Pôety sarotiny amin'ny fanaovana tsinontsinona ny teny malagasy dia anisany i Rado. Betsaka ireo zavatra tsy rariny fa ny mahagaga azy indrindra dia ny fanamboniana tafahoatra ny teny vahiny:

"F'eto an-tanindrazako aho nefa, tenin'olon-kafa
No takiana mba ho haiko vao mahazo anjara asa
Hamelomako ankohonana...
Sady izay mitonantonana
"

Rado (1971).

Tsy vitan'ny hoe amboniana ny teny vahiny fa mbola mitonantonana isika rehefa manambany ny antsika amin'ny alalan'ny fampiasana voambolana mandratra na diso, tsy maontina, manafintohina, "vary amin'akotry" na diso tsipelina. Mamariparitra ny hantsana mampisaraka ny "teny tsara" amin'ny "teny ratsy" i Hanitr'Ony:

"Ny teny tsara mahamora harena, ny teny ratsy indray tangena".

Hiato kely amin'izay hoe "harena" izay aloha isika. Tsotra ihany ny tsiambaratelony hoy i Mero Kosiky:

"Ny loha misasa-poana mitady ny hareny,
ny harena nefa tsy aiza fa ao anaty teny...
".

Iombonany amin'i Dox izay. Tsy dia mahavantana loatra ny Pôety "taloha" ny manandratra ny teny ao amin'ny tononkalony. Ao amin'ny bokin'i Dox "Ny hirako" anefa dia ahitana ny tononkalo "Tenin-drazana" mahakasika izany. Ampahany iray monja anefa dia ampy hahatakarana fa tena niainan-dry zareo izany fitiavana ny teny izany:

 
"Efa folaky ny Razana
Ho teny tena ahombiazana,
Teny tena manana aina..."

Raha lova sy harena ny teny ary "tena ahombiazana", maninona moa hoy i Toetra Ràja raha ampiasaintsika hanarenana ny firenena? Hoy indrindra izy mantsy:

"Areniko ny tany amy teniko tsy ambany".

Ahoana ny hanaovana azy? Iza no handrasana? Ny Pôety ve no tokony hamaky lay hampiasa ny teny ho fanarenana ny tany? Mamaly izany i Holiravaka (Holiravaka Rakotoarisaona):

"F'ireo Poeta ireo sisa ampinga antenaina hamerina ny mamy
Hitondra hasina sy fy hanandratra tsy hiato izany teny izany
".


PAO-TSATROKA RY PÔETY Ô!

Hisy mpiaro sy mpihaino anie ianao!

Efa natolotry ny Akademia ny Filoham-pirenena tamin'ny taon-dasa ny vinan'ny politikam-pirenena momba ny teny. Nampahatsiahivin'ny Filohan'ny Akademia, ny Profesora Razanamparany Marcel, tamin'ny alakamisy 1 jona 2017 teo izany. Mba ho laharam-pahamehana amin'izay anie ny teny malagasy!

Ny fanandratana ny teny mandritra ny volana jona tahaka izao dia irina ho lasa raharaham-pirenena andraisan'ny rehetra anjara, tsy ny teratany ihany fa na ny fianakaviam-be iraisam-pirenena miasa eto Madagasikara aza.

Inoana fa hampiray ny Malagasy rehetra io politika vaovao io araka ny hetahetam-pon'i Meloka (Johariniaina Michael) hoe:

"Ny teny izay inoako
Fa azo iraisana
Tsy mifidy foko
Tsy hampitondra faisana
Dia ny tenindrazako...
Malagasy toaviko
".

... Satria efa lalim-paka loatra mantsy ny fizarazarana, ny tsy rariny, ny tsindry araka ny voalazan-dRabenja Salomon (1983) hoe:

"Koa dia vakio bantsilana
Izay mitady hizara vilana
Sy te hamerin-doha indray
Ny taingim-bozom-pahizay
ry takilan-tenindrazako!"

Mazava aminao àry ny bitsik'ivan'ny Pôety! Henonao ny andalan-teniny, nipoitra tamin'ny tenin-dreniny, hanarenana ny tany. Takatrao ve hoy i Joseclaudio (Toky Ny Aina Joseclaudio)?

"Rehefa takatrao ny zava-dalina kendreny, dia hainao ny tena fahendreny.
Fa ny aingany manakatra ny tsy azonao faritana no hadalana iainany
fa nofinao anefa ny zavatra isainany
".

Manomboka izao àry, henoy indray ny Pôety!

Toetra Ràja
3 jona 2017

www.lakroa.mg

poetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com