Pôeta adala, tononkalon'i Ngaly, nohadihadian'i Tsikimilamina Rakotomavo
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

27 septambra 2019
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja
sary nindramina ADALA
Mpanoratra : Rado
Nanadihady : Faniry Ezeckiel

Rado
Faniry Ezeckiel

Olombelona very saina, tsy mahay mieritreritra na misafidy ary matetika ailiky ny fiarahamonina ny adala. Nanainga ny fanahin'i Rado ny fahitana ny fiainan'izy ireny ka norafetiny an-tononkalo ary azo vakiana ao amin'ny boky "Dinitra takila 19" izany. Miresaka betsaka momba ny maha izy azy ny adala io asa soratra io. Abaribariny ao fa fara fahoriana tokoa ny adala raha ny fahitan'ny mpiara-belona azy nefa halalininy amin'ny fijery hafa fa olona afaka izy ireny.

Marihina eto am-piandohana fa mitory ny fahambonian'ny olombelona ny fananany saina mahiratra noho ny an'ny zava-manana aina hafa. Mahantra sy fara fahoriana raha samy olombelona tokoa ny adala araka izany, very manko ilay fahamboniana maha olona hany ka tsy mahafehy ny toetra amam-pihetsika asehony intsony. Tsy misy tondrozotra, tsy misy henatra, tsy misy tahotra, ary tsy misy fantany izay ataony :


ADALA

Misingo-borodamba, itakovanan-doto
Miresaka kanefa, tsy manan-kiresahana
Mitsiky tsy miravo sy misafotofoto
Mivezivezy foana, tsy manan-kipetrahana.

Tsy mahalala taona, tsy mahalala andro
Misaina anefa asa izay zavatra mba saininy
Tsy mahalala noana, tsy hainy ny mahandro
Toa ory nefa inona no zavatra taraininy?

Dia ihomehezantsika fa hoe adaladala
Tsy mahay manaiky na manana fandavana
Kanefa, sambatra izy fa tsy mba nahalala
Ny tsiron'ny tsilon'ny antsoina hoe fitiavana!

RADO in Dinitra tak 19
"Miresaka kanefa tsy manan-kiresahana"
"mivezivezy foana tsy manan-kipetrahana"...
"Misaina anefa asa izay zavatra mba saininy"...
"Tsy mahay manaiky na manana fandavana"

Toa misosa ery ny filazany azy eto, moa tsy toy ireny hoe iray monina amin'ny mpanoratra mihitsy ny adala eto? Izany no midika fa miharihary toy ny tafika andrefan-tanana ny fijaliana mianjady amin'izy ireny.
Tsy vitan'izany ihany anefa fa misedra ny tsy fahampiana maro isan-karazany izy ireo. Tsy tontosa ny filana ara-boajanahary maha olona azy. Eo amin'ny fitafiana ohatra dia asongadin'ny pôeta eo amin'ny andalana voalohan'ny asasorany mihitsy fa "Misingo-boridamba itakovanan-doto" ny adala, izany hoe tsy vitan'ny  mitafy tsizarizary fa mbola miaina anaty loto. Ny sakafo moa etsy an-daniny dia tsy resahin'ny mpanoratra betsaka intsony fa efa iaraha-mahalala ny fahoriany : mitavana ny sisa tsy lanin'ny hafa izay matetika simba sy lo raha hahita aza, hany ka vaky vava mihitsy ny mpanoratra milaza hoe : "Tsy mahalala noana, tsy hainy ny nahandro". Midika izany fa zara raha mahita sakafo ambany foitra izy ireo.
 
Araka izany dia very tanteraka ny zo sy ny hasin'ireo adala. Tafalatsaka anaty fahoriana feno izy ireo ka zary ihomehezan'ny maro sisa araka ny voalazan'ny tononkalo ao amin'ny andininy farany.
 
Na eo aza anefa izany rehetra izany dia misarika ny saintsika  hanaka-davitra ny mpanoratra ka manambara amin'ny andinin-tsoratra sasany ato fa olona afaka ny adala.

Tsipihina etoana fa ny saina no mandrindra sy manatontosa ny faniriantsika olombelona, mamaly ny filana voajanahary ao anaty ka ahazoantsika misafidy izay azo atao. Matetika anefa ny faniriana sy ny filana no loharanon'ny olana mpahazo ny olona ka mahatonga ny maro hilaza fa tsy fiainana ny fiainana tsy misy olana. Olon'afaka araka izany ny adala, tsy voafatotry ny faniriana, tsy voagejan'ny filana, hany ka tsy vesarana olana noho ilay saina very. Isika mijery no toa mametraka azy ho fara fahoriana fa izy kosa na ny fahoriany aza tsy fantany : "Toa ory nefa inona no zavatra taraininy?" hoy indrindra ny fanontanian'ny mpanoratra izay maneho ny tsy fahatsapan'ny adala ny mahazo azy ka zary toy ny tsy misy olana ihany.
Taza-maso ety ivelany avokoa izany fa ny tena mahazendana dia ilay fahafahana anaty tsy itovizany amin'ny manan-tsaina rehetra. Tsy voasaringotry ny karazam-pahasahiranana sy ny adin-tsaina izy. Tsindrian'ny pôeta manokana mihitsy ny resaka fitiavana eo am-pamaranana ny tononkalony. Mampikaika ny maro sy mampisara-bazana tokoa matetika ny tontolon'ny fitiavana, sehatra iray mampitovy ny  adin-tsaina sy olana maro ary indraindray aza miafara amin'ny famoizam-po. Anisan'ny mitarika ny fahaverezan-tsaina nefa iainan'ny olona ny tena mamy eo amin'ny fiainana koa. Olona afaka ny adala noho izy tsy tafalatsaka ao, toa miaina am-pilamina noho ireo asavorovoron'io resaka io aza izy ireo. Tsy voafonja ny fony noho ny mahabanga ny sainy. Hoy ny tononkako hoe :

"Kanefa sambatra izy fa tsy mba nahalala, ny tsiro sy ny tsilon'ny antsoina hoe fitiavana".

Tsindrian'ny mpanoratra mihitsy ny hoe SAMBATRA. Io mantsy no tanjona tratrarin'ny besinimaro ka imatimatesany isanandro ary tondroina hoe tsy azo ety an-tany kanefa ny adala no nisalotra azy voalohany noho ilay fahafahana tsy gadrain'ny fironan'ny saina aman'eritreritra.

Araka izany dia tsy mitovy amin'ny eritreritry ny olona amin'ny fijery ivelany ny adala, ny fiainana anatin'izy ireny izay afaka amin'ny geja mamatotry ny filana maro nateraky ny saina sy ny fiarahamonina.
 
Eto  am-pamaranana dia azo  porofoina tokoa ny haranitan-tsaina amam-panahin'ny mpanoratra. Niainga tamin'ny zava-misy tsy lavitra na saro-takarina ny aingam-panahiny nefa niteraka pôezia mifono hafatra mampandini-tena. Mitarika ny tsirairay hahay handanjalanja ny fitondrana ny saina  eto ny tononkalo, sao lahy  ho  tonga fangejana sy fatotra ho antsika ny saina ka ho very ny hasina maha fihamboniantsika azy. Aleo tokoa tsy ampy saina miaina  fahafahana toy izay tapi-pahaizana voafatotry ny filana.

Mpandalina : Faniry Ezeckiel
Mpandrindra : Toetra Ràja
poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 27/10/2019