Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

26 jona 2017

Pôetawebs 201726 jona 2017
NY POETY SY NY FAHALEOVANTENA

57 taona izay no nahazoan'ny Malagasy azy. Samy manana ny fijeriny ny isam-batan’olona. Fomba fijery "hafa mihitsy" ny an'ny poety, notsongaina sy nofakafakaina izy ireny ary ahatsapana fa ny fahaleovantena dia lova sarobidy sy tsy nilaozana olana.

26 jona. Migadona ny alatsinainy izao ho an’ity taona 2017 ity ny 26 jona izay daty hankalazana ny fetim-pirenen’i Malagasy. Antsoina ihany koa io daty io hoe fetin'ny Fahaleovantena.

 

 

LOVA SAROBIDY

Raha ny marina dia tsy tokony hiadian-kevitra ny fitiavan-tanindrazana eo amin'ny Malagasy amin'ny maha nosy iray tsy mivaky ny taniny sy ny maha iray ny teniny. Mampitambatra izany ary na dia tamin'ny fotoana tsy mbola niresahana fa firenena aza i Madagasikara dia efa tao am-pon'ny rehetra ny maha iray ny mponina sy ny maha an'ny Malagasy an'i Madagasikara. Nisy anefa ny fanjanahan-tany. Naharitra izany ka 64 taona taty aoriana vao tafaverina ny fahaleovantena izay lova sarobidy araka ny namaritan'i Rado (1971) azy hoe :

"Ny fahaleovantena, Razanako izany,
 Dia lova miverina, ka sarobidy
 Mitaky herim-po tsy roa aman-tany
 Sy sandry miasa, manefa ny adidy."

 (Dinitra, tak 144)

Mitodika amin'ny zanaka i Rado. Manafatra izy mba hisy tokoa ny fitohizan'ny ezaka nataon'ny razana hampiray ny mponin'ny Nosy sy hitandroana ny fahaleovantena.

Vonona ny Malagasy, hoy indray i Rô Andriamaneva roa taona tato aoriana (1973), tononkalo valin-kafatra ho an'i Dr Radaody Ralarosy, Malagasy voalohany filohan'ny Akademiam-pirenena Malagasy :

"Vonona ny Malagasy
 Ny hitana izany lova ;
 Eny na dia efa tasy,
 Hamboarina tsy hiova
 Vonona ny Malagasy
 Hanarina izatsy Rova!

I Jean Narivony, etsy andaniny, dia nanompana ny eritreriny any amin'ny Tenin-drazako, ho fanalahidin'ny firaisan-kina sy ny fahaleovantena:

"Ny teny... Tenin-drazako.
 'Lay Teny mampitambatra
 Ho iray ny Nosy Sambatra
 Sy teny itenenany
 Ny FAHALEOVANTENANY".

Ny teniny sy ny taniny, samy nokolokoloin'izay nialoha antsika, tsy ho azy ihany fa ho an'ny taranaka mifandimby. Niainany tamin'ny fo ilay hoe "Madagasikara ho an'ny Malagasy". Io no lova tsy zaraina, eny fa na dia mahantra aza ny taniko hoy i Robert Solo (Fanjandranomasina) :

"Mahantra ny taniko; hoy ianareo
 Kanefa dia tsoriko kosa zareo
 Fa ahy ny taniko, tsy hozaraiko
 Mandra-pialan'izay fofon'aiko."

 (1973)

Ny poety ankehitriny koa dia tsy diso anjara amin'ny fikaloana ny ezak'ireo nialoha lalana, singanina eto ny andalan-tenin'i Naly Manjaka:

"Fa ny fahaleovantenan'ny taniny no ambony
 Ianao taranany no navesatra tao anaty fony".

Saro-piaro amin'ny taniny ny Malagasy. Mampahatsiahy i Riantsoa fa namoizana aina ny famerenana ny fahaleovantena :

"Jereo ny ra nandriaka
 izay an’ny razantsika;
 ilay tolom-pahafahana
 nahazoana sy nananana
 ny fahaleovan-tena.
 Aiza izany izao ?"

