Fantaro i Dox, fandalinan'i Toetra Ràja

Pôetawebs
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

15 aogositra 2019
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja

sary nindramina Fantaro i
DOX
(1913 - 1978)
Pôeta
Mpanoratra
Mpanosodoko
Mpamoron-kira
Mpitendry zavamaneno
Akademisianina
"Tsongaina ao anatin'ny sangany,
maningana an-tampon'ny dongona,
ny loko sy kalo natsangany :
mbola tsy ho voasongona!"

Toetra Ràja
— Fandalinan'i Toetra Ràja —
Izany loko sy kalo izany no manamarika ny rindran-tsoratra natsangan'i Dox, ilay pôeta matihanina amin'ny pôezia. Ahafantarana azy ilay rivotra mandrindra sy mampitony ny andavanandrom-piainana toa tsy hanam-pitsaharana antsoina hoe "rivotra Dox". Izy ilay nantsoin'i Charles Ravoajanahary (1994) hoe : "Mpanoratra manana toerana mitoka-miavaka".

Teraka tamin'ny 13 janoary 1913 tany Manankavaly ao atsinanan'Antananarivo i Dox na Jean Verdi Salomon Razakandraina araka ny anarany ara-panjakana. Dokotera tany amin'io tanàna io mantsy i Samuël Salomon rainy, toerana misy ny toby itsaboana ny aretin'ny habokana hatramin'izao. Raolina no anaran-dreniny ary niteraka telo vavy sy roa lahy ry zareo araka izao filaharany izao:

1. Razanamamy Victorine Salomon
2. Rasolozafy Victor Salomon
3. Razanamihanta Beby Salomon
4. Razakandraina Jean Verdi Salomon
5. Rasoasendranoro Herbertine Salomon

Ny rainy Samuël Salomon kosa dia zanaky ny mpitandrina Rasolomona sy Ramaria izay nanangana ny fiangonana tao Anjanapara, tanàna ao amin'ny kaominina Ambanivohitra Alakamisy Anativato, distrikan'ny Betafo. Avy any no fiaviany sy misy ny fasan-drazana nandevenana azy.

sary nindramina
Dox sy Perle
Nanambady an-dRtoa Razanabololona Perle i Dox tamin'ny 1943 ary niteraka fito mianadahy : Salomon Ratsitolora Arthur (maty fahazaza), Salomon Ratiaray Fontaine, Salomon Rahantavololona Aimée (maty fahazaza), Salomon Elie Ramasindraibe, Salomon Andrianandraina Josué Ramasindraibe, Salomon Andriamparanony Roger (Dede Sorajavona), Salomon Rasoamampianina Paulette. Maro amin'ireo taranany no pôeta, mpanoratra na mpanakanto toa an'i Hanitr'Ony, Andry Salomon, Perle Soa Isabelle. Misandrahaka hatrany amin'ny zana-kavany izany araka ny fanazavan'ny zanak'anabaviny Fara Mananjandry (Voahirana Rakotoarimanana) :

"... anisan'ny reharehako i DOX anadahin-dreniko. Inoako fa nampita ampahan'ny talentany tamin'ny zanak'anabaviny izy... Nandova izany koa ireo naterany : Elie Ramasindraibe, Dédé Sorajavona".


Vao 11 taona nanambadiana izy dia maty vady ary azo lazaina ho nateti-piavy ny fahafatesan'ireo akaikiny :
• novambra 1945 ny zanany voalohany
• febroary 1949 ny zanany fahatelo
• marsa 1949 ny rainy
• jolay 1954 ny vadiny

I Dox kosa dia maty tamin'ny 14 jona 1978.

sary nindramina sary nindramina
Dox sy ny zafikeliny Karen,
zanak'i Elie Ramasindraibe

Rasolomona, dadaben'i Dox
boky nosoratan-dRazafimandimby Jacob
sary nindramina
Fiangonan'i Ikarina Anjanapara, naorin'ny Pasitera Rasolomona, dadaben'i Dox avy amin'ny rainy.
Asa fananganana teo anelanelan'ny taona 1886 sy 1890 ary efa navaozina ankehitriny

MPANORATRA MANANA TOERANA MITOKA-MIAVAKA
Matoa lasa sangany i Dox dia tsy tongatonga ho azy na nitsontsorika avy any an-danitra araka ny fahitan'i Charles Ravoajanahary fa teo dia teo tokoa ny tanimboly namolavola azy araka ilay hoe : "ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara". Nirin'ny rainy ho lasa dokotera tahaka azy i Dox saingy tany amin'ny vako-drazana, hosodoko, teatra, hira ary literatiora no niompanan'ny sainy. Anisan'ny anton'io fironana hafa mihitsy io ny fomba nanabeazana azy.

