Créer un site internet

famakafakana ny "dobo manga roa"

poeta_malagasy Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

ikopa

VAVAHADY
TAPATAPAKAHITRA TONONKALO FAKAFAKA
BOKY RAKIMAILAKA LAHATSORATRA

13 septambra 2011

Tononkalon'i Toetra RAJA, nofakafakain'i Fredy JAOFERA

 


Toetra RAJA
12 aogositra 2005
DOBO MANGA ROA
 
Tany an-toerana
Nombako
Niserana
No nahitako

Dobo manga
Roa miery
Naharanga
Ny fijery.

Na fihinin'
Ny zozoro
Hodidininy
Tsy atoro

Dia tsikaritra
Ihany
Nahafinaritra
Aok'izany:

Voaloko
Kanto ery
Mampifoko
Foko tia

Sady vita
Nanahary
Tsy fahita
Amin'ny sary

Ao an-tsaha
Meva ery
Tena maha
Te ho tia !

Miramiram-
Pahadiovana
Andosiram-
Pahalovana.

Satry hatrany
Ho bikaina
Ny hatsarany
Mampisaina !

(...)

Dia ny masonao
Baliaka
Tsilalao
Manjopiaka

Dia ny masonao
Topazana
Satry atao
Fiantsampazana

Mahatamana
Ny fijery
Misy mana
Soa miery

Any an-tany
Lavitr'olona
"Ny androany
Tsy fitolona"

Tena tsotra
Fitadiavana ;
Mipololotra
Ny fitiavana.

Hivavahana
Tokoa
Iatahan-
Java-do :

Dia ny lobo-
Lobom-po
Misetra dobo
Manga roa !
  Malalatiana-Hasina dia sady mpikirakira teny amin'ny maha poeta azy no mpiangaly sary hosodoko ihany koa. Isaorana indrindra izy amin'ny nandravahany ny "Dobo manga roa" Etsy ange !....

Tsy zoviana amintsika intsony i Toetra RAJA fa mpanoratra efa manana ny maha-izy azy eo amin'ny sehatry ny literatiora malagasy. Ny diam-peniny moa dia efa hita ao amin'ny Haisoratra Malagasy sy ny serasera.org. Ny tononkalony ho entiko hofakafakaina anio dia izay efa hita ao amin'ny POETAWEBS hoe: DOBO MANGA ROA.

Sary hosodoko niangalian'i Malalatiana-Hasina ho fanehoana ny hakanton'ny "Dobo manga roa"

Raha maka ny lohateny isika hoe: "DOBO MANGA ROA" dia azo adika ho "MASO MANGA ROA". Raha mahay ankamantatra tokoa ianao dia ny maso no dobon'Andriamanitra. MANGA!....Tsy ny Malagasy loatra no manana maso manga fa ny vahiny. Ny mason'ny Malagasy amin'ny ankapobeny dia volontany (marron). Eto ny mpanoratra dia taitra tokoa tamina vahiny fa tsy Malagasy akory. Hoy indrindra izy hoe:

"Dobo manga
 Roa miery
 Naharanga
 Ny fijery"

Ny MANGA koa anefa dia azo ilazana HATSARANA. DOBO MANGA ROA dia manana hevitra hoe: MASO MANJA ROA.

 Tsy masom-bahiny fotsiny no nanintona fa maso mbola niery na niafina!....Izay indrindra anefa no nanadala ny mpanoratra hatrany. Ny zozoro dia hazo maniry any anaty rano. "Na fihinin'ny zozoro" dia midika hoe: "Na nogiazany aza izay tsapany (ilay tovovavy) na ny fihetseham-pony tsy naposany, dia hita fa misy KANTO mahafinaritra ao aminy.

"Tsikaritra
 Ihany
 Nahafinaritra
 Aok'izany."

Fihetseham-po ihany koa manoloana tovovavy tsara tarehy, tsara bika ary metimety amin'ny lafiny maro no nambabo raha navoaka hoe:

"Voaloko
 Kanto ery
 Nampifoko
 Foko tia."

Raha jerena tsotra izao dia tonga amin'ilay fitenenana hoe: "Tsara tarehy ny zava-boaarin'Andriamanitra". Tsara tarehy ho azy fa tsy namboarina, metimety ho azy fa tsy nokarakaraina:

"Sady vita
 Nanahary
 Tsy fahita
 Amin'ny sary."

"Ao an-tsaha" no misy ireo "Dobo manga roa", toerana mahafinaritra sy tiana ny "ao an-tsaha". Ny "ao an-tsaha" dia ny tarehiny manja ery na ny lohany aza...

"Any an-tany
 Lavitr'olona
 Ny androany
 Tsy fitolona..."

Inona no mety ho hevitr'izany ?.... " Ny androany tsy fitolona" dia midika hoe "ny androany na ny vita tsy fiady fa ekena avy hatrany fa fifaliana mantsy!!!....Tonga dia raisina, Tonga dia ekena!..."Tena tsotra fitadiavana" na "manana asa tsotra ihany na andraikitra" kanefa dia maha-te ho tia tokoa rehefa tsapa izay mba tsapa. "Hivavahana tokoa iatahan-java-do": Hivavahana tokoa tsy ho azon-doza na sampona fa napetrany ao am-po tsy miloaka na miafina mangina izay nampitsetra azy an'ilay "DOBO MANGA ROA". Ny fanamarihana dia hoe: mety ve ny nitahiry ilay fitiavana tao am-po? Nanao ahoana re raha naboraka?

Ity tononkalon'i Toetra RAJA ity dia ahatsiarovana ny tononkalon'i Susan GOOGE mitondra ny lohateny hoe: "My secret love" ('ilay fitiavako miafina). Mitovitovy ihany ny tiana ambara saingy tsy misy vavaka fa fahatsiarovana no fiafaran'ny tononkalon'i Susan GOOGE :

"But wherever you go,                (Fa n'aiza n'aiza alehanao,)
 Whatever you do,                        (N'inona n'inona ataonao,)
 A place in my heart                     (Misy toerana ato am-poko)
 Holds the memory of you."        (Mitahiry ny fahatsiarovako anao)

Vitsy no mbola manoratra tononkalo tahaka ny fanoratr'i Toetra RAJA an-koatran'i Eliza FREDA. Raha nanokatra NY TAKELAKA NOTSONGAINA aho dia tsy nahita; raha nanokatra ny DINITRA aho dia tsy nahita ihany koa ary raha nanokatra boky hafa dia mbola tsy nahita. Mampirisika an'i Toetra RAJA mandrakariva ny tenanay hanohy ny diany eo amin'ny sehatry ny soratra. Tsy raozy ihany akory no atao hoe voninkazo fa misy koa ny lisy, sa ahoana ?...

Fredy JAOFERA
12 septambra 2011

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021