Créer un site internet
poetawebs

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.

(T.Ràja)
15 ôktôbra 2018

Fantaro i...
E.D. ANDRIAMALALA

(1918 – 1979)
Poety
Mpanoratra

Mpampianatra
Akademisianina

— Nangonin'i Hajaina

Andriamalala Emilson Daniel Tsiferana no anarany, zana-dRazafitsiferana Randimby sy Razafinirina Marguerite. Niray fikambanana tamin-dry Paul Dussac (front populaire) io rainy io. Teraka ny 22 ôktôbra 1918 tao Toamasina i Emilson Daniel Andriamalala izany hoe feno 100 taona amin’ity taona 2018 ity.
Nanambady an-dRamialinoro Lalasoa Berthe izy. Niteraka 13 mianadahy izy ireo, dimy lahy sy valo vavy, ka ny roa amin'ny lahy sy ny telo amin'ny vavy no efa maty. Iray amin'ireo rahalahiny iray tampo aminy Randimby Tsiferana Nardy.

Ny 25 mey 1979 no nodimandry tao Itaosy i Emilson Daniel Andriamalala.

Satria moa ny tranonkala Pôetawebs no anatanterahana izao fampahafantarana Pôety Mpanoratra izao dia rariny raha asongadina ny maha Pôety ity Mpanoratra E.D. Andriamalala ity. Tsy diso koa anefa ny milaza fa ny karazana asasoratra nampiavaka sy tena nahalalan’ny maro azy dia ny tantara foronina sy ny tantara fisehatra ary ny lahatsoratra famotopotoran-kevitra; koa heverina fa mahaliana ny mpankafy haisoratra hatrany izany, indrindra ny hampahafantatra ny lalana nodiaviny teo amin’ny fianarana sy ny asa nataony ary ny maha Mpanoratra fanta-daza azy eo amin’ireo karazana haisoratra voalaza ireo. Emilson Daniel Andriamalala rahateo dia Mpanoratra tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana ka vitsy amin’ny zanaka Malagasy niditra an-tsekoly no tsy mahalala ireo asasorany na dia amin’ny ampahany ihany aza.

FIANARANA NATAO

- 1922: nanomboka nianatra tao amin’ny EPMF Toamasina (sekoly protestanta frantsay)
- 1931: nalefa kilasimandry tao Ambohijatovo-Avaratra
- 1933: afaka CESD (Certificat d'Etudes de Second Dégré), avy eo tafiditra tao amin’ny sekoly Paul Minault, “Section Médicale” araka ny fanirian’ny fianakaviany.


Tao amin'ny efitrano fiasan'i E.D. Andriamalala, miankavanana:
izy sy Rtoa Lalasoa Berthe vadiny, ary Atoa Rajaona sy Rtoa Lydia vadiny

ASA AMAN'ANDRAIKITRA
 - 1939-1943 : Tale lefitra tao amin’ny "Société de Représentation industrielle et commerciale" Toamasina
- 1944-1947 : Tale tao amin’ny "Service exportation-Maison Olaf Aubry et Compagnie" Toamasina
- 1948-1949 : Tale lefitra tao amin’ny "Agence de Transit Tricard" Toamasina
- 1949-1952 : Talen’ny "Transit Karl Boff" Toamasina
- 1954-1957 : Talen’ny "Transit Ramanandraibe"
- 1958-1959 : Lehiben’ny Kabinetra tao amin’ny "Assemblée Représentative" (niantsoana ny Antenimieram-pirenena tamin’izany) ary mpikambana tao amin’ny antoko UDSM notarihin’itompokolahy ZAFIMAHOVA Norbert.
- 1959-1960 : Lehiben’ny Kabinetra tao amin’ny Filankevitra vonjimaikan’ny tanànan’Antananarivo
- 1961-1962 : Mpiasa tsotra tao amin’ny Tranom-piantohana "L’Abeille" (SOGAMA), Antananarivo
- 1963 : Nahazo vatsim-pianarana tamin’ny UNESCO ka nandeha tany Andafy nanao fandalinana : Paris, Rome, Bruxelles, Copenhague, Genève
- 1964-1966 : Mpiandraikitra iraka (Chargé de mission) tao amin’ny Fakiolten’ny Haisoratra Antananarivo
1967-1970 : Mpiandraikidraharaha tao amin’ny trano famokaram-boky ADBM (Association pour le Développement des Bibliothèques à Madagascar)
- 1970-1977 :
* Mpampianatra Taranja malagasy tao amin’ny "Ecole Sociale" Antanimena (taona voalohany, faharoa, fahatelo)
* Mpampianatra Taranja malagasy tao amin’ny Sekoly Protestanta ao Ambatonakanga (kilasy voalohany sy faharoa)
* Lehiben’ny rantsan-draharaha tao amin’ny "promotion des lettres, du livre et de la lecture" tao amin’ny tranombokim-pirenena, avy eo tao amin’ny sampandraharahan’ny tranomboky (Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, avy eo Minisiteran’ny Tanora)