• Voalohany, notezain-dreniny tany Antsirabe mantsy i Dox fa tsy nandamina ny toe-pahasalamany ny fifindrafindran'ny rainy monina amin'ny maha dokotera mpiasam-panjakana azy.

sary nindramina
Rajosefa sy Razonasy
raibeny  sy renibeny avy amin'ny reniny

Avy tamin'ny reniny no niandohan'ny fitiavany sary hosodoko sy hira. Nanana anjara toerana tamin'ny fanabeazana azy koa Rajosefa raibeny, sady mpampianatra no mpamboly tao Ampieferana Anjanapara, sy Razonasy renibeny, avy amin'ny reniny. Tamin'izany no niandohan'ny fankafizany vako-drazana, angano ary nahazoany fahalalana maro momba ny foko niaviany, ny fomba nentin-drazana, ny tenin-drazana, ny hakanton'ny tontolo iainana, ny fitiavan-tanindrazana...
Tsy mahagaga raha nirona tany amin'ny literatiora izy taty aoriana. Tany Antsirabe ihany koa no nandrantoany sekolim-panjakana voalohany.


• Faharoa, nitohy taty Antananarivo izany fanabeazana izany. Nandranto fianarana tao amin'ny "Ecole des Beaux Arts" tao Antananarivo izy aloha tamin'ny taona 1930, sekoly natsangan'ny Governora Jeneraly Hubert Auguste Garbit tamin'ny 1922. Mifandraika amin'io safidim-piofanana io ny lova nomen-dreniny azy ho tia manao sary hosodoko. Niditra tao amin'ny sekoly Paul Minault (Ambohijatovo Avaratra) izy nony afaka herintaona ary trangan-javatra maro teo amin'ny fivelarany ara-literatiora no nanamarika izany araka ny nambarany hoe : "... tanimboly nivelaran'ny fitiavako hanoratra..." (Hirako, tak. 12). Mpianatry ny Mpitandrina sady mpanoratra Ravelojaona izy tao. Anisan'ny fanabeazana notovoziny tao ny fandrantoana ny Trano famakiam-boky ka nandinihany mpanoratra maro, tsy frantsay sy malagasy ihany fa ny hafa firenena koa. Nankamamiany ny tsiron'ny tantara tsangana ka nahafahany namorona sy nampiroborobo tarika mpilalao tantara izay voatery natsahatra noho ny sakana avy tamin'ny rainy. Tao amin'io sekoly io no nampavitrika azy tamin'ny gazetin'ny sekoly miompana tamin'ny haisoratra ary namoahany ny tononkalony. Mbola tao ihany koa no niantsany voalohany ny tononkalony tamin'ny alalan'ny fihaonam-ben'ny mpianatra fanao isaky ny alatsinainy maraina antsoina hoe "Fialam-boly ara-tsaina".
Efa nandalovany koa ny dabilion'ny sekoly protestanta tao Ambohimanoro. Anisan'ireo asa telo niriny ny ho mpanosodoko, toy ny asana mpitendry zavamaneno saingy teo amin'ny fanoratana no naha matihanina azy.

Efa nampiasainy ny solonanarana Sorajavona izay narafiny avy tamin'ny litera voalohan'ny anarany sy ny fanampiny hoe : Salomon Razakandraina Jean Verdi Naivo. Tsy mitovy hevitra kosa ireo mpikaroka nanombatombana ny niavian'ny solonanarana Dox ka andeha tsy hitarazohana eto.

ASA AMAN-DRAHARAHANY
Niompy sy namboly tany Mandoto aloha i Dox. Tsotra sady tiany ny fiainany tamin'izany araka ny nambarany hoe : "... niaina tsotra izao ny "poezy" aho tamin'ny fitoerana tany ambanivohitra teo anivon'ny zavaboahary" (Ny hirako, tak. 15). Niverina tao Antsirabe nampianatra indray izy, asa tsy nifotorany fa "nandramandramako fotsiny" hoy izy (Ny hirako, tak. 14). Tany anefa no nahafantarany an-dRtoa Razanabololona Perle, nakariny ho vadiny tamin'ny 1943. Nandao an'Antsirabe sy ny fampianarana izy noho ny fahafatesan'ny vadiny tamin'ny 21 jolay 1954; niakatra tao Antananarivo ary nifantoka tamin'ny asa fanaovan-gazety aloha. Izy no namorona ny tranoprinty "Mazava" tamin'ny 1955. Tato aoriana izy vao nirona tanteraka tamin’ny literatiora.