Ny tantara dia manondro ny datin'ny 29 marsa ho andro nampivaivay ny tolom-pahafahana. Io mihitsy aza no fiandohan'ny tena fahaleovantena araka ny eritreritry Andry Tiana (Pr. Andry Rasamindrakotroka ), dokotera efa nisahana andraikitra teo amin'ny fitondram-panjakana ary manana fironana matotra any amin'ny literatiora :

"29 marsa, hiandohan’ny tena fahaleovantena.
 Tsy hiankin-doha intsony amin’ny mpanjanaka.
 Ka hiaina finaritra miaraka amin’ireo taranaka.
 Ho tapitra tsy hisy intsony koa ny fitiavan-tena".

 (2017)

Tsy napetrapetrany ho azy ato amin'ity andininy ity ny "fitiavan-tena" satria iaraha-mahalala fa io no fosotra mampihozongozona ny tena fahaleovantena.

 

FAHADISOAM-PANANTENANA

Azo ny fahaleovantena, ny fiandrianana niverina, ny harena sesehena samy antsika raha heverina... saingy mbola misy jaly hoy i Velo (2017 ) raha namaly :

"Fa ny hany fijaliako...
 Ny misitraka tsy fidiny ny sarim-pahafahana, mba nampidraminy amiko...
 Ny saiko, ny fombako, ny TENY tena mamiko".

Nisy tokoa àry ny fahadisoam-panantenana. Mahavantana ny poety ny fikaloana azy. Azo lazaina ho mahitsy fitoraka Ny Nivaliantsoa raha nilaza fa sarisary io fahaleovantena io :

"Efa azontsika ny fahaleovan-tena
 Saingy sarisary tsy mbola azo ekena."

"Mahonena" hoy i Fenotsiky namboraka ny alahelony :

"Nefa mahonena
 Indrisy mosarena
 Ilay Gasy nanantena
 Ilay fahaleovantena"

Fahita ao amin'ny andinin-tenin'ny poety io hoe "mahonena" io, ahitana izany ity asa soratry Tefy (2012) ity :

"Ny Fetim-pireneko ?
 Fety mahonena,
 Maneho ny halemeko:
 Latsaina sy hosena".

Mbola "mahonena" ihany ny Malagasy na dia efa azo aza ny fahaleovantena. Afaka telo taona dia higadona ny fahenimpolo taona nahazoana azy. Midika inona tokoa ? Manindrona ary misy isainana ny andalan-tenin'i Mija (2013) :

"Efa an-taona firifiry no niandrandra FANDRESENA?
 Dimampolo taona lasa izay no hoe FAHALEOVANTENA
 kanefa inona akory!!! Amin'izao fotoana izao:
 fanandevozana no misy fa amin'ny ENDRIKA VAOVAO.
 Fahaleovantena hoe ?"

Any amin'ny fombafomba sy fiteny indray no nahitan'i Nitiah Nosy ny lesoka :

"...Ny fombafomba sy fiteny,
 tsy gasy intsony raha jinery !
 Ny toe-tsaina voazanaka,
 Dia izany ve no AFAKA?
 Mampanontany tena hoe :
 "fahaleovantena ve?"

Tsy izy ireo ihany no velom-panontaniana. Namboraka ny fahagagany i Rado (1991):

"Ny Fahaleovantena : tsy fanomezan-dasy
 ny tenin'ny vahiny hasolo Teny Gasy
 Fa Fahaleovantena derain'ilay mitazana
 hanandratra ambony ilay Fitenin-drazana"

Manomboka mianatra ny zaza malagasy, tsy any an-tsekoly fa "Ecole Primaire" (EPP), ary aty aoriana raha zaraina voninahitra: chevalier, officier... midika inona aminy ? Ny "azy" foana no hajaina hoy i Holiravaka , poetin'ny VKHM (Vondrona Korira Kanton'ny Haisoratra Malagasy):

"Hatramin'izay ka hatrizao tsisy iray izay tsy nivaky
 Fa mbola ny azy foana no hajaina sy dradraina ka samia mandini-tena".