- 1978-1979 : Mpiandraikidraharaha tao amin’ny "Office du Livre Malagasy" (OLM)

SANGANASA

TANTARA FORONINA
Ny taona 1943 no nanoratany tantara foronina voalohany milohateny hoe ANTSO ary nivoaka ho boky ny 1965. Tsy nitsahatra intsony ny sorany fa nisesisesy :
- Ranomasina (1938)
- Menarana (1945)
- Voankazo nandrarana (1946)
- Fofombadiko (1954), nahazo ny loka voalohany natolotr’i Akbaraly tamin'ny 1962
- Hetraketraka I sy II, voasoratra 1963-1964 ary navoaka tamin’ny 1966-1967
- Ilay vohitry ny nofy (1970), loka voalohany natolotry ny Ministeran’ny fampianarana tamin'ny 1970
- Taolambalo (voasoratra tamin’ny 1948 fa navoaka tamin’ny 1970)
- Zazavavindrano (1972)
- Komanga no voasoratra farany talohan’ny nahafatesany.


SOMBINTANTARA
- Tasihà
- Talaky mandeha
- Voankazo nandrarana

TANTARA FILALAO AN-DAMPIHAZO
- Variraiventy farany (1965), nalefa tamin’ny fampielezam-peo
- Ramaso sy ny namany
- Feon-kira
- Tadio
- Malagasy isika...

FAMAKAFAKANA MOMBA NY TENY MALAGASY
- Ohatra sy hoatra (Fanasina, 1968)
- Teny iray hatrany ny pasifa (vaovao,1968)
- Ny faingo mihantona (Dingana, 1969)
- Haisoratra sy Tsiky (Hehy, 1971)
- Ny Teny Malagasy “Indray mandeha no maty vary ka tsy handevin-tsotrobe” (Hehy, 1971)

LAHATSORATRA FAMOTOPOTORAN-KEVITRA
- Ny fanagasiana, 1974
- Maty ve Ratsimandrava? 1975
- Ireo Famakafakana narahina ady hevitra nataony tao amin’ny Lapan’ny Akademia Malagasy. Marihina fa mpikambana tao amin’ny Akademia Malagasy izy nanomboka tamin’ny 1974.

Ny tara-kevitry ny asan’i Emilson Daniel Andriamalala
- ny fitiavan-tanindrazana
- ny tolon’ny madinika
- ny vola: ny halehibeny sy ny haratsiny
- ny fitiavana, …

NY HANITRY NY KANTO
Mahavantana antsika mpamaky matetika ny manasokajy ny mpanoratra iray tsy antsoina hoe poety raha tsy manoratra poezia. Hadinontsika fa ny votoatin’ny asasoratra no andrefesana ny hanitry ny kanto ao anatiny, maha poezia ny asa iray, ka mety miseho amin’ny endrika tantara foronina, sombintantara, famakafakana... izany poezia izany. Tsy azo tarafina amin’ny endriny ivelany (andininy mirafitra, andalana matipaika, rima sy gadona) ny antsoina hoe poezia. Raha izay mantsy; ny mpanoratra tantara foronina tahaka an’i Emilson Daniel Andriamalala dia manalasala raha antsoina hoe Poety, ho an’ny mpamaky sasantsasany, satria toa tantara na famakafakana no betsaka amin’ireo tsanganasany. Andeha àry atao hoe efa izay ny fisainan’ny olona ka sarotra kosehina; aza hadinoina kosa fa manana sy nanoratra tononkalo vitsivitsy ihany i Emilson Daniel Andriamalala. Tsy ny hamaroan’ny tononkalo voasoratra ihany koa no anasokajiana ny Poety iray ho tena mamirapiratra fa mbola ambara hatrany hoe NY HANITRY NY KANTO ao amin’ny asany.