Pôeta malagasy anisan'ny havanana sy fanta-daza indrindra teo amin'ny tantaran'ny haisoratra malagasy i Dox ary nanamarika ny tantaram-pirenena tamin'iny taon-jato faharoapolo iny.
FITIAVAN-TANINDRAZANA
Teraka 17 taona tao aorian'ny naha zanatany an'i Madagasikara i Dox ary niaina ny fahaleovantena nandritra ny 18 taona. Anisan'ireo nitolona nanohitra ny mpanjanaka izy tamin'ny alalan'ny antoko politika M.D.R.M. (Mouvement Démocratique de la Rénovation Malgache) nisy azy. Sekreteran'io antoko io tany amin'ny faritr'Antsirabe ny rainy. Voalaza ho naratran'ny tifi-basy aza moa i Dox tamin'ny raharaha 1947. Nanoratra tononkalo maro momba ny fitiavan-tanindrazana ary nanana anjara toerana tamin'ny tolom-bahoaka 1972 koa izy tamin'ny alalan'ireo tononkalony mitolona sy ny fanohanany an'ireo mpianatra nandritra izany.
ENDRI-TONONKALONY
Saika tamin'ireny endrika raiki-drafitra ireny avokoa ny tononkalo ahafantarana an'i Dox. Maro angamba ireo mpanoratra miezaka mamolaka an'io endrika io saingy ny manao izany ho angaly raikitra sy mahazatra dia mety ho vitsivitsy ihany. Ambonin'izay, misy amin'ireo tononkalony ireo no miendrika hainteny toy ny "Miana-fingadona mahaontsa". Mahavariana koa ny fahitana ireo tantara nosoratany mirima toy ny hita ao amin'ny boky "Voninkazon'ny tanteraka", tantara mirakitra takila 16, natombony tamin'ny hoe :
"Misy fo mangetaheta ny "tanteraka" eto an-tany...
Nofinofy foana anefa fa tsy hisy akory izany!" 

Maro amin'ny tononkalo nosoratan'i Dox no manana refim-paika 4 na 8 isan'andalana. 4 izany ao amin'ny "Aviavy" :
"Mandravi-maitso manahoana
Eloelo fidoroboka".
(Ny hirako, Tak. 36) 

Refesina 8 izany ao amin'ny "Papangohazo" :
"Lasa ery ny eritreritro fony izaho ankizilahy
Milalao papangohazo... Hoy aho tamin'izany"
(Ny hirako, Tak. 51)
sary nindramina
Migadona mora antsaina ny tononkalony ary tsy vitsy no hay tsianjery mora foana. Ary na ireo tononkalony manana refim-paika mihoatra aza dia tafiditra ao anatin'izay misosa antsaina izay toy ny "Eto an-davarangantsika", mirefy 12 :
"Ny diavolana irery no mahita ny alaheloko eto an-davarangantsika,
Ny diavolana irery no miombona alahelo amin'ny andro mangatsiaka" (Fandrosoam-baovao lah. 336)

Raha tsorina dia pôetan'ny fitsipika i Dox. Tsy amin'ny tsipelina ihany fa amin'ny rafitra koa, izay rafitra azy manokana indraindray toy ny hita ao amin'ny "Nankaiza?...". Ny andalana ao dia migadona imbalo saingy ny andalana farany amin'ny andininy fahatelo sy fahefatra kosa dia tsy ahitana afa-tsy 4 mirima araka ny endrika raiki-drafitra 8-8-8-8 / 8-8-8-8 / 8-8-4 / 8-8-4. Tsy mahazatra izay rafitra izay kanefa manara-pitsipika. Mba anisan'ireo nampiasa ny "licence poétique" koa anefa i Dox, eny fa na dia mahalana dia mahalana aza izany ary voatandrina sy azo hazavaina tsara ny antony. Anisany ny famadihana ny toeran'ny teny hoe "akory" ao amin'ny "Fihiram-borona" : "Tsy mila akory hoe mamorona" (Ny hirako, tak 49). Toraka izany ny toeran'ny "koa" ao amin'ny "Raha mandalo" :
Ny lohataona raha nandalo... ary koa ny fahavaratra,
Ary koa ny fararano..."
(Ny hirako, tak. 63)

Hiato kely eo amin'io tononkalo io aloha isika, tononkalo ahatarafana ny rivotra Dox, miseho amin'ny endrika maro saingy andeha singa roa ihany no hasongadina. Ny voalohany dia ny fahakingany mampifandray sy mampitaha ny isan'andininy, ary ny faharoa, ny fitiavany mandoko ny eritreriny. Ao amin'io "Raha mandalo" io ohatra no nampitahany ny "voninkazo" amin'ny "vetsovetso" ary ao amin'ny "Papangohazo" kosa ny "kilalaony" sy ny "hirahirany". Mitovy ny firafitr'ireo tononkalo ireo. Raha atao bango tokana, ny andininy roa voalohany no amariparitana ny lohahevitra ary ny andininy roa manaraka kosa no famoahana tsoa-kevitra.

Ankafizin'i Dox ny fandrindrana loko sy sary amin'ny tononkalo.
Voalanjalanja avokoa ny safidin'ny loko nampiasaina tao amin'ny "Paiso" : maitso, mavokely, manga. Tsapa ny maha sady pôeta sy mpanosodoko an'i Dox ao amin'ny "Takariva am-pivahiniana" toy ny hita ao amin'ilay andalana hoe :
"Mihamanga ihany ny aloka; miady sisina ny loko"
(Ny hirako, tak. 43). 
 
