Créer un site internet
Famakafakan'i St-Tsiadino ny tononkalon'i RHA NARY. milohateny hoe Pôeta

Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 
T.Ràja
27 jona 2019
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".


FANADIHADIANA TONONKALO

Lohateny : Pôeta
Mpanoratra : R.H.A. NARY
Loharano : Tovozin-tsy ritra, tak 3
Namakafaka : St TSIADINO


R.H.A. NARY

ST TSIADINO

POETA

Ny lafatra fisainana katsahiko firindra

Voavadiny ho teny
Ny tsara sy ny ratsiko miafina indrindra
Toa hitany sy reny

Ny emboka fitia nanafotra ny foko
Fa tsy haiko nolazaina
Navongany ao anaty teny tsara loko
Nomeny fofon’aina

Fa izy no ilay mpiresaka ny marina
Milafika ato an-tsaiko
Ilay olona tsy fantatra, tsy ezahiko fantarina
Kanefa dia ilaiko

R.H.A. NARY


Singa roa tsy afa-misaraka mandrafitra ny literatiora ny pôeta sy ny mpamaky. Mahakasika izany indrindra eto ity tononkalo nosoratan'i R.H.A. NARY ity, nampitondrainy ny lohateny hoe "POETA", nalaina tao amin'ny boky "Tovozin-tsy ritra", takila faha 3. Asongadiny ao fa mifampiankina mandrakariva ny pôeta sy ny mpamaky eo amin'ny sehatry ny literatiora. Mba hahafahana mandalina izany dia hodinihina aloha ny fiainan'ny mpamaky mialoha ny fandalinana izay heverina ho asan'ny pôeta.

Mitodika amin'ny fiainan'ny mpamaky eto ny tononkalo, ny faniriana sy ny fikasana isan-karazany eritreretin'ny olona tsirairay. Samy manana izay heveriny fa hahamety ny fiainany ny olona. Amin'ny maha olombelona, miezaka mitady izay mahasoa sy tsaratsara kokoa hatrany. Tsy mety ho afa-po amin'ny fiaiamnana fa miady sy mikiry mba hahatongavana amin'ny tena tonga lafatra. Eo amin'ny lafim-piainana rehetra no anaovan'ny olombelona izany : fianarana, asa, tetikasa, fikarohana... Hoy ny tononkalo raha milaza izany ao amin'ny andalana 1 : "Ny lafatra fisainana katsahiko firindra".

Ny olona tsirairay ihany koa dia samy manana ny tsiambaratelony. Manana ny fiainany manokana tsy ikambanany amin'ny hafa. Na io zavatra niainana tsy tiana ho fantatry ny olona ka nokobonina mangina sy nafenina satria mety hanelingelina na hampikorontana ny fiarahamonina na handrava fihavanana mihitsy aza. Na mety koa ho zavatra tena tsara sy nahafinaritra ho an'ny tena irery ihany, tsy tiana hozaraina amin'ny hafa. Ny fanajana ireny fiainana manokan'ny tsirairay ireny no manamafy orina ny zon'olombelona sy ny demokrasia. Ao amin'ny tononkalo andalana 3 dia milaza fa : "Ny tsara sy ny ratsiko miafina indrindra".

Izay ny momba ny faniriana sy ny tsiambaratelon'ny mpamaky, fa andeha hodinihina manaraka kosa ny asan'ny pôeta eo anatrehan'izany.

Mahagaga fa izany fiainan'ny mpamaky izany dia toa efa voasoratra sy voarakitry ny pôeta mialoha.
Hoy ny tononkalo : "voavadiny ho teny", "toa hitany sy reny". Toa efa fantatry ny pôeta mialoha na tsy iniany aza ny fiainan'ny mpamaky, eny hatramin'izay miafina indrindra aza. Mety ho zavatra efa niainany na hitany, na mety ho fifanandrifian-javatra fotsiny ihany; fa ny tsapa, rehefa mamaky ireny asasoratra ireny dia ohatra ny zavatra niainanao no voaresaka ao. Miteraka fahafinaretana ho an'ny mpamaky izany, indrindra raha mifanojo amin'ny eritreriny sy ny vetsovetsom-pony na ny fiainany ny zavatra voalazan'ny asasoratra.

Tsindriana manokana eto ihany koa ny fanoratan'ny pôeta amin'ny fomba kanto ny fiainam-pitiavan'ny mpamaky. Hainy ny manasongadina ny fara-fanaperan'ny lafatra fitia sy ny fitia feno fatra iainan'ny olona. Mahaliana ny saina sy mahate hianoka mandrakariva ny fahaizany milalao teny sy mandona ny fon'ny mpamaky eo amin'ny fitantarana an-tsoratra izany, hany ka satry foana hankafy ny asasoratr'izy ireny. Singanina manokana ohatra ny fahaizany mifantina ny voambolana ampiasaina ao amin'ny andalana 5 sy 6 manao hoe : "Ny embona fitia nanafotra ny foko fa tsy haiko nolazaina".

Raha fintinina izay voalaza rehetra tao amin'ny votoatiny dia hita fa mifampiankina mandrakariva ny pôeta sy ny mpamaky eo amin'ny sehatry ny literatiora. Andaniny, manana ny faniriany sy ny tsiambaratelony ny mpamaky. Ankilany, toa efa fantatry ny pôeta izany ka mandrakitra azy an-tsoratra izy. Eto am-pamaranana àry no ilazana fa mila ny pôeta hitari-dalana azy ny mpamaky mba hamoha ny sainy izay efa domelin'ny fiainana andavanandro, eny fa na dia ho fialamboly fotsiny aza. Fomba ahoana no hampitana haingana amin'ny mpamaky ny asan'izy ireny amin'izao vanim-potoana izao?
Nanoratra : St TSIADINO (2019)
Nandrafitra ny takelaka : Toetra Ràja
poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 26/06/2019