Nanao safidy fototra i Emilson Daniel Andriamalala eo amin’ny teny andrafetan-tsoratra dia ny tsy nanoratana afa-tsy amin’ny teny malagasy. Tao amin’ny sekoly Paul Minault no nifanenany tamin’i Dox ka nahatonga azy mirahalahy ho mpinamana sy nifankahazo am-po.



Fiaraha-mitsangatsangana tamin'ireo mpiara-miasa

VAVOLOMBELONA
Inty misy ampahana resaka mety hahaliana antsika mpamaky ihany, resadresaka nifanaovan’ny solontenan’ny Pôetawebs, Andrianasolo Hajaina, tamin’ny zanany vavy Nirina Andriamalala.

Andrianasolo Hajaina (A.H.)
Inona ny toejavatra tsaroanao sy ny nanamarika anao tamin’ny fotoana niarahanao niaina tamin’ny dadanao?
Nirina Andriamalala (N.A.)
14 taona aho no maty izy. Ny zavatra tena tsaroako dia i dada nampianatra ahy ary nikiry ny tsy maintsy hianarako tany amin’ny sekoly katôlika, nefa izahay protestanta. Tsara, hoy izy, ny fianarana any amin’ny katolika fa na izany aza, aza manahy fa isika manaraka ny finoana protestanta hatrany. Faly aoka izany izy rehefa mizara "bulletin" izahay fa tsy maintsy tafiditra anatin’ny telo voalohany aho. Indrisy anefa fa nony nanomboka narary maso aho dia nilatsaka be ny isa azoko tany am-pianarana ka tonga hatrany amin’ny faha 28 amin’ny filaharan’ny mpianatra. Bediny aho ary hitako fa tena nalahelo mafy izy. Dia nentiny nijery dokoteran’ny maso aho ka nahazo solomaso, koa dia niverina ihany ilay fahaizana tany am-pianarana, faly ery izy, ary izaho koa ravo rehefa mahita azy mitsiky noho ny amiko. Tsy andeferany mihitsy ny fikojana ny fahasalamana sy ny fanaraha-maso ny fianarana ho anay zanany.

A.H.
Misy fomba fiaina tsy tian’i Emilson Daniel Andriamalala ve ary inona kosa ny mba mahafinaritra azy?
N.A.
Zavatra tsy zakany ny mandainga. Aleoko, hoy izy, mifanena amin’ny omby masiaka toy izay mifanena amin’ny mpandainga.
Dada dia olona tia manjono. Anisany fialamboliny ny milalao daomy sy milalao karatra. Eo ihany koa ny fiompiana akoho, nanana ilay antsoina hoe "couveuses électriques" izahay, izay mandeha amin’ny solitany. Tia mitsangatsangana izy, tia mitondra fiarakodia, vao roapolo taona izy dia efa nanana ny fiarany manokana. Anisan’ny fialamboly tiany ny mijery tantara an-tsarimihetsika.

A.H.
Sao misy anatra sy fiteniny tadidinao mba hampitaina amin’ny mpamaky izao resadresaka izao?
N.A.
Ny anatra tena namolavola ahy nomen'i dada dia ny fitiavana fianarana, tsy misy fiafarany io, hoy izy, fa tohizo hatrany raha mbola mazoto. Ary ny anatra manokana ampitainy aminay zanany dia ny hoe aoka mba hifampitsinjo hatrany. Zava-dehibe tena azo ampiharina amin’ny fianan’ny olon-drehetra sy hoenti-miaina izany.