Ny lohatenin'ny boky na ny fizarana ao anatiny aza dia vatrany nolokoina. Ny boky "Telomiova" izay avy amin'io anaran-kazo madinika io dia miavaka amin'ny lokom-boninkazony telo : fotsy sy mavokely ary volomparasy. Ireo loko ireo no manamarika ny karazam-pôezia telo raketin'ny boky :
- Fandikana ny "Le Cid"
- Hira hainteny
- Tononkira voafantina.
 
Io "Telomiova" io koa no lohatenin'ny fizarana faharoa ao amin'ny boky "Folihala".
 
Mahatalanjona ny fifehezan'i Dox ny teny malagasy amin'ny tsipelina voafehy, ny voambolana midadasika sy mampiontana ary mandresy lahatra izay toa tsy niniana fa misosa ao anatiny ary manome aina ny aingam-panahiny.
LOHARANON'AINGAM-PANAHINY
Efa natsidika tetsy ambony ny fitiavany manoratra ho an'ny olon-tsy fantany. Maro koa anefa ireo andinin-teny miainga avy amin'ny fanembonana ny namany toy ny "Miana-fingadona mahaontsa" ho an'i Ny Avana, ny "Lasa tsy hiverina" ho an'i J.-J. Rabearivelo. Nahavatra nanakatra asa soratry ny hafa koa i Dox, ny "an'ny Ngeza" hoy izy, toy ny "Il est d'étranges soirs" an'i Albert Samain, nahateraka ny "Misy takariva miavaka" (Ny hirako, tak 29). Tsy nataony tompon-trano mihono anefa ireo tena akaikiny fa nahavitany andinin-teny maminy toy ny "Tafatoetra" nosoratany ho an'i Perle vadiny:
"Fa ny hitako aminao dia ny vatosoa miafina
Perla mamirapiratra, satry foana hotarafina"
(Takelaka notsongaina 2, tak. 35).
 
Tsy ny hatsaram-panahy sy ny hatsaran-tarehin'ny vadiny ihany anefa no "tafatoetra" fa ny an'ny andavanandrony izay tsy isalasalana fa iray amin'ireo lohahevitra mampiainga ny fanahin'i Dox ary tena nofikiriny tokoa. Nampalaza azy ny "Ny ankizivavintsika", nitanisany ireo singa maromaro mampiavaka ny hatsarana :
"Izato izy maorimaorina, maotomaotona aoka izany
Amin'ny firandram-bolony sy fibangony manendrika,
Ary ny fisampin-dambany mirindra amin'ny hatsaràny."
(Ny hirako, tak. 56) 
LOHAHEVITRA
Santionan'ireo lohahevitra mahazatra an'i Dox voatsimpona ihany no hotanisaina eto satria midadasika sy mahafaoka ny tsy hita pesipesenina izy ireo araka ny habetsahan'ny sanganasany voalahatra etsy ambany.

Nampiavaka an'i Dox ny fifikirany tamin'ny lohahevitra alahelo sy fahafatesana izay heverina ho vokatry ny dom-pahoriana nisesisesy nihatra taminy nanomboka teo amin'ny faha 30 taonany. Asehony ny tranga farany mialoha ny fahafatesany ao amin'ny "Tsy tanty ity fotoana farany!" :
"Fotoana farany ity,
Nefa, ho'aho, ry neny tia
Tsy tanty ity mijery anao..."
(Folihala, tak. 200)

Fon'iza no tsy hangotika manoloana ireo tononkalon'i Dox momba ny fahafatesana namaranany ny boky "Folihala" toy ny "Farany..." (tak. 191), "Mifanatri-tava farany" (tak. 199), "Hirakitra ny endrikao..." (tak. 201), "Fon'i Neny no itempoako..." (tak. 202), "Tory mandrakizay..." (tak. 204), "Ny fotoananao farany..." (tak. 205) ary ny namaranany ny boky : "Neny afoin'ny rehetra..." (tak. 206), nosoniaviny tamin'ny 15 jona 1964 tao Antsirabe. Miteny ho azy ny lohateny; mitoetra ao anatiny maharitra izany alahelo izany izay tsapa ao amin'ny "Manina ny zanako aho..." :
"Manina ny zanako aho ka hamangy eny aminy...
Tsy afaka hiantrano anefa fa hatreo an-tokontaniny!"
(Folihala, tak. 184)

sary nindramina

Sora-tanan'i Dox, roa andro talohan'ny nahafatesany tao amin'ny hôpitalin'i Befelatanana Antananarivo tamin'ny 12 jona 1978. Sary naranty tao amin'ny famaranana ny fankalazana ny fahazato taona nahaterahan'i Dox tao Antsirabe (17 janoary 2015).