Fety lehibe anefa ny fahaleovantena saingy maro ireo miahotra amin'ny fankalazana azy. Maneho izany tsy faharotorana izany i Rindramalala Rafanomezantsoa :

"Tsy sahiko lazaina,
 fa toa manimba saina,
 ny hoe : "Arahabaina"
 fa mitsingerina androany
 ny fahaleovantena;
 nefa mbola mitomany,
 ireo olom-pirenena".

Tsy toy ny mandatsa tokoa ve raha harahabaina izay mbola mitomany ? Vahoaka sesehena no nanome lamosina ny fanasan'ny Fanjakana tamin'ny 26 jona 1991 ka norangotin'i R.H.A Nary (Andrianarinjato Rakotoarisoa Harry) an-taratasy hoe :

"Dia gaga ianao nandre
 Ny filaharam-be
 Toa nahavery hasina
 Ny teny Mahamasina
 Ny fetim-pirenena;
 Vahoaka sesehena
 Mivonona handresy
 Asa firy hetsy ?
 Tsy nisy notambazana,
 tsy nisy noterena.
 Fa ny ain'ny Tanindrazana
 tsy maintsy novonjena
 no hany nojerena"

 (1991)

***

Manoloana ny maha sarobidy ny fahaleovantena sy ny fahadisoam-panantenana aterany dia anatranatra no azon'i Li Blou atolotra :

"Aoka ry lahy ity nosy,
 sy ny ain'ireo niady mafy
 Tsy ho ringana na ho voahosy,
 ezahina tsy asian-dratsy
 Fa isika aza namantam-bonona,
 Tsy niady sy tsy mba nitolona
 Ka ny hajany re mba homena,
 fa azo ny fahaleovantena"

Fanontaniana no asetrin'i Riantsoa (Ezeckias R-Rhyan'tshu) izany :

"'lay hiaka "Fandrosoana"
 toa mamintsika ery.
 Fa raha sanatria
 ka dimampolo taona
 no fisasahan-dia,
 ho kivy ve isika ?
 Izany dia midika
 hoe eo no hijerena
 ny tena fahaleovantena"

 (2011)

Fampaherezana izany noho ny mety ho faharetanan'ny dia lavitra ezaka. Eny miasà ho an'i Madagasikara hoy i Pissoa (Ikala Mi) fa aza miandriandry, izany hoe tsy fotoanan'ny ady varotra na fangataham-boninahitra izao fa efa latsaka an-katerena ny firenena :

"Ilay fahazotoanao manampy, tsy mba hita miandriandry,
 Na ara-bola na koa vavaka, na hevitra na herin-tsandry;
 Na tsy nivoaka an-gazety aza, na tsy mba misy mitantara,
 Dia soa mipetraka izy ireny ho an'i Madagasikara".

Aza atakalo na sandaina harena hoy indray i Robert Solo (1973) mampitandrina :

"Ho avy ny andro mba hanan-karena
 Ilay tany andrianiko, ilay Nosy Mena
 Kanefa tsy nila ny volanareo".

Volan'iza ? Fantatrao! An'ireo mpanozongozona ny maha sarobidy ny fahaleovantena. Fa ny zava-dehibe aloha izao amin'i Raozigasy dia ny :

"Fetinao anio ry taniko
 Ka hadinoiko kely ny amiko
 Fa ny hatako rehetra
 Dia ho anao tsy misy fetra"

Misy fotoanany ny zava-drehetra. Anjaran'ny tsirairay no mieritreritra ny mahasoa ny firenena.

Toetra Ràja
 25 jona 2017


 TTF. Isaorana etoana i Toetra Raja nanangona sy nifantina ireo andalan-tenin'ny poety ireo. Niainga avy tamin'ny fiaraha-monina ny hevitra. Tsy boloky mpamerina ny poety fa mitsakotsako sy misaina ary mamosaka ny hevitra ho kanto ka mahate ho tia. Io zoro mihataka amin'ny mahazatra io no tian'i Toetra Ràja lazaina amin'ny hoe :

"Ny poeta raha miteny
 dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 amin'ny gadona avo lenta
 mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta".

JRR

poetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

 

 

 

 

×