Ramialinoro Lalasoa Berthe vadiny

Vao roapolo taona izy dia efa nanana an'ity fiara manokany ity araka ny nolazain'i Nirina Andriamalala zanany

E.D.A. MAMOSA-KEVITRA
Indro kosa ny resadresaka nifanaovan’i Emilson Daniel Andriamalala tamin-dRamatoa David Andriamiharisoa, tompon’andraikitry ny “Radio Université”, tamin’ny 12 desambra 1966.

David Andriamiharisoa (D.A.)
Araka ny hevitrao, tompoko, inona no soa azon’ny tanora amin’ny famakiana ireny boky ireny?
E.D. Andriamalala (E.D.A.)
Ny soa azon’ny tanora Malagasy amin’ny famakiana ireny boky ireny angamba araka ny hevitro dia afa-tsy ny fandalinana ny teny malagasy dia mety hitarika ny sasany handanjalanja sy hamakafaka ny fihetseham-pony sy ny an’ny hafa. Ary nefa moa ity lafiny faharoa ity dia tsy fantatra na soa na voina ho azy izany satria mety ho raisiny ho an’ny tenany nefa mety ho fahasahiranana ho azy ihany koa. Indrindra indrindra koa mba handinika toe-javatra iray amin’ny lafiny maro ary tsy hanameloka ny hafa avy hatrany.

D.A.
Inona moa ny antsoina hoe “tantara noforonina”?
E.D.A
Ny atao hoe “Tantara noforonina”, dia araka izany voalazanao izany: tantara kanefa noforonina, ary anefa moa na noforonin'ny eritreritra aza dia tsy maintsy miompana amin' ny zavatra misy sy marina.

D.A.
Ary inona kosa no nitarika anao hanoratra?
E.D.A.
Ny amin’izay indray tompoko dia misy antony maro azo lazaina hoe be dia be mihitsy fa vitsy ihany angamba no azoko lazaina.

Voalohany dia fitia te hanoratra fotsiny izao, ary ny mpanoratra rehetra angamba dia heveriko fa manana an’izany faniriana hanoratra izany. Manarakaraka izany dia noho ny fahitako ireo tantara madinika fahiny izay tsy nahafa-po ahy ka nitarika ny saiko hanao hoe “dia tsy mba hahavita zavatra hafa noho izany ve isika Malagasy?”

Faharoa: ny mety hahalatsa-danja ireny tantara ireny mitaha amin’ny an’ny hafa.

Fahatelo: tao ho ao dia nisy fitenenana saika nahazo laka nanao hoe: “tsy hahazoana milaza izay tiana holazaina ny teny malagasy” ary tiako mihitsy ny hanohitra izany fitenenana izany.

Ary farany angamba, raha ny marina dia tononkalo no nosoratako voalohany; kanefa nony tato aoriana, hoatra ny tsapako fa tsy ampy hivalamparana ny tononkalo, toa tsy afaka hilaza izay tiako holazaina aho, dia nivadika nanoratra tantara noforonina.
_______________
Izay ilay resadresaka, fa manana tombony isika mpamaky ny tranonkala Pôetawebs satria afaka hianoka hamaky ireto tononkalon’i Emilson Daniel Andriamalala na Islo de Valiha (anarana eo amin’ny fanoratana tononkalo sy sombintantara) ireto. Tononkalo anisany nandona fon’olona maro ary tsy nisalasala ny mpamoronkira nandray izany ka nanisy feony ity tononkalo voalohany ity.


Fony niasa tany Toamasina
_______________________
NAHOANA NO MISY?


Nahoana no misy ny lanitra manga,
Ilalaovan'ny rahona manangasanga?
Nahoana no misy ny alina tony,
Amirapiratan'ny volana ambony?

Nahoana ny tany no feno hosodoko,
Ravahin-tsahondra sy felan’avoko?
Nahoana no misy ny rano an’ony?
Nahoana no misy ny hazo mamony?

Raha fantatrao ny mampisy an’ireny:
Kalo mangina fa tsy mba miteny,
Bitsika moana fa hira miloko,
Sary manainga toa rindram-peo…
Raha fantatro ny mampisy an'ireo,
Dia ho fantatrao ny antsan'ny foko!