Ao anatin'izay famborahana alahelo izay ihany ny "Tsy te..." natombony tamin'ny hoe "Tsy te-hijery vodilanitra amin'ny andro ory aho...". Izany ahiahy sy baraingo momba ny "fahafatesana" izany dia nahatonga azy hanontany tena amin'izay ho mety anjara fodiany ao aoriana : "Ary izaho raha ho lasa..." (Folihala, tak 282), "Tebiteby hahita farany..." (Folihala, tak. 198).

Zary ahafantararana azy ny mety ho fifandraisan'ny velona sy ny maty miharihary ao amin'ny "Tsy hodinganina ny maty...". Na izany aza dia hainy ny fanehoana fiononana toy ny ao amin'ny "Fiverenana tsy hisy..." manao hoe :
"Mainty noho ny haizin'alina ny fisaonako anefa,
Ary tsy hiverina amiko eto an-tany ilay nilefa!"
(Folihala, tak. 177)

Eny, mionona izy manoloana faharesena sy ny tsy azo ivalozana, izay mitaky fiondrehana... ao anatin'ilay hoe "Miondrika izahay!" :
"Ngolingolim-pahoriana, efa vahotra ny molotra,
Tsy mahatonona intsony ny tonom-bavaka atolotra;
Raiko ô...... ny ranomaso, ny ranomaso ihany sisa
No misorona ny fo...... tsy miato mikorisa!"
(Lahatsoratra voafantina, tak. 161)
 
"Mikorisa" hoy izy. Mahazatra ao amin'ny tononkalon'i Dox mantsy ny "fanovana endri-javatra" amin'ny "sarin-teny". Raha ny marina dia mirotsaka na mikoriana ny ranomaso fa tsy mikorisa. Tsy ny penina ve moa no mikorisa ho an'ny pôeta? Ny herin'ny ranomaso angamba eto no mamelona ny aingam-panahy ka mampisosa ny penina.
Izay endrika sarin-teny izay matetika no iantsampazan'ny pôeta mpamboraka embona sy alahelo, fantatra amin'ny fihirana an'Ankaratra, akanga amam-borona, kintana amam-bolana, takariva... diavolana... Ireny no hainteny, toa ahatarafana ohabolana na ankamantatra, tsy mivantambantana ny andalanteniny fa "mampahafantatra misoko fotsiny" hoy i Siméon Rajaona (1962). Mampanonga ny setran'ny fahanginana noho ny fahalavitana ary ny embona mazava ho azy ny haintenin'i Eliza Freda (Vetsovetso takariva), mirima toy ny an'i Fredy Rajaofera (Kalon'ny Ntaolo) izay nosetrenin'i Dox tamin'ny "Vazon'ny manina" hoe :
"Akanga diso an'Andringitra aho ka mamindra ts'isy fanahy;
Ny tenabeko no eto fa ny saiko any ihany"
(Ny hirako, tak. 24)

Nihira ny embona i Dox, anehoany ny fahatsiarova-maminy, niainany na tsapany toy ny vetsony ao amin'ny "Takariva am-pivahiniana" nosoratany tany Fianarantsoa tamin'ny 1939 :
"Mipololotra manga ireny ny setroka eny an-tafontrano,
Manetsika embona ao am-pon'ity aty fivahiniana..."
(Ny hirako, tak 43)
sary nindramina
Manavanana an'i Dox ny fikaloana fitiavana amin'ny endriny maro. Manomboka amin'ny hakantony izany, taratra ao amin'ny "Ny tsikitsikinao..." :
"Voninkazo iny anefa, voninkazom-pifaliana..."
(Folihala, tak. 61)

Ao koa ny lafiny maharendrika manoloana ny loharanom-pitiavana, dia ny hatsaran-tarehy hita ao amin'ny "Vao jerena dia miamboho" :
"Tarehy kasy nefa koa,
Vao jerena dia miamboho,
Toa matahotra hiseho!..."
(Folihala, tak. 40)

Izay trangan'ahiahy manoloana ny tsimoka fitia izay ihany koa no hita ao amin'ny "Matahotra ho tia" :
"Ngolingolinao ny foko ka matahotra ho tia.
Eo imasonao ny tsiky, eo imolotrao ny hehy...
Hanainga aho ary handositra dieny mbola tsy voagia,
Sao aty fivahiniana no hijaly voafehy..."
(Folihala, tak. 15)

Na inona na inona dingana misy ny fitiavana dia hain'i Dox ny maneho ny ontana raketiny toy ny ao amin'ny "Atataovy" :
"Atataovy aho, ray olona, fa mavesatra ny anjarako...
He malama anie 'ty lalako ka tsy misy hamaharako!
Kotsan'ny fitiavana aho, kotsakotsa mahonena;
Ho dify ihany ilay malala, toa dia vatranao jerena!"
(Folihala, tak. 121) 
 
Tafapaka hatrany amin'ny tampon'ontana ny vetsom-pony, izay tranga mety ho vantambatanin'ny filaza "tanora", saingy niangaliany fatratra tamin'ny endrika kanto kanefa mahalaza tsara ny hevitry ny "Hery lalina..." :
"Mahery ny filan'ny nofo, tena misavorovoro...
Entin-draikitra amin'ny ra ka lahoina tsy hahajoro
(...)
Mahery ny filan'ny nofo, mampiraingiraingy fo,
Mampanota azy hitady firavoana mahalo..."
(Folihala, tak. 81)

Nanompanan'i Dox ny asa sorany koa ny hakanton'ny andavanandron'ny olombelona izay vokatry ny fitaizan-dreniny azy hankamamy ny "hatsaran-tarehy" (Ny hirako, tak. 14). Mampitolagaga ny fahaizan'ny pôeta toa azy mamolaka ny mahazatra sy ny "eo ho eo ihany" mba hiavaka. Nimatimatesany ny fanatsoahana lesona amin'izany, izay tsy voatery hiombonany amin'ny fijery mahazatra : "Omeo hotezain'ny fiainana" (Folihala, tak. 75).
Na ny olan'ny fiaraha-monina sy ny firenena heverina ho "dridrangilo" ho an'ny lalodalovana aza dia nahavitan'i Dox andininteny antenaina hamerina ny feon'ny fieritreretan'ireo mania. Hita izany ao amin'ny "Nosy mena":
"Fanambara ny havoana efa lanaka nodorana
Ary dia nokaohin-driaka avy tamin'ny ranonorana..."
(Folihala, tak. 72)

TANTARA TSANGANA
Mpandika asa soratr'ireo andrarezina vahiny tamin'ny teny malagasy i Dox. Ireto ny santionany :
- "Le Cid", tantara tsangana mahatsikaiky an'i Pierre Corneille (Frantsay), nadikany hoe "Ilay Andrianina"
- "Andromaque" an'i Racine (Frantsay), nadikany hoe "Ny Avelon’ny vady lalaina sa Ny Ain’ny menaky ny aina?"
- "Roméo sy Juliette", tantara nosoratan'ny Pôeta anglisy fantadaza William Shakespeare
- "Pleure, ô pays bien-aimé", nadikany hoe "Itomanio, ry fireneko", tantara foronina nosoratan'ilay mpanoratra Afrikanina Tatsimo Alan Paton nentina niampanga ny fanavakavaham-bolonkoditra tao amin'ny fireneny.
- Nandika ny tononkalon-dry Ronsard sy Victor Hugo, samy Frantsay, koa i Dox.

Maro tamin'ireo dikana asa soratra vahiny ireo no voaely tamin'ny boky.
sary nindramina sary nindramina sary nindramina
FAMPIELEZANA
Nampahatsiahy i Dominique Ranaivoson (2009) fa pôetan'ny "indray mipika" na ny "eo noho eo" i Dox. Malala-tanana tokoa mantsy izy noho ny fahavarany namorona tononkalo manokana ho an'ny olon-tsy fantatra na mpandalo sendra azy teny amin'ny lalan-kelin'Antananarivo. Na maro aza indrisy ireo tsy voatahiry noho izany dia ekena fa mpamokatra harem-bakoka hita maso sady voatahiry izy tamin'ny alalan'ireo gazety nampiely ny asa sorany. Ny "Fandrosoam-baovao" sy ny "Ny Tatsinanana" no nisantarany izany ary notohizan'ny "Ny Mpandinika", "Ny Kintan’ny Maraina"... ary mazava ho azy ireo boky maro be navoakany nisesisesy na ireo mirakitra tononkalo na ny tantara tsangana na ny tantara foronina:

- 1940, Ny Hirako
- 1945, Amboninkazo
- 1946, Izy mirahavavy
- 1948, Hira va
- 1949, Solemita
- 1955, Rakimalala
- 1956, larivo
- 1956, Voninkazon'ny Tanteraka
- 1957, Ny Fitiavany
- 1959, Apokalipsy
- 1958, Izy mirahalahy
- 1958, Fahatsiarovan-tena
- 1958, Amina Batsola
- 1958, Mavo handray fanjakana
- 1958, Estera
- 1960, Telomiova
- 1960, Tsimihatsaka
- 1960, Savik’Ombalahy
- 1960, Ny Ombalahibemaso
- 1961, Ny Andron’Andrianampoinimerina
- 1961, Andriamihaja
- 1961, Rasalama Martiora
- 1961, Ravahiny Maritiora
- 1962, Rainandriamampandry
sary nindramina
- 1962, Ataon-karena inona aho? Bedohoka sy Rondro ary Imalo
- 1962, Mangidy nefa mamy
- 1965, Iarivo
- 1968, Folihala
- 1968, Varavaran’ny Fahazavana
- 1973, Dindona Fitia
- 1971, Chants capricorniens, boky nosoratany tamin'ny teny frantsay tsy tafavoaka tamin'ny fahavelony ary natonta fanindroany tamin'ny 1995.
FIKAMBANANA
- Anisan'ireo 15 mirahalahy nanangana ny U.P.E.M. (Union des Poètes et Ecrivains Malgaches) tamin'ny 1952
- Niroboka tao anatin'ny hetsiky ny pôeta "Mitady ny very" tamin'ny 1932
- Niaraka namorona ny fikambanana "Tsiry" tamin'i E.D. Andriamalala, Rado ary Randja Zanamihoatra ho fanampiana ny mpanoratra tanora.
- Efa filohan'ny K.A.MA.MI (Komitin’ny Artista Malagasy MItambatra)
- Efa filoha lefitry ny Akademian'Andrianampoinimerina
- Voaray ho mpikamban'ny Akademiam-pirenena malagasy
- Mpikamban'ny M.D.R.M. (Mouvement Démocratique de la Rénovation Malgache)