Islo de Valiha
Ôktôbra 1957

Tia mitsangatsangana mahita tany izy
_______________________
FITIAVANA RESY

Ny ratran'ny foko
Raha asiam-panafody
Dia ho sitrana ihany.
Ny lamba miofo
Lokoina atampody
Dia torak’izany!

Ny volana ambony
No maty dia teraka
Hatramin'ny ela.
Ny rano an'ony
Tsy ritra tanteraka:
Misy tavela.

Indaosin'ny riaka
No miafitra an-kady
Raha vao mangatsiaka
Maty sahady!

Ny fitiavana maty!
Tsy matoritory
Na mierim-panahy!
Foana ao anaty,
Ny fasany akory,
Tsy fantatro ny ahy

Islo de Valiha
10 Mey 1964
_______________________
Noheveriko efa maty,
Sy voalevona ato anaty,
Ilay fitiavana
Mahantrako...

Ka ho potika sy rotika,
Ny tsiry nitahiry
Ny ainy
Tato an-tratrako.

Hay tsy levona fa torana,
Ilay sisa nanamborana...
Eny, sitrana ny ratrany
Fa ilay fitia tsy nisy fatrany...

E.D. Andriamalala (ao anatin’ny boky tantara foronina "Menarana", tak 5)
_____________________________________
RAHA IZAHO NO MISAFIDY…
Ho an'i Lys.

Satriko aza anie ny vavako ka tsy hisento lalina,
Ary ny maraina koa tsy ho resin'ny alina…
Satriko aza ka tsy nisy na toloko na fitserana,
Mba tsy handrenesanao afa-tsy hira fanaperana.

Satriko ho eo an-tsofinao izany kalokalom-borona
No hisioka sy hiantsa ny maraina vao miforona…
Satriko aza ka tsy nisy na antsiva na anjombona,
Hampahatsiahy anao ny hariva sy ny lanitra hanjombona!

Satriko aza anie, rahavako, ka tsy nisy irony lasana,
Ary ho foana toy izany koa ny ampitso… sy ny fasana!
Satriko aza ny masoandro ka hiantsona amin'izay,
Mba hiainanao ny Anio… ny Anio mandrakizay!

Satriko aza, sombinaina, raha izaho no misafidy,
Tsy nohariana teto akory irony vahona mangidy,
Fa tantely feno fatra no ho kapoaka hatolotro
Ary mamy hatrany hatrany no hanohofanao ny molotro…

Satriko aza ny tontolo ka nitsahatra tsy nihodina,
Ary hangina ny rehetra, afa-tsy valiha sy sodina!
Satriko tsy nisy rahona eny am-paravodilanitra,
Ka ny tany manontolo ho feno voninkazo manitra!

Satriko aza anie ny vavako ka tsy hivetso lalina
Ary ny marainantsika mba tsy ho resin'ny alina.
Satriko aza ka tsy nisy na toloko na fitserana
Mba tsy handrenesanao afa-tsy hira fanaperana!

Islo de Valiha
Ao amin’ny Ny Onja N°1, 11 Jolay 1957
_____________________________________________
LOHARANO
- E.D. Andriamalala. 1970. "Ilay Vohitry ny Nofy".
Antananarivo: Fiantsorohana ny Boky Malagasy
- E.D. Andriamalala, 1972. "Hetraketraka 1 sy 2". Antananarivo: Tranom-printim-pirenena, Collection "Ny nosy vaovao"
- E.D. Andriamalala, 1972. Taolambalo. Antananarivo: Librairie mixte
- E.D. Andriamalala. 1975. "Ny fanagasiana". Fiantsorohana ny Boky Malagasy.
- E.D. Andriamalala, 1977. Ranomasina. Antananarivo: l'Office du livre malagasy. Collection y Nosy vaovao
- E.D. Andriamalala, 1997. Voankazo nandrarana. Antananarivo: Librairie mixte
- E.D. Andriamalala, 2006. Menarana. Antananarivo: Librairie mixte

FISAORANA
Isaorana i Nirina Andriamalala, zanakavavin’i Emilson Daniel Andriamalala, nanaiky nitapatapakahitra sy nanolotra sary ho an'ny Pôetawebs.

Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 05/10/2018

×