TONONKIRA - TONONKALO
Rajemisa, ao amin'ny Rakibolana, dia namaritra ny tononkira hoe "teny voarindra asiana feony". Aminy ihany, ny tononkalo dia "asa soratra misy sarin-teny sy aingam-panahy, vita amin'ny teny mirindra". Samy ahitana teny mirindra izy roa ireo araka izany, saingy ny voalohany misy feony ary ny faharoa misy sarin-teny. "Misy fifandraisany akaiky izy ireo" (Claire RIFFARD, 2008, tak. 12) satria maro amin'ny tononkalo no nohiraina.
Ny tononkalon'i Dox aza moa, ankoatra ny firindrany, dia azo lazaina ho efa voatafy feo eo am-panoratana. Nobeazina tamin'ny mozika rahateo moa izy, hoy isika, ary sady mpamoron-kira no mpitendry zavamaneno toy ny "piano", valiha, jejo lava. Koa mahagaga indray ve raha miavaka ny feon'ny andalan-teniny eo am-piantsana azy? Toa ho sarotsarotra aza angamba ny hahita rindram-peo mitovitovy lenta amin'ny "Zakaranda" :
"Mandrobona lasan-ko felany,
Mivolona vonim-boahirana"
(Ny hirako, tak. 58)

Hamafisiny amin'ny lohatenin'ny tononkalony koa ny maha tononkira ny asasorany toy ny "Fo mihira..." sy ny "Ny hirako" ao amin'ny boky "Ny hirako", tak. 2 sy 54. Misongadina koa izany eo amin'ny lohatenin'ny bokiny toy ilay navoakany voalohany "Ny hirako" (1940) sy ny "Hira va" (1948) ary ny "Chants capricorniens" (1971).
Tsy vitan'izany fa nahasarika mpanakanto ny fihirana azy ireny toy ny "Ny hirako" nokaloin'ny tarika Ramaroson Wilson, "Aza ilaozana aho", nandikany ny hiran'i Jacques Brel "Ne me quitte pas" ary nohirain'i Kelly Rajerison... Nasian'i Bessa feony koa ny "Isaky" ary nomeny hirain'i Solo Hasambarana. Ankoatra izay dia mihira ny tononkalony koa ny tarika Sorajavona
ivondronan'ny taranany toy ny "Ao...".
FANANDRATANA AN'I DOX
Anisan'ny fomba nanandratana an'i Dox ny fampielezana asa soratra momba azy, ny fanomezana anaran-toerana amin'ny anarany ary ny fankalazana ny faha 100 taona nahaterahany tamin'ny 2013.
Boky
- DOX, (2003). Takila voafantina, Florilège. Dox, l’écrivain aux multiples talents. Antananarivo: Tsipika
- RANAIVOSON, D., RAVALITERA N., RAZAFIMAHATRATRA, F.-X., (2009). "Dox: écrivain et musicien à Madagascar". Saint-Maur-des-Fossés: Sépia / Antananarivo: Tsipika. (Nandraisan'i Elie Ramasindraibe, i Dédé Sorajavona, i Hanitr’Ony, i Andriamihaja... anjara)
- ANDRIANARISOA-RASENDRA I., (2011). Dox, poésie malgache et dialogue des cultures. Antananarivo: Tsipika.
Kapila  manjelatra (feo)
- "Fo mihira", niantsan'ny Terak'i Dox sy mpanoratra vitsivitsy any Frantsa ny tononkalon'i Dox, 2006.

Toerana mitondra ny anarany
Ahitana tsangambato sy lalana mitondra ny anaran'i Dox ao an-tampon-tanànan'Antsirabe izay notokanana tamin'ny 17 aogositra 2008. Izany no tanteraka dia noho ny fangatahana nataon'ny Faribolana Sandratra sampana Antsirabe, araka ny fanamarihan'i Elie Ramasindraibe zanak'i Dox (Maharetsaka, 2015) tamin'ny famaranana ny fankalazana ny fahazato taona nahaterahan'i Dox tao amin'ny faritry Vakinankaratra.

sary nindramina
Kianja Dox ao Andohalo (Antananarivo)
Tamin'ny taona 2015 mantsy dia nohavaozina io tsangambato io fa nisy fahasimbana. Tamin'ny 05 desambra 2013 indray, tao anatin'izay fankalazana ny faha 100 taona nahaterahan'i Dox izay ihany, no nitokanana tamin'ny fomba ofisialy ny Kianja Dox teny Andohalo (Antananarivo).
sary nindramina
Ny fianakaviam-ben'ny pôeta sy mpanoratra ny andron'ny fitokanana ny Tsangambato Dox tao Antsirabe
LOHARANO NANOVOZAN-KEVITRA
Boky
- DOX, (1994). "Ny hirako". Fanoloran'i Charles Ravoajanahary. Antananarivo : FOFIPA.
- DOX, (1968). "Folihala". Antananarivo : Imprimerie nationale.
- DOX, (1955). "Voninkazon'ny tanteraka". Antananarivo : Imprimerie Mazava, Linéaire Mixte.
- RABEMOLALY F. sy ny namany, (1973). "Fary mamy". Antananarivo : Salohy
- RAJAOBELINA P., (1958). "Lahatsoratra voafantina". Antananarivo : Imprimerie Luthérienne
- RAJAONA S., (1962). "Takelaka notsongaina 2". Antananarivo : Ambozontany (2000 : Edisiona fahatelo)
- RAJEMISA RAOLISON R., (1966). "Dictionnaire historique et géographique de Madagascar". Fianarantsoa : Librairie Ambozontany
- RANAIVOSON, D., RAVALITERA N., RAZAFIMAHATRATRA, F.X., (2009). "Dox: écrivain et musicien à Madagascar". Saint-Maur-des-Fossés: Sépia / Antananarivo : Tsipika.
- RIFFARD, C. (2008). "Les débuts de la poésie écrite en langue malgache". Revue "Etudes Océan Indien", 40-41. Paris : Inalco
 
Aterineto
- "Centenaire DOX 1913 - 2013". Tsikaritra ao amin'ny :
https://centenairedox.webnode.fr/oeuvres-de-dox
- DIMISOA, (2013). "NEWS MADA : Centenaire de Dox : une place à son nom inaugurée à Andohalo", tsikaritra ao amin'ny :
https://centenairedox.webnode.fr/news/news-mada-%3a-centenaire-de-dox-%3a-une-place-%c3%a0-son-nom-inauguree-%c3%a0-andohalo-/
- "Dox". Tsikaritra ao amin'ny :
http://tononkalomalagasy.unblog.fr/dox-jean-verdi-salomon-razakandraina
- HOLY, (2015). "Fankalazana ny faha 100 taona Dox tao Vakinankaratra - 17 janoary 2015". Tsikaritra ao amin'ny :
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/lahatsoratra/page-11.html
- Ikaloyna, (2017). "Voahirana Rakotoarimanana (Fara Mananjandry)". Tsikaritra ao amin'ny :
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/tapatapakahitra/page-96.html
- MAHETSAKA, (2015). "Centenaire de Dox : Clôturé à Antsirabe!", tsikaritra ao amin'ny:
http://www.midi-madagasikara.mg/culture/2015/01/23/centenaire-de-dox-cloture-antsirabe/?fbclid=IwAR07jYaWDlHug7mDnwhjqomFJn97YFYn9NunroI7LyVfa8tB3WpLk-206c4
- RIFFARD, C. "Dox". Niarahany nisalahy tamin'i Patricia Salomon sy i Hanitr’Ony.  Tsikaritra ao amin'ny :
http://ile-en-ile.org/dox
- RAZAIMIANDRISOA, N. "Dox, poète et traducteur?". Tsikaritra ao amin'ny :
https://journals.openedition.org/oceanindien/1401
- RAMAMBAZAFY, J. "Madagascar Poésie. DOX : 13.01.1913-13.01.2013". Tsikaritra ao amin'ny :
http://andriamananoro.net/editorial/madagate-video-et-affiche/2901-madagascar-poesie-dox-13011913-13012013.html
- Докс. Певец любви и печали.  Tsikaritra ao amin'ny :
http://madagascar-russia.narod.ru/index/0-286

SITRAKA
Ho an'i Hanitr'Ony tamin'ny fanampim-panazavana sy sary.
_____________________________
Fandalinana : Toetra Ràja
Sary : Hanitr'Ony, Elie Ramasindraibe / Holy, Ikaloyna Vony, Toetra Ràja, R.H.A. Nary
Fandrindrana takelaka : Toetra Ràja

poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 05/09/2019

×